Noely
Zaza teraka ao anaty alim-be no fahazavana ho an’izao tontolo izao.
Arahaba nahatratra ny Noely. Ho fety loharanon-kafaliana hiboiboika ho antsika anie ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpamonjy antsika. Tsy ho sanatria fety hiravoana amin’ny zava-mandalo anefa fa fety hanandramana ny hafaliana marina tokoa ao amin’Andriamanitra.
Misy lamesa efatra ny fankalazana ny Noely ka ireto avy ny vakiteny amin’ireo lamesa ireo :
- Lamesa hariva (24) :
Iz 62, 1-6 / Sal 88 / Asa 13, 16-17.22-25 / Mt 1, 1-25 - Lamesa misasakalina (24) :
Iz 9, 1-9 / Sal 95 / Tit 2, 11-14 / Lk 2, 1-14 - Lamesa maraina :
Iz 62, 11-12 / Sal 96 / Tit 3, 4-7 / Lk 2, 15-20 - Lamesa atoandro :
Iz 52, 7-10 / Sal 97 / Heb 1, 1-6 / Jn 1, 1-18
“Afaka manomana sy mikarakara fety isika, saingy tsy voatery ho loharanon-kafaliana izany… tsy afa-misaraka amin’ny tena fety anefa ny hafaliana, na dia mijanona ho fanomezana mandrakariva aza izy, saingy fanomezana efa nomena antsika tamin’ny hafenoany, ary sitrak’Andriamanitra hiboiboika lalan-dava ao am-pontsika” (Papa Benoit XVI). I Md Paoly milaza amintsika fa vokatry ny Fanahy ny tena hafaliana (Gal 5, 22), ary tsy afa-misaraka ihany koa amin’ny hasambarana izay vokatry ny fihavanantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa ary amin’ny tenantsika. Ny mampiavaka ny hafaliana manko dia izy tsy mba azo tazonina ho an’ny tena samirery. Ny Fiangonana, araka izany, amin’ny maha-misionera azy dia voairaka hampiely ny hafaliana noraisiny. Loza ho ahy, raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy Md Paoly (1 Kor 9, 16).
Hafaliana tsy ho an’ny olombelona ihany anefa ny Noely. Ny salamo 95 (setriny lamesa alina) dia miantso ny lanitra sy tany hifaly, miantso ny riaka sy izay mameno azy hirohondrohona, manentana ny saha sy ny vokatra eo aminy hibitaka ary ny hazo hiantsa amin’ny feo avo: satria handeha hitsena ny Tompo izay tamy hitsara ny tany.
Izay miandry izany fiaviana izany ihany no afaka hahafeno fatra ny hafaliany amin’ny fotoana hahatanterahany. Isika moa amin’ny lamesa, aorian’ny Fivavahan’ny Tompontsika dia mamerina mandrakariva ny vavaka mba hanafahan’Andriamanitra antsika amin’ny ratsy rehetra, ary ny fisehoan’ny fahasoavan’Andriamanitra no hanatanterahany izany, hoy i Md Paoly, izany hoe amin’ny misterin’ny fahatongavana ho nofo, ankalazaintsika manokana amin’izao Noely izao. Ny Famindram-pony no manafaka antsika amin’ny fahotana sy hahafahana miandry am-piadanana ny fahasambarana nampanantenainy ao amin’i Jesoa.
Ny fomba fitsaran’Andriamanitra moa dia ny fanasarahany ny ratsy amin’ny tsara. Ary amin’ny fampiposahany ny hazavana no anaovany izany (Vakiteny I Lamesa alina: Iz 9, 1-9). Izany no maha-fetin’ny hazavana ny Noely. Ny hazavana no noharian’Andriamanitra voalohany ho antsika araka ny Soratra Masina: Misia ny hazavana (Jen 1, 39). Ny Teniny tonga nofo ka miara-monina amintsika no hazavana ka izay mino Azy dia mandray ny hazavany (Evanjely Lamesa antoandro Jn 1, 1-18). Tsy haharesy ny hazavana na oviana na oviana ny hakitroky ny haizina.
Amin’izao ankatroky ny Noely izao ary, dinihontsika ny hafatr’i Paoly milazalaza amintsika ny toe-piainana tokony hankalazantsika ny Noely: “mba hananana toetr’olona hahalala onony, marina, tia vavaka, velomin’ny fanantenana… sady fatra-pitia ny soa rehetra” (Tt 2, 11-14, Vakiteny II alina). Tsy herin’ny finiavan’olombelona anefa izany fa fitiavana maimaim-poana sy loharanom-pamonjena avy amin’Andriamanitra. Ary matoa isika no voavonjy dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana ataontsika fa noho ny famindram-pony (Vakiteny II lamesa maraina: Tt 3, 4-7).
Izany no lazain’Izaia Mpampinany hoe izay tarafin’ny hazavan’ilay zaza teraka ho antsika dia handoro ny fitaovam-piadiana sy izay mety ho reharehan’ny mpiantafika, ka hahatsiaro ny fandresen’i Jedeona tany Madiana (vakio Boky Mpits 7-8), tsy hiantehitra amin’ny herin’ny tafika na ny tanjaky ny olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra irery ihany.
