Alatsinainy faha-28 mandavan-taona
- Ankasa: Galata 4,22–5,1/Salamo 112
- Tsy ankasa: Rômanina 1,1-7/Salamo 97
- Md Lioka 11,29-32
[Lioka 11,27-28]- Ny fahasambaran’i Masina Maria dia izay irin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Asain’i Jesoa hanahaka azy koa ilay vehivavy toa velom-pialonana nitsiriritra ny fahasambarany. Ny fahaizan’i Maria nihaino sy nitahiry tao am-pony ny Teny no loharanom-pahasambarany, ary izay rehetra manaiky handray ny Teny afafin’ilay Teny Tonga nofo dia manohy ny asan’i Maria, mahatonga nofo ny Teny, ka tonga fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny vokatra aterak’izany no voninahitra ho an’ny Ray.
Mety halaim-panahy koa isika hihevitra fa sambatra ny olona niara-nonina tamin’i Jesoa, satria nahita maso azy nivantana ary nahita ny zavatra nataony. Lazain’ny Evanjely anio fa ho an’i Jesoa dia taranaka ratsy izy ireo satria mitady famantarana. Ao amin’ny fitantaran’i Md Lioka anefa dia azo lazaina fa izay rehetra mitady fahagagana dia mitovy amin’izy ireo. Azo jerena koa izay nolazain’i Md Paoly ho an’izay mbola tsy mifototra amin’ny finoana an’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona (1Kôr 1,7-25). Ireo Jody nihaino ny fampianarana sy nahita ny fiainan’i Jesoa nifanaraka tamin’izany no tokony hino sy hanaiky ny Teny, saingy izy ireo indray no manery an’Andriamanitra hanaiky ny sitrapony, mba hanome famantarana hahafahany mino.
Tsy misy famantarana hafa azon’Andriamanitra omena mihoatra ny fitiavany anefa. I Jônasa, tandindon’i Israely, vahoaka voafidy, dia voairaka hitory teny any Niniva, renivohitr’i Asiria izay nanjanaka azy ireo, mba hibebahan’ny mponina tao ka ho voavonjy. Sarotsarotra ihany ny hanaiky hitory lalam-pamonjena ho an’ny fahavalo izany, saingy izany no famantarana entin’i Jesoa maneho ny fitiavana. Asehon’izany fanirahana izany ny fitiavan’Andriamanitra mitsinjo sy mitady ny hahavonjy hatramin’izay heverin’ny vahoakany ho fahavalo, ny Ninivita. Fony mbola mpanota isika no maty ho antsika i Kristy, hoy i Md Paoly (Rm 5,8 ).
Mampianatra antsika ny tena finoana ny Evanjely. Mampalahelo ny mandre kristianina mandeha etsy sy eroa, manatona olona lazaina ho nahazo fahasoavana manokana na mitsidika toerana nisehoana fahagagana manokana. Tahaka ny adala ihany ireny, raha tsy miverina ao amin’i Kristy satria rehefa misy manoro azy ny volana, dia ny rantsan-tanana manondro no ataony tsara banjina fa tsy ny volana tondroina tsy akory. Tsy izany no lalana irin’i Kristy izoran’izay te hanara-dia Azy, fa ny fahaizana mihaino ny marina, na iza na iza milaza azy, ka tsy sanatria hiandry hilazan’i Salômôna Mpanjaka vao hino.
Ny Kerygme, izany hoe ny fanambarana ny fahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany ho velona no ivon’ny finoana kristianina, ka na dia izay heverina ho fahavalo aza no mitory ny Teny, tahaka an’i Jônasa tany Niniva, dia hanaiky hiala amin’izany tsy mitondra amin’ny fahasambaran’ny tena sy ny hafa, manaiky hibebaka, satria izany no hahafahana amin’ny loza vokatry ny filomanosana ao anatin’ny fahotana. Ny finoana dia ny fanekena (fa tsy fitadiavana) ny porofom-pitiavana asehon’Andriamanitra ka hanovàna ny fiainana koa ho tonga taratr’izany fitiavany izany. Ny Lakroà no hahafahantsika mibanjina (θεωρeô – theôreô – nahazoana ny hoe théorie) ny fitiavan’Andriamanitra ka handon-tratra amin’ny fahotantsika (Lk 23,48). Ny fibebahan’ireo tany noho ny tenin’i Jonasa, ny fidododoan’ny Mpanjakavavy avy any Atsimo higaga ny fahendren’i Salômôna (1Mpan 10,1-10) dia tonga fanamelohana ho an’izay tsy vonona ny hampifanaraka ny fiainany amin’ny hazofijalian’i Kristy. Tsy Andriamanitra anefa no hanameloka Azy (Lk 9,56) fa ny fandavany tsy hiova fo ka hibebaka.
Ho haintsika anie ny hihaino ny marina, na iza na iza milaza azy, ka hanova ny fontsika hifanaraka amin’ny sitrapon’ilay Andriamanitra maniry ny hahavonjy ny olona rehetra.