FANKALAZANA NY VATANA AMAN-DRAN’I JESOA KRISTY
Ny Fankalazana ny Eokaristia no ivom-piainan’ny Fiangonana, satria sady hahatsiarovana sy hivelomana indray ny Sorom-panavotan’i Kristy no hanandratana ny Vavaka Fisaorana sy Fiderana amin’Andriamanitra, amin’ny fihinanana sy amin’ny Fisotroana ny Vatana aman-dRan’i Kristy ao amin’ny Komonio. Ny fanasana ataon’ny Mpisorona amintsika ho amin’ny fahasambaran’izay voaantso handray anjara amin’ny Fanasan’ny Zanakondry, ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao dia valian’ny Mpino amin’ny tenin’ilay tomponjato hoe: “tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafontranoko aho tompoko, fa manonona teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko” (Mt 8, 8). Ny fahosantsika satria olombelona ihany moa, dia manosika antsika hanetry tena hahatsiaro fa tsy misy na iza na iza mendrika fanomezana lehibe sy mendri-kaja toy izany : Izy Tompo kosa manolotra ny tenany ho antsika ao amin’ny Eokaristia, mba handraisantsika anjara amin’ny fahamasinany, hanohana ny ezaka kasaintsika atao hitahirizana ny fanomezany hahasambatra antsika. Arakaraky ny fahatsapantsika ny tsy fahamendrehana araka izany no hahatsapantsika koa ny fitiavan’ilay efa tia antsika mialoha.
Mialoha ny handravonantsika ireo hevi-dehibe entin’ny vakiteny Masina henontsika teo dia tiako ny hifampizara amintsika aloha ny zavatra tokony ho tsaroana raha miresaka ny Fankalazana ny Fetin’ny Sakramenta Masina.
- Inona no hinoantsika amin’ny hoe : Komonio masina?
Ny Komonio dia ny fandraisana ny Eokaristia izay Jesoa Kristy marina tokoa. Tsy hoe Eo fotsiny izy, na hoe ao fotsiny fa io Izy. Izay fiovan’ny mofo sy ny divay ho zary Vatana sy Ran’i Kristy izany no ambaran’ny teny hoe : transubstantiation ka rehefa mihinana sy misotro ny mofo sy divay isika dia mihinana sy misotro ny Vatana aman-Ran’i Kristy, ary araka izany miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Azy, mandray anjara amin’ny fitsanganany ho velona izay loharanon’ny fahamasinana rehetra. Ny hevi-diso nahelin’i Bérenger de Tours, nilaza fa tsy vatan’i Kristy fa endrika hisehoany fotsiny ny Eokaristia, no nahatonga ny Papa Urbain IV ny 11 aogositra 1264 (bulle Transiturus) hanorina ny fetin’Andriamanitra, Corpus Domini, hankalazan’ny Fiangonana eran-tany sy hanehoany am-pahibemaso fa “ny vatana aman-dra, ny fanahy sy ny fomba maha-Andriamanitra an’i Jesoa” no tsahoantsika ao amin’ny Eokaristia amin’ny endriky ny mofo sy ny divay. Izay no hevitry ny procession ataontsika.
Tsy hoe manambara ny Tenan’i Kristy akory ny mofo fa ny Tenan’i Kristy mihitsy, araka ny voalaza teo fa tsy hoe EO i Kristy, na AO i Kristy, fa ho antsika dia IO i Kristy. Izany ny Misterin’ny Finoana mahatonga antsika « higaga ny nataon’Andriamanitra ho antsika« . Lalina sy mahagaga ny nataon’Andriamanitra ho antsika (amin’ny ordo latinina : Mysterium fidei misterin’ny finoana). Tonga antoky ny fiainana mandrakizay ho antsika ny Eokaristia (Evanjely Jn 6, 51-59). “Loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo” ny Eokaristia (LG 11). “Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny asa fanirahana dia miombona avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika” (Presbyterorum ordinis 5).
- Inona no hevitr’izany Fiombonana amin’i Kristy ao amin’ny Komonio masina izany?
Zavatra telo ahay no mila avohitra satria ny hoe Komonio, cum- munus, dia fiombonana amin’ny fahasoavana izay fanomezana (don) fa kosa mitaky adidy (responsabilité).
- Miombona anjara amin’ny Sorona tokan’i Kristy
Amin’ny vavaka atao amin’ny fankalazana ity fety ity dia lazaintsika fa “namelan’i Kristy ny fahatsiarovana ny Fijaliany nanehoany ny fitiavany (passio) isika amin’ny Sakramenta misy ny Vatany sy ny Rany”. Tsy fahatsiarovana fe fahatsiarovana anefa ny Eokaristia. Ny hoe “memorial” aza moa dia nadika ho tsangam-bato ao amin’ny Katesizy (1366). Ny ἀνάμνησις (anamnesis LK 22, 19; 1 Kor 11, 24-25) moa, izay iraintsika amin’ny anamnèse, vavaka aorian’ny fankamasinana, dia mampahatsiaro fa “Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia : “Tokana sady mitovy ihany Ilay atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nano-lotra ny Tenany mihitsy tamin’izay teo amin’ny Hazofijaliana. Ny fomba fanolotra fotsiny no tsy mitovy” (Kôns. Trente : DS 1743) : “Ary satria ao amin’izany sorona lavorary sady masina izay tanteraka amin’ny lamesa izany, io Kristy io ihany, izay nanolotra ny Tenany indray mandeha monja tamin’ny fomba nalatsa-dra teo ambony ôtelin’ny Hazofijaliana, no votoaty sy atolotra amin’ny fomba tsy alatsa-dra, koa tena sorom-panonerana marina io sorona io” (Kôns. Trente : DS 1743: KFK 1367). Ny Fiangoanana, izay Vatan’i Kristy, dia mandray anjara amin’ny fanatitry ny filohany, ka miaraka aminy, ny Tenany mihitsy no atolony manontolo (KFK 1368).
Ny fandraisana komonio dia mampiombona antsika amin’i Kristy nanolotra ny tenany ho sorona teo ambony Hazofijaliana, ka higohantsika ny soa avy amin’izany, indrindra ny fiombonana amin’ny Ray, entanin’ilay Fanahy fitiavana, izay manome hery antsika hanohitra ny fahotana sy handresy ny fahalemena mpahazo, ka hihamasim-piaina, hahafoy tena am-pitiavana ho an’ny hafa. Fanehoana am-pahibemaso ny fanapahan-kevitra hiaina araka ny Evanjelin’i Kristy ny fanaovana komonio, fandraisana anjara amin’ny asam-pamonjen’i Kristy.
- Miombona amin’ny hafa
Marina fa ny isam-batan’olona no milahatra manao Komonio, nefa kosa, komonio mampiombona ny tsirairay amin’i Jesoa, ary noho izany dia mampiombona ihany koa ny tena samy tena. Tonga Vatana iray ao amin’i Kristy izay mandray Azy ka tsy afaka misaraka amin’izay miombona ihany koa amin’i Kristy, tonga tena iray ihany ao amin’i Kristy ka tsy ho sanatria handevozin’ny filany samirery intsony fa hafana fo kosa hikatsaka ny soa iombonana, satria mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izany. mitovy hasina ny Vatan’i Kristy, na amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, na amin’ny fiombonan’ny mpino atambatry ny Fanahy Masina ho vatana iray sy fanahy iray ao amin’i Kristy (Epiclèse – Fiantsoana ny Fanahy Masina in-droa).
Ampahatsiahiviko matetika rehefa miteny momba ny Eokaristia aho fa amin’ny vavaka fisaorana sy fankamasinana dia miantso ny Fanahy Masina in-droa ny pretra (Epiclèse) mba hanamasina ny mofo sy divay (1°) ary avy eo hanamasina ny Vahoaka (2°) ho tonga “vatana sy Ran’i Kristy”. Mitovy ny hasin’ny Komonio voahasina sy ny mpino voatsodrano ka tonga tena iray ao amin’i Kristy. Tokony hitovy koa araka izany ny fanajan’ny Kristianina ny Eokaristia Masina (Mofo sy Divay, Saintes Espèces) sy ny Fiombonana mampitambatra ny Mpino (communion des fidèles). Tokony ho tahaka ny fitsahoana ny Sakramenta Masina sy ny fanajana Azy araka izany no hitsahoan’ny Mpino sy hanajany ny fiombonana sy ny firaisana amin’ny olombelona rehetra, atambatry ny Fanahy Masina.
