HERINANDRRO IVAVAHANA HO AN’NY KRISTIANINA VOAHENJIKA (17-23/OKTOBRA )
Ny antotan’isa navoakan’ny tompon’andraikitra maneran-tany tamin’ny taona 2022 dia 360 000 000 ny isan’ny kristianina ampijaliana sy ahilikilika. Koa antsoina isika hiombom-bavaka ho azy ireo.
Ny herinandron’ny vavaka ho an’ny kristianina voahenjika dia mifototra ao amin’ny fanoloran-tenan’i Kristy izay nahafoy ny ainy ary maty teo ambony hazofijaliana ho fanavotana ny maro. Manomboka ny 17 Oktobra, izay fankalazana an’i Md. Ignace avy any Antioche, martirin’ny finoana tamin’ny taon-jato faha-II, ny vavaka ho an’ny kristianina voahenjika ary mifarana ny 23 oktobra, fetin’ny Kristy Mpanavotra.
Vavaka famaranana ny Ranombavaka isan’andro
(na atao solon’ny ranombavaka raha tsy misy)
Andriamanitra ô, tsy takatry ny saina ny fandaharanao fa tianao hiara-mijaly amin’ny Zanakao ny Eglizy; koa enga anie ireo mpino mitondra fahoriana noho ny anaranao mba haharim-pery sy feno fitiavana ho vavolombelona marina tsy mivadika, matoky hahazo ny soa nampanantenainao. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay izay Andriamanira velona sy manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
ANDRO VOALOHANY (17 oktobra)
Md. Ignace d’Antioche
Vavaka fifonana :
- Ry Jesoa Tompo ô, Ianao no tonga hampiavana anay amin’Andriamanitra.
Tompo ô, mamindrà fo aminay - Ry Jesoa Tompo ô, Ianao ilay nanasitrana ny ratra vokatry ny fahotana sy ny fizarazarana
Kristy ô, mamindrà fo aminay - Ry Jesoa Tompo ô, ianao no mpanelanelana anay amin’ny Ray,
Tompo ô, mamindrà fo aminay.
ANDRO FAHAROA (18 oktobra)
Md Lioka Evanjelista
Vavaka fifonana :
- Tompo ô, Ianao no nahazoanay famonjena tamin’ny fijaliana niaretanao,
Tompo ô, mamindrà fo aminay - Kristy ô, Ianao izay mbola voahillika ao amin’ireo rahalahy sy anabavy voahenjika noho ny finoana, Kristy o, mamindrà fo aminay.
- Tompo ô, Ianao no niantso anay ho fianakaviana tokana miombona ao amin’ny fijaliana sy ao amin’ny fanantena tontolo anjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana, Tompo ô mamindrà fo aminay.
ANDRO FAHATELO (19 oktobra).
Vavaka fifonana:
Miombom-po amin’ireo kristianina rehetra voahenjika noho ny finoana isika no miseho eto anatrehan’Andriamanitra, dia Izy ilay nanome antsika ny tenany ao amin’ny Eokaristia ary mamela ny fahotantsika amin’ny sakramentan’ny fampihavanana, ka hitalahoantsika mba hamela ny fahotantsika rehetra:
- Noho izahay tsy nitory an’i Jesoa Kristy na tamin’ny fomba fiainana na tamin’ny teninay. Tompo ô, mamindrà fo aminay.
- Noho izahay tsy nanokan-tena mba hijery sy hitondra fanampiana ho an’ireo izay mila izany, Kristy ô, mamindrà fo aminay.
- Noho izahay tsy nahay nitady fanampiana tamin’i Maria ho fanasitranana ny rofinay, Tompo ô mamindrà fo aminay.
Vavaka fangatahana :
Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no nanavotra ny olombelona rehetra tamin’ny ran’ny Zanakao lahy tokana, koa ataovy misitraka ny vokatr’izany izahay, ary tanteraho ao aminay ny asam-pitiavanao fa mankalaza ny misterin’ny famonjena izahay. Amin’ny alalan’ny Jesoa Kristy zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Vavaka fanolorana :
Tonga eto amin’ny otelinao izahay ry Tompo miaraka amin’ny tolotry ny tananay, mba hahafahanay mihaona amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Eokaristia amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanelanelan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ary mba ho tonga ao aminay indray ny famonjena azony tamin’ny nadatsahany ny Rany ho anay, dia Izy ilay velona sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Vavaka aorian’ny Komonio :
Nohavaozinao tamin’ny mofo sy ny kalisim-pamonjena izahay, ry Tompo, koa hankahery anay lalandava anie ny Ran’ny Zanakao ary ho antoky ny fiainana mandrakizay ho anay. Fa izy ilay velona sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
ANDRO FAHAEFATRA (20 oktobra)
Vavaka fifonana :
- Tompo ô, Ianao no lalana mitondra anay any amin’ny Ray. Tompo ô mamindrà fo aminay.
- Kristy ô, Ianao no fahamarinana maha-olona afaka anay. Kristy o mamindràfo aminay.
- Tompo ô, Ianao no fiainanay ankehitriny sy ho mandrakizay, Tompo ô mamindrà fo aminay.
Vavaka fangatahana :
Ry Andriamanitra sady manam-paharetana no mahay mamindra fo o, manome ny olona rehetra taom-pahasoavana Ianao mba hahafahan’izy ireo mahafantatra fa Ianao tokoa no ilay mpahary sy mpanafaka ny olona rehetra. Koa ampio izahay hahatsapa izany fotoana sarobidy izany, dia hanaiky ny antsom-piadananao ka hanolo-tena hanompo araka ny sitrakao ho fampihavanana ny olona rehetra amin’ny Kristy, ilay velona sy manjaka miaraka Aminao sy ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Vavaka fanolorana :
Tsarovy ry Tompo fa ny Zanakao lahitokana no fiadanana sy fampihavanana ho anay; tamin’ny Ràny no nanalany ny fahotan’izao tontolo izao. Koa ankasitraho am-pitiavana ny tolotry ny Eglizinao, ary ampio izahay mba hahazoan’ny olon-drehetra voka-tsoa avy amin’ny fahafahana nentin’i Kristy. Ilay velona sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Vavaka aorian’ny Komonio :
Nofahananao ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, koa ataovy mahazo ny hery ilainay ato amin’ity Komonio sakramentan’ny fiombonana ity izahay mba hahatonga anay ho fitaovana tsy mahalala sasatra ho an’ny fiadananan’i Kristy. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen
ANDRO FAHA DIMY (21 OKT)
Vavaka fifonana :
- Tompo ô, loharanon’ny Fitiavana Ianao, kanefa matetika izahay no manalavitra Anao.
Tompo ô mamindrà fo aminay. - Kristy ô, enjehina sy vonoina Ianao noho ny fahotanay,
Kristy ô, mamindrà fo aminay. - Tompo ô, Ianao no aina mamelona anay, matetika anefa izahay no mandà Anao noho ny hakanosanay, Tompo ô mamindrà fo aminay.
Vavaka fangatahana :
Ray ô, nambaranao tamin’izao tontolo izao, fa antsoina hoe Zanakao ireo mahay mampihavana, koa ampio izahay mba hikaroka mandrakariva io fahamarinana io izay antoka tokana hananan’ny olon-drehetra fiadanana marina sy mafy orina. Amin’ny alalan’ny Jesoa Kristy Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Vavaka fanolorana :
Amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ry Tompo no hanoloranay ny soron’i Kristy, ilay antoky ny fiombonana. Koa ity sakramentan’ny Fanjakan’ny lanitra andrasanay ity anie hampaharitra anay sy hankahery anay amin’ny fampanjakana ny fiadanana eto an-tany. Amin’ny alalan’ny Kristy Tomponay. Amen.
