Alatsinainy V Karemy
- Vakiteny I : Daniely 13,1-9,15-17,19-30,33-62,
- Salamo 23,1-3a,3b-4,5,6,
- Evanjely : Md Joany 8,1-11.
Ambaran’ny Vakiteny anio ny tantaran’i Sozana (Taonjano I A.C.), izay nentin’ny Farisiana hanehoana ny endrik’ilay Israely tsy nivadika amin’Andriamanitra ka tsy nanaiky ny fanangolen’ny antidahy roa lahy, na sanatria koa hanaraka ny fanangolen’ny harena tahaka ny Sadôseana. Ny fanafahan’i Daniely dia tandindon’i Kristy, mpanafaka izay henjehina noho ny rariny, satria Izy tenany mihitsy no hiharitra ny fanamelohana tsy an-drariny.
Nandritra ny fetin’ny tranolay, izay miavaka amin’ny firehetan’ireo jirobe mandritra ny alina ao amin’ny kianjan’ny Vehivavy, izay mampahatsiaro ny rahona nanazava ny dian’ny zanak’Israely (Es 13, 21-22), dia niteny tamin’ny Farisiana i Jesoa hoe “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”. Manambara tena ianao ka tsy marina ny fanambaranao, hoy ireo mpanohitra Azy, satria izany fahazavana izany dia toa mbola mahajambena azy ireo. Izay mahalala ny iaviany sy handehanany anefa dia mandray ny hazavana avy Aminy, ary asainy miombona hasambarana ao amin’ny Mistery mampiombona Azy amin’ny Ray. Tsy zavatra mandeha ho azy ny mahay mifaly amin’ny soa vitan’ny hafa, indrindra moa raha tsy nanaraka loatra ny drafitra nahazatra no nanatanterahany azy.
Telo ny fanambarana ataon’i Jesoa amin’ny Farisiana: 1- Izy fahazavan’izao tontolo izao; 2- “Izy sy ny Ray dia iray ihany” (talata); 3- Izy sy Abrahama (alarobia). “Izaho no” (ἐγώ εἰμι ego eimi, YHWH) fahazavana. Ny fifandraisany amin’ny Ray no lazain’i Jesoa fa manamarina ny fanambarany. Izy no ilay fahazavana tsy mety lefy omena izao tontolo izao, lazain’ny Boky Fahendrena (Fah 18, 3-4). Izy no fahazavana mitarika ny diantsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Izy no manazava ny tontolo misy antsika ka hahafahantsika mibanjina zavaboary rehetra araka ny tena izy, ka hahita tahaka an’Andriamanitra ka hilaza koa fa “tsara indrindra” izy ireny (Jen 1).
Manoloana ny fiampangana mitanila, mitondra vehivavy azo nijangajanga (tsy niaraka tamin’izay tratra niaraka taminy) dia tsotra ny valintenin’i Jesoa. Mametraka antsika eo anatrehan’Andriamanitra, ka hamindra fo tahaka ny namindrana fo tamintsika: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany (Alahady V taona D).
Ny maha-marina ny fitsarany dia satria ampifanarahany amin’ny sitrapon’Izy Ray naniraka Azy ny fiainany. Voalaza eto fa tsy mitsara olona na iza na iza izy. Amin’ny toko 5, 22 anefa voalaza fa ny Ray dia tsy mitsara ny olona fa ny zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra. Raha tsy azo ny hevitr’izany dia toa mifanohitra. Tsy hitsara mba hanameloka manko Izy fa hitsara mba hanavotra, hitady ny fomba hanavotana ny olona rehetra (Jn 3, 17; 12, 47).
Ao amin’ny tantaran’i Sozana dia azontsika heverina ho tandindon’ny Batemy koa ny rano (handroana) sy ny menaka (hahosotra), ka ny fitafiantsika an’i Kristy sy ny fitokisantsika amin’ny heriny no hahafahantsika manohitra izay mety ho fakam-panahy afitsoky ny antidahy izay mahavita manendrikendrika mba hanamelohana ho faty rehefa tsy mahazo izay ilainy.
Ny Mpianatr’i Kristy rehetra dia antsoiny ho tonga fahazavan’izao tontolo izao, ka tsy hifidy ny moramora hialokalofana fa hijoro ho vavolombelon’ny marina. Antsoin’Izy Tompo isika mba ho mpiaro ny tsy manan-tsiny, toa an’i Daniely, hahasahy hiantsoantso ao anaty vahoaka ka ho tonga fahazavana, harani-tsaina satria nandray ny hazavana avy amin’ny Teny, avy amin’ilay Teny tonga nofo, fahazavan’izao tontolo izao. “Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho satria mitandrina ny didinao. Hazoniko lavitra ny lalan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao” (Sal 119, 100-101). Hankaherezin’ny tso-drano avy amin’ny Sakramenta anie isika ka ho tonga tara-pahazavana hahazoan’ny olona hafaliana sy fiadanana, indrindra manoloana ny délestage sy ny coronavirus mpahazo matetika ny tontolo ara-panahy iainantsika.