- Miombona amin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona sy amin’ny maha-Andriamanitra Azy
Izay manao komonio dia misantatra sahady ny Fanasana any amin’ny Fiainana mandrakizay : “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia manana ny fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny farandro” (Jn 6, 54ss) satria “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia mitoetra ao amiko ary izaho ao aminy…” Izay fiombonana amin’i Kristy izay dia fiombonana koa amin’ny Ray, ka manamafy ilay fahariana hitovy endrika Aminy, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Fisantarana ilay fiombonam-piainana satrin’ny Trinite Masina hiainantsika ny Komonio (Jn 17).
- Iza no afaka mandray komonio?
Ny Komonio dia tsy fanombohana fa fanamafisana ny fiombonana efa misy. Mazava loatra araka izany fa ireo miombona amin’ny fiangonana katolika ihany no afaka mandray komonio mandritra ny lamesa : ireo vita batemy ary mankatò ny finoana katolika. Ny Eokaristia Masina no mandavorary ny firosoana ho kristianina (KFK 1322). [Momba ireo tsy katolika manatona mandray ny Komonio dia nanao fanambarana manokana ny eveka tany amerika (14 novambra 2006) : “Ireo tsy katolika nefa maniry ny hiara-mivavaka amin’ny katolika dia tsy atosi-bohotanana. Raha ny marina anefa dia tsy tokony handray komonio izy ireo, raha tsy hoe amin’ny fepetra manokana apetraky ny lalàna ho an’ireo kristiana tsy katolika nefa vita batemy. Tsy hoe fanavakavahana tsy akory fa mazava ny antony : tsy miombona tanteraka amin’ny fiangonana izy ireo. Amin’ny tranga mety haneken’ny Eveka ny handraisany ny komonio anefa dia mila hamarinina ireto fepetra efatra ireto : tsy afaka mankany amin’ny fiangonana misy azy ilay olona (lavitra na tsy misy mihitsy)Izy no mangataka hanao komonio.Ankatoaviny ny foto-pinoana katolika momba ny eokaristiaTsy misy sampona manakana azy ary efa nivonona ny amin’izany izy.] Mankahery ny finoana iombonana ary manamafy ny firaisan’aina amin’i Kristy ny komonio, ka araka izany dia mampitombo ny fahamasinana. Tsy azo adinoina fa Loharano ary tendro hifaharan’ny fiainana kristianina ny Eokaristia. |
- Oviana no tsy tokony hanatona handray Komonio?
Antony telo lehibe no ambaran’ny Eglizy :
- rehefa very ny fahasoavana mahamasina, noho ny fahotana mahafaty vita nefa mbola tsy nanenenana sy tsy nahazoana famotsorana (konfesy). Fandikàna ny didim-pitiavana (Didin’Andriamanitra) an-tsitra-po sy am-pahalalana, tamin’ny zavatra lehibe, na tamin’ny adidy tsy vita izany, na tamin’ny hevitra, na tamin’ny teny na tamin’ny zavatra vita. Lazaiko amin’ny ankizy matetika fa i Jodasy koa mba nanao komonio, saingy ny hivarotra, hahazo tombony sy tambiny fa tsy hitia no tao am-pony: mamono tena (tadimody araka an’i Matio) sy lany taranaka (vaky kibo araka an’i Lioka) no fiafarany. Tsy tokony hisy hihinana fanamelohana ho an’ny tenany, hoy i Paoly.
1385- Mba hamaliana io fanasana io, dia tsy maintsy miomana isika amin’izany fotoan-dehibe tokoa sy masina indrindra izany. Mamporisika antsika handinin-tena i Md Paoly : “Na zovy na zovy mihinana ity mofo ity na misotro ity kalisin’ny Tompo ity tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo. Aoka àry handinin-tena ny olona, izay vao hihinana ity mofo ity sy hisotro ity kalisy ity ; fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny Vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany” (1 Kôr 11,27-29). Koa izay mahatsiaro tena fa manam-pahotana lehibe, dia tsy maintsy mandray ny sakramentan’ ny Fampihavanana alohan’ny hirosoana amin’ny kômonio.