Ny Evanjely toriana amin’ny Lamesa misasak’alina dia mametraka an’i Jesoa eo anivon’ny Tantara, fa mametraka azy indrindra indrindra eo amin’ny andavan’androm-piainantsika. Sezara Aogosta namoaka ny didy hanao ny fanisam-bahoaka, izay fahotana manohitra ny fitokisana an’Andriamanitra ho an’Israely, ary lazain’ny fiatombohan’ny toko faha-21 amin’ny Boky voalohan’ny Tantara fa nitsangan-kamely an’Israely Satàna ka namoky an’i Davida hanisa an’Israely (1 Tantara 21, 1). Azontsika ilazana ny ambom-pon’olombelona te hahafantatra ny tanjany ny fanisam-bahoaka, ary tsy azo adinoina fa ao ambadik’izany mandrakariva ny ady. Na ny Evanjely aza milaza fa fahendren’ny mpanjaka ny manisa ny miaramilany alohan’ny handefasana azy ireo hiantafika (Lk 14, 31).
Inona moa no iatombohan’ny tsy fandriampahalemana rehetra raha tsy ny fialonana vokatry ny fiheverana ho ambony sy matanjaka kokoa noho ny hafa. Ao anatin’izany tontolo izany no anehoan’Andriamanitra ny heriny sy ny fitiavany: manoloana an’i Sezara Aogosta sy Sirinosy no ametrahany zazakely vao teraka ka hisafidianan’ny fo izay “andriamanitra” tiany hitsaohana.
Ny hafaliana ambaran’ny Evanjely (Lk 2, 1-14) dia mampandinika antsika ny amin’ny anjara toerana omentsika ilay “zaza teraka ho antsika”, famataram-pamonjena ho antsika izy. Meteza isika ho eo amin’ny toeran’ny Mpiandry ondry, handao ny ondry amin’ny andro alina, handeha hizaha ka hitsaoka zazakely mifono lamban-jaza eo ambonin’ny fihinanam-bilona: finoana izany! Izay mahita ny voninahitr’Andriamanitra dia hino fa afaka manova ny fiainantsika amin’ny tsaratsara kokoa Izy Andriamanitra ka ny fandraisana ny hazavana avy aminy ihany no hahafahana manilo ny lalan-kombana, ka tsy hanomezana tsiny an’Andriamanitra intsony, raha sanatria ny haratsiam-panahintsika no tsy mampiadana antsika. Izay tsara sitra-po no hiadana. Izany no hafatry ny Anjely.
Lazain’i Md Lioka fa tsy nisy toerana teo amin’ny tranom-bahiny, katalumà amin’ny grika. Tsy hotely fandraisam-bahiny anefa no tena ampiasana io teny io (pandocheion no ampiasain’i Md Lioka hilazana izany ao amin’ny 10,34). Ary heveriko fa matoa io “katalumà” io ihany koa no ampiasainy indray, tahaka ny ao amin’i Md Marka 14,14 hilazana ny toerana (Senakla) nankalazan’i Jesoa ny Paka farany niaraka tamin’ny Mpianatra, ka nanolorany ny Eokaristia, dia midika izany fa Izy no ilay nanaiky ho vilo-maintso ho an’ny ondriny (Sal 22), hatramin’ny fahaterahana, ka zary mofon’ny fiainana ho an’izay mandray Azy ho fahazavana (Jo 1,6).
Mazava loatra koa moa fa sarotra ny hampivelona eo amin’ny toerana hitobian’ny besinimaro, fa na izany aza, dia entin’ny Evanjely hanambarana ny fomba fiainantsika olombelona, mahita fomba hanilihana an’Andriamanitra foana. Izy kosa, tsy vitan’ny nisafidy an’i Betlehema, Tranon’ny mofo, fa nisafidy ny fihinanam-bilona mba hanambara fa ho sakafo hamelona ny ondriny no nahatongavany ho nofo.
Ny mpiandry ondry no nofidian’Andriamanitra hisehoana voalohany, tsy hoe mahantra loatra no tiana asiana tsindrim-peo ety (niandry ny ondriny izy ireo fa tsy mpikarama tsy akory), fa noho izy ireo olona tsy mba nitokisan’olona loatra satria mpametsifetsy sy mpanimba zavatr’olona, mampitondraka amin’ny volin’olona no sady misambotra tsy mamerina… Sokajin’olona mahantra am-panahy izany ireo, mpanota fanondro molotra ary tsy mifandray loatra amin’ny fiaraha-monina satria mifindrafindra toerana koa. Ho an’ny sarambabe dia efa very mbola velona any amin’ny afobe izy ireo. Soa ihany fa tsy ny fitsaran’ny olona no hahavonjy na hanameloka ary ambaran’i Md Lioka fa izy ireny indrindra no anehoan’Andriamanitra ny halehibeazan’ny voninahiny.
