Alatsinainy faha-18 mandavan-taona
- Ankasa:Jeremia 28,1-17/Salamo 118
- Tsy ankasa: Fanisana 11,4-15 /Salamo 80
- (taona B-D) Md Matio 14,13-21
- (taona A) Md Matio 14,22-36 – jereo Talala faha-18
Raha halalinina ny fizotry ny Evanjely, rehefa avy naka ka nandevina ny fatin’i Joany ny mpianany dia nandeha nitantara ny zava-nitranga tamin’i Jesoa, izay niala teo, niondrana an-tsambokely mba handeha hitokana samirery tany an’efitra. Ny toerana naha-lehibe Azy, ny tanindrazany (πατρίς – patris), i Nazareta izay niverenany nampianarana tao amin’ny Sinagôga no nialan’i Jesoa indray, nefa vao eo izy no niala tany Kafarnanoma mba ho any, ary tao no nidirany farany tao amin’ny Sinagôgan’ny Jody. Mampianatra antsika zavatra maro amin’izay tokony atao manoloana ny adin-tsaina izany: ho any an’efitra mba hivavaka.
Nolazaintsika fa mora ny mimenomenona amin’ny tsy rariny eo amin’ny fiaraha-monina, saingy tsy mora ny manatona ny Tompo satria mangetaheta marina tokoa izany fahamarinana izany. Amin’ny fitantaran’i Matio sy i Marka, raha haravona, na noho ny fankahalan’i Herôdiada na dia noheverin’i Herôda ho lehilahy marina sy masina ihany aza i Joany (Mk 6,17-20) na noho ny mety ho olana ara-pôlitika manokana nateraky ny fampianaran’i Joany ka nahatonga an’i Herôda nitady hamono azy saingy natahotra ny vahoaka izay nanao azy ho mpaminany (Mt 14,5), dia samy manambara ny hiafaran’izay mikatsaka marina tokoa ny fahamarinana.
Izany no ilàna ny fihatahana masina sy ny laretirety, handinihana ny tokony hatao, hananana hery hirosoana hatramin’ny farany amin’ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany mialoha ny zavatra rehetra (Mt 6,33). Izay mahatsapa fa fahasambarana ny fanagadrana sy ny famonoana ny martiry toa an’i Joany Batista ihany (Mt 5,10) no afaka hanasoa ny vahoaka, hisikim-ponitra hikolokolo (θεραπεύω – therapeuô) ny farofy tahaka an’i Kristy, satria onena ny fony (σπλαγχνίζομαι – splanchnizomai), alahelo ho azy ny mahita ny vahoaka marobe mandeha an-tongotra, miaritra ny andro manontolo manaraka an’ilay Lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy sanatria ho azon’ny fakam-panahy isika rehefa sorena amin’izay manahirana ka ny hafa mba mila vonjy indray no vingavingaina. “Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany”, hoy i Md Paoly (Rm 12,15).
I Herôda namory ny namany tao an-dapany, i Jesoa sy ny Mpianany kosa nahavory ny olona any an-taniefitra. Ny andro efa mandrorona, ny “ora” efa nipaika, ny tao an-tsain’ny mpianatra dia ny handrava ny vahoaka mba samy hitady izay harapany. Tsy araka ny hevitr’Andriamanitra anefa izany hoe samy manavotra ny tenany izany. Tsy ampy koa ny mitanisa ny fahorian’ny vahoaka. Izay no nanomezany baiko ny mpianany tsy hiala andraikitra fa “hamahana ny olona” naharitra nihaino an’i Jesoa tany an’efitra, hamaly ny fanirian’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ka hahatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Izay vonton’ny Evanjely dia tsy hamela izay nanatona azy tsy ho vokin’ny hanina mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay ka sanatria hitondra tanam-polo hody any an-trano.
Tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy hazan-drano roa anefa ny Mpianatra. Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny aloakan’ny Vavan’Andriamanitra koa. Ny boky dimin’i Môizy (ny Lalàna) sy ny Mpaminany ary ny Salamo, izay Boky voalohany ao amin’ny Soratra (TNK) no lovam-panahy nananan’ireo mpianatra taorian’ny andro hariva, ilay nanoloran’i Jesoa ny ainy ho antsika. Ny hazan-drano roa moa azo anoharana ihany koa an’i Kristy sy ny baikony hitia an’Andriamanitra sy ny namana tahaka ny tena amin’ny fo manontolo. Ho ampy ny vahoaka ve izany? Hahavoky ny vahoaka ve izany? Ny fahendrena kely norantovina tao amin’ny seminera ve hahafahana mamoky ny vahoaka ho anay pretra? Ho ampy inona izany amin’ny famahanana ny vahoakan’Andriamanitra?
Tsy mangataka amintsika zavatra tsy ananantsika na oviana na oviana Andriamanitra fa mangataka kosa mba hanolorantsika manontolo izay ananantsika, mba hampiasantsika izany amin’ny “famokisana” ny vahoakany. Raha haintsika ny mitondra izay ananantsika any amin’i Jesoa dia hainy koa ny manova izany ho tso-drano (εὐλογία – eulogia = berakāh, berakot), hankalazan’ny olona ny hatsaram-pon’ny Tompo. Izay mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny harena eo an-tanany dia tsy afaka ny tsy hizara izany amin’ny hafa. Tsy milaza fampitomboana ny mofo tsy akory ny Evanjely fa milaza ny tso-drano fisaorana sy ny fizarana izay eo am-pelatanana ho an’ny olona rehetra. Izay manaiky ny baikon’i Jesoa dia sady hamoky ny hafa (Sal 22,27), no hameno ny sobikan’ny hafaliana eny an-tanany, tahaka ny Apôstôly roambinin’ny folo. Hafenoan’ny hafaliana no valisoan’ny fanaovan-tsoa. Isaory ny mahantra nandray ny fiantranao, hoy i Md Basile, satria raha tsy izy tsy afaka mandray anjara amin’izany hafaliana izany ianao.
I Jesoa no ilay Mpiandry ondry (Sal 22) mitondra ny ondriny amin’ny tanim-bilona maitso. Aiza ho aiza any an-taniefitra moa no mba hisy ahitra hipetrahan’ny olona! Ambaran’ny Evanjely amintsika amin’izany ny asan’izy Tompo izay mampamokatra ny taniefitra (Iz 35,1-4), ny hatsaram-pon’ilay Mpiandry mitarika antsika ondriny ho amin’ny vilo-maitso, ka hahafahantsika misantatra ny fanasan’ny Paka mandrakizay omaniny ho antsika any amin’ny fanjakany.
Omenareo hanina izy ireo. Isika no tiany ho tonga mofo, toa Azy, hamelona ny olombelona.
Izay rehetra ananana no amidy mba hahazoana ny saha, ny voahangy rehetra efa voaangona no amidy mba hividianana ny voahangy tokana tsara indrindra. Tsy sanatria hitadiavana voninahitra anefa ny antony hamokisana ny vahoaka. Izany no antony naneren’i Jesoa ny mpianany hiondrana an-tsambokely vantany vao voky ny vahoaka. Ny fahaizantsika mizara izay ananantsika amin’ny hafa no hahafahantsika miditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra ka handraisantsika anjara amin’ny fanatanterahana ny fampanantenana nataony. “Fahagagana” mandrakariva no vokatry ny fahalalaham-po. Mahatalanjona satria asan’Andriamanitra
Mazava ny hafatra azo tsoahina avy amin’ny Evanjely fa tsy misakana velively ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ny fiahiana ny hanina, ary tsy ny hanadinoantsika ny fivelomana no takian’Andriamanitra amintsika. Tsy manakana antsika hanamasin-tena ny fiahiana ny fivelomana ary ny fahatsapana fa ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no tena mahavelona antsika (Iz 55,1-11) dia manampy antsika hitoky ny fitiavany sy hanatontosa an-tsakany sy an-davany izay adidy miandry antsika.
Hanampy antsika hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fanomezana omeny antsika anie ny fankalazantsika ny Eokaristia, ary hanokatra ny fontsika hizara amin’ireo izay toa “niangaran’ny vintana”, hiantsoan’Andriamanitra ho hendriky ny fitiavany.