- Rahefa mahatsiaro fa tsy miombona amin’ny fampianaran’ny Fiangonana intsony, na noho ny safidim-piainana, na noho ny asa aman’andraikitra, ka mitsipaka an-kitsirano ny fampianaran’ny Eglizy. Tsy azo afangaro amin’ny mety ho tsy fahatakarana izay tian’ny Fiangonana holazaina anefa izany, izay tokony hiezahana halalinina na anontaniana ny tompon’andraikitra.
- Ireo olona miaina amin’ny toe-pahotana, na ireo nahavita heloka bevava (scandale public) ka mety ho fanafintohinana ho an’ny hafa ny andraisany Komonio, mialoha ny fanaporofoany ankarihary ny fibebahany.
- Inona no tokony hatao mba hiomanana amin’ny komonio tsara?
Misy ny Fanomanana maharitra :
- Ny vavaka sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra
- Ny fanatontosana ny andraikitra tandrify ny tena (araka ny fitiavana)
- Ny fandinihan-tena isan’andro sy ny fandraisana ara-potoana (régulier) ny sakramentan’ny fampihavanana sy ny fibebahana (konfesy).
Misy kosa ny fanomanana akaiky :
- ny fitombenan-tsaina, indrindra anatin’ny fahanginana mialoha ny Sorona Masina.
- Ny fifadian-kanina sy zava-pisotro (ankoatry ny rano sy ny fanafody) ora iray alohan’ny komonio (Can 925).
Raha fintinina kosa ny fizotry ny Sorona Masina dia ireto no anentanany antsika
- Ny fitafiana maotona, mendrika ny fankalazana ary manampy ny hafa hivavaka.
- Fanaovana tsara ireo Vavaka fifonana mandritra ny lamesa.
- Ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, hampirehidrehitra ny fo handray komonio.
- Ny Vavaka Fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahariana sy ny asam-panavotana.
- Ny fanaovana ny Fivavahana nampianarin’ny Tompo, tsy am-bava fotsiny fa amin’ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny maha-zanaka.
- Ny fifanomezam-piadanana, mariky ny fifamelana tanteraka sy ny fiombonana vokatry ny fiadanana fanomezan’i Kristy nitsangan-ko velona.
- Fanatonana am-panajana sy am-pitiavana ary am-pinoana ny latabatra masina amin’ny Komonio.
- Ny fitiavana sy ny fisaorana, anaty fahanginana sy fitombenan-tsaina rehefa avy nandray an’i jesoa.
Fehiny :
Tsy tokony ho fahazarana ny fandraisana ny Komonio masina fa tokony hanampy antsika kosa hiha-masina hatrany, hampitombo ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra izay hanosika hitia sy hanompo ny olombelona amin’ny fikatsahana ny soa iombonana.
Ny Fankalazana ny eokaristia no ivom-piainan’ny Fiangonana, satria sady hahatsiarovana sy hivelomana indray ny Sorom-panavotan’i Kristy no hanandratana ny Vavaka Fisaorana sy Fiderana amin’Andriamanitra, amin’ny fihinanana sy amin’ny Fisotroana ny Vatana aman-dRan’i Kristy ao amin’ny Komonio. Ny fanasana ataon’ny Mpisorona amintsika ho amin’ny fahasambaran’izay voaantso handray anjara amin’ny Fanasan’ny Zanakondry, ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao dia valian’ny Mpino amin’ny tenin’ilay tomponjato hoe: “tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafontranoko aho tompoko, fa manonona teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko” (Mt 8, 8). Ny fahosantsika satria olombelona ihany moa, dia manosika antsika hanetry tena hahatsiaro fa tsy misy na iza na iza mendrika fanomezana lehibe sy mendri-kaja toy izany : Izy Tompo kosa manolotra ny tenany ho antsika ao amin’ny Eokaristia, mba handraisantsika anjara amin’ny fahamasinany, hanohana ny ezaka kasaintsika atao hitahirizana ny fanomezany hahasambatra antsika.
Taona A
Raha hiverenantsika kosa ireo vakiteny aroson’ny Eglizy ho sakafom-panahintsika dia manampy antsika koa handalina izany rehetra izany.
