Alatsinainy fahafito fankalazana ny Paka
- Asa 19, 1-8
- Salamo 67
- Md Joany 16, 29-33
Ny Asan’ny Apôstôly dia manohy mitantara ny asam-pitoriana nataon’i Md Paoly tao Efezy. Entin’i Lioka maneho fa tsy afaka ny ho feno ny fahalalana an’i Jesoa sy ny fanarahan-dia Azy raha tsy asan’ny Fanahy Masina, azo avy amin’ny Batemy sy ny fametrahan-tanana. Na ny mpianatr’i Jesoa, ny Apôstôly voalohany koa aza moa dia mpianatr’i Joany ny ankamaroany, ka noho izany, nandray ny batemin’i Joany. Batemim-pibebahana no nilazana ny Batemin’i Joany. Ny hevitry ny batemy tamin’izany dia ny fanehoan’ny olona iray ny fahamatoran’ny fanapahan-keviny fa hanaraka ny fampianaran’ilay manao batemy. Ny Batemin’i Kristy kosa, batemy atao amin’ny anaran’i Jesoa, dia maneho fa tsy afaka ny hiaina izany faniriana ny hiova fo sy hibebaka izany ny olona iray raha tsy mandray ny Fanahy maha-zanaka. Ireo roa ambinin’ny folo lahy tao Efezy koa, nandray ny Fanahy dia niteny fiteny vaovao sady naminany.
Ao amin’ny Baiboly, dikanteny Fivondronam-ben’ny Eveka 2011, izao no lazain’Izaia amintsika voasoratra ao amin’ny toko 28, 10: Tsav-latsav, tsav-latsav; kav-lakav, kav-lakav; zeher-sham, zeher sham ( צַ֤ו לָצָו֙ צַ֣ו לָצָ֔ו קַ֥ו לָקָ֖ו קַ֣ו לָקָ֑ו זְעֵ֥יר שָׁ֖ם זְעֵ֥יר שָֽׁם ), ao amin’ny Dikanteny 1982 moa dia nadika ihany hoe didy miampy (na manampy araka ny hita ao) didy, didy miampy didy, fitsipika miampy fitsipika, fitsipika miampy fitsipika, mbetika etsy (izao), mbetika eroa (izany). Io fomba fiteny hoentina mampianatra ny zaza mbola mibadabada io no nataon’ny Mpaminany ohatra amin’ny fomba fiteniny hilazana fa vava (שָׂפָה saphah, molotra) mibadabada ny fiteny vahiny ( וּבְלָשׁ֖וֹן אַחֶ֑רֶת , לָשׁוֹן lashown, en grec γλῶσσα glossa, lela, fiteny) tsy mbola hay tsara. Dia izay no nolazain’i Md Paoly hoe: “ny fiteny tsy fantatra (γλῶσσα glossa nadika hoe fiteny samihafa amin’ny vakiteny anio) dia famantarana amin’ny (datif) tsy mino fa tsy amin’ny mino; ary ny filazana hafatra avy amin’Andriamanitra kosa (προφητεία propheteia, nadika hoe faminaniana, naminany amin’ny vakiteny anio), no amin’ny mino” (1 Kor 14, 22). Izay mandray ny Fanahy Masina araka izany fampianaran’i Paoly izany dia vavolombelona hitarika ny tsy mpino ho amin’ny finoana ary fankaherezana hamelombelona ny finoan’izay efa mino kosa.
Ny Evanjely kosa indray, entin’i Joany Evanjelista mampandinika antsika amin’ny dingam-piainana tsy maintsy lalovana mba hahazoana ny tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra asehon’i Kristy amin’ny Misterin’ny Pakany. Ny Apostôly milaza fa mahazo izay lazain’i Jesoa satria tsy an’ohatra na amin’ny fanoharana intsony fa filazana mivantana no ilazany ny zavatra rehetra. Niaiky ny finoany izy ireo, saingy finoana tsy mbola lalim-paka, tsy mbola mafy orina. Fantany fa mahalala ny zavatra rehetra i Jesoa saingy tsy mbola fantany kosa ny votoatin’izany zavatra rehetra reny tamin’ny Ray izany ka tiany hambara ny Mpianany. Tsy mbola zakanareo izany ankehitriny, hoy i Jesoa tamin’izy ireo (Jo 16, 12). Tsy afaka ny hahazo ny hevitry ny fampianaran’i Jesoa tsinona izy ireo raha tsy aorian’ny fiakarany amin’ny Ray, amin’ny fanomezany ny tenany manontolo ho fahatanterahan’ny iraka nanirahana Azy.
Ny finoan’ny Apôstôly eto dia mbola finoana tsy afaka ny hisedra ny mafy, tsy afaka ny hanaiky ny fanafintohinan’ny hazofijaliana. Hiely sy handao an’i Jesoa izy ireo noho ny tahotra, saingy ny fitiavan’ilay natoky azy ireo no hampahazo fiadanana azy ireo. Izay mahalala an’Andriamanitra tsy mandany andro amin’ny fampandriana ny feon’ny fieritreretana mba hangatahana famelàna. Izay mino fa nandresy an’izao tontolo izao Izy, dia hahatohitra ny fahoriana mianjady raha mbola eto amin’ity tany ity, satria hahalala fa tsy mandao izay tiany ny Ray. Andriamanitra tsy manesotra ny fijaliana, fa miaraka amintsika kosa ao anatin’ny sedram-piainana, ary manana fahefana Izy hitondra antsika ho amin’ny hafenoan’ny fiainana, tahaka ny nataony tamin’i Kristy, natsangany ho velona.
Ny lakroà dia tsy fandresen’ny ratsy manoloana ilay hany marina tsy akory, fa fandresen’ny fitiavana. Izay mino izany dia ateraky ny Fanahy ho tonga olom-baovao, ho tonga Zanaka mpiombom-boninahitra amin’i Kristy ka hiara-mandresy an’izao tontolo izao miaraka aminy koa (1Jo 5,4). Izay mbola mitoetra eo amin’izao tontolo izao dia hozoim-pahoriana. Ao amin’i Jesoa no hahafahantsika mihanoka ao amin’ny fiadanana. Ao Aminy no hahafahantsika miantsa ny salamo 130, afa-po sy tony, toy ny zaza notazana (vao avy nosaraha-nono) eo am-pofoan-dreniny, mametraka ny fitokiana amin’ny Tompo dia ny ankehitriny sy ho mandrakizay, satria efa nandresy an’izao tontolo izao Izy.
Hirotsaka amintsika anie ny herin’ny Fanahy Masina, hifikirantsika tsy mivadika amin’ny sitra-pony ka handavorariantsika ny toe-piainantsika (vavaka fangatahana).