Alatsinainy faha 11 mandavan-taona
- Ankasa: 1Mpanjaka 21,1-15/Salamo 5
- Tsy ankasa: 2Kôrintianina 6,1-10/Salamo 97
- Md Matio 5,38-42
Amin’ny fomba firafetan’ny fiaraha-monina, indrindra moa rehefa tsy arahina araka ny tokony ho izy ny lalàna dia ny fitsaram-bahoaka no miha-mahazo vahana tsikelikely, na dia habibiana ihany aza no vokatr’izany: “Maso efai-maso, nify efai-nify” (Eks 21,24; Lev 24,20; Jen 9,6). Io no lalànan’ny “talion”, nitovizan’ny toe-tsaina hamaliana faty ka hanjakan’izay mahery, tahaka ny tantaran’i Lameka ao amin’ny Boky Jenezy (Jen 4,23-24). Noheverina fa ny famaizana no hahafahana mametra ny fiitaran’ny ratsy, ka hampiahotra ny hafa hamerina ny hadisoana noho ny fahatahorana ny famaizana tsy azo hivalozana. Tsy mahasakana ny ratsy anefa izany fa vao mainka aza manampy trotraka ka mampitombo ny hafetsena sy ny fihatsaram-belatsihy. Hitantsika amin’ny fiainana andavanandro ny vokany: ny mpangalatra akoho maty vonoin’ny fitsaram-bahoaka; ny mpangalatra an-tapitrisany milamina sy miadana (farafahakeliny ahay eo imason’ny olona).
Manoloana izany dia ambaran’i Jesoa amin’ny mpianany fa tsy misy lalana hahafahana manorina fiaraha-monina vaovao, hidirana amin’ny fiainana, raha tsy amin’ny fanaovan-tsoa: handresy ny fitiavan-tena amin’ny fitiavana, handresy ny ratsy amin’ny tsara (Rm 12,21). Fitsipika vitsivitsy no ampianariny antsika androany mba hahafahana manao izay.
Ny voalohany indrindra dia “tsy mamaly ratsy akory”, izany hoe hanohitra ny “fahotana” fa tsy ny “mpanota”. Ny ratsy dia manimba izay nahavita azy voalohany indrindra, ny mpanota no efa andevoziny, babony ka tsy afaka ny hanohitra azy, ka raha heveriko ho rahalahiko izy dia ampiako ho afaka, omeko tanana mba hiarina. Indraindray anefa dia heveriko ho mpifaninana amiko izy, ka satriko aza nahavita ratsy hiampangana sy hankahalana ary hanapotehana azy. Ny fankahalako na ny fitiavako azy araka izany no hahafahako mijery izay iraiketan’ny foko na amin’ny ratsy na amin’ny fitiavana. Ampianarin’i Jesoa hitia ny mpanota ny mpianany ka hitarika azy ho amin’ny hazavan’ny fitiavana. Izy no ilay Zanank’ondry mitondra (mivesatra) sy manala ny fahotan’izao tontolo izao (Jo 1,29). Ny famindram-po no hahafahana mandresy ny ratsy. Ahoana anefa no hahavitàna izany?
Ny fitsipika atoron’i Jesoa manoloana ny herisetradia ny fahaizantsika mandefitra, mihoatra izay efa zakaintsika. Tsy sanatria hanome rariny ilay namely fa hahay hifehy tena kosa hiaritra ny tsy rariny sy ny fanambaniana toy izay hahavita ratsy amin’ny rahalahy. Na i Jesoa aza dia tsy nanolotra ny takolany havanana rehefa voan’ny teha-maina (jereo Jo 18,23), saingy tsy namaly kosa.
“Raha misy te hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao dia afoizo ho azy koa ny lambanao”. Sarotra izany. Manoloana ny tsy rariny dia tsy vitan’ny mandefitra fa hahafoy hatramin’izay anananao zo aza ka hiarovan’ny lalàna anao (Eks 22,25-26; Dt 24,13): mba handreseny ny ratsy dia neken’i Jesoa hatramin’ny endahina akanjo sy hofantsihana amin’ny hazofijaliana.
Ny zavatra fahatelo dia manoloana izay mety hanampa-pahefana: “Raha misy manery (ἀγγαρεύω – angareuô) anao hanao arivo dingana, miaraha aminy roa arivo”. Ny “Angarius” moa mety ho avy amin’ny hoe אִגְּרָה- ‘igerāh: iraky ny mpanjaka, olona afaka manery izay tiany mba hitondra ny entany, ka raha zanak’Andriamanitra ny olona rehetra, zanaky ny Mpanjakan’ny Mpanjaka, dia mazava loatra, tsy afaka ny handà tsy hanao izay angatahiny ianao, hanao mihoatra noho izany aza.
Manoloana ny olona mpila vaniny, manoloana izay mety hanelingelina ny fahasambarantsika, inona kosa no tokony hataontsika? “Omeo izay mangataka…” fa sambatra kokoa izay manome noho izay mandray, hoy i Paoly, mamintina izany fampianarana izany (Asa 20,35).Izay tsy mizara dia tsy afaka hiombona amin’ny misterin’Andriamanitra Trinite Masina: ny Zanaka manambara amintsika izay rehetra reny tamin’ny Ray (Jo 15,15); ny Fanahy manome antsika izay rehetra an’ny Zanaka (Jo 16,12-15), omeny antsika manontolo ny fiainany. Ny fanomezana no hisokafantsika amin’ny hafa ka hidirantsika amin’ny fiombonana aminy, handresena ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola, loharanon’ny ratsy rehetra (1Tm 6,10).
Tsy ny fanidiana ny varavarana no tsy hidiran’ny haizina avy any ivelany ao an-trano, ka hampazava azy amin’ny andro alina fa ny fandrehetana jiro. Tsy ny haizina avy any ivelany tsy akory no hiditra ao a-trano, fa ny hazavana avy ao an-trano no hitosaka any ivelany rehefa mirehitra ny jiro.
Haharesy ny tahotra anie isika ka hahay handresy ny ratsy amin’ny soa.