Md Matio 1, 1-17
Ambaran’ny tantara mahazatra antsika fa zanak’i Joachim izay avy amin’ny fianakavian’i Davida Mpanjaka sy Anne izay avy amin’ny fianakavian’i Aarona Mpisorona moa i Masina Maria. Izy no ilay Virjiny, “tonga satria tsy maintsy miteraka”, voafidy ho renin’ilay hiandry ny ondry amin’ny herin’Andriamanitra, ilay ho fiadanan’ny Vahoaka dia i Jesoa, ilay Kristy, zanak’i Abrahama, zanak’i Davida.
Amin’ny andininy faha-17 amin’ny Evanjely anio dia lazain’i Md Matio fa taranaka 14 hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, 14 hatramin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana tany Jerosalema, ary 14 hatramin’ny Babilonina ka hatramin’i Kristy. Saika miray hevitra avokoa moa ny mpandinika rehetra ny amin’ny hoe 14, izay isa tambatry ny anaran’i Davida (דָּוִד= ד=4; ו=6; 4+6+6=14).
Rehefa isaina anefa ireo taranaka voatanisa, dia 13 avy amin’i Abrahama hatramin’i Davida, ary ao anatin’izay dia itanisana vehivavy 3: Tamara, ilay nisandoka ho mpivaro-tena mba hahazoany taranaka avy amin’i Jodà, rafozany (Jenezy 38); i Rahaba ilay mpivaro-tena nampiantrano ny mpisafo tany tao Jerikao (Josoe 2), tonga vadin’i Salmôna; i Rota, Moabita, vinantovavin’i Noemì notoroany hevitra hisarizoro amin’i Bôoza, fianakaviany ka tonga vadiny (Rota 3-4).
Avy eo amin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana indray kosa, raha isaina ny Mpanjaka hita ao amin’ny tantara, ireo izay nanjaka tany amin’ny faritr’i Jodà, araka ny Bokin’ny Mpanjaka sy ny Tantara dia tsy 14 fa 18 miaraka amin’i Salomona izay farany nanjaka tamin’ny faritra roa nitambatra, satria i Roboama (931-913 a.C) no nanjaka tany Atsimo. Ao anelanelan’i Jôrama (848-841 a.C) sy Oziasa (781-740 a.C) no nisy mpanjaka nesorin’i Matio (Akasia, Joasa sy Amaziasa), heverina fa nararaotiny amin’ny fifangaroan’ny anararan’i Akasia (אֲחַזְיָהוּ, 1 Tantara 3, 11) tonga Οχοζια (Okôzia, avy amin’ny Ὀζίας) amin’ny teny grika, izay anaran’i Azaria na Oziasa (Ὀζίας). Amin’ireo mpanjaka 14 voatanisa eo anefa, dia i Davida irery ihany no nomena ny famaritana hoe : ilay Mpanjaka (ὁ βασιλεὺς, and .6).
Ny antony ametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana, hoe “nahoana no lazain’ny Mpanora-dalàna hoe Zanak’i Davida i Kristy” (Mk 12, 35), dia ny mba hahafahantsika mahalala marina tokoa hoe “iza Izy”. Eto amin’ity andininy faha-14 ity dia misy vehivavy iray voalaza koa: Ny vadin’i Orìa izay novonoin’i Davida (2 Sam 11), vadin’olona no niterahany an’i Salomona, razam-be manaraka an’i Davida voaraikitra ao amin’ny tetiaran’i Matio. Sady nangala-badin’olona izany ilay “Mpanjaka” rzam-ben’ny Mesia no namono olona.
