FARAN’NY TAONA LITORJIKA: Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao
Alahady faha-34 Faran’ny Taona litorjika[1], ankalazana ny fetin’i Kristy, Mpanjakan’izao tontolo izao. Ny taona Litorjika moa dia entintsika mandalina ny Firaisantsika aina amin’i Kristy sy ny Fiangonany, mba hivelomantsika amin’ny maha-kristianina, maha-mpanara-dia Azy.
Taona A
- Tanjona : Fandalinana ny Batemy
- hafatra : Voaantso handalina ny firosoantsika ho Kristianina isika.
- Votoantin-kevitra: Fandaharana ireo laha-kevitra sy evanjely hifanaraka amin’ny fivoaran’ny maha-kristianina, araka ny drafitra katekomenaly.
- Evanjely : Matio sy Joany
Ny taona A (fandalinana ny sakramenta firosoana ho kristiana), dia manolotra antsika ny Evanjely nosoratan’i Matio (Mt 25, 31-46) mamintina ny tokony ho fiainan’ny Kristianina raha manaiky an’i Kristy ho Mpanjakany : hampanjaka an’i Kristy amin’ny fampanjakana ny Fitiavana amin’ireo madinika sy toa niangaran’ny vintana, hiezaka hahita ny endrik’i Kristy ao amin’izy ireny…
Taona B
- Tanjona: Fandalinana ny Fifandraisana amin’ny Misterin’i Kristy nitsanga-ko Velona
- hafatra : Voaantso handinika ny misterin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy ho velona isika
- Votoantin-kevitra: Fandalinana ny fiainan’i Kristy, miampy ny fampianaran’i Joany voavelabelatra bebe kokoa
- Evanjely: Marka sy Joany
Ny taona B (Fandalinana ny firaisan’aina amin’i Kristy) kosa indray, milaza amintsika fa rahefa mifampikasoka amin’i Kristy Tafatsangan-ko velona marina isika, dia hahatsapa fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakany, fa ho an’ireo izay rehetra mihaino ny marina (Evanjely Jo 18, 33-37). Izay te hampanjaka an’i Kristy araka izany dia mampanjaka ny rariny sy ny Fitiavana.
Taona D
- Tanjona : Fivalozana sy Famindram-pon’Andriamanitra
- Hafatra: Voantso hizotra ny lalam-pivalozana isika, izay hany hahatsapantsika ny halalin’ny Misterin’ny Paka, fara-tampon’ny Fiombonana amin’ny Ray.
- Votoantin-kevitra: Fandalinana manokana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny hafaliana vokatry ny fibebahana.
- Evanjely : Lioka sy Joany
Ny taona D (ny fibebahana sy ny famindram-po), nandalinana indrindra indrindra ny Fampindrampon’ny Ray izay toa tsy miraharaha akory ny adalan-janany (Lk 15) fa vonona ny hamindra fo mandrakariva, hatramin’ny impitopolo fito (Mt 18, 21-22 // Lk 17,4), dia mampiseho amintsika ny Eglizy amin’ny fandaharany ny vatsim-panahy asehony antsika, fa eo am-pialana aina dia mbola famelana no nanehoan’i Kristy ny maha-Mpanjaka azy : “Lazaiko marina aminao tokoa, fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao” (Evanjely), maneho antsika an’i Kristy hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra, Izy ilay ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika (Vak II Kolosy 1, 12-20).
JESOA KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO
Taona A
- Ezekiela 34, 11-12.15-17/
- Salamo 22
- 1 Korintianina 15, 20-26a.28
- Md Matio 25, 31-46
Ny hampanjaka an’i Kristy no maha-kristianina antsika
Ny fandalinana izany rehetra izany no mahatonga saina antsika isan’andro handinika hoe : fa inona marina moa ity “Fanjakan’Andriamanitra” irintsika ho tonga isan’andro ity, isaky ny manonona ny Rainay any an-danitra isika! Ho tonga anie ny Fanjakanao! (Lk 11, 2).
