Alatsinainy fahadimy mandavan-taona
- Tsy ankasa: Jenezy 1,1-9/Salamo 103/
- Ankasa: 1Mpanjaka 8,1-7.9-13/Salamo 131/
- Marka 6,53-56
Taorian’ny alina nampivarahontsana ireo mpianatra namoy sambokely manohi-drivotra, satria tsy niaraka tamin’izy ireo i Jesoa fa nivavaka tany an-tendrombohitra, saingy tonga kosa, nandeha ambonin’ny rano nankahery azy ireo mba tsy hatahotra, dia tonga tao Genesareta izy ireo, raha nianga mba ho any Betsaida (Mk 6,45). Raha ny marina araka izany, dia tsy tany amin’ny toerana nokendrena haleha no niantsonany satria Genesareta dia tanàna kely atsimo andrefan’i Kapernaoma na dia mifanakaiky amin’i Betsaida ihany aza.
Averimberin’i Marka hatrany fa vantany vao nahita ka nahafantatra an’i Jesoa ny olona dia mifanesika hikasika Azy mba hahazo fahasitranana. Ny marary entina amin’ny fandriana hanatona an’i Jesoa, ny osaosa apetraka eny an-kianja hiandry ny fandalovany, ka izay nikasika azy dia voavonjy. Sitrana moa no nandikan’ny Baibolintsika ny hoe ἐσῴζοντο– esôzonto (σῴζω, fototeny saos = sûr, sain et saufazo antoka), entina ilazana ireo mahazo hery vaovao hiatrehana ny fiainana satria miombona amin’ilay Tompon’ny aina.
Mazava ihany koa ny baiko nomen’i Jesoa ny mpianany: “Sitrano ny marary, nahazo maimaim-poana ianareo ka manomeza maimaim-poana” (Mt 10,8). Moramora kokoa anefa ny mamerimberina hoe: “Masina Maria fahasitranan’ny marary, sitrano ny marary rehetra”, noho ny misikim-ponitra mba hamongotra ny aretina mifamatotra amin’ny fahotan’ny olombelona, sarotra ny manolo-tena mba hampihena ny fanaintainana sy hitondra fankaherezana ho an’ireo ianjadiam-pahoriana noho ny aretina.
Tsara ho fantatra fa araka ny Talmud (Ber. 58b) izany hoe araka ny fampianarana nifandovana teo amin’i Israely (ny Jody) dia noheverina ho sazim-pahotana ny aretina ka izay mahita mondro na jamba na boka na kilemaina dia mila misaotra ilay “Andriamanitra Mpitsara tsy miangatra”. Ho an’i Jesoa anefa dia mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra no mahatonga izany (Jo 11,4). Ny Eglizy ara-tantara no nanomboka nanambatra ny heriny hikarakara ireo marary ka namorona ny atao hoe nosocome (avy amin’io ny mpamari-toetra nosocomial= qui se rapporte à l’hôpital) ho fikarakarana ny mahantra. Ny Konsily tao Nicée dia nandidy mba hananganana hôpitaly amin’izay toerana rehetra misy katedraly: tsy afa-misaraka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny olona ny fitoriana ny Evanjely ho famonjena ny fanahiny.
Tsy ny resaka hôpitaly ihany no hiantsoan’i Jesoa antsika kristianina ankehitriny fa ny fisorohana ihany koa ny aretina amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fahadiovana (ara-batana, amin’ny sakafo sy ny rano fisotro). Mampalahelo ny mahita ny fitandrovana ny fahasalamana eto amintsika (hygiène): fivarotana sakafo masaka sy zavatra hohanina manoloana ny tatatra ikorianan’ny ranomaloto, kanefa tsy misy fiarovana akory ireny matetika; ny menaka sy ny dion’ny fitaovana efa tsy lazaina intsony… efa zatra dia mihevitra fa tsy mampaninona akory. Izay mahatsapa fa mpianatr’i Jesoa dia tsy afaka ny hanao an-tandrevaka izay mety hampidi-doza ny hafa, indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana.
Ho haintsika anie ny hijoro ho mpianatra, vonona hikarakara ny marary sy hikolokolo ny tontolo iainana mba ho fisorohana izay mety ho valan’aretina ateraky ny loto.