Alatsinainy faha 14 mandavan-taona
- Ankasa: Ôsea 2,16-22/Salamo 144
- Tsy ankasa: Jenezy 28,10-22a/Salamo 90
- Md Matio 9,18-26
[Ao amin’i Matio 8-9, dia fitantarana “asa folo” (satria ny mitambatra ny fitantarana ny fananganana ny zanak’i Jaira sy ilay vehivavy mitsi-drà) no manohy ny fidinan’ilay Môizy vaovao avy eny an-tendrombohitra: fanasitranana olona telo nailiky ny fiaraha-monina (boka, ny jentily – goHim, vaviantitra mararin’ny tazo – Mt 8,1-17); famantarana anehoana ny fahefany (ranomasina mitony, azon’ny demony, kilemaina); ary fanasitranana miaraka telo (zanakavavin’ilay lehiben’ny Sinagôga sy ilay vehivavy nitsi-drà samy 12 taona; ireo jamba roalahy; ilay lehilahy sady moana no azon’ny demony Mt 9,18-35). Ireo famantarana roa ambin’ny folo nahazoana fahasoavana ireo dia tandindona ihany, sahala amin’ny foko roa ambin’ny folo teo amin’i Israely, santatry ny vahoaka maneran-tany hanirahana ny Apôstôly].
Ambaran’i Matio fa i Jesoa nitsangan-ko velona (ἐγείρω – egeirô) (and. 19) no nandeha hanasitrana ilay vehivavy nitsi-drà sy hanangana ho velona ilay zanakavavin’ilay lehiben’ny Sinagôga (ἄρχων – archôn, lehibe fotsiny ao amin’i Matio, ἀρχισυνάγωγος – archisynagôgos any amin’i Marka). Ao amin’i Marka (Mk 5,21-43, andininy 23 be izao) sy i Lioka (Lk 8,40-56) dia tsy mbola maty fa ambavahaona (an-dohariana) ilay zazavavy, ao amin’i Matio kosa dia efa maty vao izao. Raha dinihina dia zavatra iray ihany no lazain’ny Evanjely: inona no atao hoe “finoana” raha tsy ny fikasihana an’i Jesoa, eny fa na dia ny moron-tongotr’akanjony ihany aza, ary izany no hahafahantsika miala amin’ny fahafatesana ka hiditra amin’ny fiainana. Ny hoe manendry moa, ἅπτομαι (haptomai) no ampiasain’i Matio, raha ny marina dia midika hoe: mifikitra, miraikitra ary azo adika aza hoe: “mandrehitra afo” (fototeny ἅπτω – haptô), dia ilay afom-pitiavana sitrak’i Jesoa hiarehitra ao am-pontsika tsirairay avy (Lk 12,49). Ao amin’i Matio koa dia tsy ny akanjon’i Jesoa no nokasihin’ilay vehivavy fa ny “sahondran’akanjony” (κράσπεδον – kraspedon, צִיצִת – tsîtsith amin’ny teny hebrio) izay didìn’ny lalàna mba hatao amin’ny zoro efatry ny akanjo mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka ary hiekena fa Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana (Fan 15,37-41, Dt 22,12). Ny finoana, izany hoe ny fiekena fa “Izy no Tompo Andriamanitra” afaka manangana ho velona, afaka mamerina amin’ny laoniny ny fiainana, ino hahafahantsika mandray ny aina avy amin’ilay Tompon’ny aina na velona isika na maty (1Tes 5,10).
Tsy mila manontany ny olona i Jesoa, ao amin’ny fitantaran’i Matio. Nitodika Izy ka nahita izay nikasika Azy ary nilaza hoe: “Matokia” (Θάρσει – tharsei; θαρσέω – tharseô). Fitokisana tsy hiandrasana anefa izany fa eo noho eo, entin’i Matio maneho ny fahefan’i Jesoa. Amin’ilay fitantarana ny aviavy ohatra, mba hahafahana mahazo tsara izany dia maina teo noho eo ny aviavy, ho an’i Matio (Mt 21,19), ao amin’ny fitantaran’i Marka kosa dia ny ampitso vao hitan’ny mpianatra fa maina ny aviavy (Mk 11,21).
Tsy sasatra ny olona manao izay ho afany, na amin’ny fahaizana na amin’ny fananana hitady izay hitazomana ny aina ka handresena ny fahafatesana. Mazava anefa ny fanambaran’Andriamanitra amin’ny fahatongavan’ny zanany ho nofo: maty tamin’ny fahafatesana mahafa-baraka mba handresy ny fahafatesana. Ho an’izay mino dia mandresy ny ‘tahotra ny fahafatesana’ ny finoana ny fitsanganan-ko velona. I Jesoa, antsoin’ilay lehiben’ny sinagôga satria maty ny zanany, τελευτάω (teleutaô, nadika hoe maty) tonga amin’ny fiafarany no nilazan’i Matio azy. Tsy fiafarana sanatria ny fahafatesana, tsy maty (ἀποθνῄσκω– apothnèskô), tsy levona akory razavavavy fa matory (καθεύδω – katheudô, rendri-torimaso), ho an’izay mino diatsy levona ny aina fa miofo, hoy ny Prefasy I ho an’ny nodimandry, ka rehefa rava ny fonena-mandalo eto an-tany dia hisolo fonenana maharitra mandrakizay any an-danitra, any amin’ny sakafo omanin’ny zanak’ondry ho an’ireo voaasa amin’ny fanasany. Izay angamba no nahitan’i Jesoa ny mpitsoka sodina (αὐλητής – aulètès) izay hanokatra sahady ny “dihy” amin’ny fandresen’ny olom-boavonjy (ny fitsofana sodina dia entina hanentanana amin’ny dihy, jereo Mt 11,17).
Izay tsy mino ny Tenin’i Jesoa dia hihomehy Azy (καταγελάω – katagelaô, maneso). Izay no mifanohitra amin’ny finoana, tahaka ny ataon’ireo lohandohan’ny Mpisorona sy mpanora-dalàna ary loholona maneso an’i Jesoa “namonjy ny hafa fa tsy namonjy ny tenany” (Mt 27,41-42). Izay mino kosa dia mahalala ka mino fa “izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy” fa izay mampiasa azy hanaovana soa ho an’ny hafa no hampisy heviny ny fiainany (Mt 16,25).
Isika rehetra dia tahaka ireto zanakavavin’i Siôna roa ireto: amin’ity fiainana ity dia miezaka ny hanendry an’i Jesoa mba hahazo ny famonjena avy Aminy. Tsy Izy no tsy te hanome antsika ny famonjena fa raha tsy isika kosa no maniry handray ny fankaherezana avy Aminy, dia tsy afaka ny hanery antsika Izy. Tsy sasatra ny mamerina amintsika izy hoe: “matokia anaka, ny finoanao no nahasitrana anao”. Rehefa tapitra kosa ity fiainana ity dia Izy no handray an-tanana antsika, tahaka ny mpampakatra mandray ny tanan’ilay ampakarina ka mitondra antsika mba hiara-belona Aminy mandrakizay any amin’ny fanasany.
Ho fisantarana ny fiombonam-piainana miaraka aminy anie ny fandraisantsika Azy amin’ny Kômonio Masina.