Batemin’ny Tompo – TAONA D
- Izaia 40,1-11
- Salamo 103
- Tito 2,11-14; 3,4-7
- Md Lioka 3,15-16.21-22
I Jesoa natao batemy, tandindon’ny Batemintsika
Eo am-pamaranana ny fankalazana ny Noely, ka hanombohana indray ny herinandro mandavan-taona, dia mampahatsiahy ny hasin’ny batemy noraisintsika mba hiombonantsika aina amin’i Kristy ny Eglizy. Sady manamafy ny fankalazana ny Epifania moa izany no mampiditra antsika koa amin’ny andavanandrom-piainana. Midika izany fa ny sakramenta raisintsika ho fiombonan’aina amin’i Kristy dia fisehoan’ny fahasoavan’Andriamanitra namonjeny antsika, saingy koa hananganana vahoaka ho an’Andriamanitra, vahoaka mafana fo fatra-pitia ny asa soa rehetra, satria efa niseho (epiphaneia) ny fahasoavan’Andriamanitra (Tt 2,11-14; 3, 4-7). Izany fiombonana amin’i Kristy izany manko no mahatonga antsika ho mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay, tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony” (vakiteny II).
Ny vakiteny I dia nalaina tao amin’ny lazaina hoe “livret de la Consolation d’Israel”, Bokin’ny fampiononana an’Israely, ny deoterô-izaia na Izaia II (Iz 40-55).
Ampionony ny vahoakako:
Na dia any an-tany fahababoana aza ny vahoaka Israely itenenan’i Izaia dia manamafy ny fitiavany azy Andriamanitra. “Vahoakako”, hoy Izy. Na dia tsy nahatandrina ny Didy aza ilay vahoaka “nofidìn’Andriamanitra” (Eks 19,5) hanehoany ny fitiavany ny olombelona rehetra, dia nijanona ho Andriamanitra mpiaro azy ireo Izy, ary manambara fa “tapitra ny fanompoana nanjò ny vahoaka”. Averin’i Izaia (Deoterô-izaia) amin’ny famaranana ny bokiny moa fa hiainga avy any Babilôna an-kafaliana izy ireo (Iz 55,12-13), eny fa na dia mbola hiandry ny Didin’i Sirosa hivoaka amin’ny taona 538 alohan’i J.K. aza (2 Tan 36,22sns; Esd 1,1sns) ny fanatanterahana izany.
Tsara ho tadidiana anefa fa vokatry ny fahotany ihany no mampijaly ny vahoaka fa tsy sazin’Andriamanitra tsy akory. Mbola nihevitra anefa ireto vahoaka ireto fa ny hatezeran’i YHWH no nampahita faisana azy ireo ka tsy maintsy hanonerany ny fahotany. Anton’ny fampiononana, araka izany, ny filazana fa voaonitra ny helony: voarainy (lāqaḥ) avy amin’ny Tanan’ny Tompo ny roa heny onitry ny fahotany. Ndeha hohalalinintsika tsara izany satria fototra ihany koa ho entina miaina ny Taona Masina, Taon-Jobily hanaovana traikefa ny hamamin’ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fetra.
Araka ny ampianarin’ny Boky Eksaody tokoa manko (Eks 22,3.6.8), dia mila honerana avo roa heny izay zavatr’olona nalaina tsy an-drariny. Dia io hevitra io no diso masaka ao an-tsaina indraindray, mahatsiaro fa diso ka iheverantsika fa fikapohana indroa miantoana no hasetrin’Andriamanitra ny ota vita, araka ilay dikan-teny ao amin’ny hirantsika (fikapohana indroa miantoana no efa nataon’ny Tompo azy ireo). Raisintsika vilana ny Vaovao Mahafaly nambaran’i Izaia raha sanatria tokoa tahaka izany no ataon’ny Tompo. Azo heverina ho fampiononana ve ny fikapohana indroa miantoana? Raha ny marina dia tsy fikapohana indroa miantoana no hataon’Andriamanitra fa fanonerana indroa miantoana. Io no vaovao mahafaly: lehibe lavitra noho ny fahotàna ataontsika ny famelàna avy aminy, voavela avokoa ny ota rehetra natao. Tsy isika no manonitra fa Izy Andriamanitra mihitsy no manonitra avo roa heny ny fahotantsika, satria avy amin’ny tanany no andraisantsika ny fanonerana tokony ho notakìna amintsika. Ny Zanany maty ho antsika teo ambony hazofijaliana no porofo fa tsy nivadika tamin’izany teniny izany Izy, tsy hoe solo heloka loatra araka izany ny fahafatesan’i Jesoa, (ataon’Andriamanitra inona moa ny honitra heverintsika atolotra Azy) fa fanambarana ny fitiavany tsy mivadika amin’ny fampanantenany.
