HO AN’IREO KRISTIANINA ENJEHINA
LALAN’NY HAZO FIJALIANA
HO AN’IREO KRISTIANINA ENJEHINA
ho an’ny Fianakaviana Trinitera
sy any amin’ny Paroasy sy Sekoly tantanan’ny Trinitera na ho an’ireo te hiombona amin’ny fijalian’ny Eglizy enjehina noho ny finoana
Tadiavin’izao tontolo izao afenina ny fanenjehana ny kristianina, hoy Papa François (Angelus 15 mars 2015 nivavahany ho an’ireo fianakaviana novonoina noho ny finoana tany Pakistan). Indraindray odiantsika tsy hita ny zava-misy. Toa zavatra tsy mahakasika antsika, kanefa ny hitondra fiadanana sy fandriampahalemana ho an’izao tontolo izao no iantsoana antsika kristianina, ka raha mbola misy olona mijaly ihany koa, raha mbola misy olona tsy afaka hiaina an-kahalalahana, tsy afaka haneho ny finoany, izay tsy hoe fanembatsembanana ny an’ny hafa, fa fitadiavana ny soa, satria raha tena kristianina dia ny hanolotra ny tena manontolo ho famonjena an’izao tontolo izao miaraka amin’i Kristy no tanjona, ary ny hitory ny fitiavan’Andriamanitra no fiainana, ka raha tsy hihontsona amin’ny fijaliana mianjady amin’ny hafa, dia misy fahabangana amin’ny maha-kristianina, ary mazava loatra, tsy hisy fototra hijoroany ny maha-trinitera.
Ordinis Sanctae Trinitatis et Captivorum : Fikambanana moa no nandikana ny teny hoe Ordo, fa teny nampiasain’ny latinina mba hilazana ny filaharan-jo am-boninahitra nisy teo amin’ny fianakaviana (sy ny mpiray tam-po) sy ny fiaraha-monina io teny io (hevitra izay nentina nilazana ny sakramentan’ny filaharana tamin’ny taonjato XVII), ary taty aoriana dia nentina nilazana ny Fikambanan-dRelijiozy fehezin’ny Regula, Lalàna tokana (1126) ary tonga filazana ny fiombonan’ireo relijiozy manonona ny voady mandrakizay araka io Lalàna io tato aoriana (1135). Araka izany, ny Lalàna tokana manambatra ny maha-kristianina dia ny fiombonany amin’ny Trinite Masina sy ny Voababo, ary ambaran’i Md Jean de Matha mazava ao amin’ny Lalàna nahazoany fankatoavana tamin’ny Papa Innocent III ny mikasika ireo hanokanan’ny trinitera rehetra ny ampahatelon’ny fananany, tertia pars, dia ny fanafahana ireo izay voageja noho ny finoany an’i Kristy, na hanafahana ireo tsy mpino mba hanakalozana azy amin’ny kristianina.
Tsy ny Fikambanana Trinitera nanankinan’ny Eglizy ny fitantanana ny Paroasintsika ihany anefa no voakasik’izany. Raha manadino ireo havantsika henjehina isika dia manadino ny maha-vatana iray ao amin’i Kristy, ary mazava loatra fa tsy hahatsiaro akory ny fahasambarana amin’ny anomezan’Andriamanitra antsika ny fahasoavana mba hiaina an-kalalahana ny finoana. Ny fahatsapana ny ngidin’ny fanenjehana sy ny fahoriana iaretan’ireo havantsika enjehina noho ny finoana dia fanohitra lehibe ho antsika, ary hampanongo tena antsika amin’ny tsirambina atao amin’ny fiainana ny maha-kristianina.
Misy havantsika terena ho amin’ny fanaovan-dratsy nefa aleony maty toy izay hiala amin’ny finoana. Ny antsika indraindray ny olona manoro ny lalana tokony hizorana indray no ankahalaina; ny antsika indraindray ny lalam-pahaverezana indray no mahasambatra kokoa noho ny maha-kristianina.