Ny 2 Samoela 7, 4-16 dia mitantara ny fampanantenan’Andriamanitra an’i Davida fa ny taranany no hanjaka mandrakizay, satria Izy Andriamanitra no hanome azy ny fiandrianana. Tsara hotadidiana ihany anefa ny nanjo ireo zanaka naterak’i Davida: ny lahimatoa (Amona) novonoin’ny manarakaraka (Absaloma) (2Sam 13), Absaloma nikomy nanohitra an’i Davida ka maty novonoin’i Joaba (2Sam 18). Tokony ho Adoniasy no handova, saingy noho ny hafetsen’i Betsabea dia i Salomona zanany no nofodian’i Davida ho mpandova azy, ary i Salomona kosa nampamono an’i Adoniasy (1Mpanjaka 2). Maty Salomona dia nizara roa ny Fanjakana. Ady sy fandrombaham-pahefana araka izany no nanjaka tao amin’ny tranon’i Davida. Saingy avy amin’izany no nofidian’Andriamanitra hipoiran’ny Zanany, avy amin’i Josefa, taranak’i Davida. Na dia tapitra tamin’ny fanjanahan’ny Babilona aza ny fanjakan’Israely (586 aC) dia namelombelona tao am-pony izany fanantenana izany ihany ny taranany rehetra.
Avy eo amin’i Jekôniasa kosa indray, hatramin’i Josefa dia tsy 14 fa 12 no taranaka voalaza eo. Ary raha isaina ny hoe niteraka, hatrany amin’i Abrahama niteraka (ἐγέννησεν=aoriste active de γεννάω gennao) an’Isaaka ka hatramin’i Jakoba niteraka an’i Josefa dia 13+14+12=39 izany, ka ny faha 40 dia ἐγεννήθη (aoriste passive de γεννάω gennao) no ampiasain’i Md Matio. Misy antony araka izany ny tsy namenoany ho 14 ireo taranaka ireo. Tsara alalinina ny mikasika izay. Ny mpandinika sasany milaza fa satria Andriamanitra no niantso an’i Abrahama tamin’ny finoana, ka Izy izany no mameno ny laharana faha-14 ao amin’ny fizarana voalohany, zanak’Andriamanitra i Abrahama. Amin’ny antoko fahatelo farany izay 12 fotsiny kosa, dia mahasanganehana ihany, satria tsy misy fantatra loatra ny ara-tantara amin’ny maha-taranak’i Davida an’i Joachim rain’i Masina Maria. Misy kosa no mihevitra fa ilay Josefa lazain’i Matio ho “lehilahin’i Maria” no rainy, ka raha izay, dia feno 14 koa ny taranaka hatrany Babilônina ka hatramin’i Jesoa. Aza miantso na iza na iza ho rainareo ety an-tany… (Matio 23, 9). Ilay Ray tokana, dia ilay Rain’i Abrahama no hany Ray iombonan’ny rehetra.
Maha-very hevitra ihany ny mandinika ny lazain’ny Evanjely, eny fa na dia tsy ny hanome antsika “information” ara-tantara aza no tanjony, indrindra fa ho antsika izay mihira fa “ilay taranak’i Davida ara-nofo” no nofidian’Andriamanitra ho Mesia, eny fa na dia nolazain’i Md Matio mazava aza fa “tsy nahalala an’i Maria i Josefa ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1, 25). Raha taranaka ara-nofon’i Davida, araka izany ny Kristy, dia mazava loatra fa i Maria fa tsy i Josefa no tokony hotantarain’ny Evanjely fa taranak’i Davida. I Josefa, zanak’i Davida (and. 20) anefa no antson’ny Anjely hampakatra an’i Maria vadiny. Izany zavatra izany moa dia mahatonga antsika handinika ny antsipirihan’ny Evanjely, satria ao amin’i Md Matio dia i Jakoba no niteraka ny Josefa izay nolazaina fa “lehilahin’i Maria”, izay niterahana an’i Jesoa; ao amin’i Lioka kosa indray, i Elì (Ἠλί) no rain’i Josefa izay nataon’ny olona ho rain’i Jesoa (Lioka 3, 23). Raha Josefa iray ireo, dia mazava loatra fa roa izany ny dadaben’i Jesoa araka ny Evanjely, ary manahirana ihany izany.