Azontsika alalinina ny pejy roa hanazavan’ny Papa Benoit XVI io vavaka io ao amin’ny bokiny[2]. Ny tiako hifampizarana aminareo etoana dia ny ilazany fa “i Jesoa no Fanjakan’Andriamanitra tonga nofo”, hany ka ny fangatahana ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra araka izany, dia ny fanirìna mba hiombona bebe kokoa amin’i Jesoa, ho tonga vatana iray Aminy” (Gal 3, 28), ary fangatahana mba hiombonan’ny olona rehetra Aminy koa (1 Kor 15, 26-28), toy ny hanirian’i Kristy hamondronana ny zavatra rehetra Aminy, tamin’ny alalan’ny Rany teo amin’ny hazofijaliana (Kolosy 1, 12-20).[3]
Ambaran’ny Litorjia anio fa raha Mpanjakantsika marina tokoa i Kristy dia hiezaka handresy ny fanandevozan’ny fahotana isika, ary matoky fa handesy ampian’ny fahasoavany ka vonona hampanjaka ny Fanjakan’ny Fahamarinana sy ny Fiainana, Fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana, izay tanisain’ny Prefasy, antony hanaovana ny Sorom-Pisaorana. Ndeha ary hojerentsika ny antsipirihan’izany.
Fanjakan’ny fahamarinana ny Fanjakan’i Kristy ka hahatsiarovantsika fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia manao soa ho an’ny olona tsy an-kavanavaka na ny marina na ny tsy marina, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy (Mt 5, 45); ny mitia hatramin’ny fahavalo, mamela heloka sy mamonjy, ary sambatra izay noana sy mandetaheta izany fahamarinana izany (Mt 5,6);
Fanjakan’ny Fiainana ny Fanjakan’i Jesoa ka izay rehetra tsy fiombonana amin’ny asam-pamonjena nataony dia tsy fiombonana amin’ny Fanjakany: tonga Izy mba hananan’ny olona rehetra ny fiainana ary mba hananantsika azy amin’ny hafenoany (Jo 10, 10);
Antsoiny isika ho amin’ny fanjakan’ny fahamasinana : “Aoka ho masina ianareo satria Masina aho, YHWH Andriamanitrareo Lev 19, 1-18”. Ny hoe masina moa dia heverintsika fa izay tsara fitondran-tena sy tsy misy kianina eo imason’ny olombelona. Ny hoe קָדוֹשׁ (kadosh) dia ilazana ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra, ka tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa intsony. Raha ny tavimandry no enti-matsaka vao maraina, hanahirana ihany ny hisotro ny rano hotovozina. Masina, izany hoe voatokana izay manaja ny antom-pisiany. Raha noharìna hitovy endrika amin’Andriamanitra isika dia ny fikajiantsika izay fitovizana endrika aminy izay no fahamasinana. Masina izay manaiky hanaraka ny lalàna, na ny marimarina kokoa, ny torolàlana (חֻקָּה, Hukkà’, voasoratra) omen’Andriamanitra azy. Tsy dia fitokana-monina loatra fa ny fiovan-toetra hanahaka an’Andriamanitra araka izany no mahamasina. Torolalana mitondra amin’ny fahasambaran’ny hafa sy ny tena no omen’YHWH ho an’ny vahoakany. Ny halatra, ny fitaka, ny lainga dia mampitondra faisana ny hafa. Izay mahavanon-doza amin’ny hafa dia mifanalavitra amin’izany fahamasinana izany, efa any ivelan’ny Fanjakany;
Fanjakan’ny fahasoavana ny Fanjakan’Andriamanitra: azontsika kokoa amin’ny teny hoe: fanomezam-pahasoavana, charisme, izay avy amin’ny teny hoe χάρις (charis), χαίρω (chairo), mifaly, χαρά (chara), hafaliana. Izany hoe ny fahasoavan’Andriamanitra, fahasoavana avy amin’Andriamanitra izay loharanon’ny hafaliana ho antsika. Amin’ny fiarahaban’ny Anjely dia izany no fintinin’ny hoe. χαῖρε, κεχαριτωμένη (parfait passif de χαριτω), ὁ κύριος μετὰ σοῦ. (Lk 1,28), mifalia ianao ry ilay nohasoavina.