Ity endriky ny Làlan’ny hazo fijaliana arosontsika anio ity dia fomba mivaingana, amin’ny alalan’ny vavaka, fiombonana amin’ireo rahalahintsika rehetra, izay manaiky hijaly ho an’i Kristy sy miaraka Aminy noho ny fahatokisana Azy. Ilay Zoma Masin’ny Fiangonana izay mijaly. Avy eo dia mitohy ihany koa ny asa izay nataon’ilay anjely mpampionona teo an-tendrombohitra Oliva, tamin’ireo vehivavy nitomany tany Jerosalema, nataon’i Veronika izay namaoka ny Tavan’i Jesoa, nataon’i Simona izay nanampy azy hitondra ny hazo fijaliana.
Henoy ny vavakay Tompo ô.
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
Vaovao Mahafaly nosoratan’i Matio:
“Sambatra hianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. Hianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona” (Mt. 5, 11-13).
Fotoana fandinihana (mangina kely)
Mpitarika: Tompo ô, Ianao ilay nanaiky hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana,
mamindrà fo aminay! – Tompo ô, mamindrà fo!
Mpitarika: Tompo ô, Ianao ilay lalana mitondra anay hiverina amin’ny Ray,
mamindrà fo aminay! – Kristy ô, mamindrà fo!
Mpitarika: Tompo ô, Ianao ilay tsy maniry ny hahafatesan’ny mpanota, fa ny fibebahana,
mamindrà fo aminay! – Tompo ô, mamindrà fo!
AORIAN’NY FIJANONANA REHETRA:
- Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
- Mamindrà fo aminay.
- Aoka anie handry am-piadanana noho ny famindram-pon’Andriamanitra ny fanahin’ny Kristianina efa maty.
- Amen.
FIJANONANA VOALOHANY:
VOAHELOKA HO FATY I JESOA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro. Ratsy no avaly ny soa ataoko, ka mahatsiaro ho nilaozana ny fanahiko” (Sal. 34, 11-12).
Nampangaina tsy ara-drariny izy ireo, satria Kristianina. Nandritra ny taon-jato maro, amin’ny toerna samihafa dia enjehina amin’ny fomba maro samihafa ny Kristianina. Loza no hiheveran’ny sasany azy ireo. Dia hendrikendrehana, ampangaina ary atao tondro molotra am-pahibemaso izy ireo. Matetika aza, tadiavina izay hamonoana azy, ary hodiana tsy fantatra hoe iza no manameloka na iza no nahavanon-doza fa ny tanjona dia ny mba hanjavonany ao anatin’ny lisitry ny velona.
Fiampangana tsisy fihafarany…
Tahaka an’i Jesoa, voaheloka izy ireo, na tsy misy antony inona akory aza, tsy misy fiarovan-tena, tsy misy antony afa-tsy ny fiantsoany an’Andriamanitra. (Fahanginana…)
Mpitarika:
Ry Andriamanitra, aro sy vonjy amin’ny andro fahoriana ô, Ianao no fialofana ho an’i Jesoa avy any Nazareta, rehefa tsy nisy nahasarika Azy ho lavo amin’ny fahotana. Avia hamonjy ny Eglizinao miharitra ny fankahalan’izao tontolo izao. Hankaherezo amin’ny Fanahy Faherezana izy mba hizorany am-pitokiana amin’ny lalan’ny fivahinianana ety an-tany ka tohano amin’ny fahasoavanao mba ho tody soa aman-tsara any an-tranon’Izy Ray. Ianao izay velona mandrakizay mandrakizay.
Vahoaka: Amen.
FIJANONANA FAHAROA :
MANDRAY NY HAZOFIJALIANA NY TOMPONTSIKA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Fa maro noho ny volon-dohako, ry zareo mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery ry zareo mitady hahavery ahy, izay mitsangan-ko fahavaloko tsy amin’antony. Dia htaoko ahoana ny famerina izay tsy nalaiko?” (Sal. 68, 5).
Ampitahorina, atao an-jorom-bala, korontanina… tsy manan-jò toy ny hafa intsony ireo Kristianina voahenjika, na any an-tranony, na any am-piasàna, na amin’ny sehatry ny fahasalamana na amin’ny fanabeazana ny zanany. Na dia ny fitondram-panjakana aza indraindray manampy trotraka, mitombo ny fahasahiranana… lasa fitondrana ny hazofijaliana miakatra ny Kalvery ny fiainana andavanandro.
