Alatsinainy faha-33 mandavan-taona
- Ankasa Fanambarana 1, 1,4; 2, 1-5/Salamo 1
- Tsy ankasa 1 Makabeo 1, 11-67/Salamo 118
- Md Lioka 18, 35-43
Taona ankasa
Amin’ity herinandro ity dia manomboka mamaky ny Boky Fanambarana nosoratan’i Md Joany amin’ny Litorjia andavanandro. Fanambarana (Apokalipsa) izay nosoratana mba hananantsika ny hafenoan’ny fiainana ka hanatsarana bebe kokoa izay mety mbola tsy tonga lafatra amin’ny fiainana ny maha-kristianina. Anio dia amporisihin’i Md Joany isika mba hijery izay nety nahasolafaka tamin’ny lasa ka hanitsy ny dia kosa ho amin’ny lalam-pahasambarana. Sambatra ny olona tsy mandany andro amin’ny resadresa-poana hoy ny Salamo (1) fa mankafy ny Didin’Izy Tompo ary mametsovetso izany mandritra ny alina. Torolalana mitondra amin’ny fahasambarana tokoa manko ny didin’Andriamanitra, ka tsy afaka ny tsy hisaintsaina azy izay te hikatsaka ny fahasambarana. Ny fiainana tsy iainana araka ny didiny ary dia manakofa ihany ka zakan’ny rivotra miparitaka etsy sy eroa (Sal 1).
Mazàna anefa isika no tahaka ilay jamban’i Jerikao (Lk 18, 35-43), tsy mahita izay lalan-kombana hany ka toy ny fako entin-driaka ihany ny fiainana, satria tsy manana hery hanoherana ny hamafin’ny onja. Ny hany hery dia ny mipetraka eny an-tsisin-dalana, eny amin’ny “ka izany daholo no ataon’ny olona, izany izao ny lamaody” na dia fantatra mazava aza fa tsy afaka ny hitsiry eny amoron-dalana ny teny voafafy. Ny salamo anefa manoro hevitra fa manamory ny ranovelona no tokony hampaniriantsika ny fiainana raha te ho maintso lalandava ka hamoa ara-potoana.
Amintsika tokoa no miantefa ny tenin’i Jesoa hoe: “inona no tianao ataoko aminao?” Mba hahita indray ny masoko. Ny finoana anefa no mahasitrana, hoy i Jesoa. Ny finoana dia faniriana hanokana ny fiainana hanarahana Azy mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Sitrana ka mahita indray izay tapa-kevitra fa hanaraka an’i Jesoa hanome voninahitra an’Andriamanitra, ka ho tonga voninahitra tsy ho an’ny tenany fa ho an’Andriamanitra ny fahitan’ny olona ny soa vitany.
Angatahontsika amin’Andriamanitra ary izany finoana izany, tsy sanatria mba hahitana izay hahombiazan’ny affaires sy ny fitadiavana mikasika ny ahiahin’izao tontolo izao, fa fikatsahana izay hampisy hasina sy lanja ny fiainana mba tsy ho zakan’ny rivotra toy ny akofa ihany, fa ho zary vokatra haharitra any amin’ny mandrakizay.
I Jerikao moa no fidirana mankamin’ny Tany nampanantenaina, nihafaran’ny firenirenena efapolo taona tany an’efitra ka tanàna voalohany nidiran’ireo vahoaka voafidy ho amin’ny fahafahana. Tsy tamin’ny herin’ny sandriny anefa, satria tanàna mimanda tsy azo natao na inona na inona i Jerikao, fa tamin’ny feon’anjomara sy ny hiakan’ny vahoaka (Josoe 6). Tsy io vahoaka io ihany anefa no sahirana amin’ny fidirana amin’izany tanin’ny fahafahana izany, fa na ny mpianatr’i Kristy ary na isika koa aza.
Ny fanasitranan’i Jesoa ilay jamba no varavarana nidirany tao Jerikao mba hitondra ny famonjena sy ny fahafahana koa ho an’ny mponina tao. Ny fitantarana ny fibebahan’i Zake sy ny fibebahany araka izany dia manampy antsika hahazo tsara ity tantara mamarana ny toko faha-18 ity. Ilay jamba dia naniry mba hahita, mba ho afaka hiandrandra, hijery ny lanitra raha ny marinarina kokoa, hijery ankoatr’izay nifantohan’ny masony hatrizay (ἀναβλέπω anablepo), saingy ambaran’i Lioka fa i Jesoa no miandrandra mijery antsika (ἀναβλέπω anablepo), ka izay manetry tena araka izany no afaka hiondrika hijery Azy.
