Alatsinainy fahatelo Fiaviana
Fanisana 24, 2-7.15-17/ Salamo 24/
Md Matio 21, 23-27
Faminanian’i Baalama zanak’i Beora izay lavo ka nisokatra ny masony! Ny fahalavoana dia tsy hoe fahavoazana mandrakariva tsy akory fa mety hampisokatra ny maso, tsy hahita izay mitranga ihany fa hahita lavitra, hahatazana na dia tsy mbola akaiky aza, hahatazana ilay kintana miposaka ao amin’i Jakoba ary hahatsinjo ilay tehi-mpanjaka mitsangana avy amin’Israely.
Ao amin’ny toko faha-23 sy faha-24 amin’ny Bokin’ny Fanisana moa dia nantsoin’i Balaka hanozona an’Israely i Baalama, saingy ny navaliny in-telo dia hoe tsy afaka ny hanova izay voatendry sy tian’Andriamanitra ambara ny mpaminaniny. Tsy misy afaka hanisy ratsy izay arovan’Andriamanitra. Izany fitokisana amin’ny fampanantenana sy amin’ny fahamarinan’ny Teny aloakan’ny vavan’Andriamanitra izany no hahafahana maminany fa na tsy eo hono eo aza, dia azo antoka ny famonjena avy amin’YHWH, ankoatra izay fahasoavana efa atobany amintsika isan’andro vaky.
Izany fitiavan’Andriamanitra izany no hahafahany manao mihoatra noho izay mety ho mendrika antsika noho ny ota vitantsika, ka hahafahantsika miventy miaraka amin’ny mpanao salamo (sal 24) mba hanadinoan’Andriamanitra ny otantsika hatramin’ny fahazaza, ary hanoroany antsika ny lalana tokony hizorana ho amin’ny fahasambarana.
Ny olona rehetra, hoy Paoly, dia mpanota avokoa (Rm 3,23), ny fiekentsika izany no hahafahantsika koa manaiky ny fahefana ananan’i Jesoa. Ao amin’ny Evanjely dia nanontanian’ireo lohandohan’ny Mpisorona sy ny loholona i Jesoa hoe fahefana avy aiza no anaovany ny zavatra rehetra ataony (ἐξουσία exousìa izay nandikana ny shaltan, sultan), izany hoe ny “nandiovany” ny tempoly (Mt 21, 12ss). Ao amin’ny Tempoly voadio ihany manko no afaka hampianaran’ny Tenin’Andriamanitra araka ny sitrak’Andriamanitra.
Mazava loatra fa raha avy amin’Andriamanitra ny fahefan’i Jesoa dia tapitra hatreo ny fanjakazakan’ny mpisorona sy ny Mpanora-dalàna. Eto dia ampianarin’i Jesoa isika hametra-panontaniana na dia amin’ny fanontaniana ataontsika aza. Inona ny antony mampametraka ahy izany fanontaniana izany! I Joany efa nanondro tamin’ny Mpianany ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’ny olona aza, mbola nampanontany tany an-tranomaizina na io notondroiny io na tsia ilay Mesia. Ny mametra-panontaniana amin’ny tena dia fahendrena ary manamafy orina ny fahamarinana hifotoran’ny finoana sy ny fanantenana.
Ny olona mararin’ny henamaso anefa tsy afaka ny hanana ny heviny, κατ᾽ ὀφθαλμοδουλίαν (kat’ophtalmodoulian) no ilazan’i Md Paoly azy (Ef 6,6), satria izay heveriny fa hitiavana na hanajan’ny olona azy no tokony hamaliany na tsia. Izany no nahazo ireo lohandohan’ny mpisorona. Aleony nilaza ho tsy mahalala toy izay hahazo tsiny eo imason’ny olona, toy izay ho very ny tombontsoa izay nanorenany ny fahasambarana, amin’ny fametsena ny vahoaka sy ny fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny Tempoly: sady tsy nino an’i Joany izy ireo no mahalala fa i Joany dia Mpaminany lehibe teo imason’ny rehetra.
Tsy afaka ny hahazo ilay Mpanjaka nisafidy ny zanak’ampondra, nisafidy ny fihinanam-bilona ho fiandrianana amin’ny fahaterahany ety anivontsika izay mbola bararata tsofin’ny rivotra na izay mbola manenjika ny akanjom-boninahitra heveriny fa homen’ny olona azy.
Tsy avelan’i Jesoa ho very anefa na dia ireo izay namaly azy aza, mbola omeny “chance”, omeny fahasoavana vaovao hahafahana mibebaka indray (Evanjely rahampitso). Tsara fo izy ka ny mpanota toroany lalana mandrakariva. Anjarantsika ny misafidy ny lalana atorony mba hizorana ho amin’ny fahasambarana ampanantenainy.
Hanazava ny fontsika mbola rakotry ny haizina anie ny fiezahana mitsena an’i Kristy avy hamangy antsika hitondra ho antsika ny fahasoavany (vavaka fangatahana).