Izao no fampianaran’ny Eglizy mikasika ireo fanomezam-pahasoavana
799. Na mampitolagaga na tsotsotra sy ambanimbany, ireo fanomezam-pahasoavana dia fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, ka na mivantana na tsy mivantana, dia natao hahasoa ny Fiangonana, sy narindra amin’ny fandrafetana ny Eglizy, amin’ny fanasoavana ny olombelona ary amin’ izay ilain’izao tontolo izao.
800. Tsy izay notolorana azy ihany no tokony handray amin’ny fo feno fankasitrahana ny fanomezam-pahasoavana noraisiny fa ny rantsambatan’ny Eglizy rehetra koa. Araka izany, harem-pahasoavana mahatalanjona tokoa izy ireny ho an’ny hery amam-paharisihina maha-apôstôly sy ho an’ny fahamasinan’ny Vatan’i Kristy manontolo, raha toa ka tena fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina tokoa izy ireny, sy ho ampiasaina amin’ny fomba mifanaraka amin’ny fitarihana marina avy amin’io Fanahy io ihany, izany hoe ho ampiasaina araka ny fitiavana, izay mari-drefy azo antoka ho an’ny fanomezam-pahasoavana (1 Kor 13).
801. Asehon’izany lafin-kevitra izany fa ilaina lalandava ny fahaiza-mandanjalanja momba ny fanomezam-pahasoavana. Tsy misy fanomezam-pahasoavana na iray aza afaka tsy mandalo eo ambany filan-kevitry ny manam-pahefana sy ny fankatoavan’ny Mpitondra Fiangonana. “Izy ireo no manana anjara manokana, tsy hamono ny Fanahy, fa hizaha toetra ny zavatra rehetra ka hitana izay tsara”[4], mba hiara-miasa ny fanomezam-pahasoavana rehetra, amin’ny fahasamihafana sy ny fifamenoan’izy ireo, mba “hahasoa ny be sy ny maro” (1 Kôr 12,7)[5].
Fanjakan’ny rariny, ny fitiavana sy ny fiadanana ny Fanjakan’i Kristy.
Teny telo hita ao amin’ny Salamo 85 ireo: « tafahaona ny fitiavana (חֶסֶד hesed=hatsaram-po) sy ny fahamarinana (אֱמֶת ’emeth = fahatokisana, tsy fivadiana amin’ny teny nomena); Mifanoroka ny rariny (צֶדֶק tsedek = fitandrovana ny rariny) sy ny fiadanana (שָׁלוֹם shalom = fahalavorariana); ny fahamarinana (‘emeth) mitrebona eto an-tany, ny rariny (tsedek) kosa mitranga eny an-danitra. » (Sal 85, 9-14).
Raha dinihana tsara izany zavatra lazain’io Salamo io dia hoe: avy amin’ny tany, ezaka avy amintsika ny mampitrebona ny fahamarinana (‘emeth), izany hoe takiana amintsika ny tsy fivadihana amin’ny teny nomena, fa ny rariny kosa (tsedek), ny fitsarana izay marina sy hitsiny, ny fiheverana hamaly faty na hanasazy dia an’Andriamanitra. Indraindray anefa mampalahelo fa ny marina araka ny fiheverantsika no entintsika miaina ka vitsy ny olona afaka milaza tahaka an’i Md Paoly hoe : iriko ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy raha izay no hahavonjy ny rahalahiko. Tsy afaka ny hilaza ho tena mpianatr’i Kristy anefa izay tsy mbola vonona ny hiaraka anjaka aminy, eo ambonin’ny hazofijaliana.
