Alatsinainy faha-25 mandavan-taona
- Ankasa:Ohabolana 3,27-34 /Salamo 14
- Tsy ankasa: Esdrasa 1,1-6/Salamo 125
- Md Lioka 8,16-18
Eo ambony fanaovan-jiro no apetraka ny jiro mba hahitan’izay miditra ny mazava. Tsy ny jiro tsy akory no banjinina fa ny hazavan’ny jiro no hahitana ny zava-misy tsaratsara kokoa araka ny hazavana apariakany. Raha ny mpianatra araka izany no tonga fahazavana, tahaka an’i Kristy, dia tsy ho taitra izy ireo raha mety tsy ho hitan’ny olona akory aza, fa hanampy ny olona kosa hahita ny asa soa ataony, mba hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5,16).
Lazaiko mandrakariva ary ampahatsiahiviko matetika anefa fa indraindray ny tahotra ny haizina no handrindrinana ny varavarana misy ny hazavana. Tsy hisy haizina na oviana na oviana hiditra ao amin’ny mazava, tsy misy ratsy na oviana na oviana handresy ny tsara. Ambaran’i Jesoa amin’ireo mpianany, fa tahaka ny voam-bary afafy ka tsy maintsy maty, mety handalo fahasarotana na fahakiviana, fa ny soa ihany no hahafahana mandresy ny ratsy (Rm 12,21), ny herisetra na ny valifaty heverina fa hiarovan-tena na heverina hanapotehana ny mpanao ratsy dia tsy fandresena fa faharesena manoloana ny ratsy.
Izany tahotra izany no mety hampatahotra ka hampihidy aman-trano. Fa izay mino fa i Kristy izay nanaiky ho faty toy izay hampiasa herisetra na valifaty no natsangan’Andriamanitra Ray ho fahazavana, ka na dia toa tao amin’ny takona amin’ny Apôstôly sy mpianatra vitsivitsy ihany aza no nibitsibitsihany izany misterin’ny Fanjakana izany, dia ambarany kosa fa tsy maintsy hiharihary sy ho fantatry ny olona rehetra ihany any aoriana any.
Izay manana anefa no homena. Mila mihaino tsara araka izany mba hahazoana ny fampianarana araka ny tokony ho izy ka hampifanarahana ny fiainana amin’izay Teny hotoriana. Hevi-diso ny mihevitra fa miankina amin’ny toetra asehon’ny mpitory ny fahombiazan’ny fielezan’ny finoana. Ny Teny manko no manome ny hery, ka sahala amin’ny milaza izany fa tsy manan-kery ny teny. Izay no mahatonga ny evanjely milaza fa na matory na mahatsiaro ny mpamafy dia mitsiry ary mitombo ny teny mandra-pahavokany. Tsy azo tsinontsinoavina kosa anefa ny fahasoavana vokatry ny fitondran-tena mendrika asehon’ny mpitory ny teny.
Ny fahazoana tsirony amin’ny fihainoana ny Teny dia toy ny vain’afo tsy maty ka mahatonga hiteny tahaka an’i Md Paoly hoe: loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho (1 Kôr 9,16), ary ny fandalinana azy dia tahaka ny hazakazaka arahin-tosika am-pidinana ihany ka tsy hijanona intsony raha tsy any amin’ny mandrakizay.
Mampalahelo anefa ireo nanidy fo tsy hihaino ny Teny, na tsy nanaiky hovany ka tsy afaka ny hanandrana ny hamamian’ny fiainana vonton’ny Teny ka tsy mba afaka ny hitondra vokatra maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Hitombo ao amintsika anie ny fitiavana sy ny finiavana handalina ny Tenin’Andriamanitra ary ny fanekena mba hanovany antsika ho tonga fahazavana hanino ny haizina mety hisy amin’ny sehatra hikatrohantsika.