Vavaka aorian’ny Komonio :
Ataovy mitombo fitiavana mandrakariva izahay, ry Tompo, ary noho ny sakafo masina nomenao anay tamin’ny alalan’ny Vatana sy ny Ran’i Kristy Zanakao, dia hampamokarinay eto amin’izao tontolo izao anie ny fiadanana izay nomeny. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amena.
ANDRO FAHA ENINA (22 oktobra).
Vavaka fifonana :
- Ray ô, Ianao naniraka ny Zanakao teto amin’izao tontolo izao ny Zanakao mba ho fanavotana ny zanakao rehetra. Tompo ô, mamindrà fo aminay.
- Jesoa o, Ianao nanafaka ireo nandevozina sy nampahiratra ny jamba,
Kristy o mamindrà fo aminay. - Fanahy masina o, Ianao tsy mitsahatra mankahery ireo kristianina enjehina sy ampijaliana,
Tompo o, mamindra fo aminay.
Vavaka fangatahana :
Mba ho famonjena ny taranak’olombelona ry Tompo dia nakambanao tamin’ny fijalian’ny Zanakao ny Eglizy, koa aza mitsahatra manome ny Fanahin’ny Faharetana sy ny fanomezan’ny Fitiavana ho an’ireo kristianina enjehina sy ampijaliana noho ny finoana Anao, ka mba hijoroany ho vavolombelona marina ny Evanjely ao anatin’ny fitsapana manjo azy ireo. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Vavaka fanolorana :
Mba raiso ry Tompo ny vavaka aman-tolotray, ary hetsaho ny fahasoavanao ireo kristianina enjehina noho ny finoana. Hahita hafaliana ao anatin’ny fahoriana iharetany anie izy ireo, hahatsiaro fa miombom-pijaliana amin’ny an’i Kristy ary mahalala fa efa voasoratra anarana any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Vavaka aorian’ny Komonio :
Hanamafy sy hankahery ny finoan’ny vahoakanao anie, ry Tompo, ny Komonio Masina, ary mihanta aminao izahay hoan’ireo misedra ny mafy noho ny fanenjehana mba hahazakany ny hazofijaliana ho enti-manaraka an’i Kristy. Dia Izy ilay velona sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
ANDRO FAHAFITO (23 oktobra) KRISTY MPANAVOTRA
23 OKTOBRA
JESOA MPANAVOTRA MASINA
FANKALAZANA
Fanao ao amin’ny Fikambanan’ny Trinite Masina sy ny Babo ny fankalazana ny fetin’i Kristy Mpanavotra, fantatra bebe koa amin’ny anarana hoe : Jesoa Nazareanina, satria teo ampanatanterahana ny fanavotana ireo babo indrindra ireo trinitera no nanavotra koa ny Sarivongan’i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo sy voafatotra ny tanany sy ny vozony izay antsoina amin’ny anarana Jesoa Nazareanina, ka mbola hajaina fatratra ao Madrid renivohitry i Espagna hatramin’izao.
Verin’ny fahotana isika, fa i Jesoa Kristy no nanavotra antsika tamin’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona indray. Izy nofatorana no manafaka antsika amin’ny fatoran’ny fahotana.
Tononkira fanombohana
Apok 1, 5-6
Tia antsika i Kristy, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron’Andriamanitra Rainy.
Vavaka fifonana :
- Ianao ilay tonga teto amin’izao tontolo izao mba hanavotra anay,
Tompo ô mamindrà fo aminay - Ianao ilay mamangy anay mandrakariva amin’ny fanomezan’ny Fanahy Masina,
Kristy o mamindrà fo aminay Tompo ô, - Ianao ilay hitsara ny fiainanay indray andro, Tompo o, mamindrà fo aminay.
Vavaka fangatahana
Ry Andriamanitra Ray, ianao no nanolotra anay ny Mpamonjy an’izao tontolo izao sy ny Fanahy Masina, koa tehirizo amin’ny famindram-ponao ireo zanaka natsanganao, ka ireo rehetra mino an’i Kristy anie ho afaka amin’ny fatoran’ny fahotana sy handova ny fiainana mandrakizay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay.
Amen.
Na
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Vakiteny i
Bokin’Izaia mpaminany
Noratraina noho ny fahotantsika,
Iz 52, 13 – 53, 7
52, 13Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra. 14Toy ny nigagan’ny maro nahita azy, – fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehany efa ohatra ny tsy tarehan’olombelona intsony ; ary ny tavany efa ohatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, – 15no hampiontanany firenena maro. Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny.
53, 1Iza no nino izay renay, ary iza no nanehoana ny sandrin’ny Tompo ? 2Fa nisondrotra teo anatrehany izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina ; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika ; na bika namelona ny fitiavantsika. 3Nesorina sy nilaozan’ny olona izy, olona ory sady zatra ny fijaliana ; ohatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava ; natao faneso sy tsy nahoantsika velively. 4Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany ; ary isika anefa nijery azy ho olom-boasazy, nokapohan’Andriamanitra sy naetry. 5Kanefa izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika ; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana ; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika. 6Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny làlany avy isika ; ary nazeran’ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra. 7Vonoina izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory izy ; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondrivavy eo anatrehan’izay manety azy ; tsy miloa-bava akory.
Salamo
Sal 145, 6d-7 ; 8-9a ; 9b-10
Fiv. : Avia, ry Tompo, iantrao
Na :
Avoty aho, ry Tompo, vonjeo izahay
Tsy mivadika mandrakizay ny Tompo Andriamanitra.
‘Zay ampahoriana omeny hatrany ny rariny.
Fa vokisan’ny Tompo zava-tsoa ireo izay noana ;
‘Reo voababo afahany, izay jamba ampahiratiny.
Andriamanitra dia mampitraka izay mitanondrika,
Ka ny marina tiany, ‘reo mpivahiny arovany.
‘Reo kamboty ary koa ny mpitondra tena tohanany,
Fa ny lalan’ny ratsy fanahy dia aloany.
Eny, manjaka mandrakizay Iaveh Andriamanitra,
Dia ilay Tomponao, ry Siona, amy taona mifanaraka.
Na
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio.
Ny ran’ny Kristy no manadio ny fahotantsika
Hb, 9, 11-15
Ry rahalahy, 11Fa ny Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tànana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boary izao ; 12sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny ran’ny tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. 13Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo, 14mainka ny ran’ny Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona !
15Noho izany, dia Mpanalàlana amin’ny fanekena vaovao izy, mba hahazoan’izay voantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin’ny fanekena taloha.
Salamo :
Apok 4
Fiv. : Tompo ô, Ianao no nanavotra anay tamin’ny ranao
Na :
Navotanao izahay, ry Tompo, tamin’ny ranao
1– Ry Tompo Andriamanitra mandrakizay e,
Ianao re no mendrika ny haja sy ny hery,
F’Ianao no nahary ny zava-drehetra,
ka nisy izy ireny satria sitrakao.
2– Ianao re no mendrika haka ny boky,
hamaha sy hanala ny tombo-kaseny,
Fa noho ny ra fony ianao novonoina,
nanjary voavonjy ho an’ny Tompo izahay
3– ’Zahay samy hafa fiteny sy foko,
ny olon-drehetra eran-tany tontolo
Nantsoinao ’zahay hanjakan’izy Tompo,
ho tonga mpisorona hanjaka amy tany.
4– Ilay Zanak’Ondry voavono ho faty,
no tokana mendrika handray ny fahefana,
Handray ny harena ombam-pahendrena,
ny haja, ny laza arahina saotra.