ICTHYS (ιχθυς = Ἰησοῦς Χριστός, Θεοῦ Υἱός, Σωτήρ » Iēsous Christos, Theou Yios, Sōtēr, Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanavotra), , Izay no nentin’ny Kristianina nanambara an’i Kristy Trondro izay voatono, vonona ho sakafontsika. Ny “Vatan’i Kristy”, ny nofony no atolony hohanintsika amin’ny Eokaristia. Fa “ataon’ilay io ahoana no fanome antsika ny nofony hohanina?”
Ny mofo avy any an-danitra dia ny nofon’i Jesoa (σάρξ sarx), Mofon’ny Fiainana tonga nofo tao an-kibon’i Maria ho fiainan’izao tontolo izao. Izy no Mofo velona (ζάω zao) nidina avy any an-danitra, velona satria manan’aina, fa velona koa satria loharanon’aina, avy amin’ny fihinanana Azy no hahazoantsika ny aina, dia tsy ilay aina hitambarana amin’ny zavaboary (bios) fa ilay aina hiombonana amin’Andriamanitra sy ny rahalahy (zoe).
Ho an’ny Jody, ny hena hohanina hahazoana tsodrano avy amin’Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ny zanak’ondry atao sorona, tsy mahagaga raha nolazain’i Md Joany fa mifanandrify ny ora nahafatesan’i Jesoa sy ny ora famonoana ny zanak’ondrin’ny Paka (zoma masina amin’ny ora faha-9). Izy no ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, ka manome antsika indray ny aina. Ny fiainany no natolony manontolo ho aina hamelona izao tontolo izao.
Izay mandray Azy dia hanome manontolo koa ity fiainana ity ho fanamby hahazoana ilay tena izy. Izay mihinana ny nofony sy misotro ny Rany no hanana ny Fiainana satria hitsakotsako, satria tsy mampiasa ilay φάγω (phago, φάγομαι ao amin’ny and. 51) izay midika hoe mihinana intsony manko i Joany fa τρώγω (trôgô, mitsakotsako, maka fy) ny fiainan’i Kristy mba hahatonga ny fiainantsika hanahaka ny Azy. Tsy hanina atao telomoka araka izany ny Eokaristia fa hanina mila tsakosakoina maharitra, fa izany no hahafahana mitoetra ao amin’i Kristy ka hitoerany koa. Izany no Kômonio.
Tsy misy afaka mitia araka an’Andriamanitra raha tsy mandinika, miezaka mandalina sy mahalala ny fitiavana nitiavan’Andriamanitra azy, ary fantatsika fa ao amin’ny fiainana maha-olombelona an’i Kristy no nanehoany izany amin’ny hafenoany (plénitude de la Révélation). Izay mihinana Azy dia ho velona ao Aminy. I Jesoa no tonga loharanon’aina, tsy afaka ny ho faly, tsy afaka ny ho sambatra intsony raha tsy misy heviny ny fiainana, ary ny fiainana misy heviny dia ny fiainana nolaniana amin’ny fanaovan-tsoa, amin’ny fitiavana ny rahalahy. Ny fankafizana ny nofon’i Kristy, izany hoe ny faniriana ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Azy anefa dia tsy vokatry ny ezaka ataontsika fotsiny fa asan’ny “ra omeny hosotroina”, dia ilay Fanahy nanangana Azy ho velona. Izy no hahaveloman’izay mihinana Azy.
Ny Vavaka Fangatahana amin’ny Sorona Masina androany dia mampahatsiaro antsika ny votoatin’ny fety ankalazaintsika androany: «mahatsiaro ny fijalian’i Kristy izay navelany ho antsika amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Eokaristia, ka ho fatra-panaja izany Mistery misy ny Vatana aman-dRan’i Kristy izany sy handre lalandava ny vokatry ny fanavotany antsika».
Fankalazana ny Misterin’ny Fanavotana araka izany ny Eokaristia, ny olona mahatsiaro fa navotana no afaka misaotra, ny olona mila nanavotana no afaka mangataka, ny olona mahatsiaro ny halemeny no mangata-pamelana. Ilay « Mofon’ny Anjely manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny, dia sakafon-janaka ka tsy tokony hatsipy ho an’ny amboa » (antsa fihobiana mialoha ny Evanjely).Isika anefa, na dia efa natsangan’ny Ray ho zanany ao amin’i Kristy tamin’ny Batemy aza, mazàna tsy mendrika ny antsoina ho zanaka akory, ka am-pinoana sy fanetren-tena no hamerenana ny tenin’ilay Reny Samaritana hoe : « Eny fa ny amboakely dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra » (Mk 7, 28).
Tadidiko ny tenin’i Kardinaly Armand Card. Razafindratandra (sady matanjaka re no mikandra!) isaky ny prossession teny Mahamasina, tamin’ny mbola mpianatra hoe : « Tsy haninkanim-poana ny Eokaristia fa hanin’ny Mpanao zavatra« . Dia izany no mahatonga antsika hanomana mandrakariva ny fandraisana ny Eokaristia, mba hampisy vokany izany amin’ny fiainantsika: hanjary nofo hoenti-miasa.
Isika main’ny hetahetan’ny ngidim-piainana na mangetaheta ny rariny sy ny hitsiny dia mahatsapa fa mila tohan’aina avy amin’io Sakafon’ny Anjely io (Antsa), tahaka ireo Jody tany an’efitra nihinana ny mofo tsy fantatra anarana (vakiteny I, Det 8, 2-17) ka mahatsapa fa nahazo fanavotana .
Tokony ho loharanom-pisaorana mandrakariva araka izany ny Eokaristia. Eny fa na dia mankalaza ny eokaristia ho an’ny nodimandry aza isika dia « ao aminy no mibaliaka ny fanantenana hitsangan-ko velona sy ho sambatra … ka mino fa miofo ny aina fa tsy levona » (Prefasy I nodimandry).
Raha Fisaorana tsara indrindra no dikan’ny teny hoe Eokaristia dia hiezahantsika àry ny hametsovetso ireo zava-mahagaga nataon’Andriamanitra ho antsika. Tsy sanatria hilaza isika hoe « niangatra Andriamanitra » raha sendra tsy nomeny ny harena na ny fahaizana sahala amin’ny hafa isika. Tsy fanoharana ny tena amin’ny hafa sanatria no hahalalana sy hahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra fa ny fandinihantsika isan’andro isan’ora ny maha-zanany antsika sy ny hitondrantsika tena ho toy ny mpiray tam-po, ho tena iray velomin’ilay Mofo ifanapahana (vakiteny II, 1 Kor 10, 16-17). Dia nahoana no hifampialona ny Mpiray tam-po?
I Md Paoly moa milaza fa nampita amin’ny Korintiana izay noraisiny tamin’ny Tompo momba izany famakiana ny mofo mba hihinanantsika an’i Jesoa izany. Ny “adoration” na fanajana ny Eokaristia dia mitondra amin’izay “fihinanana” sy “fisotroana” ny Vatana aman-dRan’i Kristy izay, ka anavaozan’izay te ho mpianany ny faniriany te hanahaka Azy, hiombona aina Aminy (communion) ka hahafoy koa ny tena ho an’ny hafa, toa Azy. Izay no nahatonga an’i Md Paoly nilaza fa raha sanatria amin’izay miara-manao komonio misy maty voky moa misy maty noana, dia tsy fihinanana ny Vatan’i Kristy intsony izany ary mety ho fihinanana fanamelohana ho an’ny tena aza (1 Kor 11, 17ss), satria Mofo iray ihany no iombonantsika (1 Kor 10, 17).
Ampahatsiahiviko hoe tokony ho tahaka ny fitsahoana ny Sakramenta Masina sy ny fanajana Azy araka izany no hitsahoan’ny Mpino sy hanajany ny fiombonana sy ny firaisana amin’ny olombelona rehetra, atambatry ny Fanahy Masina.
Izao fankalazana izao anie hanamafy ny Fiombonana vokatry ny fiaraha-mankalaza izay irintsika koa hiainana manokana dia ny Fiombonana amin’Andriamanitra, izay fototra, ny Fiombonana amintsika samy isika, atambatry ny Eokaristia, ary ny Fiombonana amin’ny zavaboary nomen’Andriamanitra antsika mba hohajaina sy hotahirizina ho soa ho antsika sy ny taranaka.