Ity ihany no fanasitranana jamba hita ao amin’ny fitantaran’i Lioka. Ny fanasitranana dia hahafahana manaraka an’i Jesoa sy mankalaza an’Andriamanitra, ka ny toe-piainana aseho ny vahoaka no hanentana azy ireo hidera an’Andriamanitra. Izany fanarahana an’i Jesoa izany no hahafahana miditra amin’ny fahafahana tena izy, satria ny marina no maha-olon’afaka (Jo 8, 32).
Mazàna anefa isika no tahaka ilay jamban’i Jerikao (Lk 18, 35-43), tsy mahita izay lalan-kombana hany ka toy ny fako entin-driaka ihany ny fiainana, satria tsy manana hery hanoherana ny hamafin’ny onjany. Ny hany hery dia ny mipetraka eny an-tsisin-dalana, eny amin’ny “ka izany daholo no ataon’ny olona, izany izao ny lamaody” na dia fantatra mazava aza fa tsy afaka ny hitsiry eny amoron-dalana ny teny voafafy.. Tsaroantsika mandrakariva ny salamo 1 manoro hevitra fa manamory ny ranovelona no tokony hampaniriantsika ny fiainana raha te ho maintso lalandava ka hamoa ara-potoana.
Nampandinika ahy ny fivoasan’ny pretra jesoita iray (G. Piccolo) ny sarimihetsika titanic, momba ireo mpanakanto manohy mitendry ny mozikany, karazandrazan’ny famonoana eritreritra mba tsy hiatrehana ny hasarotry ny zava-misy sy handraisana fanapahan-kevitra matotra hiatrehana azy. Lazainy aza fa noho ny mozika kanto notendren’izy ireo no azo lazaina fa nampiadana koa ny fivoahana hamonjy ny lakana vonjy aina. Ny sasany kosa manao tahaka ilay jamba: mipetraka nangataka teo amoron-dalana, na ny marimarina kokoa aza, any ivelan’ny lalana. Tsy afaka ny mahita izy saingy afaka ny mandre kosa. Firy amin’ny teny henontsika moa no mba azontsika na mba tadiavintsika ny heviny sy ny zavatra ambarany rehefa tsy azo. Izay tsy mihanona amin’ny zavatra heno fa manadihady sy mahay manontany ny hafa no hahalala fa i Jesoa no mandalo sy mizotra mankany Jerikao, ka afaka hiantso vonjy aminy.
Izay no nahafahany niantso ilay Zanak’i Davida, ka tsy niraharahiany izay fandrahoanana na izay fandraran’ny olona intsony fa nanehoany ny finoana fa i Jesoa, “Andriamanitra mamonjy”, loharanom-pamonjena hitondra ny hazavana hampahiratra ny maso, no mandalo. Tahaka ny fidiran’Israely tao Jerikao ihany anefa, tsy noho ny herin’olombelona fa noho ny famindram-pon’Andriamanitra irery ihany.
Izay mino no antsoin’i Jesoa ho eo Aminy ary izay manatona Azy no hilazany hoe: “inona no tianao ataoko aminao?” Raha manaiky hihaino azy isika, raha mino fa afaka mampahiratra ny masontsika Izy dia afaka mangataka Aminy koa tahaka ilay jamba hoe: Mba hahita indray ny masoko, mba ho afaka hijery ny zavatry ny tany araka ny fijerin’Andriamanitra (ἀναβλέπω anablepo) aho. Indrindray manko ny fahadisoam-pijery sy ny fiondrehana amin’ny zavatry ny tany no mampilofika antsika.
Ny finoana anefa no mahasitrana, hoy i Jesoa. Ny finoana dia faniriana hanokana ny fiainana hanarahana Azy mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Sitrana ka mahita indray izay tapa-kevitra fa hanaraka an’i Jesoa, vonona hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fiainana, ka ho tonga voninahitra tsy ho an’ny tenany fa ho an’Andriamanitra ny fahitan’ny olona ny soa vitany.
Angatahontsika amin’Andriamanitra àry izany finoana izany, tsy sanatria mba hahitana izay hahombiazan’ny “affaires” sy ny fitadiavana mikasika ny ahiahin’izao tontolo izao, fa fikatsahana izay hampisy hasina sy lanja ny fiainana mba tsy ho zakan’ny rivotra toy ny akofa ihany (salamo 1), fa ho zary vokatra haharitra any amin’ny mandrakizay.