Alatsinainy faha-30 mandavan-taona
- Ankasa Efezy 4, 32 – 5, 8/Salamo 1
- Tsy ankasa Romana 8, 12-17/Salamo 67
- Md Lioka 13, 10-17
[Tsy mila voa tsy hary Andriamanitra amin’ny fiangaviana antsika mba hibebaka. Miandry telo taona toy ny mpamboly aviavy, ary mbola mihaino ny manompony koa hiandry taona hafa, taom-pahasoavana, hihevoana sy hanasi(v)ana zezika mba hamokarana, “raha tsy izany dia hokapaina ihany izy”. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny manararaotra ny tany ambolen’Andriamanitra azy, ny fikolokoloana sy ny zezika omeny, tsy misy afaka ny hiala tsiny fa tsy novoleny na tsy nokolokoloina…]
Fa inona tokoa moa no ataon’Andriamanitra sy ny mpanompony amin’izany taom-pahasoavana omeny mba hahafahantsika mibebaka izany? Manambara amintsika ny Evanjely fa ny Sabata, hahatsiarovana ny fitsaharan’Andriamanitra, nahary ary nahita fa lavorary ny fahariany, dia zary andro nanehoan’i Jesoa ny fitiavany, ka tsy iandrasany fotoana amin’ny fanafahana ilay zanaky ny finoana (abrahama) izay efa nandevozin’i Satana efa 18 taona.
Nataon’ny demony saozanina (ἀσθένεια astheneia, tsy manan-kery hanoherana), nanjoko (συγκύπτω sunkypto, miondrika amin’ny tany) tsy afa-nitraka (ἀνακύπτω anakypto, hitodiana any ambony) io zanak’i Abrahama io. Tsy misy fankalazana ny voninahitr’Andriamanitra raha tsy “velona” ny zanany, ny olona velona no voninahiny, hoy Md Iréné. Ny olona mijoro afa-miandrandra ny lanitra, mihanoka ny fahasambarana nahariana azy, ka afa-mijery ilay mpahary azy, no afaka mankalaza ny Sabata.
Md Grégoire (Hom. 31) dia milaza fa ilay aviavy tsy nahitana voa ihany io vehivavy io, tsy afa-mamokatra araka ny fanekem-pinoana nolovana hatrany amin’i Abrahama. 18 taona, ilazana fa ny olona nohariana ny andro faha-enina amin’ny vanimpotoana mandrafitra ny tantara rehetra (ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy) dia tsy afaka ny hitraka raha tsy mihaino ka manaiky ny tenin’ilay manome alalana (ἀπολύω apoluo) azy ho “afaka amin’ny aretiny” ary manaiky hametrahany tanana. Tsy ampy manko ny mihaino ny teny, ny fanekentsika handray ny hery avy aminy sy hanohy ny asany (manatanteraka izay lazainy) no mahafeno fatra ny fahasambarantsika.
Izay miezaka hahavita amin’ny herin’ny tenany dia hanjoko ao mandrakizay. Mampalahelo ny maheno olona milaza indraindray hoe. “izaho tsy hikonfesy mompera fa mbola tsy efa tafahala amin’ny fahotana”. Ny famindram-pon’Andriamanitra ankalazaina amin’ny konfesy manko no manome hery antsika “hitraka sy hankalaza an’Andriamanitra” tahaka an-dravehivavy.
Ho fankalazana ny fandresen’i Kristy tokoa anie ny fankalazantsika ny Teniny fa indrindr ao amin’ny misterin’ny Eokaristia hankalazantsika ny Pakany, ka hamelombelona ny fanahintsika hitoky bebe kokoa hatrany amin’ilay hany tokana afaka mamelona antsika.