Alatsinainy manaraka ny Epifania
- 1 Joany 3,22-4,6
- Salamo 2,7-8.10-11
- Md Matio 4,12-17.23-25
Ry havana, aza mino ny fanahy rehetra fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka no efa miely amin’izao tontolo izao. Izay miaiky fa tonga nofo i Jesoa Tompo dia avy amin’Andriamanitra (Vakiteny I). Ny hahafantarana araka izany fa avy amin’Andriamanitra isika dia ny fiekentsika fa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Fa mbola ampian’i Joany ihany ny fanazavany, ary asainy mandini-tena isika hoe iza no mihaino antsika? Izao tontolo izao sa izay mikatsaka an’Andriamanitra marina? Raha mbola ny hamalifaly ny olona no hitenenana sy hanaovan-javatra, hoy i Md Gregoire, dia tsy hahavita na oviana na oviana izay sitrak’Andriamanitra. Ny filazàna ny marina araka ny Evanjely manko dia matetika zary fanafintohinana ho an’izay za-dratsy amin’ny fomban’izao tontolo izao.
Mila fahavononana sy fahatapahan-kevitra anefa izany. Ny Evanjely dia milaza fa rehefa natao an-tranomaizina i Joany dia nanomboka nitory teny i Jesoa. I Joany aza voasambotra (paradidômi, natolotra, ampiasaina koa hilazana an’i Jesoa any aoriana any), kanefa noheverina sy nohajain’ny olona rehetra ho mpamimany lehibe, dia inoana koa fa fahavononana hiatrika izany no tao an-dohan’i Jesoa mikiribiby hanohy izany fitoriana izany?
Ambaran’ny Evanjelista amin’izany fa fantatr’i Jesoa tsara ny miandry Azy: fitsarana tsy an-drariny mafimafy kokoa noho ny an’i Joany. Saingy tsy nampihemotra Azy izany.
Tsipihin’i Jesoa amin’izany toriteny voalohany izany ny fibebahana takìn’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy afaka hihaino izany fampianarana izany ka ho vonona hibebaka. Ireo nomena fahasoavana manokana kosa dia vonona handao ny zavatra rehetra ka hanaraka Azy tsy misy hatak’andro (andininy 18-22 tsy tafiditra amin’ny vakiteny anio).
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra eran’i Galilea manontolo i Jesoa, nanasitrana ny marary rehetra: ambaran’i Md Matio fa tanteraka ny faminanian’i Izaia 53,4 hoe: marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany (jer. Mt 8,17). Entin’ny Evanjely hanohizana ny fitantarana ny fisehoan’i Jesoa amin’ny maha-iraky ny Ray azy moa izany. Fa na aiza na aiza misy zava-baovao ka mety hahitana tombontsoa na dia kely monja aza dia tsy maintsy hitangoronan’ny olona. Fa firy amin’izy ireny no ho tavela eo anoloan’ny hazofijaliana?
Ireo monina any Zabolôna (avy amin’ny hoe zabal: manaja, mendrika) – anaran’ny zanaka fahafolon’i Jakôba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4,13snm) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (avy amin’ny hoe phātal, miady), ilay zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Foko roa mifanila any avaratr’Israely ireo. Horaisintsika anie ny fahazavana entin’ny Evanjeliny, satria mponin’i Zabolôna (mamboly voky tsy mamboly voky) sy Neftali (mitrongy vao homana) ihany isika rehetra ka mandray anjara amin’ny fankalazana ny Teniny, ary misy aza amin’ny fankalazana ny Tenany, ho sakafom-panahy hahasitrana ny rofy rehetra manakana antsika tsy hibebaka ka handray ao am-pontsika ny Fanjakany.
Antsoin’i Jesoa koa isika, handao ny harato, ny lakana (fitaovana sy fomba fiasa) sy ny ray (fahazarana sy toe-tsaina) mba hanaraka azy ho tonga mpanarato olona. Izay tsy mandao ny zavatra nianteherany mba hivelomana (sambo, harato), handao ny fahazarana sy ny asa manavanana, handao, eny fa na dia hatramin’ny kolontsaina sy ny nentim-pahazarazana (ray) aza, raha ilaina izany, dia tsy afaka ny ho tonga mpianatra, hitondra hazavana ho an’izao tontolo izao, hanala ny olona amin’ny tontolon’ny fahafatesana sy ny ratsy (ranomasina) ho amin’ny fiainana (tany maina).
Hanaiky ny ho mpianatra marina tokoa anie isika.