Fanjakana mandrakizay no atolotr’i Kristy ho an’ny Ray, tamin’ny nanekeny hijaly teo amin’ny Hazo ho famonjena antsika: porofom-pitiavana izany, ary ambaran’i Md Paoly fa ny fahavalo farany horesen’i Kristy dia ny fahafatesana (1 Kor 15, 25-26). Amafisin’i Md Joany izany, fa i Jesoa ilay Lahimatoa amin’ny maty dia nanasa antsika tamin’ny Rany ka nanao antsika ho fanjakana Mpisorona hanome voninahitra an’Andriamanitra (Apok. 1, 5-8). Mampahatsiaro antsika ny hasin’ny Batemy noraisintsika izany, fa mampahatsiaro antsika koa fa izay mbola manaiky ho andevozin’ny fahotana sy ny fahafatesana dia manao tsinontsinona ny fandresen’i Kristy.
Taona vitsivitsy taorian’ny faharavan’i Jerosalema (587 a.C) rehefa nanomboka nitombo ireo tsy mifaditra ovana nanararaotra ny fahantrana sy ny fahorian’ny vahoaka no nilazan’i Ezekiela ny faminaniana henontsika tamin’ny vakiteny I teo. Andriamanitra izay mampanantena fa hiahy ny ondriny sy handinika, hitady azy (בָּקַר baqar), dia milaza ihany koa amin’ireo mpanararaotra ny vahoakany ireo fa tsy misy lalana hafa hahafahana mivelona afa-tsy ny famerenana ny natao antoka, ny fampodiana izay nangalarina ary manaraka ny lalana mahavelona sady tsy manao ratsy intsony (Ezek 34, 15, tsy novakiana).
Io ny toe-po nasehon’i Jesoa antsika amin’ny maha-Mpanjaka Azy: manana fo mangoraka (σπλαγχνίζομαι splagknizomai; splagknon=rahamim; jereo Mk 1, 40-41): hahita ny vahoaka tahaka ny ondry tsy misy mpiahy ka hangoraka azy ireo. Ka tahaka an’ireo nantsoin’Andriamanitra hamahana ny ondriny (cf Ezekiela 34,23; 37,24; Moizy ao amin’ny Fanisana 27, 15-17…), i Jesoa sy izay te ho mpianany dia voaantso hitari-dalana ny vahoaka ho amin’ny vilo-maitso (Salamo 22). Tsy mpitango ronono na mpitafy volonondry anefa no hiantsoana ny mpiandry (Ezekiela 34, 1-11ss). Mampalahelo ny maheno ny fitakiana ny adidy atao amin’ny kristianina amin’ny toerana sasany, kanefa ny tompon’andraikitra indraindray tsy mandini-tena akory raha nahavita na tsia ny adidy tokony natao amin’izy ireny: fitoriana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra sy ny finoana, izay fanalàna hetaheta sy hanoanana ny vahoaka.
Hitako matetika ary lazain’ny olona koa indraindray ka mila andinihan’izay mihevitra hamaly ny antso amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa (tsy resaka pretra sy lahika anefa izany fa fiainana amin’ny maha-kristianina) ny tsy fahazakana intsony ny resa-bola eo amin’ny sehatry ny Eglizy. Sarotra tokoa manko raha ny vahoaka sahirana amin’ny adi-piainana takiana adidy (raha mandray andraikitra moa dia tokony ho adidy fa tsy didy izany) kanefa ny mpitantana sasany manam-bola hodorana amin’ny rendrarendra sy ny hafinaretana izay tsy mifanaraka akory amin’ny fitondran-tena kristianina aza indraindray!
