Alatsinainy I mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 1,1-6/Salamo 96
- Ankasa 1 Samoela 1, 1-8/Salamo 115
- / Md Marka 1,14-20
Manomboka ny herinandro tsotra mandavan-taona isika ka afaka mamaky mitohy isan’andro ny Evanjely. Md Marka no anombohan’ny Litorjia izany. Rehefa natao an-tranomaizina i Joany dia nankany Galilea i Jesoa hitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Raha jerena avy ety ivelany dia hoe nandeha nila loza: ny mpialoha lalana Azy voasambotra, Izy manomboka. Mazava ny famintinana ny toriteniny: “Tonga ny fotoana, efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.
Misy antony koa anefa ny nandehanany tany Galilea, satria ny mponin’ny manodidina an’i Kafanaoma sy Betsaida dia olona somary mivela-tsaina kokoa raha oharina amin’ny hafa, revon’ny fitadiavana sy ny fivelomana angamba ka tsy dia miditra amin’ny antsipirihin’ny fombafomba isan-karazany, eny fa na dia tsy dia mifanaraka loatra amin’izany aza no voalaza avy eo, indrindra amin’ny asan’ny Apôstôly, rehefa milaza momba an’i Piera, avy any Galilea (Asa 10, mamerimberina in-telo ny Fanahy, fa mbola tsy resy lahatra i Piera). Dia niantso ny mpianany Izy: mpanarato efatra, mpirahalahy, vonona hibebaka sy hino ny Evanjely.
Zavatra roa no takian’ny Fanjakan’Andriamanitra efa akaiky antsika. Ny voalohany dia mila mibebaka. Tsy vitan’ny fikasana tsara mba tsy hanao ratsy na tsy hanota fotsiny ny fibebahana, fa fiovam-po tanteraka amin’ny fomba hifandraisana amin’Andriamanitra, amin’ny olombelona, amin’ny zavatra rehetra. Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ka izay mibebaka marina dia mahita fa hitondra famonjena no hahatongavany fa tsy fandringanana. Omaly tamin’ny fankalazana ny batemin’ny Tompo, lazain’Izaia (Iz 40, taona D, setriny taona B) fa efa tapitra ny andron’ny fampahoriana, efa voavela avokoa ny heloka satria ny tanan’Andriamanitra mihitsy no hanefa ny sazy indroa miantaona tokony hohefain’ny mpanota, ilay Mpanompony sitraky ny fony no hanambara ny rariny (Iz 42, taona A), ary hanao fanekem-piavanana mandrakizay Andriamanitra ka ny Teniny tsy hiverina any aminy raha tsy efa mahatanteraka izay nanirahany azy (Iz 55 taona B).
Mibebaka izay manova ny fomba fijeriny an’Andriamanitra ka hahita fa fitiavana Izy, ary hahay hijery koa ny olombelona rehetra toy ny hitiavan’Andriamanitra azy ireo. Mibebaka izay mahafoy, eny fa na dia izay mety ho antom-pivelomana aza, ka vonona hanaraka an’i Jesoa tahaka azy efatra mirahalahy, handanjalanja ka hiaiky fa ambony lavitra noho ny haren’izao tontolo izao ny famonjena ny hafa.
Miantso antsika ihany koa ny Evanjely mba hino. Mino ny Evanjely izay matoky ny Tenin’i Jesoa ka tsy hisalasala fa afaka manova antsika ho mpanarato olona ny Fahasoavany. Tsy ny fahaizana na izay mety ho talenta ananantsika manko no inona. Nandao ny haratony i Simôna sy Andre satria harato vaovao no ampiasaina manomboka eto. Ireo Apôstôly ireo ihany no hanjono mandritra ny alina fa tsy hahazo na inona na inona. Fa noho ny Tenin’ny Mpampianatra dia hahazo trondro mameno ny sambokely. Mino izay manaiky hitozo sy hanohy ny dia, noho ny Teniny. Ny finoana dia ny fifandraisantsika amin’ilay niantso antsika ka hahafahana mandao ny zavatra rehetra: handao ny antom-pivelomana izay ametrahana ny fitokisana amin’ny maha-olona; handao ny ray sy ny mpikarama, izany hoe handao hatramin’ny fomban-drazana sy izay nireharehana (anaran-dray) sy nampirehareha (mpikarama).
Izay mahatsapa ny hasarobidin’ny fijerin’i Jesoa mitopy aminy ihany anefa no afaka hiditra amin’izany finoana izany: “Izay eo imasonao ny olona ka tsy misy tombo tsy misy hala”, hoy i Md François, ary averin’i Mb Thérèse d’Avila izany. Izay maha-izy ahy eo imason’Andriamanitra ny amiko rehetra, hoy Mb Terezin’i Jesoa. Sarobidy eo imasony isika (Izaia 43, 4). Matetika anefa izay eo imason’ny olona no imasoan’ny ankamaroany. “Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy hianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona!” hoy i Jesoa tamin’ny Jody (Jn 5, 44). Izay tsy mitady ny voninahitra ao amin’Andriamanitra tsy afaka ny hino, araka izany.
I Piera sy Andre eo amperin’asa no nantsoiny; δεῦτε ὀπίσω μου: δεῦτε (midika hoe “eto” izay “pluriel de” δεῦρο) sy ὀπίσω (hafara, aoriana) dia samy “adverbes de lieu”, adika hoe “avia hanaraka Ahy” moa. Izay no hamintinan’i Marka ny fiantsoana antsika tsirairay avy. Tsy hiana-draharaha dia hanokatra sekoly tahaka ny fomban’ny Jody no iantsoan’i Jesoa antsika fa ny hanaraka Azy, ety an-tany ka hatrany amin’ny voninahitry ny Fanjakany, ho mpanarato olona, tahaka ny nandratoan’i Jesoa azy ireo koa.
Asian’i Md Marka tsindrim-peo ary averiny toy ny valinkira ao amin’ny evanjeliny ny hoe “niaraka tamin’izay” (εὐθέως, εὐθύς): niaraka tamin’izay dia nanaraka azy izy ireo. Tsy misy fotoana hariana hiadiana hevitra intsony ho an’izay mahafantatra fa efa tonga ny fotoana ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Nandao ny haratony “niaraka tamin’izay” i Piera sy Andre ka nanaraka azy. Tsy nijanona nifaly tamin’ny fahombiazany anefa i Jesoa fa vao nahita an’i Joany sy Jakoba dia niantso azy ireo “niaraka tamin’izay”.
Izay mino tsy mba mitoredretra fa maila-pamindra satria tsy afaka mampiandry ny fahatongavan’ny famonjena hatrany amin’ny faravazan-tany.
Ry Ray mora fo o! henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany