Alatsinainy Masina
- Izaia 42, 1-7/
- Salamo 26/
- Joany 12, 1-11
Ao amin’ny fizarana faharoan’ny Bokin’i Izaia Mpaminany dia mitantara ilay “Mpanompon’YHWH izay dinihintsika amin’ity herinandro masina ity (Alatsinainy 42, 1-7/Talata 49, 1-6/Alarobia 50, 4-9/Alahady sampakazo 50,4-7/ Zoma 52, 13-53, 12). Ny Kristianina dia mahita ao amin’i Kristy ny fahatanterahan’ireo faminanian’Izaia ireo (Asa 8, 30-35). Rehefa nohelohina ho faty i Jesoa dia nifanontany ny Mpianany hoe “nahoana no toy izany no niafaran’ny fiainan’ny olona iray nanome ny aminy manontolo hanasoavana ny hafa!” Mamaky ny Bokin’Izaia no nahazoan’izy ireo fa tsy ny fanjakazakana na ny fanambaniana ny fahavalo na ny fandresena araka izao tontolo izao no fandresen’Andriamanitra fa ny fanomezany ny tenany manontolo, tsy hamaly afa-tsy amin’ny fanaovan-tsoa, na dia ratsy aza no afitsoky ny hafa.
Ny vakiteny anio no manomboka izany fitantarana ny Mpanompon’YHWH izany. Olom-boafidy sy sitraky ny fon’ny Tompo, feno ny Fanahiny Masina. Tsy fifidianana araka ny fomban’ny olona anefa ka hanandratana ny hafa ary hanilikilihana izay tsy voafidy. Ny antony hifidianan’Andriamanitra ny olona iray dia mba hanankinana iraka manokana aminy. Voafidin’Andriamanitra toa io Mpanompony io avokoa isika rehetra, saingy samy manana ny “iraka” ampanaovina antsika tsirairay avy, ary etsy an-kilany koa, samy manana ny hafanam-po sy ny zotom-po entina hamaliana izany antso izany. Hanorina ny rariny no niantsoan’YHWH ny mpanompony ka ny fanambarana izay araka ny marina no hahatonga azy ho “fanekem-pihavanana” ary ho “fahazavana” sy “fahafahana” ho an’ny olona rehetra. Tsy fahamarinana araka ny olombelona anefa izany fa ny fahamarinan’Andriamanitra (Justice) izay mitady ny hahavonjy ny olombelona rehetra.
Ambaran’Izaia fa ilay voafidy ho “Mpanompo” dia malemy paika sy mahari-po amin’ny olona rehetra. Tsy hisy olona tsy azo avotana na zavatra tsy azo amboarina intsony ho azy. Tsy ny herisetra na ny didiko fe lehibe no hampanjakany ny rariny fa ny Fitiavana. 500 taona talohan’i Kristy no nanoratan’Izaia izany, ary ao amin’i Jesoa no ahitantsika ny fahatanterahany. Toky ho an’izay te ho Mpanompo mahatoky toa Azy izany satria hibanjinantsika ny herin’ny Fanahy sy ny fiarovan’ilay Ray niantso ka maniraka ny mpanompony mba hanorina ny tany sy ny lanitra vao, araka ny faniriany.
Ny Evanjely kosa, milaza izay nitranga, henemana mialoha ny Pakan’ny Jody, izany hoe, ny Sabotsy hariva, satria ny andro manaraka no nihobian’ny vahoaka an’i Jesoa niditra tao Jerosalema (Jn 12, 12ss, ny alakamisy no andro mialoha ny fetin’ny Paka, cf. Jn 13, 1). Tahaka ny fitantarany ny herinandro fanombohana izay mifarana amin’ny fampakaram-bady tao Kanà, nanovozana rano teo anatrehan’ny “renin’i Jesoa” sy ny “mpianany” (Jn 1, 19-2, 11) no hitantaran’i Joany koa ny herinandron’ny Paka izay miafara amin’ny “loharano velona” miboiboika avy amin’ny fon’ilay “Mpampakatra” voalefona eo anatrehan’ny “renin’i Jesoa sy ny Mpianany”, ampakarina, ilay “ampondravavy sy ny zanany”, nentina hitaingenan’i Jesoa (Mt 21, 1-11).