Ny Evanjely dia mampahatsiaro antsika ny fiainana mifanaraka amin’izany toe-po maha-mpiandry ondry izany, ka hahafahana handova ny fanjakana voavoatra hatrizay naharina izao tontolo izao. Ny zanaka no mandova, ka i Kristy no ilay zanaka lahitokan’ny Ray. Henontsika tao amin’ny Evanjely anefa fa ireo sokajin’olona enina miandry ny fanasoavana avy amintsika no antsoiny hoe “rahalahy” (ἀδελφός adelphos), izay nadikan’ny vakiteny hoe “havana” moa. Ireo mahantra ireo no efa nolazainy, tany amin’ny fiandohan’ny Evanjely fa “tompon’ny fanjakan’Andriamanitra” (Mt 5, 3), ka ny fanaovana soa amin’izy ireo dia mazava loatra fa fanaovana soa ho an’ny tena ihany.
Tsy ny halebeazana araka an’izao tontolo izao no fahamasinana mitondra antsika amin’ny fahasambarana. Ho an’izao tontolo izao, raha tonga olo-malaza ianao, raha lasa mpanefoefo, na tsy hiraharaha ny hafa aza dia izay hieboeboana no tanjona. Tokana ny aina, ka lazain’i Jesoa fa ny fampiasana izany hanasoavana ny hafa, indrindra ny noana, ny mangetaheta, ny tsy mitafy sy ny tsy manan-tafo, ny marary sy ny voailikilika (voafonja) no mampisy heviny ny fiainana.
Tsy atao mba hahafaly ny hafa anefa izany, ary tsy atao mba hahafaly akory an’Andriamanitra aza. Lazain’i Matio mazava fa tsy nahalala akory ireo mpanao soa fa i Jesoa no nanaovany izany. Izy ireo dia manao ny asa soany amin’ny anaran’i Jesoa, fa tsy ho an’i Jesoa. Ny soa sy ny harena eo am-pelatanantsika dia tsy azo adinoina fa fanomezana (talenta) avy amin’i Jesoa ka raha zaraintsika amin’ny hafa, tsy afaka ny hirehareha isika satria tsy maintsy hanao tatitra amin’ilay nandraisana izany talenta izany (tapany faharoa amin’ny Evanjely Md Matio amin’ny toko faha-25 novakiana tamin’ny alahady heriny).
Kisarisary maneho ireo mpiandry ondry teo amin’Israely no ampiasain’i Jesoa mba hanazavana ny fanavahana ataony amin’ny fitsarana izay mety ho mendrika na tsia ny fanjakany. Rehefa hariva ny andro dia avahan’ny mpiandry ny biby fiompy, ny osy eo an-kavia- ary ny ondry eo an-kavanana, ny iray ao an-trano satria maninfinify tsy dia misy volo loatra, ny sasany any an-tokontany satria misy volon’ondry matevina. Tsy famaliana soa araka izany no fomba fanavahan’Andriamanitra fa arakaraka ny filàna hanasoavana ny zanany. Izany no fahamarinany.
Ny fiainantsika tsy ampiasaintsika hanaovan-tsoa no mandrehitra ny afobe hivarinantsika ka hampijaly sy mety hanenenana mandrakizay. Tsy izaho sy ianao anefa no ondry sy osy fa ny fiainantsika miovaova. Sitrak’i Jesoa ho fanaovan-tsoa manontolo anefa ny fiainan’ireo mpianany satria fantany fa izany no lalam-pahasambarana ho azy ireo.
Amin’ny Vavaka nampianarin’i Jesoa antsika dia mitalaho isika mba ho tonga ny Fanjakan’ilay Ray any an-danitra. I Kristy no Tenin’Andriamanitra, tonga hanambara izany Fanjakana izany, ka ny fihainoana ny Teniny ihany no hahafahantsika mahatoky amin’ny fiorenan’ny Fanjakany eo anivontsika. Ny tolona atao isan’andro no mampisy heviny ny Vavaka ataontsika.
