Alatsinainy III Fiaviana
- Fanisana 24,2-7.15-17
- Salamo 24
- Md Matio 21, 23-27
Faminanian’i Balaama zanak’i Beora izay lavo ka nisokatra ny masony!
Ny fahalavoana dia tsy hoe fahavoazana mandrakariva tsy akory fa tokony hampisokatra ny maso, tsy hahita izay mitranga ihany fa hahita lavitra, hahatazana na dia tsy mbola akaiky aza, hahatazana ilay kintana miposaka ao amin’i Jakôba ary hahatsinjo ilay tehi-mpanjaka mitsangana avy amin’Israely.
Ao amin’ny toko faha-23 sy faha-24 amin’ny Bokin’ny Fanisana moa dia nantsoin’i Balaka hanozona an’Israely i Balaama, saingy in-telo be izao izy no namaly hoe “tsy afaka ny hanova izay voatendry sy tian’Andriamanitra hambara ny mpaminaniny”. Tsy misy afaka hanisy ratsy an’izay arovan’Andriamanitra. Izany fitokisana amin’ny fampanantenana sy amin’ny fahamarinan’ny Teny aloakan’ny vavan’Andriamanitra izany no hahafahana maminany fa azo antoka ny famonjena avy amin’i YHWH, na tsy tanteraka eo hono eo aza, ankoatra izay fahasoavana efa atobany amintsika isan’andro vaky.
Tsara anefa ny manamarika fa ny hoe “arovan’Andriamanitra” tsy midika fa tsy handalo fijaliana. I Jesoa no Zanaka malalan’ny Ray indrindra kanefa maty nifantsika tamin’ny hazo rehefa nalam-baràka sy nampijaliana, saingy ny fijoroany ho vavolombelona tsy mivadika hatramin’ny farany no zary henatra lehibe ho an’izay nihevitra ny manana ny marina ka nitsangan-ko fahavalony.
Izany fomba hitiavan’Andriamanitra izany no entiny manao mihoatra noho izay mety ho mendrika antsika noho ny ota vitantsika, ka hahafahantsika miventy miaraka amin’ny mpanao salamo (Sal 24) mba hanadinoan’Andriamanitra ny otantsika hatramin’ny fahazaza, ary hanoroany antsika ny lalana tokony hizorana ho amin’ny fahasambarana.
Ny olona rehetra, hoy Md Paoly, dia mpanota avokoa (Rm 3,23), ny fiekentsika izany no hahafahantsika koa manaiky ny fahefana ananan’i Jesoa. Ao amin’ny Evanjely dia nanontanian’ireo lohandohan’ny Mpisorona sy ny loholona i Jesoa hoe fahefana (exousìa izay nandikana ny shaltan, sultan) avy aiza no anaovany ny zavatra rehetra ataony, izany hoe ny “nandiovany” ny tempoly (Mt 21,12ss). Ny antony nanaovany izany moa dia satria ao amin’ny Tempoly voadio ihany no afaka hampianarany ny Tenin’Andriamanitra araka ny sitrak’Andriamanitra.
Mazava loatra fa raha avy amin’Andriamanitra ny fahefan’i Jesoa dia tapitra hatreo ny fanjakazakan’ny Mpisorona sy ny Mpanora-dalàna. Eto dia ampianarin’i Jesoa isika hametra-panontaniana, eny fa na dia amin’ny fanontaniana ataontsika aza: Inona ny antony ametrahako izany fanontaniana izany! Ny mametra-panontaniana amin’ny tena kosa dia fahendrena ary manamafy orina ny fahamarinana hifotoran’ny finoana sy ny fanantenana. I Joany, ilay efa nanoro tamin’ny Mpianany ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’ny olona aza, dia mbola nampanontany indray tany an-tranomaizina na io notondroiny io na tsia ilay Mesia. Ny antony moa dia satria ny Mesia antenain’Israely dia hamaha ny fatoran’izay mifatotra, saingy mbola am-patorana kosa izy. Tsy fahasoavana ho azy anefa no lazain’i Jesoa fa ny fahasoavana ifandrimbonan’ny mpino rehetra hahasambatra ny zanak’Andriamanitra rehetra, ka raha tsy mahay mibanjina ny asan’Andriamanitra tanterahiny eo amin’ny hafa isika, raha tsy mahay mifaly sy misaotra an’Andriamanitra amin’ny fahasoavana azon’ny hafa dia mbola hisalasala sy hiandry Mesia hafa noho izay efa miara-monina amintsika.
Ny olona mararin’ny henamaso anefa dia tsy afaka ny hanana ny heviny, kat’ophtalmodoulian no ilazan’i Md Paoly azy amin’ny teny grika, mba ho tazan’ny maso sy hisehosehoana no anaovana zavatra (Ef 6,6), satria izay heveriny fa hitiavana na hanajan’ny olona azy no tokony hamaliany na tsia. Izany no nahazo ireo lohandohan’ny mpisorona. Aleony nilaza ho tsy mahalala toy izay hahazo tsiny eo imason’ny olona, toy izay ho very ny tombontsoa izay nanorenany ny fahasambarana, amin’ny fametsifetsena ny vahoaka sy ny fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny Tempoly: sady tsy nino an’i Joany izy ireo nefa nahalala fa i Joany dia Mpaminany lehibe teo imason’ny rehetra.
Tsy afaka ny hahazo ilay Mpanjaka misafidy ny zanak’ampondra (nidiran’i Jesoa tao Jerosalema Mt 21,5), tsy afaka hiandrandra ilay Mpamonjy nisafidy ny fihinanam-bilona ho fiandrianana amin’ny fahaterahany ety anivontsika, ary ny Lakroà ho fisandratany amin’ny voninahitra (KFK 662) izay mbola bararata tsofin’ny rivotra sy akofa pahon’ny rivotra (mpanaraka ny fitsokan’ny rivotra), na izay mbola manenjika ny akanjom-boninahitra heveriny fa hanomezan’ny olona voninahitra azy.
Tsy avelan’i Jesoa ho very anefa na dia ireo izay namaly azy aza, mbola omeny “chance”, omeny fahasoavana vaovao hahafahana mibebaka indray, hahafahana misafidy ny sitrapon’ny Ray (Mt 21, 28-32). Tsara fo Izy ka ny mpanota toroany lalana mandrakariva. Anjarantsika ny misafidy ny lalana atorony mba hizorana ho amin’ny fahasambarana ampanantenainy.
Hanazava ny fontsika mbola rakotry ny haizina anie ny fiezahana mitsena an’i Kristy ho avy hamangy antsika hitondra ho antsika ny fahasoavany (vavaka fangatahana).