Alatsinainy faha-34 mandavan-taona
- Ankasa Fanambarana 14, 1-5/Salamo 23, 1-6
- Tsy ankasa Daniela 1, 1-20/Daniela 3, 52-56
- Md Lioka 21, 1-4
Avy nankalaza ny fetin’i Kristy Mpanjaka isika, mankalaza ny fandreseny ny fahavalo farany, dia ny fahafatesana. Tsy misy fomba hahafahana mandresy ny ratsy afa-tsy ny fanekena ho faty miaraka Aminy, toy izay hamaly faty, hamaly ratsy ny ratsy. Izay mety ho fanaovan-dratsy, na dia heverina ho fiarovan-tena aza dia tsy mamongotra fa mampitombo ny herin’ny ratsy, hampitombo avo roa heny ny ratsy. Naleon’i Jesoa maty toy izay hanapa-pahefana hamonjy ny tenany. Izany no fandresen’ny fitiavana.
Faniriana ny ho sambatra no manentana ny olona hanao izatsy na izaroa. Na inona na inona safidy atao, dia izay faniriana izay no manentana. Tsy voatery hifanaraka amin’ny tena fahasambarana anefa izany safidy izany fa mety ho sodokan’ny ankosotra ihany ka “ny fahitàna ny akanga tsara soratra, no hanariana ny akoho taman-trano”. Anisan’ny hevrin’ny olona ho mahasambatra, ohatra, ny misehoseho ho mahavita zavatra, mampisy heviny ny fiainany manko izany. Na i Jesoa aza dia mamporisika ny Apôstôly mba hikolokolo ny faniriana ho lehibe (Lk 22, 26), saingy tsy halehibeazana hanitsakitsahana ny hafa fa hanompoana sy hanasoavana azy ireo. Izay no mahatonga an’i Jesoa hanopy ny masony, hiandrandra (ἀναβλέπω anablepo) mba hijery ny mpanan-karena sy ny mahantra, miandrana mba hijery ny olon-drehetra.
Tsy fieboeboana amin’izay ananana na heverina ho ananana ny fahasambarana satria tsy ny halehibeazan’ny kaopy fa ny hafenoany no mahasambatra, hoy Mb Terezy kely, ary izay nomena be no hotakiana be, hoy ny Evanjely. Nisy fitatazan-drakitra 13 azon’ny rehetra anaterana rakitra tao an-tempoly. Ny 12 amin’ireo dia misy antony manokana ka ny mpisorona iray no manaramaso ny fandrotsahana sy manonona amin’ny feo avo ny tomban’ny fanatitra arotsaka ao. Ny faha-13 kosa dia anaterana ny fanatitra vokatry ny fo sady tsy misy “intention”. Ny mpanan-karena araka izany manao izay ho afany mba handrotraka be ka atobaka ao amin’ny “trompetra” varahina mba ho henon’ny olona no sady hifaninana amin’izy samy izy koa. Kanefa dia ilay vehivavy iray mpitondratena no nandatsaka bebe kokoa noho ny rehetra, hoy i Jesoa satria nanatitra ny fivelomana rehetra nananany (Lk 21, 1-4).
Io no mpitondratena tandindon’ny Fiangonana, Eglizy sitrak’i Papa François mba “hahantra hahafahany mitsinjo ny mahantra”, Eglizy nilaozan’ilay Malalany, maty novonoina teo amin’ny hazo, saingy, tsy manana na iza na iza hianteherana afa-tsy ny fahasoavana sy ny fanjakan’Andriamanitra nomen’ilay Mpampakatra ho lovany. Tahaka an’ilay Samaritana nanome denie roa, izy koa mba nanome farantsa kely varahina roa, dia ny fiainany manontolo.
Lesona roa no azontsika hotsoahina amin’izany: tsy mila ambim-bava Andriamanitra fa « azy ny tany manontolo sy izay rehetra mameno azy, ary ny tontolo sy izay monina ao aminy » (Sal 23), tsy misy kely na be eo anatrehany ny tolotra ataontsika, azy isika (Salamo 100, 3). Ny ohatr’ilay Mpananotena anefa dia mampahatsiaro antsika fa izay matoky ny fitsimbinan’Andriamanitra tanteraka no afaka manolotra ny tenany manontolo sy ny aminy rehetra ho Azy. Matoa isika mbola mitàna zavatra kely ho antsika dia satria mihevitra ny mbola hiaina araka ny kajikajintsika, izay fahakelezana sy adalana eo anatrehan’Andriamanitra. Raha niezaka naka tahaka io mpitondratena io ny Eglizy tao Jerosalema (Asa 2, 45) dia fantatsika ny nanjò an’i Anania sy Safira tsy natoky ny fitsimbinan’Andriamanitra (Asa 5). Tsy sanatria fanaovana gaboraraka amin’ny fitantanana ny harena anefa izany: izay matoky ny fitiavan’Izy Tompo dia manaiky ny hampiasa ny talenta napetraka eo am-pelatanany, mba hamela azy hamokatra, ho soa ho an’ny rehetra.
Angatahontsika Andriamanitra mba hampitombo ao amintsika ny finoana ka hahaizantsika manolotra ny fiainana manontolo ho sorona velona, masina ankasitrahiny (Rom 12).