Fanilihana tsisy farany …
noho i Kristy sy ny Evanjely (fahanginana)
Jesoa, vesaran’ny Hazofijalian’ny hadalantsika, vesaran’izay rehetra ataontsika eo an-tsoroky ny hafa …
Mpitarika: Tompo ô, tsy hainao ny hahafoy izay manaiky hahavery ny fahafahany noho ny fitiavana ny Anaranao sy ny fiarovana ireo rahalahiny: satria enjehina miaraka amin’ny Zanakao izy ireo, dia mba omeo ny hery ilainy hahafahany mijoro am-pitokiana ho vavolombelon’ny Vaovao Mahafaly, hanovozany fankaherezana ao amin’ny vavaky ny Fiangonana ary hanandramany ilay fahafahana irinao ho an’ny zanakao rehetra. Amin’ny alalan’i Kristy, Mpanavotra anay.
Vahoaka: Amen
FIJANONANA FAHA-3
JESOA LAVO VOALOHANY
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery azy ho olom-boasazy, nokapohan’Andriamanitra sy naetry”. (Is 53, 4).
Maro ny Kristianina no lavo. Ny fiainana dia manery azy ireo hizaka hazofijaliana tsy heran’ny aina sy hanao tolona tsy omby tratra. Miafina tsy miseho masoandro intsony satria tsy mahita fomba hivoahana amin’izany izy ireo… Noho izany, rehefa mihena ny hery ara-moraly, dia mitombo ny fakam-panahin’ny fahakiviana, ka ny hanavotra ny tena no zary lohalaharana, fitadiavana fivavahana hieren-doza no nofinofisina. Manoloana ny fanarahamaso dia aleo tsy manohitra intsony ary zarazara raha afa-mijoro manoloana ny tsindrihazolena.
Famoretana tsisy farany…
Jesoa, ilay Nazareana, dia lavo. Reraka noho ny hamafin’ny lalan-kizorana. Be loatra ny fivazavazana, tsy tambo isaina ny sakana, manampy trotraka ny hery very an-javony. Mavesatra loatra.
Mpitarika: Ry Andriamanitra Ray Mahefa ny zava-drehetra ô, mihanta Aminao izahay: rehefa lavo noho ny fahalemenay izahay, dia mba ampio handray indray ny lalan’ny fitiavana natoron’ilay Zanakao malalanao. Izy ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.
Vahoaka: Amen
FIJANONANA FAHA-4
JESOA MIFANENA AMIN’NY MARIA RENINY
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Fony i Israely mbola zaza, dia notiaviko; ka noho izy zanako no niantsoako azy hiala tany Ejipta. Nentiko araka ny fomba fitondrana olona izy, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; […] Hataoko ahoana fandao anao, ry Efraima, na fanolotra anao amin’ny fahavalo, ry Israely? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra” (Osea 11, 1.4.8).
Tsy ny mpampahory ihany tsy akory no olona… ao koa ireo manome fampiononana sy fankaherezana, na hita maso na tsia. Vavolombelon’ireo fifamatoran’ny zanak’olombelona mbola mitoetra nai nona na inona mitranga. Ao ireo pretra izay tonga mitsidika sy mankahery ireo ankohonam-piainana kristiana miafina ankehitriny… ao ireo vonona hiaro ny zo voahosihosy, ary miasa am-pahanginana, eny fa na dia mety hamoizana ny aina aza ny fanaovana izany; ao ireo mampita ny vaovao, ao ireo mitory mba hiandrandràna fahafahana… ireny no mitondra hery sy fanantenana vaovao, eny fa na dia fihaonana tsidi-pahitra ihany aza indraindray no azo.
Fifamatoram-pitiavana…
Sahala amin’i Maria, ao ireo nampianarin’Andriamanitra ka mbola mijery ny maha-olona.
Mpitarika: Tompo ô, tamin’ny alalan’i Maria Virjiny be voninahitra no nanomezanao ny famonjena ny taranak’olombelona; mitalaho ny fiarovany izahay no mihanta aminao mba ho hamevainana amin’ny manjò anay rehetra hahatongavanay amin’ny hafaliana mandrakizay. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Vahoaka: Amen
FIJANONANA FAHA-5:
SIMONA LEHILAHY SIRENEANA MANAMPY AN’I JESOA MITONDRA NY HAZOFIJALIANA.
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Iza àry no namako?” (Lk 10, 29)
Ny namako. Izay mifanena ahy eny an-dalana. Izay hitako ny fijaliany ka fantatro tsy zakany intsony. Ireo olona rehetra tahaka ahy nefa tsy afaka miaina an-kalalahana ny finoany ao amin’ny taniny, ka maneho herim-po mampitolagaga hijoro ho vavolombelona tsy mivadika, na dia fantatra aza fa mety hiafara amin’ny famonoana mihitsy ny fijanonana ho kristianina. Manana faharetana sy herim-po izy ireo ary, na dia izany aza ny zava-mitranga, dia tohizany hatrany ny diany. Fa iza anefa no vonona manohana azy ireo? Satria sarotra ity lalana ity! Iza no ho mpitantana azy ireo: manorata taratasy ho an’ny fitondram-panjakana na ny masoivoho, mangataka ny fanafoanana ny lalàna mandrahona ny hampahory ny mpino? Iza no afaka, tahaka an’i Md Jean de Matha, hanangona vola mba hitadiavana fomba hiarovana ny haja mendrika ny olona tsirairay? Iza no vonona hanolo-tena manontolo hanohy ny asa fiantrana sy ny fanabeazana? Iza no afaka miasa tsy hahalala sasatra ho fanasoavana ny mpino?
Firamatorana mampiray hina…
Na i Kristy aza dia nila fanampiana teo amin’ny lalan’ny hazofijaliana.
Mpitarika: Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be famindram-po ô, nataonao niredareda tao am-pon’i Md Jean de Matha, ny afom-pitiavanao mba hanomezany voninahitra Anao Trinite Masina sy hanamaivanana ny fahorian’ny hafa: ataovy manahaka azy izahay mba ho tonga vavolombelon’ny Fanavotana anay eo anivon’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Vahoaka: Amen
FIJALIANA FAHA- 6
VERONIKA MAMOAKA NY TAVAN’I JESOA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“ Tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo […] Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko” (Mt 25, 36. 40).
Navelan’Andriamanitra hanatona, hijery, hikasika ny tenany… Navelan’i Jesoa hamafa ny hatsembohana sy ny ranomaso ary ny rà tamin’ny tavany montsamontsana ity vehivavy iray ity. Ary izany no fomba nanambaran’Andriamanitra ny Tenany!
Ao amin’ireo entanim-pitiavana ka tsy miandry valisoa amin’izay atao; ao amin’ireo mahatsapa fa tsy azo hosihosena ny hatsarantarehin’ny endrik’Andriamanitra ao amin’ny tavan’ireo mitondra fahoriana; ao amin’ireo tsy mikely sorona amin’ny fampanajana ny zon’olombelona…
Fifamatoran’ny fangorahana…
Dinihontsika ireo miharitra ny loza ateraky ny fanenjehana, tsy manana na iza na iza ianteherana… ireo tsy manana na iza na iza mba hino ny fahamendrehany.
Aoka isika hivavaka mba samy hahay hijery ny endrik’Andriamanitra eo amin’ny hafa. Mivavaha mba hisy olona hifanehitra amin’ireo izay vesaram-pijaliana. Mivavaka mba ho tafaverina ny hasin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy ary mba ho voaaorina indray ny fiainan’ny vahoaka rava.
Mpitarika: Ray ô, Ianao izay nahary ny olona tamin’ny fomba mahagaga ary mbola namerina tamin’ny fomba mahagaga ny fahamendrehany, ataovy mpiombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra ny Zanakao izahay, fa efa sitrany ny nandray ny maha-olombelona anay. Dia Izy ilay velona sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay.
Vahoaka: Amen
FIJANONANA FAHA-7 :
JESOA LAVO FANINDROANY.
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Nesorina sy nilaozan’ny olona izy, olona tototry ny fahoriana sady zatra ny fijaliana; hoatra ny olona boka tsy hay jerena fa hisaronan’ny olona tava; eny, natao faneso izy fa tsy nahoantsika velively” (Iz 53, 3).
Ny Zanaka, famirapiratan’ny voninahitry ny Ray, dia nandray ny fotak’izao tontolo izao. Fa nahoana?! Tsy nataony tsinontsinona velively izay rehetra nohariany. Fantany ny olona voavolavola amin’ny tany, fa velomin’ilay Fofon’Aina avy any ambony: harena nentina tamin’ny sinitany mora vaky.
Vilany tanimanga, ny havako ampijaliana ary tsy misy fotony ho an’ny mpanenjika, omenao ny haren-tsarobidin’ny hery izahay rehefa henjehina hatraiza hatraiza nefa atsanganao ho velona hatrany avy amin’ny fahalavoanao.
Vilany tanimanga, ireo mpiaro ny zon’olombelona: enjehina nefa tsy kivy fa manovo ao amin’ny herim-pony ny fikirizana hampanjaka ny fahamarinana …
Famingavingana tsisy farany…
raha sendra ny patsa iray tsy omby vava, trotraky ny fankahalana sy ny haratsiana, aza adinoina fa eo mandrakakriva ny lalana mitondra amin’ny fandresen’ny Marina.
Mpitarika: Ankalazaina Ianao ry Ray: fa efa nohenoinao ny fitarainan’ny Zanakao amin’ny andro nijaliany; ho tandrin-tsofinao koa anie ny a ntsoantson’ireo mijaly soloin’i Jesoa vava amin’ny alalanay ankehitriny; koa hankalaza Anao mandrakizay mandrakizay anie ny olombelona rehetra.
Vahoaka: Amena.
FIZARANA FAHA-8 :
JESOA MANAFAKA ALAHELO AN’IREO VEHIVAVIN’I JEROSALEMA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna hianao, ry Jerosalema ka mipetraha indray amin’ny sezafiandriananao; vahao ny fatorana amin’ny vozonao, ry zanakavanin’i Siona niharam-pahababoana. Fa izao no lazain’ny Tompo Zanahary: «Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo; ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!» Koa indro, hahalala ny anarako kosa ny vahoakako; eny, ho fantany amin’izany andro izany, fa izaho no miteny hoe: Inty aho!” (Iz 52, 2-3.6).
“Mitsangàna, ry Fianakaviam-ben’ny Trinite Masina, isika vita Batemy tamin’ny Anarany Masina, ndeha hiombom-po sy ezaka amin’ny fivavahana sy ny fahafoizan-tena ho an’ny Fiangonana enjehina”. Taomy ny hafa hiombom-po amintsika; samy tompon’andraikitra isika rehetra. Momba ny fanenjehana ny kristianina, olona an’arivony no voatery mitsoa-ponenana, fianakaviana maro no tsy handrenesana vaovao… Manoloana ireo toe-javatra mifono habibiana mampivarahontsana, dia lehilahy sy vehivavy maro, izay mandala ny hasin’ny fiainana, no sahy mijoro. Maro no mivondrona anaty tambazotra, manangana fikambanana hifanome tanana mba hanamaivanana ny fahorian’ny hafa eo am-pitadiavana vahaolana maharitra mba hamongorana ny ratsy hatrany ifotony.
Fifamatoram-pirahalahiana…
“Inty aho”, hoy i Jesoa: tahaka ny nataony tamin’ny zanakavavin’i Jerosalema, dia mampahafantatra ny tenany koa Izy amin’ireo izay mitomany manoloana ny fijalian’ny hafa. Sady manala alahelo antsika i Kristy no manafaka antsika ka miantso antsika koa hanapa-kevitra am-panetrentena mba hanolo-tena toa Azy koa, hanao hoe: “Inty aho”.
Mpitarika: Ry Tompo Andriamanitra loharanon’ny fanavotana sy ny fananganan-janaka ô, jereo am-pitiavana ireto zanakao malalanao ary omeo fahafahana marina sy lova mandrakizay ireo izay mino an’i Kristy Mpanavotra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Vahoaka: Amen.
FIJANONANA FAH-9 :
JESOA LAVO FANINTELONY
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Nampahoriana ilay Mpanompon’ny Tompo, kanefa anetry tena ka tsy niloa-bava akory; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondrivavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory. Nosamborina izy, notsaraina ary voaheloka ho faty; ary iza tamin’ireo niara-belona taminy, no nieritreritra fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny mpiray firenena aminy” (Iz 53, 7-8).
Maro ny fitarainana izay tsy misy mihaino intsony: ireo gadraina sy ampijaliana ka voasakan’ny rindrim-baton’ny fankahalàna tsy hifandray amin’ny hafa intsony ary efa hila ho kivy tanteraka. Matetika ny fahanginana tonga vesatra ho an’ireo Kristiana enjehina, manampy trotraka an’izany ny fampitam-baovao tsy marina sy zary fitaovana ara-politika fotsiny. Tsy mahita mangirana intsony. Na ny tany hijoroana aza toa mihozohozo. Toa tsy misy azo hianteherana intsony.
Tsy fivakian-doha tsisy farany…
Moa ity fahalavoana fahatelon’i Jesoa ity ve hita sy tsapan’ny …. vahoaka nitangorona nanamorona ny lalan’ny fijaliany? Mpitazana fotsiny ihany… jamba sy marenina: isika rehetra no voakasik’izany ary tsy manao afa-tsy mikendry hahavoa antsika ny ratsy. Fa i Kristy kosa miandry mandrakariva mba hisy rahalahy sy anabavy ho sahy hanao dingana hanesotra ny vato mety hanafintohina eny an-dalana.
Mpitarika: Tompo ô, tsy mila ny vavakay sy ny sorona ataonay Ianao, raha tsy mahatoky amin’ny Fanekena izahay. Ampianaro izahay hanolotra Anao, miaraka amin’i Jesoa Zanakao, ny sorona tokana sitraky ny fonao: mamaha ny fatorana tsy an-drariny, manapaka ny jioga rehetra, tsy mivily tsy hijery ny fahorian’ireo olombelona nofo sy ra toa anay. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Vahoaka: Amen
FIJANONANA FAHA-10 :
JESOA ENDAHINA AKANJO
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Ao amin’i Kristy no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany; ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra, fa izy no lohan’izay rehetra mety ho fanapahana sy fahefana; […] sady nasehony miharihary ho hitan’ny olona rehetra ka mba hisarihany azy handray anjara amin’ny matso fihobiana ny fandresen’ny Hazofijaliana” (Kol 2, 9-10.15).
Ny toe-javatra iainan’ny Kristianina voageja noho ny finoany dia efa tsy mendrika intsony ny maha-olona: hitsakitsahana ny zò fototra ananany, tsy homena na dia izay ilaina ho amin’ny fahavelomana aza; tsy misy ho azy ireo ny andininy faha-18 sy faha-19 amin’ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona.[1] Atao leo monina: ravàna ny tramo fonenana; dorana dorana ny tramo fiangonana. Tsy nangataka tombontsoa manokana anefa izy ireny; naniry fotsiny ihany ny mba ho afaka hiasa araka ny toe-po amam-panahy mifanaraka amin’ny Evanjely; nefa na izany aza tsy azony atao. Lasa vitsy an’isa izy ireo, tojo fahasahiranana; ary na ny kolontsainy sy ny fomba ama-panaony aza miha-potika sy rava. Ao ireo Kristianina mandositra any amin’ny toerana tsy fantany akory mba hitady toerana azo antoka sy voaaro.
Mizàna tsindrian’ila tsisy farany…
Ny fitiavan’ny Ray ihany sisa notafian’i Kristy izay niala tamin’ny fomba maha-Andriamanitra Azy; navelany hianjahanja eo imason’ny tontolo ny fanalam-baraka atao amin’ny hatsaran’ny vavtany. Inona no sisa tavela rehefa esorina avokoa izay rehetra ananana? Zanak’Andriamanitra i Jesoa. Izy nendahina akanjo no mitarika antsika hibanjina ny hasarobidin’ny maha-olona antsika: zanaka tian’ny Ray.
Mpitarika: Ray ô, Ianao irery no Masina say miantso anay ho masina tahaka Anao, tazony hiombona amin’ny tenan’i Kristy izay tsy resin’ny ratsy mihitsy izahay. Omeo anay ny fijerinysy ny fony. Ampahangino ny teny lainga rehetra ary enga anie ny Fiangonanao, manetry tena sy mahantra, ho famantarana ny fahamarinanao eo anivon’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Vahoaka: Amen
FIJANONA FAHA-11 :
JESOA FANTSIHANA AMIN’NY HAZOFIJALIANA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehina aho, dia hoenjehina koa hianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa” (Jo 15,20).
Mistery lalin’ny fanahafana an’i Kristy. Fanafintohinana sy fahadalana ny Hazofijaliana, anio tahaka ny omaly. Miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika kristiana voafantsika noho ny loza atrehany, mitoby any an-tsaha, reraky ny asa an-terivozona, miaraka amin’ireo rahalahintsika iharan’ny fahefan’ny tia herisetra, ampijalina, helohina mangingina… ahoana anefa ny hahazoantsika ny tenin’i Kristy hoe: “Tonga ny mpanapaka an’izao tontolo izao: tsy hanana na inona na inona amiko anefa izy” (Jo 14, 30)?
Herisetra tsisy farany…
manohy mifantsika ao amin’ireo Kristianina enjehina noho ny finoana i Kristy.
Mpitarika: Tompo ô, famonjena tokana ho an’ny ampahorina, mba henoy ao amin’ny fitarainan’ireo izay faraidiny ny vavak’i Jesoa; mba jereo ao amin’ny vatanan’ireo izay tsy manentana intsony afa-tsy zava-dratsy, ny vatan’ny Zanakao teo amin’ny Hazofijaliana. Mba fantaro ao amin’ny tahotr’ireo ambavahoanan’ny fahafatesana, ny fiadian’ainan’ny Zanakao malalanao. Dia tsy hataonao ho an’ny olona rehetra tia anao ve izay nataonao tamin’i Jesoa Zanakao? Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay.
Vahoaka: Amen
FIZARANA FAHA-12 :
JESOA MATY EO AMBONY HAZOFIJALIANA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Ato amiko ny fanahin’ny Tompo Zanahary satria voahosotry ny Tompo aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa; hanambara ny taom-pahasoavana anankiray ho an’ny Tompo, sy ny androm-pamalian’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra” (Iz 61,1-2).
Hetra mavesatra aloa ho an’ny tsy fandeferana sy ny fanatisma, ambaran’ny fahafatesana amintsika ny tsiambaratelony… Any amin’ireo firenena misy fanoherana mafy, na dia eo aza ny zava-drehetra, dia miaina ny finoana sy fiadanana eo amim-piandrasana ny fanafahana ny Eglizy. Mamokatra ny fijoroana ho vavolombelon’ireo izay toa an’i Kristy, mamela heloka eo am-pialàna aina
Fifamatoran’ny famindram-po…
Maty ho an’ny rehetra i Kristy; herin’ny Fanahy, herin’ny fitiavana izay mahavelona sy manafaka ny olona rehetra voababo.
Mpitarika: ndeha hataontsika ho antsika ityVavaka natao ho an’ny hebreo tsy fantatra anarana tao amin’ny sahan’i Treblinka ity:
Tompo ô, rehefa miverina amin’ny voninahitrao Ianao, tsy ireo tsara sitrapo ihany no tsarovy. Tsarovy ihany koa ny olona ratsy fanahy. Fa aza tsaroana ny habibiana sy ny fampijaliana ary ny herisetra ataony, tsarovy ny vokatra azonay noho ny nataony. Tsarovy ny faharetan’ny sasany, ny herim-pon’ny hafa, ny fisakaizana, ny fanetren-tena, ny halehiben’ny fanahy, ny fahatokiana izay nofohaziny tao anatinay. Tompo ô, ireo vokatra azonay anie mba ho fanavotana azy ireo indray andro any.
Vahoaka: Amen
FIJANONANA FAHA-13 :
JESOA ESORINA AMIN’NY HAZOFIJALIANA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Indro fa mitondra fanafody ho azy ireo aho sy hanasitrana azyary fiadanana sy toetra mahatoky no adehoko mitafotafo aminy. Hampodiko ny babo tamin’i Jodà sy ny babo tamin’Israely, ka haoriko ho tahaka ny taloha indray” (Jer. 33, 6-7).
