Alatsinainy fahafito mandavantaona
- Tsy ankasa Ekleziastika 1,1-10/Salamo 92/
- Ankasa Jakôba 3, 13-18/Salamo 18/
- Md Marka 9, 13-28
Ao amin’ny andininy farany amin’ny toko fahafito dia nolazain’i Marka fa talanjona ny vahoaka satria nampiteny ny moana i Jesoa. Amin’ny Evanjely anio koa dia gaga ny olona rehetra nahita Azy ka nidodododo niarahaba Azy niaraka tamin’izay. Ny antony nampivory ny olona dia ny momba ny zanak’ilay rangahy iray tsy sitran’ireo mpianatr’i Jesoa. Zaza azon’ny demony moana, akapokapony eran’ny tany rehetra dia mandoha vory sy mikatro-nify ary mihinjitrindritra. Raha ny famaritan’i Marka dia mitovy amin’ny voan’ny androbe izany ka mifanintona.
Ny mpianatra niala maina satria tsy ampy finoana, taranaka tsy mpino. Ny finoana no hahafahantsika mijery ny zavatra rehetra araka an’Andriamanitra ka mitondra fahasitranana ho an’izay anjakan’ny haizina satria itoeran’ny fahazavana. Ny vavaka kosa indray no mitondra ho any amin’ny tena finoana. Tsy afaka ny handroaka demony, tsy afaka hanampy ny hafa handre sy hitory fiderana an’Andriamanitra izay mihevitra hanao zavatra tsy miaraka amin’i Jesoa, eny fa na dia ireo mpianatra nahazo fahefana handroaka demony aza (Mk 3, 14ss). Tsy afaka ny handroaka Demony izay mpianatra mihevitra ny hisintaka amin’i Piera, Jakoba sy Joany, hivevitra ny hahavita tena ka tsy hiandry azy ireo izay mbola niara-nivavaka tamin’i Jesoa tany an-tendrombohitra.Miaraka amin’i Jesoa sy ny Egliziny ihany isika no afaka mamokatra.
Firifiry ny olona no mijaly hatramin’ny fony kely, mety tsy mamono tena amin’ny lafiny ara-batana fa mamono tena amni’ny lafiny ara-tsaina sy ara-panahy: kamo mianatra, tsy mazoto mivavaka, mitombo ao anatin’ny ditra sy ny mety ho fikorontanana ao amin’ny fianakaviana. Fa ny tena loza dia ny hasarotan’ny fivoahana avy amin’ny kizon’ny fahazaran-dratsy. Izay miaraka amin’i Jesoa ihany no afaka hitondra “fitsangana-ko velona” ho azy ireny.
Ambaran’i Marka ihany koa fa raha vao nahita an’i Jesoa ny demony dia nampifanintontsitona azy. Eo anatrehan’ny mazava no hahafahana mahatsapa fa mitondra tahotra sy hiafenan’ny ratsy fotsiny ihany ny haizina. Ny fiatrehana ny hazavana anefa mety hanjemby ny maso. Marisika ny fanahy fa ny nofo no osa. Tsy tokony hahagaga araka izany ny hasarotan’ny famolahan-tena ho an’izay maniry ny hiala amin’ny fanandevozan’i Satana.
Tsy mitaky ny finoan’ny mpianatra irery anefa ny fahasitranan’izy ireny fa mila ny finoan’ny Raiamandreniny sy ny fiaraha-monina misy azy koa. Tsy lavitra ity raim-pianakaviana ity isika raha ny marina, miantso vonjy amin’ny tsy finoantsika. Manaiky fa tsy afaka hanao na inona na inona raha sty miaraka amin’Andriamanitra. Ny Famindram-pony no ivelomantsika ka hahafahantsika miara-maty (sahala ny maty) amin’i Kristy mba hiara-belona aminy koa amin’ny fiainana ny Batemy sy ny sakramenta.
I jesoa koa, ho an’izay manaiky handray ny Teniny ka mametraka ny fitokisana Aminy (mino) dia mandray azy amin’ny tanany tahaka ny nataony tamin’ny rafozam-bavin’i Piera (Mk 1,31), na tamin’ny zanaka vavin’i Jaira (Mk 5, 41) dia manangana azy ireo ho velona (ἐγείρω sy ἀνίστημι). Izay no hitarihan’i Marka tsikelikely ny fontsika mba hahazoantsika ny tena hevitry ny fitsanganany ho velona izay averiny fanindroany aorian’ny filazana ny fitsanganan-ko velon’ity moana ity (Mk 9, 30-32).
Ny Fanahiny Masina anie hanampy antsika handray ny fahazavany ka hivelona ny finoana hahafahantsika mitory Azy maty fa nitsangan-ko velona.