Alatsinainy faha-27 mandavantaona
- Ankasa Galata 1,6-12/Salamo 110
- Tsy ankasa Jonasy 1, 1 – 2, 1.11/Jonasy 2, 3-8
- Md Lioka 10, 25-37
Nirahin’i Jesoa hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanomana ny fiaviany ny mpianany. Na ny ho sambatra sy ho any an-danitra aza anefa ny faniriana kolokolointsika ao am-po, dia mety tsy hifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesoa ny fiheverantsika izany lanitra izany. Misy ny mihevitra fa valisoan’ny ezaka ataony ety an-tany ny paradisa, ka mamono tena mihitsy aza hiseho ho tsara noho ny hafa, hahazoana ny toerana voalohany ety an-tany sy any an-danitra. Ary izay miezaka mba manompo dia hahatsiro tena fa mpanompo tsy mikendry valisoa akory. “Lova” ho an’ny zanaka manko, hoy i Lioka ny fiainana mandrakizay. Fanomezana maimaim-poana fa tsy valisoan’ny ezaka vita. Araka izany dia izay zanaka no afaka mandova.
“Ry Mpampianatra o, inona no ataoko mha hahafahako mandova ny Fiainana mandrakizay?” “Tandremo ny didy”. Ambaran’i Jesoa fa izay mitandrina ny didy dia ho velona, satria lalana mitondra amin’ny fiainana izany. Ny Didy voaraikitra amin’ny Bokin’ny Lalàna dia natao hanampy mba hahatonga lafatra ny fiainana, Torah (tsipìka) manoro ny lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana. Tsy sanatria anefa zavatra ambony noho isika na zavatra tsy takatry ny saintsika izany. Eo am-bava, hoy ny Deteronomy 30, 10-14, ary marina izany. Porofon’izany ny fahaizantsika mananatra ny hafa amin’izay tokony na tsy tokony hataony. Saingy sarotra kosa ny mitahiry izany ao am-po mba hampiharana azy amin’ny fiainana.
Ambaran’i Joany mazava fa izay mandray ny fahazavana avy amin’Andriamanitra, manaiky handray ka hiaina ny Teny tonga nofo, Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita (Kolosy 1, 15-20), no hahazo ny fahefana hahatongavana ho zanak’Andriamanitra (Jn 1, 12). I Jesoa irery ihany no Zanak’Andriamanitra ka ny fiombonantsika Aminy no maha-zanak’Andriamanitra antsika. Izay misaraka Aminy dia mamono ny aina hahafahany ho velona ka handova ny Fiainana, satria izay velona no mandova. Izay misaraka Aminy dia tsy hanana solika hahafahana mandrehitra ny jiro, ka hiraparapa ao amin’ny haizina ary tsy ho fantatry ny Ray akory satria ho tavela any alatranon miaraka amin’ny zanaky ny haizina (Mt 25, 1-13).
Ny zava-doza dia adi-lova amin’ny zavatry ny tany no imasoan’ny ankamaroany, eny fa na dia amin’ny samy kristianina aza. Faniriana ny fahafinaretana sy ny harena mandalo no mameno ny fo, ka mazava loatra, tsy misy toerana hitiavana ny hafa tahaka ny tena intsony. Izany no nahazo izay rehetra midina avy any Jerosalema araka ny Evanjely anio. Ny iray saika maty vao navelan’ny jiolahy, mazava loatra fa nitondra harem-be avy any. Tsy hisy jiolahy hirisika hanafika olona mahantra. Ny Mpisorona tsy afaka ny handany andro amin’ny sisam-paty; toy izany ko any Levita. Tsy afaka ny hitia izay tsy mahatsiaro tena ho notiavina. Izay no mahatonga an’i Lioka mametraka eto ny fampianaran’i Jesoa ary miantso antsika hibanjina ilay Samaritana mba hahafahana manao toy ny nataony: ho tonga “naman’ireo ory sy mijaly”.
