Alatsinainy faha-21 mandavan-taona
- Ankasa:2 Tesalônisianina 1,1-5.11b-12/ Salamo 95
- Tsy ankasa: 1Tesalônisianina 1,1-10 /Salamo 149/
- Md Matio 23,13-22
Loza (οὐαί – ouai) ho anareo ry Farisianina mpihatsaravelatsihy (ὑποκριτής – hypokritès)[1].
Tsy afaka ny hiaina ny fahamarinana izay mialokaloka ao ambadiky ny toetra na fahefan’olon-kafa, tahaka ireo mpanora-dalana sy Farisianina, miafina ao ambadiky ny lalàna mba hanafenana ny maha izy ny tena ka hamoretana ny hafa, hanambaniana azy mba hisehoana ho ambony sy tompon’ny lalàna. Izay rehetra manao zavatra na dia tsara aza fa tsy entanin’ny fitiavana dia tia tena ihany ka fihatsaram-belatsihy izany eo anatrehan’Andriamanitra, kipantsona maneno, hoy i Md Paoly (1Kôr 13,1).
Ny loza aterak’izany fitiavan-tena izany dia ny fialonana, ka na iza na iza mety hahavita zavatra tsaratsara kokoa noho izaho dia manjary aloka manembatsembana ka mila esorina eo anoloana. Izay mahita aloka anefa dia miamboho ny hazavana mandrakariva. Ao amintsika tsirairay ny fanirian’i Kaina nahatonga azy hahavanon-doza hamono an’i Abela rahalahiny. Raha tsy mitandrina isika dia ho zary fiainana mendrika ny gehena ny fiainantsika, izany hoe fiainana ariana amin’ny fanariam-pako, satria tsy afaka ny hifaly amin’izay tsara sy marina.
Ho an’i Matio dia loza ny tsy fifanarahan’izay lazaina sy izay iainana. Tahaka an’Andriamanitra manome ny Didy (ἐντολή – entolè avy amin’ny hoe ἐντέλλομαι – entellomai: “en” – miaraka – sy “telos”, τέλειος – lavorary, izany hoe ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika) izay maniry hampita izany Didy izany amin’ny hafa, ka izy ireo no voalohany amin’ny fanatanterahana izany. Na i Jesoa aza dia nilaza tamin’ireo te ho mpianany hoe: “Avia ka zahao” (Jo 1,39).
Tsy midika inona ny mety ho zotom-po amin’ny fanaovana zavatra ao am-piangonana, ny fitoriana teny, ny fampianarana katesizy, ny asa heverina hanasoavana ny hafa raha ny fitadiavam-boninahitra no manentana antsika hanao izany, fa tsy ny faniriana hanoro ny marina hahasambatra ny hafa. Amin’ireo mpiara-miasa amiko dia averiko mandrakariva fa ny hafaliana manome sehatra izay mahavita tsara kokoa noho ny tena no marika fa mpanompon’ny fahamarinana isika, ka ny hanitatra ny fanjakan’Andriamanitra sy ny voninahiny no himatesana sy mampitombo ny hafaliana. Misy manko mahavita tsy miditra am-piangonana intsony rehefa esorina amin’ny andraikiny mba hahafahan’ny hafa manao tsaratsara kokoa.
Misy fito ireo filàna loza lazain’i Matio amin’ny toko faha-23. Mila mitandrina mandrakariva koa isika, satria ireo Farisianina sy Mpanora-dalàna kely misisika koa ao amin’ny fiainantsika no itorian’i Md Matio ny Evanjeliny fa tsy ny farisianina avy any ivelan’ny Fiangonana tsy akory. Hiverenantsika kely ary ireo loza telo henontsika amin’ny Evanjely anio.
1- Loza ny fanakanana ny hafa hiditra amin’ny fanjakan’ny Lanitra (Mt 23,13), toy ny nataon’ireo Lohandohan’ny Mpisorona sy ny farisianina nankany amin’i Pilaty mba hiambenana ny fasana (Mt 27,64) kanefa manoloana ny misterin’ny Fitsanganan-ko velona dia nahavita nandoa vola mba hanelezana hevi-diso (Mt 28,13). Ny zavatra ataontsika ve manampy ny hafa hahalala ny marina, sa sanatria fanelezana tsaho sy vaovao mampihorohoro ny hafa. Impiry aho no miady amin’ny “kristianina” sasany mandany andro mampiely tahotra sy fampihorohoroana. “Aza matahotra”. Io anefa no tenin’i Kristy, hanasany ny rahalahiny sy ny anabaviny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, ao amin’ny fahalavorarian’ny fitiavana (1Jo 4,18).
