Alatsinainy faha-22 mandavantaona
- Ankasa 1 Kôrintiana 2, 1-5 /Salamo 118/
- Tsy ankasa 1 Tesalônika 4, 13-18/Salamo 95
- Md Lioka 4, 16-30[1]
Manomboka ny fitantarana araka an’i Md Lioka ny Evanjelin’ny andavanandro manomboka anio. Ny Evanjely anio dia mitantara ny fiverenan’i Jesoa tany Galilea, tanànany, na faritaniny no marimarina kokoa, izay apetrak’i Md Lioka eo amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny, ho entiny mamintina ny fiainan’i Jesoa manontolo. Lazain’i Md Lioka moa fa tsara ny miala nenina hahalala tsara ny zavatra rehetra ka hanoratra azy milamina tsara, ka izany no iezahantsika ho azo hahafahantsika mandalina bebe kokoa ny misterin’ny Fitiavan’Andriamanitra ambarany amin’ny hafenoany ao amin’i Jesoa Kristy.
Sabàta ny andro ka nandeha toy ny mahazatra tao amin’ny Sinagoga i Jesoa. Ambohi-pihaonana moa io, azo antsoina hamaky ny Lalàna sy ny Mpaminany ary afaka hitoriteny avokoa ny Jody olon-dehibe rehetra. Tsy dia sarotra loatra izany satria ny mahazatra ny ankamaroany dia mianatra tsianjery toritenin’olo-malaza dia mamerina izany fotsiny…
Manonona ny Shemà moa no anombohana ny fotoana, izay toy ny fiekem-pinoana ho an’Israely, avy eo dia manao ny Tsodrano valo ambin’ny folo izay manomana ny famakiana ny Lalàna (Torah) sy ny Mpaminany. Izay mamaky ny Mpaminany no manao ny toriteny mazàna, araka ny mahazatra. Amin’ity Sabàta ity dia i Jesoa no notolorana ny Boky.
Misy antsimpirihan-javatra tsara ho tanana ihany amin’ny fitantaran’i Md Lioka: nandray ny Boky i Jesoa ary manokatra azy. Ny hoe mamelatra moa eto dia ἀναπτύσσω (anaptysso), manodina ny horonam-boky mba hahitàna (εὑρίσκω heurisko) izay tokony hovakiana. Izy no afaka hanokatra ny Boky, hoy i Md Joany any amin’ny Apokalipsa. Izy irery ihany no afaka hanome antsika ny tena hevitr’izay voasoratra. Izy no Teny tonga nofo ka manan-kery hahatonga ny Teny ho fiainantsika.
Rehefa avy namaky ny Teny izy dia nipetraka. Araka ny fomba dia eo am-pitsanganana no hanaovana ny famoaboasana. I Jesoa kosa nipetraka. Io no ataon’ny artista sary amin’ny Kristy Παντοκρατορ, mpifehy sy mpampianatra, satria eo feheziny eo am-pelatanany ny zava-drehetra. Ny Testamenta taloha dia mitondra antsika ho eo Aminy, ary rehefa tanteraka izany dia azo averina amin’ny Mpitandrina ny boky, satria ao Aminy no hahatanterahan’izay rehetra nolazain’ny Mpaminany.
Efajato taona talohany dia naminany Izaia fa izay voahosotry ny Tompo dia ho feno ny Fanahy Masina mba hitory taom-pahasoavan’ny Tompo sy andron’ny famaliana. Androany no efa tanteraka izany, hoy i Jesoa. Anio no afaka ny mpifatotra, foana ny herisetra. דְּרוֹר (dero’r) ny teny ampiasain’Izaia hilazana ny fahafahana, izany hoe ny herin’ny Fanahy Masina no mamaha izay manakana antsika tsy ho afaka hihazakazaka, hanafaka antsika amin’izay fatotra mangeja tsy hahafahana mitia an’Andriamanitra sy ny namana.
Teny soa mahafaly no lazain’izay entanin’ny Fanahin’Andriamanitra, teny fankaherezana mandrakariva. Ka raha sanatria teny mandratra na teny manampy trotraka ny fahorian’ny olona no lazaintsika dia mila mandini-tena sao sanatria tsy ny Fanahy Masina no mampilaza izany fa ny ambom-pon’olombelona. Hilaza ny fahafahana fa avy eo koa hanafaka: teny mifanaraka amin’ny fiainanaary fiainana mifanaraka amin’ny Teny. Tsy milaza fotsiny fa mpanatanteraka koa (Md Jakoba).
Taom-pahasoavana ho an’ny Tompo koa no lazaina, izany hoe izay lazain’ny Boky Levitika 25, 10ss fa haverina amin’ny tompony ny tany rehetra satria taon-jôbily. Afaka mamokatra ka mioty amin’ny taniny avokoa araka izany ny olona rehetra, indrindra ny mahantra, izay mety ho tsy afa-nioty tamin’ny taniny intsony. Tsara ho tsahivina fa tsy nivarotra ny tany ny Jody fa ny vidin’ny vokatry ny tany hatramin’ny jôbily no tombam-bidiny (Lv 25, 15).
Tsy naverin’i Md Lioka moa ny andinin’ny Bokin’Izaia izay milaza androm-pamaliana (נָקָם naqam) ho an’Andriamanitra. Mahagaga ny namerenan’ny mpandika teny azy io ao amin’ny Baibolintsika malagasy. Tsy Andriamanitry ny tahotra manko ny Andriamanitsika fa Andriamanitra mamela ny zanany mpandany hanalavitra ny tranony, ary vonona ny hiandry azy mba hanao fety amin’ny fiverenany indray andro any. Fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany mody any Aminy, tsy sanatria valifaty (נָקָם naqam), ary raha hamaly faty aza izy dia valifaty hitondrany ho amin’ny hafenoan’ny fiainana ny zanany.
Manafaka fa tsy mamatotra ny Tenin’Andriamanitra, ka hanaiky hafahany sy hoentiny amin’ny fahasambarana lavorary anie isika tsirairay avy. Izay mandray ny Teny ka manaiky honenan’ny Fanahy araka izany dia tonga mpanafaka tahaka an’i Kristy, tsy hangataka andro amin’ny fanaovan-tsoa fa ho zary Evanjely, izany hoe ho fahatanterahan’ny faminaniana fa “androany no efa tanteraka eo amin’ny sofintsika ny Soratra Masina”.
Etsy an-kilany koa anefa, ireo mihevitra ny hanara-dia an’i Kristy, dia tsy maintsy hahatsiaro fa fanenjehana mandrakariva no hahazo ny Mpaminany. Rehefa tsy mahazo izay ilainy ny olona, rehefa tsy afaka mitàna ho an’ny tenany irery araka ny faniriany ny tombontsoa sy ny fahasoavana, dia mahavita hatramin’ny mandroaka hiala amin’ny tanàna sy hanjera any an-tevana. Firifiry ny olona manao izany rehefa tsy ahazoany tombontsoa ianao.
Tahaka an’i Elia (אֵלִיָּה, YHWH no Andriamanitro) sy Elisea (אֱלִישָׁע YHWH no Mpamonjy) anefa, izay tena mpaminany dia tsy mandeha any amin’izany mitady azy, tsy handeha amin’ny nahiny fa mandeha any amin’izay hanirahana (ἐπέμφθη, aoriste passive de πέμπω) azy.
Hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina anie isika, ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’izay anirahany antsika.