Alatsinainy fahasivy mandavan-taona
- Tsy ankasa Tobia 1, 1a.2; 2, 1-9 / Salamo 111, 1-2, 3-4, 5-6
- Ankasa 2 Piera 1, 2-7/Salamo 90
- Md Marka 12, 1-12
Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro.
Ny Evanjely anio ity, araka ny fampidirana ataon’ny vakiteny litorjika dia fanoharana nataon’i Jesoa tamin’ny lohandohan’ny Mpisorona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny loholona, hilazany ny fomba andraisan’ny olona sy ho entiny mamaly ny fitiavan’Andriamanitra. Fanoharana no hitenenan’i Jesoa amin’izy ireo, “araka izay takatry ny sainy” (Mk 4, 33), ka ny fanekena ny marina araka izany no hahafahany mibebaka ka miditra amin’ny fiainana.
Fambolena voaloboka moa no fanoharana lazian’i Jesoa eto. Tsy fanoharana vaovao ho an’ireo izay zatra miantsa ny salamo faha-80 izany: “Misy voaloboka nongotanao tany Ejipta; nandroaka ny firenena ianao hambolenao azy” (and. 10). Izany moa dia efa nolazain’Izaia ihany koa (Iz 5, 1ss). Ao amin’ny fitantaran’Izaia moa dia ny voaloboka no namokatra marikivy na dia tsara fantina aza ny karazany nambolena; ny ao amin’ny salamo kosa dia hoe noho ny fefy banga no nampitrongy fehizay ny lamboala ka tsy nampamokatra azy. Eto kosa dia lazain’i Jesoa fa tsara karakara ny voaloboka, nasiana fefy ary efa nanaovana tany hanaovana famiazana aza miaraka amin’ny tilikambo.
Ny fefy dia azo heverina ho ny Lalàna, izay nampiavaka ny vahoakan’Israely, nahafahan’izy ireo nieboebo ho hendry sy manan-tsaina (Det 4,6) aza; ny famiazana kosa dia izay hahamora ny asan’ny mpikarakara. Andriamanitra ihany no nanamboatra ny famiazana (Γεθσημανῆ naΓεθσημανί, Getsemany, famiazana menaka) hanoloran’ny zanany ny tenany mba ho porofom-pitiavana ho antsika; ny tilikambo nahoriny dia mampahatsiaro ny “Anarany izay trano avo (tilikambo) mafy, hialofan’ny marina” (Ohabolana 18, 10). Izany rehetra izany no nampanofainy na ny marimarina kokoa, nomeny hotantanan’ny (ἐκδίδωμι ekdidomi) mpamboly voaloboka. Tsy olona mbola hiana-draharaha araka izany no nanankinany ny Vahoakany, fa olona matianina, mahalala tsara izay tokony hataony. Rehefa izany dia lasa nankany an-tany hafa izy, tsy manery ny olona ny amin’izay valy omeny, saingy miandry kosa.
Nony tonga ny fotoana (καιρός kairos), dia nirahiny ny mpanompony handray ny ampaham-bokatra, handray ny vokatry ny Lalàna sy ny Anarany Masina. Tsy inona izany fa ny fitiavana ary io no maha-noana an’i Jesoa rehefa avy niala avy tany Betania (tranon’ny ory, Mk 11, 12). Ny hampamokatra ny fitiavana no andrasan’Andriamanitra amin’izay rehetra nomeny fahefana hitantana ny tanim-boalobony. Mety hahazo kapoka sy daroka anefa izay mihevitra ny hampahatsiaro ny marina tokony hiainana sy arahina. Izany no nahazo ny olomarina sy ny Mpaminany. Amin’ny fanoharana moa dia lazain’i Jesoa fa ny mpanompo sasany aza dia noratrainy ny lohany no nalany baraka. I Joany Batista notapahina ny lohany.
Tsy afaka ny hisy hiala amin’izany anefa, sao sanatria hisy hilaza fa tsy pretra na relijiozy, tsy lohandohan’ny Mpisorona no sady tsy manora-dalàna. Na dia amin’ny zavatra madinika, amin’ny fitantanana ny harena (ara-toekarena, ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy) dia anirahany ny mpanompony mandrakariva isika, saingy kapoka sy daroka no avalintsika ny mahantra sy ny ory, endrika isehoan’i Kristy, ka mahita fomba mandrakariva isika mba tsy hizarana amin’izy ireny ny ampahan’ny vokatra notazantsika tao amin’ny tanimboaloboka.
Tsy sasatry ny mitady izay fomba hahafahantsika mamokatra Andriamanitra. Ny Zanany lahitokana no nirahiny mba hampahatsiaro amintsika ny fitiavany, hahafahantsika koa mamokatra fitiavana, saingy heverintsika fa afaka handova ny tanim-boalobony isika rehefa avy namono azy. Izany anefa no fomba nentiny nampamokatra ny tanim-boalobony eny an-tanan’ny hafa kosa indray. Tsy ireo mpanora-dalàna sy lohandohan’ny mpisorona tamin’ny andron’i Jesoa ihany no voakasik’izany fa isika tsirairay avy.
Mila mandini-tena mandrakariva amin’ny andraikitra napetrak’Andriamanitra amintsika, sao sanatria ho zary fahoriana ho antsika ny hahita azy hamokatra eny an-tanan’ny hafa! Na izany aza anefa no mitranga, hoy Md Paoly manoratra amin’ny Romanina, dia tsy sanatria hahatonga fialonana ka kosa mba hiezahan’ny tsirairay kosa, hibebaka ka hahavokatra araka izay irin’Andriamanitra amintsika tsirairay avy, araka ny talenta nomeny (Rm 11, 11-24).
Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro. Hain’Andriamanitra ny mampamokatra fahasoavana avy amin’ny fahorian’ny mpanompony, manaiky ho iraka hitondra ny Teniny, hampahatsiaro amin’izay rehetra nomena andraikitra fa tokony hanome vokatra (na ampaham-bokatra, ἀπὸ τοῦ καρποῦ) ho an’ilay Tompon’ny Tanimboaloboka mandrakariva isika. Tsy ny hanafay ny mpanao ratsy fa ny hibebahany ka hamokarany araka ny fitiavana no sitrak’Andriamanitra.
Hiaraka hangataka amin’Andriamanitra isika mba hampanalavirany antsika izay mety hanimba ka hanomezany kosa izay mahasoa (vavaka fangatahana).