HAFATRA NY PAPA FRANÇOIS
Ho an’ny Karemy 2023
Dikan-teny fr. Njara Pascal (tsy ofisialy)
Fanazaran-tena (ascèse) mandritra ny karemy, lalana sinôdaly.
Ry rahalahy sy anabavy malala!
Ny Evanjelin’i Matio, Marka sy Lioka dia samy mitantatra ny zavamisy tamin’ny fiovan’i Jesoa tarehy. Hitantsika amin’izany ny valintenin’Izy Tompo manoloana ny tsy fahatakaran’ny mpianany ny hevitr’izay tiany ambara. Fotoana fohy talohan’izay manko, dia tena nisy fifanoherana teo amin’ny Mpampianatra sy Simona Piera izay vao avy nanambara ny finoany an’i Jesoa ho Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, dia nandà ny fanambarany momba ny fijaliana sy ny Hazofijaliana. Niteny mafy azy i Jesoa hoe: “Mandehana any ivohoko, ry Satana! Mahatafintohina ahy ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra fa araka ny an’ny olona!” ( Mt 16,23 ). Ary indro fa “rehefa afaka enina andro taorian’izay, nalain’i Jesoa i Piera ary koa i Jakôba sy Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo” ( Mt 17,1 ).
Torina isan-taona amin’ny Alahady faharoan’ny Karemy ny Evanjelin’ny fiovan-tarehy. Izany tokoa satria amin’izao vanim-potoanana litorzika izao dia mitondra antsika miaraka Aminy amin’ny toerana mitokana ny Tompo. Na dia manery antsika hijanona amin’ny toerana tsy miova aza ny adidy amanan’andraikitra mba hiatrehana ny fiainana an-davanandro am-pahazarana ary indraindray aza efa mankaleo, mandritra ny Karemy kosa dia asaina isika hiakatra “tendrombohitra avo” miaraka amin’i Jesoa ary hiaina traikefa manokana momba ny ascèse – fanazaran-tena – miaraka amin’ny Vahoaka Masin’Andriamanitra.
Ny fibebahana (ascèse) amin’ny Karemy dia ezaka, tohanan’ny fahasoavana mandrakariva, handresena ny tsy fahampian’ny finoana sy izay manohitra ny fanarahana an’i Jesoa eo amin’ny lalan’ny hazofijaliana, tahaka izay ho tokony nataon’i Piera sy ireo mpianatra hafa. Mba handalinantsika ny fahalalàna ny Mpampianatra, mba hahatakarana sy handraisana tanteraka ny misterin’ny famonjeny, izay tanteraka tamin’ny nanolorany am-pitiavana ny tenany manontolo, dia tsy maintsy mamela ny tenantsika ho entiny amin’ny toerana mitokana sy avo isika, ka hiala amin’ny faharatsiana sy ny zava-poana. Mila mandeha isika, hizotra lalana miakatra, toy ny fitsangatsanganana eny an-tendrombohitra, izay mitaky ezaka, fahafoizan-tena sy fifantohana. Zava-dehibe ihany koa ireo fepetra takina ireo ho an’ny dia sinôdaly izay iezahantsika iainana amin’ny maha-Eglizy antsika. Mahasoa antsika ny mandinika ny fifandraisan’ny fanazaran-tena amin’ny Karemy sy ny traikefa sinôdaly.
Tamin’ny “fiatahana masina” nataony teo amin’ny Tendrombohitra Thabor, i Jesoa dia nitondra mpianatra telo, voafidy ho vavolombelon’ny trangan-javatra tsy manam-paharoa. Sitrany mba ho zaraina fa tsy ho tazonina samirery izany traikefam-pahasoavana izany, ary tsy azo adinoina moa fa traikefa natao ho zaraina ny fiainam-pinoana manontolo. Miaraka no hahafahana manaraka an’i Jesoa. Ary miaraka, amin’ny maha-Fiangonana mpivahiny eo anivon’ny fotoana antsika, no hiainana ny taona litorjika, ary ny Karemy ao anatin’izany, ka miaraka amin’ireo izay napetraky ny Tompo ho mpiara-dia amintsika isika. Tahaka ny niakaran’i Jesoa sy ny mpianany teny an-tendrombohitra Thabor, dia azontsika lazaina koa fa “sinôdaly” ny diantsika amin’ny Karemy, satria lalana iray no hiarahantsika mizotra, amin’ny maha-mpianatry ny Mpampianatra tokana antsika. Ary fantatsika fa Izy no Lalana, ka na amin’ny soridalana litorjika na amin’ny an’ny Sinaody, dia tsy manao afa-tsy ny miditra lalindalina kokoa hatrany sy manontolo ao amin’ny misterin’i Kristy Mpamonjy ny Eglizy.
Dia tonga amin’ny faratampony isika. Mitantara ny Evanjely fa “niova tarehy teo anatrehan’izy ireo i Jesoa; namirapiratra tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany.” ( Mt 17,2 ). Io no “tendron’ny vohitra”, ny tanjon’ny dia. Tamin’ny fiafaran’ny fiakaran’izy ireo, rehefa nijoro teo an-tampon’ny tendrombohitra niaraka tamin’i Jesoa izy ireo, dia nomena fahasoavana ireto mpianatra telo lahy hahita Azy tao amin’ny voninahiny, namirapiratra tao amin’ny fahazavana mihoatra ny natoraly, ary tsy avy any ivelany izany hazavana izany, fa avy amin’ny Tompo mihitsy. Ny hatsaran’Andriamanitra tamin’io fahitana io dia tsy azo oharina amin’ny harerahana vokatry ny ezaka rehetra nataon’ny mpianatra teo amin’ny fiakarana ny Thabor. Fa tahaka ny fihanihana tendrombohitra rehetra: tsy maintsy afantoka tsara amin’ny lalana ny maso mandritra ny dia; kanefa kosa ny panôramà (topy maso) izay banjinina amin’ny farany dia mampitolagaga ary zary valisoa ny hakantony mahavariana. Toy izany koa, ny fizotry ny sinôdy dia mety ho sarotra matetika, ary mety hahakivy antsika indraindray. Kanefa ny zavatra miandry antsika amin’ny farany dia tsy isalasalana fa zavatra mahagaga sy mahatalanjona, izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny sitrapon’Andriamanitra sy ny asa anirahana antsika ao amin’ny fanompoana ny Fanjakany.
Vao mainka nitombo ny lanjan’ny zavatra niainan’ny mpianatra teo amin’ny Tendrombohitra Thabor, rehefa niseho teo anilan’i Jesoa niova tarehy i Moizy sy Elia, izay manambara ny Lalàna sy ny Mpaminany (jereo Mt 17,3). Ny maha-vaovao an’i Kristy dia sady fahatanterahan’ny Fanekem-pihavanana sy ny fampanantenana fahiny; tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’Andriamanitra miaraka amin’ny Vahoakany izany ary maneho lalindalina kokoa ny heviny. Toy izany koa, ny dia sinôdaly dia miorim-paka ao amin’ny Lovam-panahin’ny Eglizy fa misokatra kosa amin’ny zava-baovao hatrany. Loharanon’ny aingam-panahy hikatsahana lalana vaovao ny Lovam-panahy (Tradition) ka hahafahana misoroka ny fakam-panahin’ny tsy fanekena fiovana na ny tia andrakandrana tsisy fandinihana.
Ny lalan’ny fivalozan’ny Karemy sy ny dian’ny Sinaody dia samy manana ho tanjona ny fiovan-tarehy, na ho an’ny tsirairay na ho an’ny Eglizy manontolo. Fiovana izay, amin’ireo tranga roa ireo, dia manana ho môdely ny Fiovan’i Jesoa tarehy izay tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny misterin’ny Pakany. Mba ho tonga nofo eto amintsika amin’ity taona ity izany fiovan-tarehy izany, dia te-hanolotra “lalana” roa harahina aho mba hiakarana eny an-tendrombohitra miaraka amin’i Jesoa sy mba hanatratrarana ny tanjona miaraka Aminy.