Tsy afaka ny hahita ilay lehilahy novonoin’ny jiolahy izay tsy mivahiny (ὁδεύω hodeuo), izay mihanona amin’ny mahazatra ka tsy te hizotra ny lalana mankany Jerosalema. Izany no mahatonga ny Fiangonana hiara-mizotra (Syn-hodos) ho any Jerosalema vaovao. Tsy afaka ny hizotra ny lalan’ilay Samaritana (mpitily, שָׁמַר shamar) izay tsy te handao ny fiandrianany (niala tamin’ny fomba maha-Andriamanitra Azy) ka tsy vonona hietry tena, hanatona ka hangoraka ny fahorian’ny olona (σπλαγχνίζομαι splanchnizomai).
Izay mangoraka no vonona hamehy ny fery. Ny diloilo hanaovana ny mofo sy ny divay no entin’ilay Samaritanina hamehy ny ferin’ilay novonoin’ny jiolahy. Ny fijaliany, ny fiainany sy ny Fanahiny no nomeny antsika mba hanasitrana ny rofintsika, sy hampamirapiratra indray ny tarehy (Salamo 104, 15), hahafahantsika iseho ho “endrik’ilay Ray”, mpamindra fo. Izay nositraniny sy natsangany ho zanaky ny Ray no ampitaingeniny ny soavaliny. Raha ny marina, κτῆνος (ktenos) nadika hoe soavaly dia entina ihany koa hilazana izay zavatra nangonina ho an’ny tena. Ny Mpianany, ny apostoliny (iraka) no novidiany lafo (1 Kor 6, 20), “soavaly”, “κτῆνος” hivesatra ilay nokarakarainy, mba hitondra azy any amin’ny “tranom-bahiny”, any amin’ny πανδοχεῖον (pandoKeion, pas-deKomai), ao amin’ny toerana “mandray ny olon-drehetra”, izany hoe ao amin’ny Fiangonana “katolika”. Ao no hahafahan’ny olona rehetra mitia ny hafa satria mahatsapa fa samy zanaka tian’ilay Ray iombonana.
Adidy nankininy amin’ny Fiangonana ny hikarakara sy hitsabo ny olombelona rehetra. Na tsy naharitra aza ny fandalovan’ilay Samaritana, satria ny ampitson’ny nanomezany ny diloilo sy ny divay ilay tompon-trano (mpampiantrano) [Alakamisy Masina] dia nomeny koa denie roa [Zoma Masina], izay azontsika heverina fa ny rano sy ra, loharanon’ny sakramenta, hoentina mikarakara ireo izay ampiantranoiny mandra-piveriny. Mbola hiverina Izy, hanonitra izay lany mihoatra izany na ohatrinona na ohatrinona.
Iza no naman’ilay azon’ny jiolahy? Ilay niantra azy.
Antsoiny hanao toy izany koa izay te ho zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay. Ny famindram-po no hitovizantsika amin’Andriamanitra. Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo (Lk 6, 36). Mangoraka, σπλαγχνίζομαι (splanchnizomai). Io no nandikana ny רַחוּם (raHùm). Tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eksaody 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo izy (רַחוּם) fa tsy afaka ny ho faly raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (חַנּוּןHannùn). Ary izay te handova ny Fanjakany (te hiray aina amin’i Kristy zanany) dia tsy maintsy miala amin’ny toe-tsaina manavakavaka tahaka ny Farisiana (Φαρισαῖος, פָּרַשׁ parash: manavaka, manasaraka) izay mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa, hany ka mitady izay fomba rehetra hanaratsiana izay mahavita soa bebe kokoa noho izy; ny zanaky ny fahazavana dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, ka hitady izay fomba rehetra hanasoavana azy ireo (talata herinandro 14).
Izy ilay mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinany mba hampody lalana ireo naniasia anie hanampy antsika hitsipaka izay mifanohitra amin’ny maha-kristianina antsika ka hifikitra amin’izay mifanaraka amin’ny Evanjelin’i Kristy.