Alatsinainy VI Paka
- Asa 16,11-15/
- Salamo 149/
- Md Joany 15,26-16,4
Ny Asan’ny Apôstôly dia mitantara ny fibebahan’i Lidia mpivaro-jaky tao Filipy. Ny andro Sabata moa ny Jody rehefa tsy misy Sinagôga dia mivory amin’ny toerana iray, saingy tsy maintsy misy lehilahy folo fara-fahakeliny. Tamin’ireo mpivavaka tafavory teo no nitorian’i Paoly teny, ary anisan’ireo i Lidia sy ny fianakaviany manontolo izay nandray ny Batemy. Na dia nezahan’i Paoly aza ny niahy samirery ny fivelomany (Asa 20,34) dia nanaiky ny fiangavian’i Lidia hiantrano ao aminy izy, ary ao amin’ny taratasy nosoratany dia isaoran’i Paoly ny fahalalahan-tanan’ny Kristianina tao Filipy tamin’ny fanampiana nataon’izy ireo ho azy, fony izy tojo fahasahiranana (Fil 4,15-16).
Miomana amin’ny fankalazana ny Fiakaran’i Jesoa any amin’ny Ray moa isika, ary mandinika manokana ny asan’ny Fanahy eo amin’ny Fiangonana sy amin’ny fiainan’ny tsirairay, dia ampian’ny Evanjely mba tsy ho tafintohina amin’izay mety ho fanenjehana na fanilikilihana ataon’ny olona. Ny Fanahy Mpanafaka alahelo no irahin’i Jesoa ho antsika (nomeny: Jo 19,30) avy amin’ny Ray (Jo 14,26). Mpanafaka alahelo moa no nandikana ny hoe παράκλητος – paraklètos, fa raha ny marina dia ilay mpisolovava, mitsangana hiaro ka mandray antoka mba tsy hanamelohana izay voampanga, na koa ny mpandika teny, asa ataon’ny raim-pianakaviana mampianatra ny zanany ny Torāh (paraklita, nampiasaina amin’ny teny arameanina) no dikany. Izay no asan’ny Fanahy, ka hahafantarana ny asany. I Satana no mpiampanga, ny Fanahy kosa fitiavana, ka “manala tsiny ny zavatra rehetra” (στέγω – stegô: manarona ny zavatra rehetra) (1Kôr 13,7). Izay tsy mitondra amin’ny fiainana sy amin’ny fiombonana feno dia tsy asan’ny Fanahy.
Ho an’ny Jody, ny voaroaka ao amin’ny Sinagôga dia fahaverezan’ny zo aman-kasina, fahafaham-baraka tsy misy toy izany, saingy ny Fanahy no hanome hery izay mitory ny marina mba hitory izany an-kasahiana sy am-pitiavana, ka hahita fa tsy “fahalavoana” na “faharesena” ny lakroà (izay mariky ny fanilihana sy ny famonoana) fa “fisandratana amin’ny voninahitra” kosa, lalana miakatra mankany amin’ny Ray, ary “fandresena” nahalavoan’ny fahafatesana sy ny herin’ny haizina.
Tamin’ny “anaran’andriamanitra” no namonoana an’i Jesoa; nendrikendrehana ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra, toy izany koa i Etiena, saingy amin’ny anaran’ilay andriamanitra torìn’ireo mpitondra sy mpifehy mba hanamafisany ny fahefany. Izay mandray ny Fanahy Masina dia mandray ny Fanahy fahamarinana avy amin’ny Ray, ka tsy afaka ny tsy hanambara an’i Jesoa, ilay “endrik’Andriamanitra marina”, izay nanozongozona ny fahefan’ireo izay nampiasa ny endrik’Andriamanitra nodisoiny mba hanjakazakana sy hitadiavana tombontsoa.
Tsy misy fanaovan-dratsy azo ampiarahana amin’ny anaran’Andriamanitra, ary tsy misy afa-manamarina ny ratsy ataony amin’ny anaran’Andriamanitra. Matoa mahavanon-doza ny olona iray dia tsy fantany ny Ray, ary tsy fantany koa i Jesoa. Tsy misy lalana hahafahana manala ny olona ao anatin’ny haizin’ny fahotana afa-tsy ny fitoriana ny endrik’Andriamanitra marina araka izany. Izany no iraka napetrak’i Jesoa amin’ny Mpianany: hitory fa fitiavana Andriamanitra, ary fitiavana tahaka ny nitiavan’i Jesoa ny Ray sy ny olombelona rehetra.
Tsy misy tanora ratsy fa tsy nahatsiaro ho notiavina no betsaka, hoy i Md Orion. Rehefa tsy mahatsiaro ho tiavina ny olona iray, dia mazava loatra fa hitaky izany amin’ny fomba samihafa: na amin’ny famaliana faty, na amin’ny fanaovana “chantage”, hanerena an-kolaka ny hafa mba hanaiky izay tadiavina. Ny olona entanin’ny fanahin’izao tontolo izao dia mitaky amin’ny hafa porofom-pitiavana satria tsy tia fa te ho tiavina, tsy mahatsiaro ho tiana. Ny olona entanin’ny Fanahy Masina kosa dia manolotra porofom-pitiavana, tsy hanao afa-tsy izay mahasoa ny hafa, satria mahafantatra ny Ray sy i Jesoa ka mahalala ny atao hoe “fitiavana”, ka mitia araka izany.
Ho fanehoana ny tena endrik’Andriamanitra Fitiavana anie ny fiainan’ny Zanany sy izay rehetra mino Azy, ka ny fankalazana Azy anie no ho voninahitr’Izy ireo (Sal 149).