Tsy hataontsika an-tsirambina àry ny fivoriantsika amin’ny anarany satria io no sakramenta manambara ny fisiany eo anivontsika: na aiza na aiza hivorian’ny olona roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoan’izy ireo aho (Mt 18,20). Ka na dia ao anatin’ny fahoriana sy ny fangirifiriana aza (tsy fisiana, aretina…) no ankalazan’ny sasany ny Noely, dia tsy hanesotra ny hafaliana fonosiny izany, satria mino isika fa ho fiombonana amin’ny fahoriantsika no naneken’ilay Mpamonjy vao teraka hisafidy ny tranon’omby. Ireo monina any Zabolôna (avy amin’ny fototeny hoe zabal manaja, mendrika) ny zanaka fahafolon’i Jakôba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4,13sns) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (avy amin’ny hoe phatal, miady), ilay zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Ny hazavan’i Kristy no hahafahantsika koa ho tonga hazavana ho an’ny hafa, ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra.
Araka ny voalazan’ny Vakiteny I amin’ny alina moa (Iz 9,1-6), ny Noely dia manampy antsika koa hiaina araka ny tokony ho izy. Mpaminany tany amin’ny faritra atsimo, tany Jerosalema, i Izaia. Ny faritra lazainy amin’ny famaranana ny toko faha-8 anefa dia i Zabolôna sy Neftalì ary ny lalana manamorona ny ranomasina, izay azo heverina ho ny faritr’i Asera (misy an’i Sidôna, farany avaratra sy Tira) dia samy amin’ny fanjakana avaratra avokoa. Ireo faritra telo ireo no nobaboin’ny Asirianina voalohany ny taona 734-732 tal. J.K. tamin’ny andron’i Tiglath Pilezer III (lasa Pul tamin’ny andron’ny Babilôna 729 tal. J.K.), fa tamin’ny 721 vao lasan-ko babo tanteraka ny fanjakana avaratra manontolo.
Ireo vahoaka tavaratra nandeha amin’ny haizim-pito, entina an-tsesitany (ary indraindray aza, efa nopotsirina nny voamaso ka jamba tanteraka) no lazain’Izaia fa hiposahan’ny hazavana, satria toy ny tamin’ny andron’ny Madiana (Mpits 7), tamin’ny andron’i Jedeôna no nanapahan’ny Tompo ny jioga namesatra sy ny tsora-kazo nikapohana. Tsy amin’ny herin’ny tafiky ny olom-belona fa avy amin’ny fahasoavana, hoy Md Paoly. Nahoana Izaia any atsimo no mitory fanantenana ho an’ny any avaratra?
Mampianatra antsika aloha voalohany indrindra fa tsy afaka ny hanao be tsy mahita amin’ny fahorian’ny hafa isika fa voin-kava-mahatratra. Izay tsy maniry afa-tsy ny hiadanan’ny tenany sy ny olon-tiany dia lavitra ny tontolon’ilay Zaza teraka mba hitondra famonjena sy fiadanana ho an’ny olon-drehetra. Fa ny Tantara koa dia mampianatra antsika izany voin-kava-mahatratra izany: ny firenena atsimo toa tsy niraharaha ny nanjo ny tany avaratra no sady tsy nanaiky ny hanatra nataon’ny mpaminany, ny taona 587 tal. J.K. dia lasan-ko babo any Babilôna, tamin’ny andron’i Nabôkodônôzôra..
Izay mahafantatra ka mino ilay zaza teraka, zazalahy nomena, natolotra ho fiadanantsika, araka ny voalaza teo aloha, dia hahatsiaro mandrakariva fa io zaza io no Mpanolo-tsaina mahagaga, ka tsy afaka ny hahita ny fahasambarana izay tsy miombon-kevitra Aminy; Io zaza io no Andriamanitra mahery, ka tsy afaka ny handresy ny fahavalo izay tsy miantehitra Aminy; Izy no Ray mandrakizay ka ny fitokisana amin’ny fitiavany no handresena ny tahotra; Izy no Andrian’ny Fiadanana ka izay manaraka ny baikony, hiaina araka ny fitiavan’Andriamanitra no hahafahana manandrana ny fiadanana atolony.
Izany no mahatonga an’i Papa François mampahatsiaro antsika fa ny Noely, ny tranon’omby (admirabile signum) ary izay atao rehetra any am-piangonana dia tsy misy antony hafa afa-tsy ny hanampy antsika rehetra haka tahaka bebe kokoa an’i Kristy amin’ny fomba fiainana.
Izy ilay nanaiky hifono lamban-jaza hisolo ny vilona ho sakafon’ny omby sy ny ampondra anie (Iz 1,3), hanampy antsika hahatsapa ny hasin’ny Eokaristia, vilo-maintso (Sal 22) entiny hamelomana antsika ho amin’ny hafaliana mendrika ny maha-kristianina antsika.
Mirary Krismasy sambatra.