Alatsinainy faha-31 mandavantaona
- Ankasa Filipy 2, 1-4/Salamo 130
- Tsy ankasa Romana 11, 29-36/Salamo 68
- Md Lioka 14, 12-14
[Ary hoy kosa izy tamin’ilay nanasa azy: Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.]
Sarotra ity Evanjely ity. Ny voaasa amin’ny fanasana asainy misafidy ny toerana farany indrindra, ny mpanasa toroany hevitra mba hanasa izay tsy manan-kavaly, hisafidy ny olona voailikilika, tsy manana toerana hipetrahana akory, satria tsy hisy hanasa na oviana na oviana. Ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa sy ny jamba aza dia tsy afaka ny hiditra hivavaka ao an-tempoly akory (2 Sam 5, 8); Lev 21, 16-20). Hisafidy ny ho farany ary hisafidy ireo farany (farahidiny): sarotra ihany izany. Ny antony moa, mbola ho hitantsika rahampitso: satria izany no fomban’Andriamanitra. Ny fomba fifandraisantsika amin’ny hafa dia tokony ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra, ka tahaka ny hitiavany antsika no tokony hitiavantsika azy koa.
Mety hifono avonavona sy fanambaniana (fiheverana ho ambony noho) ny hafa manko ny “fanaovan-tsoa”. Raha tsy azontsika tsara ary masaka ao antsaintsika fa ny mahantra no itongilanan’ny safidin’Andriamanitra, ary izy ireo no sitrany hitovizana (isaky ny manao soa an’izy ireny isika dia aminy no anaovantsika izany), dia mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapony ny soa heverintsika fa tanterahina. Izay mahazo izany dia tsy mirehareha fa misaotra an’Andriamanitra isaky ny afaka manao asa fitiava-namana.
“Asa fiantrana” moa no ilazantsika azy, fa araka ny Evanjely dia “asa fahantrana”, izany hoe mampahantra antsika izany, asa maha-sambatra kokoa antsika satria mampitombo ny hafaliana eo amin’izay hifampizarantsika ny “talenta” nomen’Andriamanitra antsika. Ny atero ka alao dia tsy mifanaraka amin’izany toe-tsaina izany. “Do ut aliis des”, manome aho mba hahafahanao manome ny hafa ihany koa. Soa mihitatra fa tsy mikatona amin’ny fifanakalozana ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Amin’izay fifanakalozana izany dia tonga ato an-tsaiko ny hatsikana ataon-dry Rajao: lany hatramin’ny mason-karena raha mifampividy entana ny mpivarotra.
Amin’ny fitsanganan’ny olomarina no handraisantsika ny valisoa. Tsy hoe tsy hitsangana ny olon-dratsy. Samy hitsanga avy, hoy izy, ao amin’ny asan’ny Apôstôly (Asa 24, 15), saingy ho fanamelohana ny an’izay tsy nahatsapa fa denier iray mitovy ny karaman’izay niasa, ary fisaorana an’Andriamanitra no fahasambarana miandry ny zanany rehefa tapitra ny fivahinianana ety. Izay mihevitra ny hanonitra ny zavatra nafoy tety an-tany dia ho diso hevitra ihany, ho sahala amin’ilay zoky tsy niala an-trano, resahan’i Lioka aoriana kely (Lk 15), ny hafalian’ny lanitra omanin-dRainy indray no tonga fanafintohinana ho azy.
Hitombo ao amintsika anie ny fananovan-tsoa araka ny sitrak’Andriamanitra.