Alatsinainy faha-23 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 5,1-8 /Salamo 5/
- Tsy ankasa:Kôlôsianina 1,24–2,3/Salamo 61
- Md Lioka 6,6-11
Taorian’ny fitantarana ny fahariana ny tontolo vaovao havaozin’ny Sakramentan’i Kristy, efa nolazaintsika tamin’ny sabotsy (Lk 6,1-5), dia ampifandraisin’i Lioka ny fitantarana ireo mpianatra nioty ka nikosoka salohim-bary tamin’ny tanana sy ity lehilahy maty tanana havanana, lazain’ny Evanjely anio. Ny hitsikilo izay ataon’i Jesoa moa no lazain’i Lioka fa tao an-tsain’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina mba hahitana antony hiampangana Azy. Ho an’i Kristy, dia afaka mihinana ny olona amin’ny andro sabata, ary Izy Tenany no nomeny ho sakafo avy amin’ny koban-dafarinina kosehin’ny tanan’ireo mpianany, ao amin’ny Eokaristia Masina. Raha natao ho fankalazana ny aina sy ny fitovizan-jo mbamin’ny fibanjinana ny herin’Andriamanitra ny Sabata (Dt 5,12-15) dia tsy mifanohitra amin’izany ny nataon’ireo mpianatra, tahaka ny nataon’i Davida ihany koa.
Ilay olona nasainy nijoro teo ampovoany moa dia olona maty tanana havanana. Ho an’ny Baiboly moa, dia telo ny zavatra entina mamaritra ny olona: ny maso izay “saina” entina mijery izay marina, ny fo izay “sitrapo” enti-mitia izay tsara (καλός – kalos, beau, tsara tarehy) ary ny tanana izay “fahafahana” enti-manao ny tsara (ἀγαθός – agathos, bon, tsara fanahy). Ny tanana izany no manatanteraka izay marina sy tsara hitan’ny maso ka irin’ny fo. Kanefa na mahita aza ny maso, na maniry aza ny fo, tahaka ity lehilahy ity mba tonga any amin’ny sinagôga ihany mba hihaino ny Tenin’ny Lalàna amin’ny andro Sabata, dia mety ho maina (ξηρός – xèros) ny tanana.
Mifampitohy amin’ny maha fankalazana ny Sabata ho fahatanterahan’ny lahatr’Andriamanitra ny fanontaniana apetrak’i Jesoa eto: “Inona ny mety atao amin’ny Sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?” Ny Lalàna manontolo dia “torolalana” ho an’ny olona mba hizorany ho amin’ny fahasambarana, amin’ny fanaovana ny tsara sy fialàna amin’ny ratsy. Mazava ny valiny tokony homena an’i Jesoa ka ny fijeriny kosa, tahaka ilay topimaso nampitomany fatratra an’i Piera, dia fijery mangoraka sy feno antra.
Ny fanasitranana ilay tanana efa zatra nivonkina mba hihazona ny zavatra rehetra ho azy, ary hitsotra kosa indray, ho sitrana (ἀποκατεστάθη – apokatestathèaoriste passive de ἀποκαθιστάνω – apokathistanô), naverina amin’izay nahariana azy mba ho fanasoavana ny hafa, afaka hanao izay mifanaraka amin’izay atoron’ny saina sy ny sitrapo, ary ny antony naharian’Andriamanitra ny tanan’i Adama dia mba hizaka ny tany, araka ny maha endrik’Andriamanitra azy, kanjo ny hanakatra ilay voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy no naha-maina azy, hoy i Md Ambroise.
Ny fahasitranan’ilay marary tanana anefa dia zary fahatezerana ho an’ireo “mpitsikilo”. Safotry ny hatezerana moa no lazain’ny vakiteny fa ἄνοια (anoia) no lazain’i Lioka: feno “tsy fahampian-tsaina” izy ireo, lasa adala ka miseho amin’ny hatezerana ny fahadalàny, satria ny fahasoavana azon’ny hafa no zary fanafintohinana ho azy ireo. Mandrakariva dia ny tsy fahalalana no mahatezitra, ka izay tsy mahalala an’Andriamanitra, dia mazava loatra fa hitoeran’ny fahatezerana ary tsy hisaina intsony afa-tsy ny hanapotika izay manembatsembana azy, tsy ho afaka hifaly amin’ny soa tsy miantefa aminy.
Tsy ho sanatria anie isika no hiandany amin’izay rehetra tsy manasoa sy mitondra fahafahana ho an’ny olombelona, satria fiombonana amin’ny fiokoana hamono Azy Tompo izany.