[Ny andininy faha-14 moa dia milaza fa “ny fivavahana lavareny no entina mandany ny fananan’ny mpitondratena”, araka an’i Mk 12,40, kanefa maro amin’ny mpandrindra ny Dikan-teny no manala azy io, satria heverina fa tsy tao amin’ireo lahatsoratra tranainy. Ao amin’ny vakitenin’ny Litorjia moa efa tsy misy izay, fa ao amin’ny Baiboly no misy io. Tsy sanatria noho ny fahazoana tombontsoa na voninahitra na ny “droit d’étole” no hanompoana ny vahoakan’Andriamanitra sy hanaovana ny fanompoam-pivavahana. ]
2- Loza ny “prosélitisme” (and. 15): ny προσήλυτος (prosélytes) moa dia entina ilazana ny fifindran’ny olona iray avy amin’ny finoana hafa mankao amin’ny fivavahana jody amin’ny alalan’ny batemy (tevilà) sy ny famoràna[2], ka mazàva loatra fa izay tsy manaraka ny fombafomba sy ny zavatra takian’izany dia ilàna kisa. Ohatra amin’izany ny ataon’ny sasany, manambany sy manebaka ny hafa mety nandiso ny fihetsika na ny teny tokony hatao, eny fa na dia mandritra ny fivavahana hankalazana ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra aza.
3- Loza ny fianianana (and. 16-22), na ny marimarina kokoa, mila loza izay mihevitra ho mpitari-dalana kanefa tsy mahatsapa ny fahajambany, ka ny fianianana no hanakonana izany. “Aza mianiana akory na amin’ny lanitra na amin’ny tany”, hoy i Jesoa (Mt 5,33). Inona tokoa moa no ilàna ny fianianana raha toa ka miaina ny fitiavana? Midika tsy fifampitokisana ny fianianana ka ho an’i Jesoa dia tsy azon’ny mpianany atao izany, tsy afaka ny ho roa lela ny mpianatra fa tokony hanana valinteny mazava. Ny vokatr’izany eo amin’ny fiainana koa, ankoatra ny tsy fifampitokisana dia mampiseho ihany koa toe-tsaina mino fa andriamanitra mpamaly faty ny Andriamanitsika, ka handringana ny mpandainga sy hamaly faty ny mpamitaka. Adala (μωρός – môros) sy jamba izay manao izany. Tsy i Matio no mana-“fòka” ny rahalahiny sanatria ka hohelohina amin’ny Gehena (Mt 5,22), fa ny ataony ihany.
Tian’i Jesoa mba hampiasaina hitarihana ny olona ho amin’ny famonjena ny teny aloakan’ny vavantsika, ka ho teny tsy misy fitaka, teny mifanaraka amin’ny fiainana sy izay ao anatin’ny fo lalina. “Eo am-bavan’ny adala no misy ny fony, fa ao am-pon’ny hendry kosa no misy ny vavany”, hoy i Jesoa zanak’i Siraka (Si 21,26), izany hoe ny adala no miteny zavatra tsy voadinika.
Tsy midika izany fa hahay ny zavatra rehetra isika. Ny valin-teny hilazana fa “tsy mahalala izay havaly”, dia tokony ho araka ny hitsim-po, kanefa kosa miampy ny fahavononana hikaroka mandrakariva ny tena marina. Tsy midika koa izany fa izay heverina ho marina sy heverina ho fantatra ka tonga ao an-tsaina dia holazaina. Ny mpianatr’i Kristy dia mandanjalanja ka mampiasa ny teny lazainy hanasoavana.
Angatahontsika ny fahasoavana mba hahafahantsika mifanohana amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra ka handresy mandrakariva ny fandrika velarin’ny fitiavan-tena sy ny fitsiriritam-pahefana sy voninahitra mampihatsaravelatsihy.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.
[1] Ao amin’ny Mt 23,13-37 dia im-pito no miverina io: and. 13.15.16.23.25.27.29.
[2] Cf note Bibleworks 10: « Les rabbins considéraient deux catégories de prosélytes:
a) les prosélytes de la justice, qui adhéraient à la circoncision, au baptême, offraient des sacrifices, pratiquaient le Judaïsme intégral
b) les prosélytes de la porte, moins avancés, suivaient les sept préceptes de Noé (sept péchés capitaux: idolâtrie, blasphème contre Dieu, homicide, impudicité, vol ou pillage, rébellion contre les gouvernants, et usage de la viande avec le sang), mais ne se soumettaient ni à la circoncision, ni à l’ensemble des ordonnances juives ».