Sarotra ny milaza izay tena hevitry ny fitantarana. Samihafa daholo manko ny antsimpirihan’ny fitantarana (Matio sy Marka milaza fa tao amin’i Simona ilay Boka, roa andro alohan’ny paka cf Mt 26, 2; ao amin’i Joany tao amin’i Maria sy Marta, ao amin’i Lioka 7 kosa tao an-tranon’ny farisiana). Alehan’ny saiko manokana ny mikasika ny olana roa lehibe niainan’ny Fiangonan’i Joany: ny fankalazana ny olomasina sy ny fandaniam-bola amin’ny fanamboarana Fiangonana sy fanaingoana zava-masina. I Joany manko milaza fa tsy tompontrano fa mpiara-misakafo i Lazara, ary sakafo hariva no natao. Nanaovana nahandro moa ny dikan-teny ao, fa δεῖπνον (deipnon) dia sakafo hariva no dikany, ary ampiasain’i Joany hilazana ny sakafo farany (Jn 13, 2-3; 21, 20) sy ny fanasana any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra ihany (Apok 19, 9.17).
Araka an’i Matio sy Marka dia ny lohan’i Jesoa no nohosorana diloilo, ho an’i Joany sy Lioka kosa ny tongony! (Mba lazao ahy izay mahita ny fanazavana izany). Ny zavatra hitovizana dia ny hoe karaman’ny mpiasa herintaona no lany tamin’izany fanosorana izany. Azo heverina ho resa-bola lany nanamboarana Fiangonana izany. Ny olona natsangan’i Kristy ho velona kosa no miara-misakafo amin’ny Fiangonana (culte des saints). Raha marina izany fomba hamakiana ny Evanjely izany dia azo lazaina izany fa tao amin’ny “Communauté-“n’i Joany dia efa nankalazaina ny olomasina. Mety nisy fandaniam-bola koa izany (tsy ny lohan’i Jesoa intsony fa ny tongony, ny ratsam-batany no nandaniam-bola). Azo atao ve? Tsy aleo ve omena ny mahantra? Satria ireo koa mba ratsam-batany! Nahoana no andaniana vola ny manao ”la grotte” ho an’i Masina Maria nefa mahavita trano ho an’ny mahantra ny vola lany eo! Nahoana no anaovana tsangam-bato sy sarivongana hahatsiarovana azy ny olomasina? Tsy aleo ve hanaovana asa fihantrana?
Ny Mpianatra rehetra no nieritreritra izany, hoy i Matio, ny sasany tamin’ny “mpamonjy lamesa” hoy i Marka, i “Jodasy” hoy i Joany, satria ampiasainy hanangonam-bola ny mahantra ka hifetseny izay arotsaka ao. Ny mandany vola amin’ny fanajana an’i Jesoa maty fa nitsangan-ko velona, dia zava-tsara (Mt 26, 10) satria ny mahantra dia hisy mandrakariva eo amintsika. Ny mandany vola hahatsiarovana fa maty ho antsika Izy dia manampy antsika ho faty koa ho fahaveloman’ny mahantra izay hisy mandrakariva.
Tsara ho marihana tokoa manko fa ny alehelon’i Jodasy amin’ny vidim-pitiavana (300 denie, karama herintaona) dia alahelom-bola fa tsy alahelo ny mahantra satria karama iray volana (denie 30) no namarotany an’i Jesoa (Mt 26, 15, vidin’ny andevo). Tsy sanatria isika no himenomenona amin’izay lany ho an’ny fanatsarana Fiangonana na ny fikarakarana ny mahantra nefa tsy ampahafiriny amin’izay lanintsika amin’ny “lundi de paques” sy ny rendrarendra hafa akory izany raha atambatra ireny.
Ho vavolombelon’ny Fitiavana marina tokoa anie isika ka na osa sy mora lavo aza, hitoky amin’ny aina sy hery nohon’ny fijalian’i Jesoa Kristy (vavaka fangatahana).