Ny an’i Lioka moa dia anarana betsaka no tsy mitovy akory fa tsy hisy afaka ny hanaporofo ny fahamarinana na tsia ny amin’ny fifandimbiasan’ireo anarana ireo, vao miainga avy eo amin’i Davida dia efa samihafa ny fitantarana: Matio manohy avy amin’i Salomona ary i Lioka kosa avy amin’i Natana. Tsy dia izay rahateo koa anefa no zava-dehibe. Adihevitra mety hamohehatra ny mpihaino aza izany ka tsy hahasoa akory, hoy i Md Paoly amin’i Timote (2 Tim 2, 14). Ny zavatra tsy azon’ny saintsika lavina kosa anefa dia manova ny fiainana manontolo ny fahalalàna fa fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana no nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana ho Mesia hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny haizina, satria ao Aminy no entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, araka ny lazain’i Md Paoly (Rom 8).
Raha hiverenantsika kosa ilay fanisana heverina fa nataon’i Md Matio fanahy iniana, ho 13+14+12, dia ao amin’i Jesoa, laharana faha-40, no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Ao amin’io Zanany io no hiterahany antsika rehetra koa ho zanany.
Tsy i Josefa anefa no niteraka an’i Jesoa, ary na ny dikanteny hitantsika ao amin’ny andininy 16 hoe “Maria (vadiny) izay niteraka an’i Jesoa” aza tsy mifanaraka amin’ny voasoratra amin’ny teny grika hoe “ἐξ ἧς ἐγεννήθη Ἰησοῦς ὁ λεγόμενος χριστός”: “avy amin’i (Maria) no nateraka i Jesoa ilay antsoina hoe Kristy”: (Mt 1,16). ἐγεννήθη moa, araka ny efa voalaza teo dia “indicatif aoriste passif” avy amin’ny γεννάω, (gennao, miteraka), izay antsoin’ny mpandalina Baiboly hoe “passif divin”. Andriamanitra no niteraka avy amin’i (ἐξ) Maria ilay Mesia nampanantenainy an’i Abrahama (Jenezy 12, 3) sy i Davida (2 Samoela 7). Io fampanantenana io no niezahan’i Matio navoitra tamin’ny tetiara nataony momba an’i Kristy. I Lioka moa dia manana ny fitantarany manokana, nanangonany izay anarana rehetra hitany tao amin’ny Soratra Masina, hilazany fa i Jesoa, ilay Mesia dia zanak’i Adama, Zanak’Andriamanitra (Lk 3, 23-38).
I Maria araka izany no vehivavy faha-5, miaraka amin’i Tamara, nanambady rafozana, i Rahaba mpivaro-tenan’i Jerikao tonga vadin’i Salmôna, i Rota, nampanambadina’i Noemì rafozany ny havany, i Betsabea vadin’olona nangalarin’i Davida, hahatanterahan’ny faminanian’i Mikea hoe: “hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka”, satria sady mbola vao fofom-bady tsy miray trano no virjiny.
Izany rehetra izany dia manambara fa tsy araka ny fanirian’olombelona ny fanjakana sitrak’Andriamanitra hatsangana, hanome voninahitra ny anarany, fa araka ny fampanantenany. Ny Evanjely rahampitso moa dia manazava izany.
Ny fiterahana anefa dia fanehoana fanantenana mandrakariva. Izay manaiky hiteraka dia sady manana ny fanantenana hitohizan’ny tantaram-pitiavan’Andriamanitra sy ny vahoakany ho manaiky ihany koa ny fanovana tsy maintsy hoentin’ny zanany eo amin’ny lafim-piaianana. Isika olombelona no matahotra ny hanana taranaka fangolika fa ny fiandrasana an’i Kristy, zanaka naterak’i Maria kosa, dia mamelona ny fanantenana fa izay ateraka ka manaiky ho tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia ho mpanjaka hitsara ara-drariny, ho fitahiana ny tany tontolo (Sal 71).
Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary stoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.