Alatsinainy faha-20 mandavan-taona
- Ankasa:Ezekiela 24,15-24/Dt 32,18-21
- Tsy ankasa:Mpitsara 2,11-19/Salamo 105
- Md Matio 19,16-22
Ry Mpampianatra[1] o, inona no “tsara” (ἀγαθός – agathos) tokony hataoko mba hahazoako (ἔχω – echô) ny fiainana mandrakizay? Ao amin’i Marka (Mk 10,17-22) sy i Lioka (Lk 18,18-23): Ry mpampianatra “tsara” (ἀγαθός – agathos) o! inona no ataoko mba handovàna (κληρονομέω – klèronomeô) ny fiainana mandrakizay? Ny valin-tenin’i Marka sy Lioka dia hoe: Nahoana no iantsoanao ahy hoe “tsara”. Ao amin’i Matio kosa, ny hoe: Τί με λέγεις ἀγαθόν (BYZ) dia nadikan’ny TOB hoe: “Pourquoi m’interroges-tu sur le bon”, inona no antony hanontanianao ahy momba ny “tsara”? Heverin’ity tovolahy ho valin’ny tsara ataony ny fiainana mandrakizay, kanefa ny “hatsaran’Andriamanitra” no manome antsika io fiainana io maimaim-poana ho lova. Tsy ny hanana ny fiainana mandrakizay no ampirisihan’i Jesoa an’ilay nanontany Azy fa ny mba “hiditra amin’ny fiainana (ζωή – zôè)”.
Ireo didy mahakasika ny fanasoavana ny namana no notanisain’i Jesoa ka nolazainy fa lalana hidirana amin’ny fiainana. Tsy ampy anefa ny miditra amin’ny fiainana. Ny fahalavorariana no iantsoan’ny Evanjely antsika: Inona no atao raha te ho tonga amin’izany?
“Mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra dia hanana rakitra any an-danitra ianao”. Izany no lalam-pahalavorariana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay atoron’i Jesoa antsika. Izay te ho zanaka marina tokoa, ka afaka mandova ny Fiainana dia tsy afaka ny tsy hizara amin’ny rahalahy ny anjara lova, tsy any an-koatra ihany fa dieny ety an-tany koa.
Ny firaiketam-po amin’ny harena mandalo anefa mamitaka, mangeja ny Teny ka tsy hahafahany mamokatra (Mt 13,22). Lazain’i Md Paoly aza moa fa ny fitsiriritana harena sy ny fitiavam-bola no loharanon’ny ratsy rehetra (1Tm 6,10). Sarotra ny manesotra ny fo amin’izay iraiketany, izany no mila itandremana sao miraikitra amin’ny zava-mandalo ny fontsika ka tsy hahafoy izany mba higohana ny hamamin’ny mandrakizay.
Ny didy (ἐντολή – entolè) asain’i Jesoa tandremana dia tsy inona fa torolalana hahafahana mizotra araka ny lalànan’Andriamanitra, mizotra mankany amin’ny fahasambarana nampanantenainy. Fitiavana no famintinana ireo. Ny fitiavana no mampisy heviny ny fiainana satria fidirana amin’ny fiainana; izay ataontsika amin’ny hafa maimaim-poana no rakitra tsy tontan’ny ela ho antsika any an-danitra. Raha tiantsika ny ho lavorary, [τέλειος (teleios), avy amin’ny hoe τέλος (telos) dia midika hoe ho tojo amin’ny farany, hifanaraka amin’ny tanjona irin’Andriamanitra ho an’ny zanany] dia tsy tokony hitahiry sy hiahy ny ampitso isika fa hizara ny fananana manontolo ho an’ny hafa, na ny marimarina kokoa, ho an’ny mahantra. Ny fitiavan-tena dia mampisaraka antsika amin’ny rahalahy ary mampanalavitra antsika koa amin’ny fitokisana amin’ilay Ray izay mitsinjo ny zanany rehetra ary manakana antsika tsy hanara-dia an’i Kristy.
Ny hambom-po sy ny hafanam-po toa afo-mololo dia mety ho lefy vetivety. Mety ho fitia te hisehoseho fotsiny manko, na mety ho tahotra no hanarahantsika ny Didy (didy izay efa nohazavain’i Matio any amin’ny toko 5). Ny fahaizana mizara ny fananana ho an’ny hafa kosa ka hampisokatra ny fo ho afaka hanaraka an’i Jesoa no lalana mitondra antsika any amin’ny tanjona irina: dia ny fiainana mandrakizay, fiainana araka ny fiainan’Andriamanitra. Tsy ny rehetra anefa no afaka hahazo izany teny izany, satria izay tsy vonona hivarotra ny fananany rehetra (κτῆμα – ktèma) toy ny Apôstôly (Asa 2,45) dia hiala amin’alahelo.
Angatahontsika ny fahasoavana mba tsy hiverenantsika any an-trano amin’alahelo fa amin-kafaliana, dia ilay hafaliana marina sy maharitra mandrakizay, satria efa nahita ilay rakitra nafenina isika, efa nahita ny voahangy sarobidy ka tsy misalasala mahafoy izay ananana mba hahazoana ny mandrakizay.
[1] tsy misy tsara ao amin’i Matio