Ny finoana izany fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika izany no hahafahana mino fa tahaka ny nanokafan’Andriamanitra lalana tany an’efitra avy tany Ejipta ho amin’ny tany nampanantenaina no hitondrany amin’ny fahafahana koa ny vahoakany avy any amin’ny tanin’ny fahababoana. Mahazatra ireo Jody babo tany Babilôna moa ny manamboatra ny arabe midadasika hankalazana ny fetin’ny andriamanitra “Mardouk” na sampy hafa notompoin’ny mpanjanaka, ka ahitsy avokoa ny melomeloka, aravona ny havoana, totofana ny lohasaha, mba hahafahan’ny mpanjaka mpandresy sy ny sarivongan’ny andriamaniny mandalo eo, hobìn’ny vahoaka rehetra. Raha ao amin’ny fanandevozana isika, voatery hanamboatra ny lalana alehan’ny andriamanitry ny hafa, tsy ho hafaliana ve ny hanamboatra ny lalana handehanantsika miaraka amin’ny Andriamanitsika, mankamin’ny tanin’ny fahafahana?
Mba hahazoantsika tsara izany teny zary ohatra lazain’ny mpaminany izany dia mila manokana fotoana handinihana ny fiainantsika isika ka hahatsapana ny hery, ny harena sy ny fotoana nolaniana amin’ny zavatra tsy mitondra soa akory, na indraindray aza manimba mihitsy. Firifiry ny olona no milaza fa tsy manana fotoana hivavahana na handalinana ny finoana na hamakiana Baiboly sy boky mitondra soa fa manana fotoana laniana amin’ny revy, amin’ny hafinaretana sy ny rendrarendra fotsiny ihany.
Ny fanentanana hanamboatra lalana ho an’ny Andriamanitsika araka izany dia fandaminana ny fiainana mba hanaovana laharam-pahamehana ny zavatra mahasoa mialoha izay mahafinaritra, ka tsy ny hafa fa isika no voalohany higoka ny hafaliana vokatr’izany. Ny efa voatery manao zavatra tsy araka ny fotoany nefa tsy tompon-tsafidy amin’izay atao fa noho ny hetraketraky ny fiainana na noho ny habibian’ny maty eritreritra aza efa tsy fidiny, dia ho sanatria ve isika tsy handray ny fanentanan’ny Mpaminany mba hanamboatra lalana hahafahan’Andriamanitra manjaka eo amin’ny fiainantsika!
Lalana mitondra amin’ny fahafahana no itondran’Andriamanitra antsika, ary i Kristy no varavarana hidirana amin’izany tontolon’ny fahafahana izany, ka tahaka ny Jody niditra ny tany nampanantenaina dia mihoby an-kafaliana koa isika amin’ny alin’ny Paka manamasina ny Rano hanaovana sy hanavaozana ny Batemy izay handraisantsika ilay Fanahy Mpanafaka alahelo (Jo 14,15-16), dia ilay Fanahy ananganana antsika ho zanaka ao amin’ilay Zanaka lahitokana, ka handraisantsika anjara amin’ny fanavaozana ny endriky ny tany (Sal 104, 30), Fanahy mitondra antsika amin’ny hafenoan’ny fahamarinana izay maha-olon’afaka (Jo 8, 32; 15, 26-27; 16, 12-15).
Ny fisehoan’izany fahasoavana izany no mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ka hahatonga antsika hahalala onony, marina, tia vavaka, ary mivelona araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay (Vakiteny II).
