Alatsinainy III Karemy
- Vakiteny I : 2 Mpan. 5,1-15a,
- Tononkira : Sal. 42,2-3; 43,3-4
- Evanjely : Lk. 4,24-30
Amin’ity herinandro ity dia mandalina ny fifandraisantsika amin’ny misterin’ny Fanomezan’Andriamanitra isika. Sahala amin’ilay Samaritana koa, rehefa mahatsapa fa tiana, mahatsapa fa fitiavana no mahatonga Azy Tompo mampiseho amintsika ny marina izay mety niafenana hatrizay, mahatonga hiharitra ny hafanan’ny mitatao vovonana mba handehanana mantsaka rano, dia vonona isika hamela ny siny fanovozan-drano eo, hamela izay mety ho nireharehana koa aza, ary hiseho vahoaka hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavana.
Sahala amin’izany i Nahamana izay nositranin’i Elisea. Tsy zavatra sarotra, hoy ilay mpanompo no angatahin’Andriamanitra mba hanehoany ny voninahiny. Isika kosa alaim-panahy mandrakariva hampitaha ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fahafaha-manao ananantsika. Ny fanekena fa “maimaim-poana” (gratis, gratia) ny fitiavany no hahalalantsika ny tena endriny ka hanavahantsika Azy amin’ny sampy hajaina sy omen’ny tsy mpino voninahitra: “Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra afa-tsy eto amin’Israely ihany!”, hoy Nahamana (Vakiteny I).
Izay tsy mahalala an’Andriamanitra na mihevitra fa miankina amin’ny tenany sy ny fahefany avokoa ny zavatra rehetra, tahaka ny Mpanjakan’Israely, dia mihevitra ho fiantsiana ady ny vavaka sy ny fitokisana fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao. Tsy mila na dia ny vavaka sy ny fametrahan-tanan’ny mpaminany akory anefa ny fanasitranan’i Nahamana. Tsy hoe tsy ilaina ny Mpaminany sanatria, na hoe hisy hilaza hoe atao inona izany ny sakramenta sy ny vavaka fametraha-tanana. Ilaina tokoa ireny saingy ny lalana mitondra mankamin’ny fahasitranana dia izay lazain’ny iraka amintsika ka mila arahina sy ankatoavina. Raha tsy mifanaraka amin’ny sakramenta ankalazaina ny toe-piainantsika dia tsy hahasambatra antsika akory ny fahasoavana omen’Andriamanitra.
Ny salamo 42 dia manambara ny vavaky ny Mpino tsy afaka ny hiaina intsony raha tsy eo anatrehan’Andriamanitra: 2Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko anao, Andriamanitra ô! 3Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona: rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona eo anatrehan’ny tavan’Andriamanitra? Izay mankatò ny tenin’ny Mpaminany no afaka hibanjina ny tena endrik’ilay Andriamanitra hany marina ka hijoro eo anatrehany.
Tsy vitsy amintsika anefa ny minainaina fa mandao azy Andriamanitra, indrindra rehefa tojo ny sarotra sy ny olana tsy ahitana vahany. Sarotra araka izany ny mametraka eo am-pelantanany ny fanahy, tahaka ny nataon’i Kristy teo ambony hazofijaliana (Salamo 22). Amin’ny sehatry ny fitiavana dia ao anatin’ny fijaliana indrindra no hiantsoana antsika hanaporofo marimarina tokoa fa lalim-paka sy mandrakizay ny fitiavantsika, fa tsy fitiavana mifono fitiavan-tena ihany. Rehefa ny tenantsika ihany no fantatsika dia tahaka ny mpiray tanàna amin’i Jesoa koa no ataontsika. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny fombafomba sy ny tombontsoan’ny tena ny zava-mitranga dia feno hatezerana ka hilaza hoe : “nahoana no tsy mba atao aminay ny fahagagana nataonao tany Kafarnaoma!” Mazava ny valin-tenin’i Jesoa fa tahaka an’i Elia sy Elisea Izy, hanasoa ny olon-drehetra fa tsy Israely irery ihany.
Hanadio ny fontsika anie ny Fanahy Masina ka hahafahantsika mibanjina ny endrik’Andriamanitra manao soa amin’izay tiany, mba hanehoany ny voninahiny.