Alatsinainy III fankalazana ny Paka
- Asa 6,8-15
- Salamo 118
- Md Joany 6,22-29
Taorian’ny fametrahan-tanana dia sady feno ny Fanahy Masina, feno fahasoavana sy fahendrena i Etiena ary tsy hain’ireo tao amin’ny sinagôga sy ry zareo mihevi-tena ho “olon’afaka” notoherina ny fahendreny. Ambaran’i Md Jean Chrysostome fa tsy ampy ny hoe feno ny Fanahy Masina (antony nisafidianana an’i Etiena sy ireo enin-dahy namany) fa mila ny fametrahan-tanana, mila ny sakramentan’ny filaharana mba hampamokatra ny fandraharahana. Ao anatin’izany anefa dia niavaka tamin’ny diakra hafa rehetra i Etiena. Sakramenta iray ihany no noraisin’izy ireo, saingy Andriamanitra mahay mampamokatra izay nantsoiny araka izay tiany.
Voaantso ho vavolombelona (Marturia) i Etiena, tsy hoe norahonana hikombom-bava toy ny natao tamin’ny Apôstôly no nandrarana sy niampangana azy, fa fanendrikendrehana amin’ny zavatra tsy noheveriny hatao akory: miteny ratsy manohitra an’i Môizy sy Andriamanitra, manentana ny olona hikomy… saingy lazain’i Lioka fa ohatry ny Anjely no fijerin’izy ireo an’ilay voampanga. Ny fahamarinana dia tahaka ny liona, hoy i Md Augustin, izay mihevitra hiaro azy no ho voakaikiny. Tsy mila arovana ny fahamarinana fa izy aza no miaro antsika. Izay mahalala fa i Jesoa no fahamarinana dia ho tahaka ny anjely satria matoky fa “vavolombelona”, iraky ny fahamarinana izy, ka « na mpanjaka aza no hipetraka hanameloka dia ny fanambaran’Andriamanitra no fiarovany » (Sal 118).
Ao amin’ny Evanjely kosa dia mitohy ny fitantaran’i Joany: ny vahoaka dia mbola nijanona teo amin’izay namokisan’i Jesoa ny olona dimy arivo lahy. Ilay noheveriny halaina ho mpanjaka anefa efa tsy niverina intsony, niafara teo ambony hazo, nofantsihana ho faty, lasa any amin’ny voninahitr’ilay Rainy: “niakatra any an-tendrombohitra”. Ny Mpianatra kosa niparitaka amin’izay nalehany. Nisy sambo hafa koa, hoy ny Evanjely nitady an’i Jesoa tao akaikin’i Tiberiady teo amin’ny toerana nizarany ny mofo rehefa avy nankalaza ny Eokaristia, ny fisaorana. Izao no amaranan’ny litorjia ny Lamesa: “Ite missa est”, izany hoe mandehana fa vita ny lamesa, na ny marimarina kokoa, mandehana fa fanirahana izao, mandehana mitory ny Evanjelin’i Kristy. Manomboka ny fiampitana ho amin’ny hafenoan’ny fiainana.
Tao Kafarnaôma, tanànan’ny fanalàna alahelo eny an-dafin’ny ranomasina ny vahoaka no nandeha nitady Azy, ka rehefa hitany Izy dia tsy ny fanontaniana napetraky ny vahoaka no novaliany fa nampianatra azy ireo Izy sy miantso antsika mba tsy hitady ny mofo izay mbola ho levona. Kafarnaôma moa dia mampahatsiaro ny fiantsoana ireo mpianatra voalohany, ka hamerimberina ao am-pontsika araka izany ny antony niantsoan’i Jesoa sy ny nanekentsika hanara-dia Azy.
Tsy ampy manko ny mitady an’i Jesoa, ilaina ihany koa ny manadio sy mandalina ny antony hitadiavana Azy. Ny vokatry ny tany, ny harena rehetra amin’ity fiainana ity dia mandalo ihany fa ny harena ao amin’Andriamanitra no maharitra, ny fiombonany aina ao amin’i YHWH no fahasambarany mandrakizay (Dt 30,19s). Ny Zanak’olona irery ihany anefa, i Jesoa irery ihany no afaka manome antsika izany fiainana izany. Tsy azo adinoina anefa fa Izy mihitsy no maniry mba hananantsika ny hafenoan’izany fiainana izany. Tsy misy afa-tsy ny Zanaka no afaka manome antsika io fiombonan’aina io, satria ao Aminy, ilay hany zanaka lahitokana no hahafahantsika ho tonga zanaka mpiray lova amin’ny fiainana. Tsy misy afa-tsy ny finoana Azy, izany hoe ny fanekena Azy ho modelim-piainana, dia Izy ilay Tenin’ny fiainana nahariana izao tontolo izao.
Ny anjarantsika dia ny manatona Azy ka mino ny Teniny izay mitarika antsika amin’ny hafenoana sitrany hahasambatra antsika. Raha tsy “famantarana” (σημεῖον – sèmeion) ny fitiavan’Andriamanitra no hitantsika ao amin’ny “fizarana ny mofo” fa filaharana hihinana mofo fotsiny ihany (mba ho hitan’ny olona) dia i Jesoa heverintsika horaisina mihitsy no milaza amintsika fa diso hevitra isika. Izay mihinana ny Eokaristia dia mila miasa. Miasa mba hanorina ny mandrakizay.
Inona no atao mba hiasana ny asan’Andriamanitra, τὰ ἔργα τοῦ θεοῦ – ta erga tou Theou (Jo 6,28 asan’Andriamanitra manondro maro ny fanontaniana)? Mety hisy faniriana hanao ny tsara ihany manko, hoy i Md Paoly, saingy ny ratsy tsy tiana indray ny vita (Rm 7,14-20). Izao no asa’Andriamanitra, τὸ ἔργον τοῦ θεοῦ – to ergon tou Theou (Jo 6,29 milaza manondro iray ny valiny), hoy i Jesoa, tsy maro fa tokana ihany: mino fa fitiavana Izy, mino fa i Jesoa ilay nirahiny no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ny fanolorany ny Zanany (Jo 3,6) no porofon’ny fitiavany antsika, ary ny antony nandefasany io zanany io dia ny mba tsy hahavery na dia iray aza amin’ireo miombom-piainana Aminy (angonina ho ao anatin’ny sobika 12). Ny hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana hoentina sy hifikitra amin’izay tena maha kristianina azy (vavaka fangatahana) no anaporofoan’ny kristianina izany.
Ho sanatriavintsika anie ny hitady an’i Jesoa ho amin’ny fanatsarana ny fiainana ety an-tany fotsiny ka hanadinoana ny hakanton’ilay mandrakizay, tiany hosantarintsika dieny ety ao amin’ny fihinanana ny mofo mba hahavelona antsika amin’ny fanaovan-tsoa.