Indraindray anefa, ilay Tenin’Andriamanitra, noraiketina ao amin’ny Baiboly, dia mijanona ho Boky, tahaka ny boky hafa rehetra ihany, ka tsy hanovàna ny hevitra fa atao fanovozan-kevitra fotsiny ihany ka sanatria lasa hevitra hisafidianana. Indraindray adinontsika fa tsy Boky tsy akory ny Tenin’Andriamanitra, fa Andriamanitra tonga Olombelona toa antsika : i Jesoa no Tenin’Andriamanitra, Izy no Fanjakan’Andriamanitra eo anivontsika, miara-monina amintsika, araka ny efa nolazaintsika (Benoit XVI). Iezahantsika ary ny hamaky ny Tenin’Andriamanitra ho tahaka ny fihaonana amin’ny Mpanjakantsika, hihainoantsika ny feony, ka hanarahantsika ny marina ambarany. Tsy sanatria hisy baiko hafa ataontsika ambony noho izay lazain’ny Mpanjakantsika amintsika.
Ny Vavaka fangatahana[6] dia mamintina izany rehetra izany. Andriamanitra izay loharanon’ny fahariana rehetra, nandefa ny Zanany mba handraisantsika anjara amin’ny Fanjaka-Mpisorona anie, hanilo ny fontsika ka hiekentsika fa fanompoana ny maha-mpanjaka, ka hanehoantsika amin’ny fahafoizan-tena hanompo ny rahalahy, ny tsy fivadihantsika amin’i Kristy, Lahimatoan’ny maty rehetra sy mpifehy ny tany tontolo, ka hitokisantsika amin’ny fandreseny ny fahafatesana ary hahatonga ny fiainantsika an-davanandro ho fandraisana anjara amin’ny fanorenana ny fanjakan’ny fitiavana.
Ny hazofijaliana no seza fiandrianana nanandratana ilay mpitsara izao tontolo izao. Hiezahantsika ary ny hanao ny Famantaran’ny Hazofijaliana ho famantarana hahatsiarovantsika ny fitiavana nanavotana antsika sy ny fahavononan-kanompo iantsoana antsika, ka hanekentsika hifantsika miaraka amin’ny Mpanjakantsika, tsy ho menatra na hatahotra ny hiaro ny marina… satria mihaino ny feony.
Tanjona | hafatra | Votoantin-kevitra | Evanjely | |
taona A | Fandalinana ny Batemy | Voaantso handalina ny firosoantsika ho Kristianina isika. | Fandaharana ireo laha-kevitra sy evanjely hifanaraka amin’ny fivoaran’ny maha-kristianina, araka ny drafitra katekomenaly. | Matio sy Joany |
taona B | Fandalinana ny Fifandraisana amin’ny Misterin’i Kristy nitsanga-ko Velona | Voaantso handinika ny misterin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy ho velona isika | Fandalinana ny fiainan’i Kristy, miampy ny fampianaran’i Joany voavelabelatra bebe kokoa | Marka sy Joany |
taona D | Fivalozana sy Famindram-pon’Andriamanitra | Voantso hizotra ny lalam-pivalozana isika, izay hany hahatsapantsika ny halalin’ny Misterin’ny Paka, fara-tampon’ny Fiombonana amin’ny Ray. | Fandalinana manokana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny hafaliana vokatry ny fibebahana. | Lioka sy Joany |
[2] Jesus von Nazareth, pp. 176-178, Edizione Rizzoli 2006
[3] Hahazoana ny lazain’i Md Paoly mikasika ny fiombonana amin’i Kristy.
[4] FF 12.
[5] jer. FF 30 ; CL 24.
[6] Ny amin’ny Teny Malagasy ny amin’ny taona A ihany no nadika ho amin’ny taona B sy D. Amin’ny Missel vaovao no hahitana ireo vavaka isan-taona.