Alatsinainy II Karemy
- Daniely 9, 4-10
- Salamo 78
- Md Lioka 6, 36-38
Amin’ity fiantombohan’ny herinandro faharoa ity dia ampahatsiahivin’ny Litorjian’ny Fiangonana isika fa ny famolahana ny vatana dia manasitrana ny fanahy ka hananana hery hifady ny fahotana rehetra manakana antsika tsy hizotra araka ny lalàn’Andriamanitra (vavaka fangatahana).
Ny vakiteny voalohany moa dia mitantara ny fieken-kelok’i Daniely, ny “Kônfesy” nataony, tsy ny heloka vitany ihany fa ny an’ny “fireneny manontolo”. Araka ny voalazan’ny mpandalina Baiboly dia vavaka efa fanao ihany teo amin’Israely io. I Baroka moa no manazava azy, milaza fa ny fahoriana mianjady amintsika dia vokatry ny fahotana, vokatry ny tsy fanekentsika ny didin’ny Tompo (Baroka 1,15-2,10), ka manome toky fa hanalavitra ny fahotana ary mitalaho amin’Andriamanitra mba hanatanteraka ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama (Baroka 2, 34-35). Ny Andriamanitra nivavahan’i Daniely dia “Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin’izay tia azy sy mitandrina ny didiny”. Na eo aza anefa ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy azo hihodivirana kosa ny voka-dratsin’ny fahotana sy ny tsy fanekena ny Lalàn’Andriamanitra. Tsy didy nataony hahafalifaly ny fony manko ny Lalàna, fa torolalana (Torah) mitondra ho amin’ny fahasambarana, ka izay mivily tsy hanaraka ny lalana mankamin’ny fahasambarana, mazava loatra fa tsy ho tonga any.
Ho an’izay nisafidy ny lalan’ny fahotana araka izany dia hangaihay tava sy ho menatra foana, ary ho an’Andriamanitra kosa ny famindram-po amam-pamelan-keloka ho an’ireo niodina taminy. Tsy sazy sanatria no asetrin’Andriamanitra ny otantsika fa fitiavana, tahaka ny alahelon-dreny mitsetra ny ditran-janany. Izay no maha-Andriamanitra Azy. Izay mahatsapa izany no mihira ny salamo 78 (setriny), hiangavy an’Andriamanitra mba hanesotra ny ota, satria ny heverintsika ho sazy avy amin’Andriamanitra ka mandreraka antsika dia ny vokatry ny fahotana ihany. “Afaho ireo voatondro ho faty”, hoy ny Salamo, mivavaka amin’Andriamanitra mpamindra fo. Tsy mpamono Izy fa mpamelona, mpanavotra.
Dia izay toetran’Andriamanitra mpamindra fo izany no irin’i Jesoa halaintsika tahaka raha mihevitra ny ho zanany isika (Evanjely). Andriamanitra izay lazaina fa “mpamindra fo (רַחוּם , raHùm) sy miantra (חַנּוּן, Hannùn), mahari-po (ela vao tezitra) sy be hatsaram-po (חֶסֶד, Hesed, mahatoky) amam-pahamarinana (אֱמֶת, ’emeth, AMEN, finoana sy fahamarinana)” (Eksaody 34,6). Ireo no toetran’Andriamanitra nampianariny ny Jody. “raHàn” sy “Hannàn” moa, mamindra fo sy miantra, dia hilazana fa tsy vitan’ny mangoraka fotsiny Izy fa mijaly amin’ny fahitana ny fijalian’ny hafa koa, na dia fantany aza fa ny tsy fanekena ny sitrapony no mampijaly azy, ary mitady izay fomba rehetra hanesorana na farafaharatsiny ahay hanamaivanana izany fijaliana izany. Tsy ny hahafatesan’ny mpanota no sitrany fa ny hibebahany ka hahavonjy azy.
Ireo toetran’Andriamanitra ireo no lazain’i Jesoa fa zavatra lehibe indrindra amin’ny Lalàna, dia ny “rariny (κρίσις, krisis), ny famindram-po (ἔλεος, eleos aumône/pietas οἰκτος, οἰκτίρμων – oiktirmon) sy ny finoana (πίστις, pistis)” (Mt 23,23), ka izay te hiaina izany dia mila miala amin’ny fitsaratsarana foana sy ny fanamelohana ny tsy manan-tsiny ary mianatra mamela heloka sy mizara. Izay te ho zanak’Andriamanitra dia hianatra ny hamela heloka tahaka ny ataony. Manoloana ny vahoaka tapa-kevitra fa handao ny Lalany, dia ambaran’i Osea mpaminany fa “tsy afaka ny handao ny vahoakany ny Tompo, onena ny fony”, ary amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia tsy hanampatra ny hatezerany Izy (Osea 11, 7-8).
Ny fanahafana an’Andriamanitra izay οἰκτίρμων (oiktirmon) dia mba hahafahana miombona amin’ny hafaliany koa, hahafahana manandrana ny tontolon’Andriamanitra izay faly “tsy amin’ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny mba hibebahany ka ho velona izy”. Tsy afaka ny hanao izany anefa ny olona raha toa ka mbola hivevitra ny “hitsara” (κρίνω krino), izany hoe izy no hamaritra izay heveriny ho tsara sy ratsy, ka hahavita hanameloka (καταδικάζω katadikazo) ny hafa, izany hoe hihevitra fa miankina amin’izay kajikajin’olombelona ny fiainana ka tapi-dalan-kaleha izay nahavita hadisoana. Ny famelana (ἀπολύω apolyo, absoudre), izany hoe ny fanokafana lalana vaovao mba hanafaka izay diso lalana ka ho afaka hizotra indray amin’ny lala-mahitsy, dia tsy vitan’ny hoe fandraisana anjara amin’ny halehibeazan’ny fitiavan’Andriamanitra, fa fisokafan’ny lalam-pahasambarana ihany koa ho an’izay manao izany.
Ny olon-dratsy, na dia anaovana soa aza, mbola mahavita ratsy ihany (na monina anilan’ny marina aza, ny ratsy fanaony tsy miova akory, hoy ny hirantsika mamintina ny tenin’Izaia Mpaminany[1]). Ny fahamarinana araka ny fahendren’olombelona dia mba miezaka mamaly tsara ny tsara, saingy mamaly ratsy ny ratsy ihany koa. Ny zanak’Andriamanitra, mino an’i Kristy nitsangan-ko velona kosa, miezaka ny manao soa, na amin’iza na iza, satria izay no fomban’Andriamanitra, ary tsy fanaovan-tsoa voakajikajy fa fanomezana manontolo, tsy mitahiry ho amin’ny fitsinjovanana ny vodiandro ho merika, satria mino ny fitsimbinan’Andriamanitra, matoky ny fitiavany.
Izany no tsy hitsarana na hanamelohana fa hanafahana kosa, satria ny fitsaran’Andriamanitra Ray dia entiny hanavotana ny zanany. Izay mahazo izany no afaka hanome an-kalalahana ny aminy manontolo hahafeno fatra ny fahalian’ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Ny Fanahy Masina anie hanampy antsika hibebaka marina tokoa, ka hahatsapa ny voka-dratsin’ny ota, ka hankahala ny fahotana no sady hitady izay fomba hanasoavana ny olombelona rehetra, indrindra ny mpanota, mila ny famindram-po bebe kokoa.
[1] Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’ny Tompo (Iz 26, 10).