Toetra mampiavaka ny olombelona rehetra izany, satria ho an’ny olona rehetra no androtsahan’Andriamanitra ny fahasoavany, fa ho antsika manaiky hiaina ny Batemy kosa, ho an’izay manaiky hiombona aina ao amin’i Kristy, dia manaiky hotarihina sy hohavaozin’ny Fanahy Masina ho mpandova ny fiainana mandrakizay.
Tsy sanatria hahatonga antsika hieritreritra fa efa voavonjy ka tsy mila mivaky loha fa afaka manao izay tian-katao izany. Izay mahatsapa fa tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy handanilany intsony ny fiainany amin’ny zavatra tsy misy fotony, satria fahasoavana araraotina hampisy heviny ny fianana izany. Fanomezana maimaim-poana ny fiainana, saingy fanomezana mila kolokoloina mba tsy ho very na sanatria hanakofa tsy hamokatra. Ho paohin’ny rivotra ny akofa, hoy ny Salamo (Sal 1) ary tsy hisy tavela ny mololo mandalo amin’ny afo, hoy Md Paoly (1 Kor 3, 15).
Izany no fifandrindran’ny finoana sy ny fiainana izay tokony hazava amintsika: tsy ny asa andidian’ny lalàna no hanamarinana antsika fa ny finoana an’i Jesoa Kristy… ary tsy azo adinoina fa i Kristy no hafenoan’ny lalàna mba hanamarinana izay mino (Rm 10,4). Ny fahamatoran’ny fiainam-panahy araka izany dia izay nolazain’i Md Benoà hoe ora et labora (mivavaka sy miasa), manamasina ny asa amin’ny vavaka sady manamafy ny vavaka amin’ny asa… izany hoe hivavaka mba hampifanaraka ny asa amin’ny sitrapon’Andriamanitra ary hiasa mba hampahalonaka ny tany ka hamokaran’ny fahasoavana ao amintsika ho famonjena izao tontolo izao.
Ny Fanahy irahin’Andriamanitra, ny Fofonaina alefany hanavao ny endriky ny tany (Sal 104) dia manatanteraka ny asany ao amin’ireo manaiky hotarihiny. Misy andininy tsy novakìna moa amin’ny fiantombohan’ny toko faha-3 amin’ny taratasy ho an’i Tito amin’ny vakiteny II io, izay ilazan’i Md Paoly fa rehefa tsy omentsika laka ao amin’ny fiainantsika ny fahasoavana dia hadalàna, tsy fanekena, fanandevozan’ny fanirina amam-pilandratsin’ny nofo isan-karazany, fisomparana sy fialonana no hanjaka amin’ny fiainantsika ka sady ankahalain’ny olona no mankahala olona.
Araka ny voalazan’i Izaia ao amin’ny vakiteny voalohany, raha sanatria ahitana ireo toetra ratsy ireo eo amin’ny fiainantsika na ao amin’ny fiainan’ny hafa dia ezaka hanamboarana lalana ho an’Andriamanitra no tokony hatao, hahafahan’ny fahasoavana hiseho: avelantsika hanitsaka ny fiainantsika Izy ka hanova ny tany ngazana izay misy ao ho zary tany lonaka (Izaia 40).
I Kristy no manao batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny Afo.
I Joany dia manao Batemy amin’ny rano, mariky ny fahavononan’ny olona hiova, hiala amin’izay mandoto azy ka manakana azy tsy hiombon’aina amin’ny Masina, saingy ambaran’i Joany mazava, fa tsy afaka hamokatra ny ezaka ataontsika raha tsy amin’ny fiombonana aina amin’ilay Mahery, ilay hany mpampakatra, afaka manome antsika ny Fanahy Masina sy Afo, hahatonga ho nofo koa ny Teny eo amin’ny andavanandrom-piainantsika.
Tsy mendrika (hikanos, teny mafonja sy maherihery vaika) hamaha ny kofehin-kapany akory aho, hoy i Joany.
