Alatsinainy faharoa mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 5,1-10/ Salamo 109/
- Ankasa: 1Samoela 15,16-23/Salamo 49/
- Md Marka 2,18-22
Moa mahazo mifady ve ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Teo amin’i Israely dia fahazarana ny mifady hanina sy mivavaka, indrindra amin’ny fanomanana fety sy amin’ny fiandrasana trangan-javatra manan-danja, na amin’ny fiomanana handray andraikitra manokana. Mivavaka ary mifady hanina satria indraindray heverina fa rehefa mitaraina sy mitoloko eo anatrehan’Andriamanitra isika dia halahelo antsika Izy ka hamindra fo. Tsy ho azy anefa izany raha ny tena marina fa ho antsika, hahafahantsika mandray ny fahasoavany sy hitahiry azy ary hampiasa azy araka ny fony no ilana ny vavaka, ny fifadian-kanina kosa dia hianarana mamolaka ny tena, haniriana ny tsaratsara kokoa, hisafidianana izay tsara noho ny antom-pivelomana toy ny sakafo aza.
Ao amin’ny Testamenta Taloha dia hita matetika izany fomba izany. Tsy mbola matotra anefa ny fahalalan’ny Jody ny endrik’Andriamanitra fitiavana ary nanahirana azy ireo ny hieritreritra fa ny mpanota hiringiriny dia afaka hiditra ny lanitra (ny mpiandry ondry, ny poblikanina mpamory hetra, ny vehivavy janga, ilay jiolahy eo ambony hazofijaliana), sarotra ny hahazo ny hafaliana sy ny fety ataon’ilay Ray tsara fo satria tafaverina ny zaza mpandany. Sarotra ny mahazo fa tsy mpivarotra fahasoavana Andriamanitra: grâce, gratis.
Na i Jesoa aza nanomana ny fitoriany teny tamin’ny fifadian-kanina, hahafahana mamolaka ny tena mba tsy ho andevon’ny ratsy, saingy avy eo, fety sy fanasana lava ny fiainany (Mt 11,19), fety miaraka amin’ny mpanota (Mk 2,15-17), miaraka amin’ny mpanan-karena (Zake, Simôna…). Tsy mifady izy satria Izy no mpampakatra nandrasan’i Israely, hafaliana no sitrany hozaraina amin’ny olombelona tsirairay avy. Raha izany àry, hatao inona ny fifadian-kanina? Tokony hanao izany ve isika?
Efa voaasa amin’ny fanasany isika saingy tsy mbola lavorary izany hafaliana izany raha mbola ety amin’ity tany fandalovana ity. Tahaka ireo Apôstôly dia malahelo ihany isika, saingy na hifady aza hiandry ny hafenoan’ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy atao an-kafaliana izany (Mt 6,17). Ny fifadian-kanina araka izany dia manampy antsika hahatsiaro fa mpivahiny isika, tsy tokony hiraiki-po loatra amin’ny zava-mandalo. Ny fifadiana sitrak’Andriamanitra dia izay mitondra hafaliana ho an’izay mifady ary hafaliana bebe kokoa ho an’izay notolorana ny vokatry ny fifadiana, ny toe-po vaovao mitondra hanitra ho azy ireo. Io no zava-manitra ahosotra ny loha, araka an’i Md Matio.
Manaraka izany, tsy ny fifadian-kanina no sitrak’Andriamanitra fa ny famindram-po. Ny fizarantsika izay eo am-pelatanana dia manampy antsika indrindra indrindra hanome hanina izay mety niangaran’ny vintana. Ny fahalalana onony kosa, ary ny fifadiana aza, raha ilaina izany, dia manampy antsika hamolaka sy hanampy ny sitra-po mba ho matotra (ascèse) ka tsy ho voasodokan’ny rendrarendra sy ny filan-dratsin’ny nofo. Tsy mandeha ho azy manko izany fifehezana izany fa mila fanazaran-tena sy fandavan-tena. Tsy fangatahana ny fahasoavana izany sanatria fa fitahirizana kosa izay efa omen’Andriamanitra antsika maimaim-poana.
Fomba fiainana vaovao ilàna fanapahan-kevitra anefa izany, hoy i Jesoa, satria tsy afaka sady hanompo sampy isika no hihevitra fa kristianina, ary sanatria hihevitra fa raha tsy sitran’i dadarabe ve tsyhositranin’ny Kômonio. Ny tahotra ny herin’ny maizina indraindray mahatonga ny olona sasany handeha hanompo sampy, hihevitra ny hanohitra ny ratsy amin’izany. Ny hazavan’i Kristy tafatsangan-ko velona no afaka handresy ny haizin’ny fahotana. Ary ny fandraisana ny fahazavany dia manova tanteraka ny fomba fisainana. Tsy afaka ny higoka ny hasoan’ny divay vaovao any amin’ny fanasany izay mbola mahazo tsirony amin’ny divay tranainy atolotry ny fisainan’izao tontolo izao (Lk 5,39). Tsy afaka hitafy an’i Kristy izay mankafy ny voninahitr’izao tontolo izao. Izay mandray ny lalàna vaovao avy amin’ny Fanahy Masina dia mazava loatra miditra ao amin’ny lalànan’ny fiainana (2Kôr 3,6).
Efa manandrana ny hafalian’ny fanasana miaraka amin’ilay Mpampakatra isika, sahala amin’ireo mpianatra ny harivan’ny alakamisy masina, saingy mbola eny an-dalana kosa mizotra mankany amin’ilay fanasana mandrakizay, sahala amin’izy ireo, hifady satria tonga ny fotoana nanalana tsy ho eo amin’izy ireo intsony ny Mpampiakatra (maty teo ambony hazofijaliana), saingy izany andro izany no hanombohan’ny lalàna vaovao (divay vaovao), dia ny lalànan’ny fitiavana, mitondra mankamin’ny hafenoan’ny aina.
Angatahontsika ny fahasoavany hanampy antsika hadio fo, hibanjina ny Tavany, “22hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filan-dratsy, 23mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo hianareo, 24ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa” (Ef 4,22-24).