Alatsinainy faha-13 mandavantaona
- Ankasa Amosy 2, 6-10. 13-16/Salamo 49
- Tsy ankasa Jenezy 18, 16-33/Salamo 102
- Md Matio 8, 18-22
I Mateo no ilay Mpanora-dalàna tonga mpianatr’i Jesoa ka mahalala tsara ny fahasamihafan’ny toe-tsaina tokony hananana raha te ho tonga mpianatra marina tokoa. Izay te hanaraka an’i Jesoa dia mila manaraka azy eny am-pitan-drano, mila manapa-kevitra hiala amin’ny tany sy izay mahazatra, hiala amin’ny tazo mety mampandamaka ka hitsangana hanompo ny hafa (Mt 8, 15), ka hizotra ho any amin’ny Tany nampanantenaina, ka hitoky azy ilay Moizy vaovao, hanafaka ny vahoaka amin’izay loza mety hahazo azy eny an-dalana (tafio-drivotra, ny herin’ny maizina mampioron-koditra, ny fahotana izay mampilamaka, ny aretina sy ny fahafatesana – Mt 8, 23 – 9,26: ireo andiana fahagagana telo manaraka tantarain’i Matio).
Ny Mpanora-dalàna rehefa mahita mpampianatra malaza dia manao izay hahatongavana ho mpianany ka rehefa mahay dia manokatra sekoly mba hampianarana koa. Laza sy voninahitra no katsahina, ary mazava loatra fa manaraka ho azy eo ny harena. Ho an’izay te ho tonga mpianatr’i Jesoa anefa dia mazava ny teniny: tsy mampanantena na inona na inona izy, satria na izy aza tsy manana izay hampandriany ny lohany. Mety tsy hanana fotoana hampianarana manokana akory aza angamba izy araka izany, satria raha izay ampianariny ny sarambabe ihany no ho hain’ilay Mpanora-dalàna, mazava loatra fa tsy hiavaka amin’ny be sy ny maro intsony izy. Izay te ho tonga mpianatr’i Jesoa dia hahita ao Aminy, Izy ilay Teny, ny harena miafina, ny voahangy sarobidy (Mt 13, 52. 44-46), ka hahafoy ny zavatra rehetra mba hahazahoana Azy.
Ny amboahaolo sy ny voro-manidina dia hazain’ny olona satria manimba ny fiompiana sy ny fambolena. Na ireny aza anefa dia mba manana lavaka sy akany mba hisitrihana sy hakàna aina lavitra ny mpihaza. Saingy ny zanak’olona, izay handany ny “ainy” mba hanaovana soa kosa, dia tsy manana izay hampandriany ny lohany, tsy maintsy hivoaka ny kibon’ny reniny (hateraka) ka hizotra ilay lalana mankeny am-pitandrano nandidiany haleha.
Tsy mpampianatra fotsiny manko i Jesoa fa ilay Tenin’ny Fiainana, tonga nofo, manaporofo amintsika ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny andavanandrom-piainana, ary Izy no tsy maintsy arahin’izay te ho tonga amin’ny hafenoan’ny hafaliana, ilay Tompo halaina tahaka raha te ho zanaka mpandova ny Fiainana mandrakizay. Izay te hanaraka Azy dia tsy maintsy hianatra ny “fahantrana” iainany mba hahafahana mandova ny fiainana: sambatra ny mahatra fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Ho an’izay manapa-kevitra ho mpianany dia antsoin’i Jesoa amin’ny lalindalina kokoa. Tahaka ny zaza vao teraka, niala tao an-kibon’ny reny, niala tamin’izay mety nianteherana (lavaka, akany, ondana, fahafinaretana…) dia antsoiny mba hiala koa amin’ny ray, tsy hanatrika ny fandevenana akory, izany hoe antsoiny hiala amin’ny foto-pisainana sy ny fahazarana (fifandraisana, fombafomba, lova sns) mba ho teraka amin’ny fiainam-baovao, ho olona afaka hanatanteraka ny adidy miandry izay te ho mpianatra. Tsy fanaovana tsinontsinona ny maha-olona anefa izay fa fanandratana azy aza. Tsy fitahirizana lavenona manko fikolokoloana ny vainafo tsy ho faty no tena fanandratana ny kolontsaina.
Tsy ny faniratsirana ny fandevenana izay mari-panajana ho an’ny raiamandreny araka izany no lazain’i Jesoa (Tobia 4, 3). Ny fandevenana anefa, izay tsy hiandrasana ela fa atao ny andro nahafatesana ihany tany Palestina tamin’ny andron’i Jesoa, saingy mandrindra ny henemana kosa dia sady fisaonana no fandraisana famangia-manjò. Betsaka ny ezaka natao mba hitadiavana ny tena hevitr’ity tenin’i Jesoa ity. Ny sasany milaza fa hoe “avelao ny maty halevin’izay handevina ny maty ao aminy”, ny sasany milaza fa hoe “avelao ny maty handevina ny maty”, ka ilay maty mpandevina dia ireo tsy mbola “velona” ao amin’ny fianam-baovao. Ny tokony himasoana araka izany dia tsy ny handevina ny maty loatra, fa ny mba ho velona amin’ny fianam-baovao iantsoany antsika.
Angatahiny hitia azy ambonin’ny zavatra rehetra izay te ho mpianany, handao ny mety ho fahafinaretana sy kitro hifaharana (reny), hamela ihany koa, eny fa na dia hatramin’ny fara-fahatsiarovana ny ray aza, ka hanaraka Azy ho any amin’ny hafenoan’ny fiainana. Ho haintsika anie ny hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ambonin’ny zavatra rehetra.