Alatsinainy faha-26 mandavan-taona
- Ankasa Joba 1, 6-22/Salamo 16
- Tsy ankasa Zakaria 8, 1-8/Salamo 101
- Md Lioka 9, 46-50
Ny ady hevitra ny amin’izay ho lehibe dia voajanahary ao amin’ny olombelona, saingy ny fomba fiheverana izany halehibeazana izany no mety hiova arakaraka ny endriky ny andriamanitra tompoina. Averiko mandrakariva ny hoe “tsy afaka ny tsy haka tahaka ny andriamanitra tompoiny (na masoandro io na volana na ny “star”) ny olombelona, tsy afaka ny tsy haniry ho tonga tahaka izay heveriny ho olona manan-daza sy manan-kaja ny fony.
Izay kely indrindra no ho lehibe, hoy i Jesoa. Ambaran’i Lioka hatrany am-piandohana fa ny famakivakiana ny tany efitr’ity fiainana ity dia fiezahana hifehy ny fifandraisana amin’ny haren’ny tany mba tsy handevozin’ny fitiavan-tena sanatria, avy eo ny fiezahana hanafaka ny fo amin’ny avonavona sy ny fitia te hanjakazaka ka hahay hitia ny hafa ho rahalahy sy handray azy tsy ho mpifanandrina fa ho mpiara-dalana, izany no hahafahana misokatra amin’ny fiandrandrana ny lanitra ka hanaiky fa fitiavana Andriamanitra ka ny sitrapony dia mitondra antsika amin’ny fahasambarana. Izay mahazo izany ihany no afaka hahazo fa Andriamanitra “mandray” (accueillant) ny olon-drehetra ny Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy, ary manao fety amin’ny fiverenan’ny zazany na dia avy nandany ny hareny aza.
Tsy fandraisana ny ankizy amin’ny maha-zaza azy anefa no lazain’i Jesoa fa ny fandraisana azy ireo amin’ny anarany. Mora ny mandray ny hafa amin’ny anaram-boninahitra, fa sarotra kosa ny mandray ny olona tsy manan-kavaly amin’ny anaran’Andriamanitra. Tsy ny voninahitry ny tena intsony amin’izay no katsahina fa ny fiadanan’ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Izay tafiditra amin’izany toetsaina izany ihany no afaka mifaly amin’ny soa ataon’ny hafa. Amin’ny evanjely anio dia milaza ny fifaninanana misy amin’ny tena sy ny hafa. Rehefa milamina izay dia miditra amin’ny fanavahana ny “anay” sy ny an’ny “tsy namantsìka”. Jerijerena sy somary avakavahana matetika izay tsy mitovy fihevitra sy fomba amam-panao amintsika, fa ny zava-doza dia ny mety ho azon’ny fakam-panahy hiteny ratsy ny Fanahy Masina, entin’ny fialonana sy ny avonavona ka manadino fa tsy ny ho “iray amintsika”, ho ekipantsika, no tanjona fa ny fanarahan-dia an’i Jesoa mba hanohizana ny asany, ka tokony ho hafaliana mandrakariva ny fahitana izay miombon’antoka Aminy amin’ny fanasoavana ny zanak’Andriamanitra, indrindra amin’ny ady atao amin’ny demony.
Tsy tokony hiambo ny harahin’ny hafa ny Fiangonana. Tsy tokony hialona izay mety maka tahaka ny fomba anasoavany ny olombelona, eny fa na dia tsy miombona tanteraka aminy aza izay manao izany. Tsy ny rafitra no arahina fa i Kristy. Izay tsy tia an’i Kristy no ivelan’ny Fiangonana, hoy i Md Paoly (1 Kor 16, 22). Tsy afaka ny hiambo ho hany tokana manao ny asan’i Kristy na oviana na oviana isika, ka tsy maintsy mianatra mifaly amin’ny fisian’ireo ondry tsy anatin’ny vala, saingy miara-mizotra ho any amin’ny vala tokana tarihin’ny mpiandry tokana. Efa tamin’ny androny (taon-jato IV) no nilazan’i Md Augustin fa betsaka ny kristianina avy ivelan’ny fiangonana, ary tsy vitsy ny mpanomposampy mihaodihaody ao anatiny.
Hahay hifaly amin’ny asan’ny Fanahy tanterahany amin’ny alalan’ireo izay mety tsy manaraka antsika anie isika, ka hanaiky ny didin’i Kristy, hamela azy ireo handroaka ny demony, ary hahatsiaro fa tsy fahavalo izay manafaka ny zanak’Andriamanitra amin’ny herin’i satana, fa mpiara-miombon’antoka.