Alatsinainy faha-17 mandavan-taona
- Ankasa Jeremia 13, 1-11/Det 32, 18-21
- Tsy ankasa Eksaody 32, 15-34 /Salamo 49
- Md Matio 13, 31-35
Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voatsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lalivay. Fanoharana no hitenenan’i Jesoa satria hanambara ny zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao izy. Zava-mihafina ary fanontaniana mitambesatra ao an-tsain’ny olona ny fisian’ny ratsy sy ny fisehoany ho toy ny mpandresy indraindray. Toy ny voan-javatra kely indrindra ny tsara hoy i Jesoa, toy ny lalivay mifangaro amin’ny koba. Tsy hitan’ny maso saingy raha sanatria tsy eo dia hita ny fahabangany.
Ny fanoharana voalohany dia mampahatsiahy antsika fa tsy mitsahatra ny mitombo ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy fisehoana mahagaga midina avy any an-danitra anefa izany fa ny vokatry ny ezaka tsikelikely ataon’ireo manaiky hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka, manaiky hamafy ny tsara ao amin’ny tanimboliny. Mila faharetana izany satria tsy ny sitrapon’ny mpamboly no mampitsimoka sy mampitombo ny voa fa ny hery avy amin’ilay mandahatra ny zavatra rehetra, mandrotsaka ny ranonorana sy ny ando mba hampamokatra ny tany. Tsy afaka ny hanana izany fanantenana ho tonga hazo hialofan’ny voromanidina rehetra izany anefa (Ezekiela 17, 22-23; 31, 6; Daniela 4, 9.18) raha toa ka tsy maty ny voa nalatsaka tamin’ny tany (Jo 12, 224-25). Izay mitahiry ny ainy, dia hahavery azy (averin’i Md Matio in-droa io Mt 10, 39; 16, 25) fa izay hahafoy azy manontolo kosa, na dia tahaka ny voatsinapy aza, na dia tahaka ny farantsa roa sisa tavela tamin’izay nosolokian’ny mpanora-dalàna (Mk 12,40), tahaka ny rakitr’ilay mpitondratena aza (Mk 12, 41-44), dia izay no hampitsimoka eo amin’izao tontolo izao ny fanjakan’Andriamanitra, ka hahafahany mitombo kosa. Ny tsirairay no mandinika amin’izany, sao hitahiry ny fiainany sy izay heveriny ho ananana ho amin’ny fahaverezana.
Ny fanjakan’ny lanitra koa anefa dia tahaka ny lalivay, tsy ny koba fa ilay vehivavy anankiray no nampiasa azy, saingy manana hery hampitombo ny koba manontolo. Ny mpianatr’i Kristy, sitrany hifangaro amin’izao tontolo izao dia nomeny hery hanavao ny zavatra rehetra ho tonga iray ao Aminy, rehefa tonga ny fotoana. Tsy dia ny hery ananan’ny lalivay loatra no tiako hisarihana ny saintsika fa kosa ny fahafoizana ataon-dravehivavy hanafangaro ny lalivay amin’ny lafarinina. Raha tsy mifangaro amin’ny lafarinina ny lalivay tsy hibohoka na oviana na oviana ny koba. Fa tsara hodinihana koa ny antony nandraisan’i Md Matio ny ohatra mikasika ny lafarinina in-telon’ny famarana (σάτον saton = סְאָה ce’ah). I Sarà no vehivavy nasain’i Abrahama vadiny handity lafarinina in-telon’ny famarana handraisana ireo Olona Telo nasainy hivahiny ao aminy. Raha manodidina ny 12 litatra ny iray סְאָה dia mofo ampy ho an’ny olona zato mahery izany no ho vitan’ny in-telo famarana. Izany fahalalaham-po (générosité) nananan’i Abrahama izany no tokony hanomezantsika ho an’Andriamanitra. Izany no fahasambaran’ny olona matahotra ny Tompo (Sal 112, 1.9) ka ny asa fiantrana atao araka izay tratra dia hitombo sy haharitra mandrakizay ho voninahitr’Andriamanitra (2 Kor 9, 6-15).
Na dia zavatra bitika tahaka ny voatsinapy, na ny lafarinina rehetra notehirizina ao an-trano dia antsoin’ny Evanjely isika hahafoy manontolo, hatramin’ny aina, mba hahafahana manandrana ny hamamin’ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra.
I Kristy no voa nafafin’Andriamanitra, notsinotsinoavin’ny olona, kely indrindra ary heverin’ny sasany ho tsy misy akory aza, maty tamin’ny fahafatesana mahafa-baraka teo ambony hazofijaliana, kanefa nasandratr’Andriamanitra ho Hazo velona hialokalofan’izay vesaram-pahoriana. Izay mahita azy toy izany ihany no afaka hahazo ny zava-miafina sitrak’i Jesoa ambara amintsika.
Ny lakroan’i Kristy dia manambara ny fijaliana sy ny fanambaniana mianjady amin’ireo enjehina noho ny marina. Ny “valifaty” andrasan’ny marina amin’ny mpanao ratsy azy dia ny fiarahana mizara amin’izy ireo ny hasambaran’ny lanitra: “avelao ny helony Ray”, hoy i Jesoa(Lioka 23, 34); “aza tanana ho hadisoany izao ry Tompo”, hoy Etiena miala aina (Asa 7, 60).
Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka ary tsy niteny taniny afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy (diso ka mila ahitsy ny dikan-teny ao amin’ny sorona masina andavanandro). Tsy sanatria Andriamanitra no manafina ny mistery amin’ny sasany. Mpanavakavaka Izy raha izany. Sitrany ho tonga amin’ny fahalalana ny marina avokoa ny olona rehetra, hoy Md Paoly (1 Tim 2, 4). Izay tsy manaiky ka manamafy ny fony, tsy hoe tsy hanambarana ny Teny, fa kosa hitoriana azy amin’ny fomba faran’izay tsotra indrindra aza: apetraka eo anatrehany ny Teny mitondra amin’ny fiainana. Izany no lazain’ny Salamo 72, 2 hoe: “Hiloa-bava hilaza oha-teny sy hamoaka ny zava-miafina hatry ny ela”.
παραβάλλω (paraballo) moa dia midika hoe mametraka eo anilany na eo alohany ka avy amin’io ny hoe παραβολή, parabolè izay nadika hoe fanoharana. Izany no hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany hamafy ny Teniny ka ho ren’ireo miseho ho be marenina sy ho hitany miharihary avokoa ny fanambarana, ka safidiny ny hanidy sofina sy hanakimpy maso na tsia.
Hitombo ao amintsika anie ny voa nafafin’ny finoana ka hahatonga antsika koa ho azo azon’ny olona rehetra hialofana.