Fankalazana ny fidiran’ny Tompo tao Jerosalema
- Mt 21,1-11 Taona A/
- Mk 11, 1-10 na Jn 12,12-16 Taona B/
- Lk 19, 28-40 Taona D.
Isan-taona isika dia mankalaza ny Sampankazo, na ny marimarina kokoa mamerina ny fihobiana an’i Jesoa niakatra tao Jerosalema toy ny nataon’ireo mponin’i Jerosalema, henemana mialoha ny Paka (Mt 21,1-11 Taona A/ Mk 11, 1-10 na Jn 12,12-16 Taona B/ Lk 19, 28-40 Taona D). Mialoha ny Vavaka Fanamasinana ny “Sampankazo” anefa isika dia miventy io antsa nataon’ny Zanak’Israely io : “Hozàna! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; Hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao; hozana any amin’ny avo indrindra” (Mk 11,10).
Tany Jerosalema dia nankalazaina ny fidiran’i Jesoa ho any Jerosalema notantarain’ny Evanjely (Lk 19, 28-40) ka nanao prôsesiô ny vahoaka avy eo amin’ny Tendrombohitra Oliva miakatra mankany an-tanàna dia avy eo mankany amin’ny Fasana nandevenana fa koa nitsanganan’i Jesoa ho velona. Tany Roma kosa dia nankalaza ny fijaliana niaretan’i Jesoa ho antsika noho ny fanekeny ny sitrapon’ny Ray (Passio) sy ho fanehoany ny fitiavana lehibe indrindra. Ireo fety roa ireo no ankalazaintsika miaraka anio.
Tsy fahatsiarovana fotsiny ny fidirana ao Jerosalema anefa no atao fa mampahatsiaro antsika koa fa mpivahiny isika mizotra any ami’ilay Jerosaleman’ny Lanitra, manaraka an’Ilay Zanak’Ondry, manaiky hijaly sy ho faty, raha izany no takian’ny Fitiavana amintsika (Apok 21, 2-4). Mena ny akanjon’ny Mpisorona, manambara ny maha-vavolombelon’ny fitiavana azy ka mino fa handresy miaraka amin’i Kristy. Hafaliana àry araka izany no ankalazaintsika fa tsy alahelo. Faly satria nandresy i Kristy ary manavao ny finoantsika fa tsy misy lalan-kafa hahazoana famonjena sy fahasambarana raha tsy ny lalan’ny hazofijaliana.
Ndeha hohazavaintsika kely ary ireo fihetsika sy teny mampihavaka ny Fotoam-pivavahana amin’ny alahady Sampakazo.
Ny fitaingenana ampondra dia entina hilazana ny fanetren-tena, fa koa misy heviny hafa araka izay lazain’i Osea Mpaminany hoe : “Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tànanay. Hianao, izay ahitan’ny kamboty fiantrana! (Osea 14, 4). Ny fanetren-tena no hahafahana miantso vonjy avy amin’Andriamanitra, manantena fa avy aminy irery ihany ny famonjena.
“Hosana ho an’ny Zanak’i Davida. Isaorana (εὐλογέω eulogeo) anie izay avy amin’ny anaran’ny Tompo! Hosana any amin’ny avo indrindra” (Mt 21, 9).
“Hosana! 10Hohasoavina (εὐλογέω eulogeo, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo; hohasoavina (εὐλογέω eulogeo, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie ny fanjakan’i Davida raintsika izay efa tonga izao; hosana any amin’ny avo indrindra”. (Mk 11, 9-10)
Inona no hevitr’izany ho antsika? Inona no tonga ao an-tsaintsika isaky ny miventy izany? Hozana dia avy amin’ny teny hebrio hoshi’a na’ ( הוֹשִׁ֨יעָ֥ה נָּ֑א) izay midika hoe : “vonjeo, izao ankehitriny izao; vonjeo malaky”. Ho an’ireo niventy azy tamin’izany dia namerina ny Salamo 118, 25 : Ry YHWH ô, omeo (izao נָּ֑א) ny famonjena! no nandikana azy, ka ny famonjena dia ny fiverenan’ny Fiketrahan’i Davida, araka ny nampanantenain’Andriamanitra (Iz 9,6) mba hiorenan’ny rariny sy ny hitsiny.
Dia ilay Zanak’i Davida (Matio), Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo, Mpanjaka araka ny sitraky ny fony, andrandraina hitondra Fiadanana sy Famonjena izany no hobian’ireo vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesoa niakatra avy any Jerikao (Mt 20, 29) sy ny Mponin’i Jerosalema tonga nitsena Azy, na dia ireo vahoaka ireo ihany aza, rehefa voasesiky ny hevi-dratsin’ireo Lohandohan’ny Mpisorona, noho ny fialonana (Mk 15, 10), nony afaka henemana, no niorakoraka hanameloka Azy ho faty manao hoe: “Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy” (Mk 15,13). Midika izany fa raha tsy matotra ny finoantsika an’ilay Andriamanitra, ilay hany afaka hamonjy antsika, dia hivily ho azy any amin’ny zava-mandalo (fahefan’olombelona, harena, voninahitry ny tany) no hametrahantsika ny fitokisantsika. Mila dinihina matetika izay “nametrahantsika ny fitokisantsika : i Kristy ilay tsy mivadika mandrakizay” (2Tim 1, 12).
Ao amin’i Md Lioka dia izao no voalaza ao mikasika izay fankalazana ilay Mpanjaka izay: “Hankalazaina (εὐλογέω eulogeo, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin’ny avo indrindra!” (Lk 19, 38). Tsy fiadanana ho an’ny olona ety ambonin’ny tany intsony (Lk 2, 14), fa any an-danitra. Ao amin’ny famintinana ny vavaka nataon’i Jesoa dia tsy milaza ny fangatahana mba ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra “ety an-tany tahaka ny any an-danitra” i Lioka. Eto kosa anefa dia heveriko fa manambara amintsika fa ny lanitra dia efa andramantsika sahady amin’ny fiombiana an’i Kristy miakatra ao Jerosalema, ka miombom-piadanana amin’ny Lanitra izay rehetra manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. “Fiadanana any an-danitra”.
Ao amin’i Matio koa dia misy zavatra hafa tsy hitovizany amin’i Marka sy Lioka. Ao amin’i Matio dia eo Βηθφαγή (Bethfagè, Mt 21,1: aviavy mbola tsy masaka) i Jesoa, maniraka ho any Betania angamba. Ho an’i Lioka eo Betania sy Betfagè, ho an’i Marka kosa dia tao Betania (Βηθανία Bethania Mk 11, 1: tranon’ny ory). Tsy dia misy manisy tsindrim-peo amin’irey zavatra ireny matetika, kanefa hahafahana mahazo ny tian’ny Evanjelista ambara ireny tsy fitovizana ireny. Aoriana kely dia tsy aviavy mbola manta fotsiny no lazain’i Matio sy Marka fa aviavy tsy nahitana voany ka nozoniny tsy hihinanan’iza na iza amin’ny voany intsony (Mt 21, 19).
I Betfagè dia toeram-pidiovan’ny Mpivahiny alohan’ny hiakarany ao Jerosalema. Manadio ny fontsika koa i Jesoa, mialoha ny hiakarantsika miaraka Aminy ao Jerosalema. Ny fanirahana ny mpianany “tsiroaroa”, ho vavolombelona fa “Andriamanitra irery ihany no famonjena” ho antsika, ary tsy amin’ny herin’ny soavaly (Sal 147, 10) fa amin’ny fanetren-tenan’ny ampondra no entiny manjaka, ka tokony hoentintsika koa mampanjaka Azy.
Ao amin’i Matio koa ampondravavy mifatotra sy ny zanany (Mt 21,1-2) no taingenan’i Jesoa. Lazain’i Md Justin (Dialogue avec Tryphon 53) fa fanahy inian’i Matio izany hoentiny hilazana fa ilay ampondravavy mitondra jioga dia Israely nofehezin’ny lalàna, ary ny zanak’ampondra kosa dia ny “tsy mpino”, samy antsoin’i Jesoa himbona anjara amin’ny fanjakany.
Manomboka ny Herinandro Masina isika rehefa mankalaza ity Fidiran’i kristy ao Jerosalema ity, fa indrindra amin’ny Fandinihana ny Fijalian’ny Tompo.
Ny Tenin’Andriamanitra ankalazaintsika amin’ity Fanompoam-pivavahana ity dia manambara ny sakafo farany hatramin’ny nahafatesan’i Kristy (Mt 26, 14 –27, 66). Araka izany dia azo lazaina ho famintinana ny herinandro masina manontolo. Tian’ny Litorjia avoitra amin’izany fa izay nambaran’i Kristy tamin’ny Fiaraha-misakafo farany, nanomezany antsika ny Sakramentan’ny Eokaristia dia notanterahiny teo ambony Hazofijaliana. Ny Fijaliana nanaporofoan’i Kristy ny Fitiavany antsika no ambaran’ny Eokaristia Masina ankalazaintsika. Ambaran’Izaia fa ny hery avy amin’YHWH no Vimiaina ho an’ilay Mpanompony, ka hahafahany mankahery ny reraka na dia ao anatin’ny fahoriana ihany koa aza ny tenany (Iz 50, 4-7).
Sitrapo tanteraka anefa ary safidy no nanekeny hietry (ho lasa tsinotsinona). Izany no nahamendrika azy hiditra ny voninahitr’Andriamanitra (Fil 2, 6-11). Araka ny Lovam-panahy ao amin’ny Fiangonana dia ny Fandinihana ny Fijalian’i Jesoa no loharanon’ny fanamasinan-tena maro. Haintsika tsianjery ohatra ny Vavaka fanaon’i Md Alfonso Maria de Liguori eo anatrehan’ny hazofijalian’i Kristy : « Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra…
Tsy ataontsika ambanin-javatra ary ny fandinihana ny fijalian’i Kristy, satria izay no lalana hahatsapantsika ny fitiavany antsika. Tsy afa-misaraka amin’ny fijalian’ny olombelona rehetra koa anefa ny fijalian’i Kristy. Atolotsika azy ny fijaliantsika sy ny an’ny olombelona rehetra vokatr’izao zava-mitranga izao, ary hosanatriavintsika mpianatr’i Kristy ny hanararaotra izao vanimpotoana izao hametsena na hitadiavana tombony ho an’ny tena. Fankalazana ny Paka ny fiaraha-mandresy ny fahotana miakara amin’i Kristy.
Alahady Sampankazo Taona A
- Vakiteny I : Izaia 50,4-7,
- Tononkira : Salamo 22,8-9.17-18a.19-20.23-24,
- Vakiteny II : Filipiana 2,6-11,
- Evanjely : Md Matio 26,14-75;27,1-66.
Ny Famakiana ny Bokin’i Izaia Mpaminany anio sy amin’ireto andro manaraka ireto dia manampy antsika hahazo ny maha-Mpanompon’YHWH an’i Jesoa, ilay sitraky ny fony. Ambaran’ny vakiteny voalohany anio fa fanomezan’Andriamanitra ho antsika ny fahaizana mihaino ny Teniny. Izy no manokatra ny sofintsika ary ny teniny no manaitra antsika isa-maraina, ka hahafahana miatrika izay rehetra mety ho zava-tsarotra amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavany.
Ny salamo 22 dia vavaky ny vavolombelona mahatoky, vavaka nataon’ny Evanjely teo amin’ny molotr’i Jesoa mifantsika: Andriamanitra o! Nahoana no dia nilaozanao aho? Ianao mihaino vavaka ka hisaotra anao eo afovoan’ny rahalahiko aho, hankalaza anao eo anivon’ny Fiangonam-be.
Ny fahaizana mihaino ny tenin’Andriamanitra no hahafahana miaina tsy amin-tahotra eo anivon’ny sedra. [Mampisavoritaka ny maro izao fotoana diavintsika izao. Misy no milaza fa sazy avy amin’Andriamanitra izao. Averiko eto ny tenin’ny Papa François mankahery antsika tamin’ny hafatra Urbi et Orbi, ny 27 martsa 2020:
“Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo?”. Tompo o, miantso anay Ianao, miantso anay ho amin’ny finoana. Tsy hoe hino fotsiny fa misy Ianao, fa kosa hanatona Anao sy hatoky Anao koa. Amin’ity Karemy ity dia manakoako ny antsonao mandodona anay hoe: “mibebaha ianareo”, “miverena amiko amin’ny fonareo manontolo” (Joely 2, 12). Antsoinao izahay mba handray ity fotoanan’ny sedra ity ho fotoana hanaovana safidy. Tsy fotoanan’ny fitsaranao fa kosa ny fitsaranay: hisafidiananay izay zavatra manan-danja sy izay zavatra mandalo ihany, hanavahanay izay tena ilaina sy izay tsy ilaina akory. Izao no fotoana hamiliana ny sambo indray hitodiany mankany Aminao, ry Tompo, sy hitodiany mankany amin’ny hafa. Ary azonay banjinina ireo mpiara-dia mendrika hotahafina satria tao anatin’ny tahotra no nanapahan’izy ireny hevitra hanolotra ny ainy. Izany no herin’ny Fanahy natosaka sy nahosotra izay miasa ho amin’ny fahafoizan-tena an-kerimpo sy an-kalalahana. Izany no Fiainan’ny Fanahy afaka manafaka, manome lanja ary maneho aminay fa ny fiainanay dia arafitra sy tohanan’ny olon-tsotra – izay adinonay matetika – izay tsy mba hita eny amin’ny matoan-dahatsoratry ny gazety na revues na amin’ny show lehibe farany, saingy, tsy hisalasalana fa eo an-dalam-panoratana ny zava-dehibe hanova ny tantaranay: ny mpitsabo sy ny mpanampy azy, ny mpiasa amin’ny fivarotan-dehibe, ny mpiasa amin’ny fanadiovana, ny mpiasa an-trano, ny mpitatitra, ny mpitandro filaminana, ireo milatsaka an-tsitra-po hanampy ny hafa, ny pretra, ny relijiozy vavy ary ireo hafa marobe nahatsapa fa tsy hisy afaka hamonjy samirery ny tenany. Manoloana ny fijaliana izay handrefesana ny fivoaran’ny vahoakantsika dia jerentsika ary andramantsika ny vavak’i Jesoa Mpisorona : “ho iray ihany anie izy rehetra” (Jn 17, 21). Firifiry ny olona miezaka isan’andro mba hahalefitra ary mamafy fanantenana, mikendry ny tsy hizarana zavatra hampitombo ny tahotra fa kosa hanamafy ny fiaraha-mandray andraikitra. Firifiry ny ray, ny reny, dadabe sy bebe, mpampianatra miezaka maneho amin’ny ankizy, amin’ny fihetsika madinika atao isan’andro, ny fomba hiatrehana sy hamakivakiana ny sedra-piainana, amin’ny fanitsiana ny fahazarana, hampitraka ny fijery ary hanaitaitra ny vavaka. Firifiry ny olona mivavaka, manolotena sy mitalaho mba hahasoa ny olon-drehetra. Ny vavaka sy ny fanompoana mangina: ireo no fiadiana handresentsika.
Izany vavaka sy fanompoana mangina izany no tefen’ny fahaizana mihaino ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ka hitomboana amin’ny finoana ary hahafahana milaza tahaka an’i Md Paoly hoe : “nataon’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra” (Rom 8, 28), satria izay tia ihany no afaka hihaino marina tokoa. Ary izay mitia ka mihaino marina tokoa ny Tenin’Andriamanitra isa-maraina no afaka hanohy hivavaka ny salamo 22 hoe: hotoriana amin’ny taranaka amam-para ho avy rehetra ny asa maherin’Andriamanitra.
Fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, araka ny voalazantsika teo aloha ny fahaiza-mihaino. Maimaim-poana ny fahasoavana ary izay mahatsapa izany dia tsy sasatra ny misaotra an’Andriamanitra. Tandremana anefa ny famakiana ny Tononkira henontsika tamin’ny Vakiteny faharoa, sao heverina fa valin’ny faneken’i Jesoa ny Ray ny Voninahitra nanandratana Azy. Ambaran’i Paoly mazava eny am-piandohana fa toetra nanan’i Kristy hatrizay ka ho mandrakizay ny voninahitra nanandratana Azy, hitovizany amin’ny Ray. Fanehoany ny maha-Izy Azy araka izany ny fanekeny.
Misy zavatra mety ananantsika anefa fa tsy ampiasaintsika avy, satria tsy noraisintsika am-pitiavana ka tsy sahintsika akory ny hanontany hoe inona no hilàna azy. Ny ohatra nomen’i Jesoa, amin’ny fanekena hatramin’ny fahafatesana, dia hahafahantsika manandrana ny hamamin’ny fitiavan’Andriamanitra, dia fitiavana mahery noho ny fahafatesana (Tonk 8, 6-7). Ny manaiky moa, amin’ny teny latinina dia ob-audire, dia azo adika ara-bakiteny hoe manongilan-tsofina (audire) manoloana (ob) ny Teny. Izay matoky sy babon’ny fitiavana ihany no afaka hihaino an-kafaliana.
Ahoana moa no nanomezan’Andriamanitra Azy ireo anaram-boninahitra ireo?
Raha mihaino na mamaky ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa ianareo (Md Matio toko 26-27) dia mahita an’i Jesoa Mpanjakan’ny Jody, Mesia, Ilay Marina, Ilay Zanak’Andriamanitra.
Mpanjakan’ny Jody, tsaraina eo anatrehan’i Pilaty, satrohan’ny miaramila fehiloha tsilo sy nampitafiana kapaoty jaky, nefa io ilay “Marina” araka ny nofy nataon’ny vadin’i Pilaty, nohelohina tsy an-drariny noho ny habibiana sy ny fahotan’ny olombelona.
Izy koa no ilay Rabbì, araka ny fiantson’i Jodasy Azy. Rabbì moa dia entin’ny Jody hanajana ny Mpampianatra Lalàna teo aminy. Tsy mahagaga raha eo am-bavan’i Jodasy ihany araka izany no hiantsoana an’i Jesoa hoe “Rabbì” (Izaho va izany Rabbì? Arahaba Rabbì.), hilazany amintsika fa ny fahalalàna fotsiny, ny fanajana am-bava, dia tsy ampy hijanonana ho mpianatra mahatoky; izay manaja amin’ny molotra dia hanolotra an’Andriamanitra eo an-tanan’ny mpifofo ny ainy, izay famonoan-tena ihany ho antsika.
Ambaran’i Matio amin’ny fitantarany anefa fa tsy ny hafetsena na ny haratsian’i Jodasy no nahafaty an’i Jesoa fa noho Izy mahalala ny zavatra rehetra ary nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitraky ny Ray, na ny marimarina kokoa padadidotai, passif présent: atolotry ny Ray ho solo heloka ho antsika: hahita ny ran’Ilay Zanak’Ondry ny Anjely dia tsy hikasi-tanana antsika.
Izy no ilay Kristy Zanak’Andriamanitra, tsy araka ny noheverin’ny Lohandohan’ny Mpisorona sy ny Mpanora-dalana, satria tokony ho avy hamonjy Azy eo an-tanany Andriamanitra.
Amin’izao fotoana hiainan’ny Fiangonana ny Herinandro masina izao amin’ny fomba manokana, tsaroantsika fa ny herinandro masina voalohany teo amin’ny tantara dia nanomboka tamin’ny fihobian’ny vahoaka marobe, ny sasany avy any Jerikao, ny sasany nitsena avy any Jerosalema, nandalo tamin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa samirery, satria lazain’i Matio fa ny Mpianatra rehetra dia samy tafintohina tamin’i Jesoa avokoa; nodiovin’ny fahanginan’ny fahafatesana mba ho tonga hafaliana tsy omby tratra, ny maraina vaovaon’ny Paka.
Mitaky fibebahan’ny toetsaina (metanoià) izany. Manampy antsika hahita ka hahatsapa fa na ny zavaboary aza dia tokony hisy heviny lalina ho antsika, mba hahafahantsika miditra ao amin’ny misterin’ny Paka.
Ny fiovana toetsaina voalohany tiako hisarihana ny saintsika dia ny fihobian’ny vahoaka. Mahafinaritra, irin’ny maro ny te hoderaina, saingy tsy azo adinoina fa ny fahafatesana dia atrehintsika samirery, ary ny fijaliana dia zakaintsika samirery. I Kristy irery no nihatrika an’i Pilaty, ary Jiolahy roa no niara-nifantsika taminy. Tsy ny vahoaka no hitsara antsika, tsy ny isan’ny olona mihoby no hanamarinana ny fiainana fa ny fijoroana “tsy ho menatra” satria nanaiky handray ny Teny, handray ny “lelan’ny mpianatra”, ka sady tsy hihemotra manoloana ny fijaliana no tsy hamaly faty manoloana ny mpampijaly (Vakiteny I).
Ny vola no maha-rangahy, hozatry ny fiainana. Ny vola koa anefa no hamonoana tena, hamonoana ny hafa, hamadihana sy hivarotana ny namana. Saingy io vola io, io telopolo farantsa vidin’ny andevo noraisin’i Jodasy io (Zakaria 11, 12) dia tsy nisy sahy nandray akory, natsipiny tao an-tempoly, ary na ireo nahita azy aza tsy nahasahy nandray azy fa nividianany Halseldamà (sahan-drà).
Ny mofo dia antoky ny aina saingy ny mampisy heviny ny sakafo amin’ny maha-olona dia ny tsy fanaovana salobo-komana. Natao hozaraina ny mofo, saingy tsy misy heviny raha tsy mitohy amin’ny fanolorana ny tena manontolo ho fanasoavana ny hafa izany. Izany no Eokaristia. Io ilay sombi-mofo, natsoboka tao anaty kalisy ka natolotra an’i Jodasy; io ilay sombi-mofo neken’i Jesoa hatsoboka ao anatin’ny loviany. Porofom-pitiavana izany, hanaporofoany amintsika fa azo atao tsara ny mitia hatramin’ny fahavalo. Farafitiavana, tombom-pitiavana no natolony an’i Jodasy. Asan’ny Fanahy, ilay fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, mandavorary ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pontsika.
“Hanoroka mafy ahy amin’ny vavany anie izy! Fa ankafizina kokoa noho ny divay ireo mari-pitiavanao” (Tononkira dia tononkira 1,2). Ny oroka izay mariky ny fifampitokisana, hifanolorana ny tena mba ho kiady sy toky ho an’ny hafa no zary marika hahafantarana ilay Mpampianatra ka hisamborana azy. Izay te ho mpianatr’i Kristy marina tokoa dia tsy hivadika amin’ny teny nomena ary tsy hampiasa ny fifanoloram-pitia ho fanamelohana ho faty, toy ny nataon’i Jodasy.
Ny sabatra no fitaovam-piadiana fampiasa tamin’ny andron’i Jesoa. Tsy vitan’ny hoe tsy mitaingin-tsoavaly fotsiny ny mpianatra (Osea 14, 4), fa tsy hampiasa afa-tsy ny sabatra roa lelan’ny Teny izay hamolavola azy ho mpiady, tsy hamono ny mpanao ratsy fa hamongotra ny ratsy mba hahaveloman’ny mpanota ao amin’ny fiainana. Ampianarin’i Jesoa isika mba “handresy ny ratsy amin’ny fanaovana ny soa” (Rom 12, 21).
Mety ho sarotra ny hahitana akoholahy tao Jerosalema, amin’ny maha-biby maloto ny akoholahy, araka ny fomban’ny Jody, ho an’ny Tanàna Masina, saingy famantaran’ny andro efa haraina kosa ny akoho maneno. In-telo isika no alaina fanahy mba handresy, nefa mazàna, tahaka an’i Piera, in-telo no lavo, saingy in-telo koa no afaka miarina ka manavao ny fitokisantsika an’ilay efa tia antsika mialoha. Tsy mahafaly mandrakariva ny fahenoana ny akoho maneno, indrindra rehefa tsy misy zavatra irin’ny fontsika hatrehina vao maraina. Saingy ny fahenoana fa efa hazava ny andro, ny fanantenana fa efa ho resy ny haizina no hampitomany kosa, hanenenana fatratra ka hahafahana mibebaka sy mankahery ny rahalahy maro koa, tahaka an’i Piera.
Ny rano, sady mamelona no mamono, kanefa mety hampiasaina koa mba tsy handraisana fanapahan-kevitra, hamonoana an-kolaka ka hilazana fa “afa-tsiny amin’ny ran’io lehilahy io”, tahaka an’i Pilaty. Tsy afaka ny hanasa tanana manoloana ny famonjena ny ain’izay mila vonjy ny Kristianina. Tsy afaka ny tsy hihaino ny nofin’ny olon-tsotra izay manoro hevitra mba “tsy hanao na inona na inona amin’ny ran’io olomarina io” izay mihevitra ho kristianina. Ny heloka no angatahintsika ho voasasa, ny tanana anefa no sasany, fa ny Fanahy kosa no manasa ny atifontsika lalina, rehefa raisintsika ka ampiantranointsika ao.
Ny Kapaoty Jaky, ny volontara, ny fehiloha-tsilo dia manampy antsika mba handinika ny fomba fitafintsika, handinika izay heverintsika ho tena toetrantsika, izay maha-izy antsika amin’ny antony hisalorantsika ny akanjo. Raha tsy manampy antsika hitovy endrika amin’i Kristy, tsy hitafy afa-tsy ilay lamba famahoana nanasany ny tongotry ny mpianatra izany, dia tsy hampitombo ny maha-mpianany antsika fa hampitombo fotsiny ihany ny rendrarendran’izao tontolo izao.
Ny hazofijaliana no famonoana mampijaly indrindra nafitsoky ny Romana ireo jiolahy raindahiny tamin’izany andro izany, mba ho famaizana hampitahotra izay manana eritreritra hanao ratsy. Io no namonoana an’i Jesoa. Tsy hampitahotra antsika intsony ny fijaliana, raha matoky isika fa io no lalana mitondra amin’ny voninahitra, raha toa ka ny fitiavana no mampijaly antsika. Mampalahelo anefa fa misy mijaly noho ny fitia te ho tsara bika fotsiny aza (ny kiraro manaikitra sns). Tsy misy fijaliana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, vokatry ny fahotantsika (na ny fahotan’ny hafa) no mampijaly antsika (na mampijaly ny hafa). Saingy sitrany ny hijoroan’ny zanany ho vavolombelon’ny fitiavany manoloana ny hetraketraky ny mpanota sy ny sedram-piainana.
Ny fasana: mampatahotra. Fonenan’ny lolo sy ny avelo, ny mpamosavy sy ny mpilalao faty, hoy ny fisainantsika. Ho an’ny jody, tapenana vatobe mba tsy hiverina izay lasa any. Fa ho an’izay mino an’i Jesoa kosa, io no lasa trano fatoriana vaovao.. Azon’ny kristianina izany fampianarana izany ka nampitoviziny ny fiantsoana ny trano hatoriana amin’ny alina sy ny trano hampandriana ireo nodimandry (coemeterium, avy amin’ny grika koimeterion: dortoire; sepulcrum ho an’ny teny andavanandro). Tsy sakana ho an’ny fahavelomana ny fahafatesana fa kosa fidirana amin’ny fiainana, hitondrana ny hevitry ny fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Koa araraoty ary ity herinandro masina ity hanomezana hevitra vaovao ny fiainana mba hampifanaraka azy amin’ny maha-kristianina antsika, dia ny mbola tsy tara loatra.
Hiezahantsika anie ny hiaina izao fotoana izao, hahafahantsika mampifanaraka marina tokoa ny fiainantsika amin’ny Misterin’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona, ka hahatonga ny fiainantsika koa ho Sorona velona, volavolain’ny tenin’Andriamanitra isan’andro, ka ho tonga fanehoana ny fitiavana sy ny voninahitr’Andriamanitra, izay mety tsy hanala ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny zanany noho ny aretina mahazo, fa kosa manandratra antsika rehetra amin’ny voninahitra maha-zanaka, ka hanavao ny fiainana ao amin’i Kristy.
Amindrao fo, izahay ry Ray o, fa efa mankalaza ny Fijalian’ny Zanakao, nanambarany ny fitiavany anay, koa na tsy mendrika hampitony Anao aza ny asa vitanay, dia ny Sorona tokana aman-tany natolony kosa anie hampitony anao, fa be indrafo ianao (vavaka fanolorana).
Ny Herinandro Masina no hankalazantsika ny faharavan’ny fanompoana Andriamanitra manao fahagagana mba hidiny ka hanavotany ny tenany avy eo ambony hazo: “raha zanak’Andriamanitra Izy dia aoka hidina ka hamonjy ny tenany ka hino Azy izahay”. Ny Andriamanitra inoantsika dia nijanona teo ambonin’ny hazo ary notrobahin’ny miaramila lefona ny fony, mba tsy hisalasalana fa maty Izy. Saingy ny fahafatesany no zary odifaty ho antsika.
Tsy ody gasy ny sampankazo, tsy tapa-kazo fa sampan-kazo hahatsiarovana ny fankalazana anio, hanamafisantsika ny maha-mpanjaka an’i Kristy ka Izy irery ihany no harahintsika amin’ny fomba fiainana, amin’ny fomba fihevitra… Tsy sanatria voafetran’ny fihetsika ivelany ny fanomezan’Andriamanitra antsika ny Fahasoavany; ireny dia mampahatsiaro antsika ny fahasoavana efa narotsak’Izy Mpanjakantsika ao am-pontsika, miaraka amin’ny Fanahiny.
Ny fiainantsika ary no atolotsika mba ho lalana hodiavin’Andriamanitra hanehoany ny voninahiny. Ny fanatonana ny Lakroà ao an-trano, na eny am-bozona dia tokony hanampy antsika hahatsiaro izany fitiavana izany ka mandrisika antsika hiaina ny tena maha-kristianina antsika, handà tena, hitondra izay fijaliana takian’ny fitiavana amintsika ary hanaraka an’i Jesoa amin’ny lalan’ny Voninahiny.