Hanao Batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny Afo i Jesoa, satria izay vita batemy ao Aminy dia hanesotra izay rehetra mololo sy akofa fotsiny ihany, ka tsy hitondra afa-tsy ny vokatra hamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ny hoe Fanahy Masina sy Afo moa, tsy fitanisana zavatra roa, satria ny “kai”, amin’ny teny grika, dia tsy midika fotsiny fitanisana fa manambara indrindra indrindra fanamafisana: Fanahy Masina sady Afo, na hoe ny Fanahy Masina izay Afo. Ao amin’ny Afon’ny Fanahy Masina no hamolavolan’I Kristy antsika ho voadio amin’ny faharatsiana rehetra ka ho mendrika ilay androm-pifaliana omaniny ho antsika (Vavaka aorian’ny Komonio Alahady Fiaviana Taona D).
Iraho ny Fanahinao ry Tompo, ilay fofon’ainao, dia havaozinao ny endriky ny tany (Sal 104, 34). Ny Fanahy manavao ny zavatra rehetra io no ankalazaintsika amin’ny Pantekôty. Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ lashon esh = lela afo) lazain’Izaia fa mandoro sy mandevina izay manipaka ny Lalàn’YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’Israely (Iz 5, 24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς, glossai Hosei puros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy. Isaky ny mahita ny sarina lelafo eo ambonin’ny lohan’ny Apostoly isia araka izany dia tokony hahatsiaro fa ny Fanahy Masina no afaka mandoro izay rehetra manakana antsika tsy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary izay tarihin’ny Fanahy dia hampiasa ny lelany, izany hoe ny teniny, mba hampiombona fa tsy hanasaraka. Izay tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy afaka ny hitoka-monina fa hiombona ao amin’ilay Jerosalema vaovao. Lazain’i Lioka mazava tsara, tantarainy amin’ny fiadohan’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apostoly, fa monina ao Jerosalema avokoa ny Jody, ny olona mpivavaka rehetra teto ambonin’ny tany (Asa 2,5)[1], ary avy ao amin’io fiombonana io no hahafahana mitory ny Evanjely.
Amin’ny Evanjely anio dia tsy mitantara ny nanaovana batemy an’i Jesoa i Lioka satria izay mitranga aorian’ny batemy no tiany asiana tsindrim-peo mba hianarantsika koa hiaina ny Batemintsika. Lazainy anefa fa niaraka tamin’ny fotoana nanaovana batemy ny vahoaka no nanaovana batemy an’i Jesoa. Tsy andriamanitra lavitra ny olony fa Andriamanitra iray petsapetsa amintsika ilay Emanoela tonga hiara-dalana amin’ny mpanota, mba hitondra azy ireo ho amin’ny voninahitra maha-zanaka. Tsy menatra ny hitovy amin’izay tiaviny izay tena tia.
Ambaran’i Lioka kosa anefa fa izay mivavaka no idinan’ny Fanahy Masina ka tahaka an’i Jesoa mivavaka, tahaka ireo Apostoly sy ny Mpianatra rehetra maharitra miara-mivavaka tao amin’ny Senakla, izay te handray ny Fanahy dia mila manokana fotoana amin’ny fivavahana, fotoana hiresahana amin’ilay Ray. Tsy hanome ohatra ho antsika fotsiny no hivavahan’i Jesoa (Lk 6,12; 22,41; 23,34.46) fa ambarany amintsika fa izay tsy mivavaka dia tsy afaka ny hahalala ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe tsy hahalala ny lalam-pahasambarana sahaza azy ka tokony hizorany hahasambatra azy.
Ankoatra ny vavaka dia lazainy ireo sary telo maneho ny fitiavan’Andriamanitra ambaran’ny Evanjely hafa koa: lanitra misokatra, ny voromahailala ary ny Feo.
Ny lanitra misokatra dia valintenin’Andriamanitra amin’ny fitalahoan’ny vahoakany mba handrovitany ny lanitra ka hidinany (Iz 63,19): mibanabana ho an’ny olombelona rehetra te hiditra ao ny varavaran’ny lanitra. I Jesoa rahateo no varavarana hahafahantsika miaina ny fahasoavana hanazaran’ny Eglizy antsika amin’ny Taon-Jobily.
Ny Fanahy Masina kosa hidina ka ho tahaka ny voromahailala, tsy ho afo handringana ny mpanota tahaka ny tany Sôdôma sy Gômôra (Jen 19,24) fa voromahailala tsy mahafoy ny akaniny, hilazana fa i Jesoa no ilay Tempoly honenan’ny Fanahy Masina mandrakizay, ilay Voromahailala tokana tsy misy pentina lazain’ny Tononkira dia Tononkira, fa voromahailala koa zary iraka (tahaka an’i Jonasa, izay raha adika dia voromahailala) hahafahan’ny firenena rehetra hanandrana ny hatsaram-pon’Andriamanitra tsy handevona ny tany intsony amin’ny safodrano.