Ny lalana voalohany dia mifanaraka amin’ilay didy izay nambaran’Andriamanitra Ray tamin’ireo mpianatra teo an-tendrombohitra Thabor rehefa nibanjina an’i Jesoa niova tarehy izy ireo. Hoy ny feo avy tao amin’ilay rahona: “Henoy Izy.” ( Mt 17,5 ). Mazava tsara àry ny torolalana voalohany: mila mihaino an’i Jesoa isika. Fotoam-pahasoavana ny Karemy raha mihaino Azy izay miteny amintsika isika. Ary ahoana no iresahany amintsika? Voalohany, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay atolotry ny Fiangonana ho antsika amin’ny Litorjia. Enga anie tsy ho raraka an-tany izany teny izany; raha tsy afaka mamonjy Lamesa foana moa isika, dia afaka mamaky ny Vakiteny isan’andro, na dia amin’ny alalan’ny Internet aza. Ankoatra ny Soratra Masina, ny Tompo dia miresaka amintsika koa amin’ny alalan’ireo rahalahy sy anabavintsika, indrindra eo amin’ny endrika sy ny tantaran’ireo izay mila fanampiana. Ary izaho te hanampy filazana endrika hafa, izay tena zava-dehibe amin’ny fizotry ny sinôdy: ny fihainoana an’i Kristy dia tanteraka koa amin’ny fihainoana ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny Fiangonana, ka ny fifampihainoana takian’ny dingana sasany no tanjona voalohany, saingy tsy maintsy ilaina foana izany eo amin’ny fomba fiasa sy amin’ny toetra manokan’ny Eglizy sinôdaly.
Rehefa nandre ny feon’ny Ray ny mpianatra, dia “lavo niankohoka sady natahotra indrindra. Fa nanatona azy ireo i Jesoa, dia nanohina azy ireo ka nanao hoe: ‘Mitsangàna, fa aza matahotra.’ Ary rehefa niandrandra ny mpianatra, dia tsy nahita olon-kafa afa-tsy Jesoa irery ihany.” ( Mt 17,6-8 ). Izao no soso-kevitra faharoa amin’ity Karemy ity: tsy tokony hialokaloka fotsiny ao ambadiky ny fivavahana mifototra amin’ny trangan-javatra mampitolagaga na amin’ny zavatra niainana manaitra, noho ny tahotra ny hiatrika ny zava-misy sy ny tolona takiany isan’andro, mbamin’ny hamafiny sy ny fifanoherana mety haterany. Ny fahazavana nasehon’i Jesoa tamin’ny mpianany dia fisantarana sahady ny voninahitry ny Paka, ary tokony ho izany ihany koa no tanjon’ny diantsika, eo am-panarahan-dia “Azy irery ihany”. Ny Karemy dia mizotra mankany amin’ny Paka: tsy tanjona ny “fihatahana masina”, fa fomba iray hanomanana antsika hiaina am-pinoana sy fanantenana ary fitiavana ny fijalian’ny Tompo sy ny nifantsihany, mba ho tonga amin’ny fitsanganan-ko velona. Eo amin’ny dia sinôdaly ihany koa, rehefa omen’Andriamanitra antsika ny fahasoavana amin’ny fanandramana ny hakanton’ny fiombonana, dia tsy tokony hieritreritra isika fa efa tonga – fa eo koa no averin’ny Tompo amintsika ny hoe: “Mitsangàna, fa aza matahotra”. Andeha àry isika hidina eny amin’ny tany lemaka, ary enga anie ny fahasoavana azontsika hanome hery antsika ho tonga mpamolavola toetsaina sinôdaly eo amin’ny fiainana andavanandron’ny fiaraha-monina misy antsika.
Ry rahalahy sy anabavy malala, ny Fanahy Masina anie hanentana sy hanohana antsika amin’izao Karemy izao amin’ny fiakarana miaraka amin’i Jesoa, mba hanandramantsika ny famirapiratany avy amin’Andriamanitra ka mba hankaherezina amin’ny finoana, hahatozo amin’ny diantsika miaraka Aminy, dia Izy ilay voninahitry ny vahoakany sy ny fahazavana hanilo ny firenena.
Roma, Masindahy Joany ao Laterano, 25 Janoary, Fetin’ny nibebahan’i Md Paoly
FRANÇOIS