Ilay Teny tonga nofo tonga fahanginana. Nahatontosa ny asany i Jesoa. Nirahin’ny Ray mba hanan’ny olon-drehetra ny hafenoan’ny fiainana… kanefa natolotry ny olona ho amin’ny fahafatesana mahafa-baràka. Fanomezana, fahafoizan-tena tanteraka, tolotra. Mandray ny vatana mangatsiakan’ny Zanany i Maria. Miaraka amin’i Kristy izy no mizàka ny sazim-pahotan’ny olombelona manao an’Andriamanitra tsy misy. Tsaroan’i Maria hoe ny Tenin’ny Tompo hoe: “Hitondra fanafody sy fanasitranana ho azy ireo aho”… “haneho amin’izy ireo fanekem-pihavanana maharitra mandrakizay”. Eny, ao amin’ny ratrany no ahitantsika fahasitranana.
Fifamatoram-pitokisana …
Amin’ny fomba ahoana no tsy hitsinjovan’i Masina Maria Reny Vonjy Mahatoky, an’ireo izay lany mondron-kery, tahaka ny Zanany, voatolotra tanteraka eo an-tanan’ny hafa? Manokatra ny fony be indrafo amin’ny olon-drehetra ve i Masina Maria dia tsy hikolokolo ny fifandraisantsika amin’ny Zanany, ka hahazoan’ireo izay toa tsy misy antenaina intsony herim-panahy vaovao hoenti-mihatrika ny fiainana?
Mpitarika: Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tamin’ny alalan’ny Zanakao, Tomponay, no nitondranao ny fanafody mahavonjy ho an’izao tontolo izao; omeo anay, amin’ny alalan’i Maria Reny Virjiny, izay hajainay amin’ny anaram-boninahitra hoe “Reny Vonjy Mahatokyny fahatsapàna mandrakariva fa eo izy miaro anay amin’izay ilainay na ara-batana na ara-panahy. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Vahoaka: Amen
FIJANONANA FAHA-14:
JESOA ALEVINA
Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
Vahoaka: Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
“Andeha isika hiverina amin’ny Tompo; fa izy no namiravira, ary izy ihany no hahasitrana antsika; mikapoka izy, nefa hamehy ny ferintsika koa. Rahefa afaka roa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany” (Os 6, 1-2).
Eo anatrehan’ny fasan’izao tontolo izao, inona no tokony hatao raha tsy ny fahanginana sy ny fivavahana? Any amin’ireo Fiangonana enjehina, ny Kristianina dia mahafantatra ny fasan’ny fanagadrana, ny fandringanana, ny herisetra sy ny fampijaliana ataon’ny manam-pahefana. Enjehina izy ireo, ka mahatsapa ny alahelo mahafaty fa toa tapi-dalan-kaleha. Miafina, voasarona, misotro ny mangidy indrindra! Ny sasany angamba maty tsy nalevina akory. Tsy fantatra. Ahoana no hivoahana amin’izany?
Fifamatoram-panantenana…
tonga hamangy ny atin’ny tany, ny Tompo Andriamanitra Velona. Miaraka amin’ny olona voababo, maratra ary tsy misy feo, no hanavaozany ny fanekem-pihavanany. Ka na alina aza no hahatongavany, Izy ilay Fahazavana tsy voasakan’ny hazi-mikitroka.
Vavaka famaranana
Andriamanitra ô,
tsy takatry ny saina ny fandaharanao
fa tianao hiara-mijaly amin’ny Zanakao ny Eglizy;
koa enga anie ireo mpino mitondra fahoriana
noho ny anaranao
mba haharim-pery sy feno fitiavana
ho vavolombelona marina tsy mivadika,
matoky hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay
izay Andriamanira velona sy manjaka
miaraka aminao sy ny Fanahy Masina,
amin’ny taona rehetra mandrakizay.
Amen.
[1] Article Déclaration universelle des droits de l’homme
18- Toute personne a droit à la liberté de pensée, de conscience et de religion ; ce droit implique la liberté de changer de religion ou de conviction ainsi que la liberté de manifester sa religion ou sa conviction seule ou en commun, tant en public qu’en privé, par l’enseignement, les pratiques, le culte et l’accomplissement des rites.
19- Tout individu a droit à la liberté d’opinion et d’expression, ce qui implique le droit de ne pas être inquiété pour ses opinions et celui de chercher, de recevoir et de répandre, sans considérations de frontières, les informations et les idées par quelque moyen d’expression que ce soit.