Aleloia
Izahay tonga mpanompo noho ny hazo dia nanjary olona afaka noho ny Hazofijaliana ; fa ny vokatry ny hazo dia nahafitaka anay, ilay Zanak’Andriamanitra kosa nanavotra anay.
EVANJELIN’I JESOA KRISTY NOSORATAN’I MD JOANY
Tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona
Jn 3, 13-18
13Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. 14Tahaka ny nanandratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa, 15mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. 16Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. 18Izay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ranombavaky ny mpino
Hanandratra vavaha amin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra isika ry kristianina havana, hangataka Aminy ho an’ireo rehetra efa voavidin’i Kristy tamin’ny Ràny.
- Mivavaha isika ho an’ny Eglizy Renitsika fa ilay mpamonjy an’izao tontolo izao izay nanolotra ny tenany ho faty ho an’ny ondriny no efa nanafaka Azy tamin’ny ratsy rehetra. Mivavaha isika.
- Mivavaha ho an’ny mpino rehetra ato amin’ny ankohonam-piainan’ny Paroasintsika, mba hitombo sy hialalim-paka mandrakariva ny fiainana maha kristianina ka ho hita taratra ny fiaraha-miasa sy ny hafanam-po amin’ny asam-panavotana.
- Mivavaha isika ho an’ireo rehetra mijaly noho ny fanenjehana noho ny finoany, mba ho sitrak’ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao, izay nitalaho tamin-dranomaso tamin’ny Ray ny hankahery azy ireo
- Mivavaha ho an’ireo rehatra mijaly noho ny fitondrana ny anaran’i Kristy, ilay mpamonjy an’izao tontolo izao izay niaina ny alahelo sy ny fangirifirina mba hanampy azy ireo, hanome azy ireny ny faharetana amin’ny finoana ary hanamaivana ny fanaintainana hiaretany.
- Mivavaha isika ho an’ireo mitondra ny fijalian’i Kristy amin’ny vatany vokatry ny aretina sy ny fahoriana isan-karazany mba hahazo hery sy faharetana hombam-panantenana hatrany izy ireo
Ry Jesoa Tomponay, Mpamonjy an’izao tontolo izao, ny vavaka fitalahoanay anie hitondra vokatsoa ho anay rehetra, mba ho afaka amin’ny fahotana izahay ka ho afaka handray anjara amin’ny asam-pamonjena. Fa ianao ilay velona sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Vavaka fanolorana
Atolotray Anao, ry Tompo, ity Sorona fampihavanana ity, ary mitalaho Aminao izahay: enga anie rehefa maka tahaka tsara ny Zanakao mba ho mendrika hiara-miasa Aminy amin’ny fanavotana an’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen
Prefasy
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy
ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza,
ry Tompo, Ray Masina,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao malalanao
ilay Teny nanaovana ny zavatra rehetra,
nirahinao hamonjy sy hanavotra anay,
naka nofo noho ny herin’ny Fanahy Masina
ary naterak’ilay Virjiny.
Mba hanantanterahany ny sitraponao
sy hanangonany vahoaka masina ho Anao
no naninjirany ny tanany hiampatra fony Izy nijaly,
mba handrava ny fahafatesana
sy hampiharihary ny fitsanganan-ko velona.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra
mankalaza ny voninahitrao,
miredona ilay antsa ventesinay lalandava
manao hoe:
Masina, Masina, Masina…
Tonon-kira amin’ny Komonio
Kol 1, 13-14
Andriamanitra namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany dia Izy Zanaka kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahontantsika.
Vavaka aorian’ny Komonio
Andriamanitra Rainay ô, tamin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina no nanonkananao ny Zanakao Lahitokana sy nanendrenao Azy ho Mpanavotra ny taranak’olombelona, koa ampio izahay novelominao tamin’ny Vatana aman-dRany mba hahazo ny hasambarana mandrakizay vokatr’izany fanavotanao anay izany. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen