Talata faha-22 mandavan-taona Rehefa noroahin’ny olona tao Nazareta, tanàna nahabe Azy i Jesoa dia nidina tany Kafarnaoma, tanànan’ny fanalana alahelo, ka nampianatra ny olona isaky ny sabata (ἐν τοῖς σάββασιν – en tois sabbassin: datif pluriel), ny andro natao hialana…
Alatsinainy faha-22 mandavan-taona
Manomboka ny fitantarana araka an’i Md Lioka ny Evanjelin’ny andavanandro manomboka anio. Ny Evanjely anio dia mitantara ny fiverenan’i Jesoa tany Galilea, tanànany, na faritany niaviany no marimarina kokoa, izay apetrak’i Md Lioka eo amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny, ho entiny mamintina…
Alahady faha-22 mandavan-taona Taona B
Tsy mora ny manaraka an’i Jesoa fa misy hazofijaliana. Tany Ejipta dia ny Faraona no andriamanjaka, solontenan’ny andriamanitra RA, ka izay voadininy ao am-pony no voalaza fa mifanaraka amin’ny sitrapon’ny andriamaniny ka raiketina an-tsoratra sy omena ny mpitsara mba hampiharina…
Sabotsy faha-21 mandavan-taona
Ny Fitiavana no hitsaràna antsika ka miezaka isan’andro isika ho mendrika ny akanjo hirosoana eo anatrehan’ny mpampakatra, hitahiry menaka handrehetana ny jiro hahafahana miroso hitsenana azy. Mampitandrina antsika ny fampianaran’ny Virjiny folo fa eo am-pamakivakiana ny fiainana, eny an-dalana mankany…
Zoma faha-21 mandavan-taona
Anio sy rahampitso no hamakiana ny toko faha-25 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio (Mt 25). Mampitodika ny saintsika hahatsiaro izay hiafarana. Raha jerena ireo fizarana telo asongadin’io toko faha-25 io (Virjiny/talenta/fitsarana) dia mampianatra antsika ireo dingana tokony hiainantsika ny fitiavana:…
Alakamisy faha-21 mandavan-taona
Miambena àry fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Miambena sao hitovy anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy. Valinteny nomen’i Jesoa an’ireo mametra-panontaniana mikasika ny farandro (συντέλεια – suntelia) io. Ny fanombohan’ny toko faha-24 moa dia fampianarana mba hamantatra ny toetry ny andro,…
Alarobia faha-21 mandavan-taona
[Loza (οὐαί ouai) ho anareo ry Farisianina mpihatsaravelatsihy (ὑποκριτής – hypokritès). Tohizantsika ny fandinihana ireo loza roa farany lazain’i Md Matio amin’ity toko faha-23 ity. Loza raha fisehoana ivelany ihany no heverina ho fahatsarana. Ny fasana voalalotra fotsy moa dia…
Talata faha-21 mandavan-taona
Ny Deterônômy moa mandidy mba hihinanana eo anatrehan’ny Tompo isan-taona ny am-pahafolom-pananana ary hanomezana izany ny Levita sy ny kamboty amam-pitondratena isaky ny telo taona (Dt 14,22-29). Ny Boky Fanisana kosa dia mampahatsiaro ny santa-bokatra tsara indrindra ho an’ny Mpisorona…
Alatsinainy faha-21 mandavan-taona
Loza (οὐαί – ouai) ho anareo ry Farisianina mpihatsaravelatsihy (ὑποκριτής – hypokritès)[1]. Tsy afaka ny hiaina ny fahamarinana izay mialokaloka ao ambadiky ny toetra na fahefan’olon-kafa, tahaka ireo mpanora-dalana sy Farisianina, miafina ao ambadiky ny lalàna mba hanafenana ny maha…
Alahady faha-21 mandavan-taona Taona B
I Kristy fidìna, i Kristy tompoina. Avy nankalaza an’i Victoire Rasoamanarivo isika, reherehantsika amin’ny fahamasinany saingy tsy hisolo ny adidy aman’andraikitra tandrify antsika kosa fa hamporisika antsika amin’ny fanamasinantsika ny tenantsika, amin’ny fakana ohatra avy aminy ka hanavaozana ny faniriana…