Ny Feo kosa, izay manambara fa i Jesoa no Zanaka Malala tokony hohenointsika, dia manoro lalana antsika handroso amin’ny finoana, amin’ny alalan’ny fihainoana ny teniny sy amin’ny fanatanterahana azy (Jk 1,22), ka handraisantsika ny batemin’ny Fanahy Masina sy afo. Efa nambaran’i Md Joany Batista anefa fa raha tiantsika ny ho voavonjy, ho mendrika izany batemy izany, dia tsy maintsy miaina am-pahamarinana sy am-pitiavana isika (Lk 3,10-14).
Ny Batemin’i Jesoa moa no Fisehoana faharoa ankalazain’ny Eglizy. Ireo Fanomezana nomen’ny Majy an’i Jesoa dia manjary anjara lovantsika, tamin’ny nandraisantsika ny Batemy. Natolotsika Azy ny volamena, emboka manitra ary mira, satria ekentsika fa Izy no tiantsika hanjaka ao am-pontsika, ao amin’ny fianakaviana sy ny firenena, inoantsika fa Izy no Andriamanitra afaka hamonjy antsika ka anolorantsika ny vavaka ho toy ny emboka manitra (Sal 142,2) hanankinantsika ny fiainana aminy, ary ekentsika ka tena olombelona mitovy amintsika Izy, ka na dia hihatra aza ny fahafatesana, dia inoantsika fa afaka hanokatra fanantenana vaovao Izy, satria efa nandresy ny fahafatesana, ilay fahavalo farany horeseny (1 Kôr 15,26).
Fa isika koa, noho ny batemy noraisintsika dia tonga mpanjaka, mpisorona ary mpaminany, ka tokony hitondra toe-piainana mendrika ireo fanomezana ireo. Ny volamenan’ny fitiavantsika amin’ny fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana; Ekentsika ny handray ka hanolotra ny emboka manitry ny fivavahantsika, tahaka an’i Jesoa nivoaka ny ony Jordany, mba hahalalan’Andriamanitra ka anambarany fa zanany isika, tonga Vatana nohamasininy ho Tempoly honenany, ary natsangany ho mpandova ny fiainana miaraka amin’ny Zanany lahitokana. Izany rahateo no italahoantsika amin’ny vavaka fangatahana: mba hazoto lalandava hanao izay mahafaly ny Ray (1), amin’ny fiezahana hanahaka an’ilay Zanaka lahitokana (2). Ny mira kosa hampahatsiaro antsika tsy hitolefika manoloana ny fahalemen’olombelona, eny fa na manoloana ny fahafatesana aza, fa hatoky mandrakariva ny herin’ny fahasoavana entin’ilay Emanoela eo anivontsika, hanararaotra ny fiainana misy fetra ho fisantarana sahady izay ho mandrakizay.
Azontsika maimaim-poana ny zo maha-zanak’Andriamanitra Mpandova antsika kanefa kosa mitaky amintsika fiainana mifanaraka amin’izany amin’ny andavanandrom-piainantsika, ho voninahitr’Izy Andriamanitra Raintsika.
Hazoto lalandava hanao izay mahafaly an’Andriamanitra anie ny vita batemy rehetra (vavaka fangatahana I) ka hahatsiaro tena ho mpivahiny, mizotra ho amin’ny fanantenana satria maniry ny ho tody any amin’ilay hasambarana iombonana aina amin’ny Trinite Masina, dia ilay aina efa santarintsika ao amin’ny Sakramenta, famantarana maneho ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fetra.
[1] Ἦσαν δὲ ἐν Ἱερουσαλὴμ κατοικοῦντες Ἰουδαῖοι, ἄνδρες εὐλαβεῖς, ἀπὸ παντὸς ἔθνους τῶν ὑπὸ τὸν οὐρανόν. (Acts 2:5 BYZ): Jody, olona tia vavaka…