Alatsinainy IV Karemy
- Vakiteny I : Izaia 65,17-21,
- Salamo 30,2.4.5-6.11-12a.13b,
- Evanjely :Md Joany 4,43-54
Hanavao ny zavatra rehetra Andriamanitra.
Lazain’Izaia mpaminany aloha fa hanao lalana vaovao any an’efitra Izy (“Eksaody vaovao”: Iz 43,18snm), avy eo hanavao ireo izay navotany, hiantso azy ireo amin’ny anarana vaovao (Iz 62,2), ary amin’ny vakiteny anio dia hanavao mihitsy ny fonenan’izy ireo: hanao lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hoharìna ho amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana. Hifaly amin’izay haoriny ny olona ary hihinana izay namboleny. Azontsika heverina araka izany ny lalana mitondra amin’ny fahafahana izay atoron’Andriamanitra antsika. Izay manaiky hanaraka izany lalana izany no hihavao, ho tonga olom-baovao (ao amin’i Kristy 2Kôr 5,17), ary tsy ho faly hivelona amin’ny “mana milatsaka avy any an-danitra” fotsiny fa hihazo ny tany vaovao ary hahay hiandry ny vokatry ny tany, na dia hatsembohana sy harerahana aza no hahazoana izany ka hihinana ny vokatry ny hasasarany. Tsy fanandevozana manko ny asa fa fanandratana ny maha olombelona. Voaantso isika mba hamafy ka hisy ny hojinjaina.
Ao amin’ny Evanjely dia tantarain’i Joany fa aorian’i Nikôdema sy ilay Vehivavy samaritanina dia indro ity manam-boninahitra iray tao Kafarnaôma ity no nanatona an’i Jesoa mba hizaha ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana izay, avy any Kafarnaôma mankany Kanà (26 km eo ho eo), lalana mitondra amin’ny hafalian’ny mpianakavy raha tahìny ka sitrana soa aman-tsara ny zanany (evanjely Alahady IV Taona D Lk 15,1-3.11-32, izay milaza ny fifalian’ny ray amin’ny fiverenan-janany, fa manambara koa ny hafalian’ny fampakarana). Ambaran’ny mpandalina baiboly maro fa ilay lazain’i Md Matio (Mt 8,5-13) sy Md Lioka (Lk 7,1-10) ihany ity manam-boninahitra ity (παῖς – paìs – ampiasain’i Matio sy Lioka, nadika hoe ankizilahy manko dia azo andikana koa ny hoe zanaka υἱός – Houios – teny ampiasain’i Joany). Izay finiavana ho any Kanà izay, hanovo rano ho amin’ny fiombonam-piainana amin’i Kristy no nampibebaka ity manam-boninahitra ity sy ny fianakaviany manontolo, tahaka izay tantarain’i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apôstôly (jereo ohatra Asa 10,2; 11,14– Kôrnely; 16,15 – Lidia mpivaro-jaky; 16,31.34 – mpiambina ny tranomaizina; 18,8 – Krisposa lehiben’ny sinagôga).
Antsoin’ny Eglizy àry isika amin’izao Karemy izao mba hiala amin’izay misy antsika (Kafarnaôma, “tananan’ny fanalana alahelo” saingy mampahatsiahy ankolaka ny fijaliana, ny matoanteny נָחַם nāḥam manko amin’ny fotoana nifal dia midika ihany koa hoe manenina, latsain’ny nenina) ka tsy mahasambatra antsika, handao ny ankizy marary mafy mba hanatona Azy any Kanà, any amin’ilay fampakaram-bady hampisotroany antsika ny Divay Vaovao, ka handraisantsika avy amin’ny herin’ny Teniny ny aina mamelona, ka ny finoantsika izany dia tsy ho amin’ity fiainana ity ihany, fa ho amin’ny fiainana mandrakizay mihitsy, tsy ho an’ny tena ihany fa ho an’ny ankohonana manontolo. Somambisamby ihany ny fampanantenan’i Izaia amin’ny hahalava andro iainana, hilazany fa maty tanora ny maty zato taona, satria ny mandrakizay no ampanantenain’Andriamanitra antsika ary efa nosantarin’i Jesoa tafatsangan-ko velona izany. Miezaka ho ela velona ny olona ankehitriny, hoy ny mpandinika iray, ka maro no mahatratra zato taona saingy tsy mahazo ny fiainana mandrakizay; tamin’ny fahagolan-tany anefa, betsaka ny maty tanora fa velona mandrakizay. Z’inona anefa izay zato taona miohatra amin’ny mandrakizay!
Sambatra isika fa efa mino ka misantatra sahady izany fampanantenana ho velona mandrakizay izany. “Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba mety mino”. Mbola hitady famantarana sy fahagagana mihoatra ny faneken’i Kristy ho faty teo ambony hazofijaliana koa ve isika? Ny finoana marina dia tsy finoanoam-poana fa fitokisana feno hanekena ka hanolorana ny tena manontolo ho sorom-pitiavana satria izany no mahafeno fatra ny fiainana. Izay mandray ny tenin’i Jesoa, izay manaiky ho any Kanà, hanambatra ny fiainany manontolo amin’ny Azy, dia manaiky koa hanolotra ny fiainana ho an’ny hafa, hanao ny fiainana ho fitadiavana ny soa ho an’ny hafa.
Hanaiky hovan’ny Teny koa anie isika ka ho vonona handao an’i Kafarnaôma mba hitady vonjy ho an’ny hafa ary hikely aina hampanjaka ny fitiavana mba hahatonga ity tany honenantsika ity ho lanitra vao, hamirapiratan’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.