Alatsinainy anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
- Asa 2, 14.22-32/
- Salamo 15/
- Md Matio 28, 8-15
“I Jesoa… novonoinareo tamin’ny hazofijaliana”.
Araka ny filazan’ny mpandalina ny Soratra Masina dia misy drafitra arahina ny fitorian-tenin’i Md Piera:
1. Filazana fa izay mihaino ny Teny dia tompon’antoka amin’ny fahafatesan’ilay Marina (novonoinareo: Asa 2, 23; 3, 13b-15a; 4, 10; 5, 30; 10, 38s); ao amin’ny Asan’ny Apôstôly dia tsara homarihana fa tsy ny fahafatesan’i Jesoa loatra amin’ny maha-fahafatesana azy no fanavotana ho antsika. Tsy lazain’i Lioka na dia indray mandeha aza fa hoe “maty ho antsika i Kristy” na hoe “maty ho solo heloka” na maty noho ny fahotana (i Md Paoly no mampiasa izany, jereo ohatra 1 Kor 15, 3b-5; indray mandeha no hamerenany ny hevitry ny Eokaristia Lk 22, 19 hoe fividianan’i Kristy antsika tamin’ny rany ao amin’ny Asa 20, 28); tsy lazainy koa fa “sitrapon’Andriamanitra no nahafatesany” (Mk 8, 31; 9, 31): maty noho ny nataontsika Izy.
2. Izany anefa no nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny amin’ny nananganany ho velona an’i Jesoa sy nanosorany Azy ho Tompo (Asa 2, 24.36; 3, 13.15; 4,10; 5,31; 10, 40); Izany dia araka ny voalazan’ny Mpaminany sy ny lalàna. Tsy sasatra i Lioka ny mamerina, hatrany amin’ny Boky voalohany (Evanjely) fa tsy afaka ny hahalala an’i Jesoa raha tsy mandinika izay voalaza momba Azy ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany (sy ny Salamo – Soratra), izay lazain’ny Jody hoe TNK (Torah- Nevi’im- Ketuvim).
3. Manoloana izany zava-mahagaga izany no iantsoany ny olona mba hibebaka (2, 38; 3,19; 4,11; 5,31; 10,42). Hazavaintsika misimisy kokoa rahampitso, satria voalaza amin’ny Asa 2, 36-40.
Izany no mahatonga an’i Md Lioka manamafy mandrakariva ny asan’ny Apôstôly: vavolombelona manambara fa tsy misy lalana hahafahana mizotra amin’ny famonjena afa-tsy ny fiainana amin’ny fakàna tahaka an’i Kristy. Tsara ho marihana fa amin’ny fitanisana ny salamo 16, 8-11 (tsy foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy natolotrao ho tratry ny lo ilay Masinao), izay tia an’Andriamanitra no ilay Masiny: vavolombelona manambara araka izany ny Mpianany fa i Jesoa no Mesia (Kristy, voahosotra) sy Tompo ary ilay Masin’Andriamanitra.
Ny Salamo setriny (Sal 15) dia mampiseho amintsika ny misterin’Andriamanitra Trinite Masina: eo anoloantsika Izy, mitari-dalana, manome ohatra; eo an-kavanantsika Izy manome tanana sy hery hoentintsika manatanteraka ny adidy sy ny andraikitra; eo an-kavanany koa isika (Izy eo an-kavia), manaiky hihaino ny toroheviny sy ny baiko omeny.
I Marka dia nilaza fa ireo vehivavy nirahin’ny Anjely hilaza amin’ny mpianatra dia tsy nilaza na inona na inona tamin’iza na iza satria natahotra (Mk 16, 8), i Maria Madelena ihany no lasa nilaza. Henontsika tamin’ny fitantaran’i Matio anio anefa fa rehefa nahita ilay anjely nipetraka teo ambon’ny vato (fa tsy ao anaty fasana tahaka ny fitantaran’i Marka) dia nandeha nihazakazaka hitory amin’ny mpianatra; i Kristy tafantsangan-ko velona kosa naniraka azy hilaza amin’ny Mpianatra (izay antsoin’i Jesoa ho rahalahy) fa any Galilea (Ambohipihanonana) no hahitany Azy. Inona moa no hevitr’izany?
Eny andalana hitory ny Evanjely no miseho amin’izay vonona ho iraka i Jesoa ka milaza aminy hoe: “arahaba”. Io moa no dikateny tahaka ny “arahaba, ry Maria”, fa ny teny grika χαίρετε (χαίρω Kairo) dia “miravoravò” no dikany. Fiantsoana mba hifaly no hafatr’i Jesoa tafatsangan-ko velona. Izay hafaliana izay no hahafahantsika mamihina ny tongony sy mitsaoka Azy ka hanafaka ny tahotra, hahazoantsika milaza miaraka Aminy fa ireo Apôstôly, nitsoaka an-daharana amin’ny maha-mpanara-dia dia “rahalahy” ho Azy. Izay tafatsangana miaraka Aminy koa dia tsy manam-pahavalo na manana olona hitanana alahelo fa rahalahy sy anabavy daholo ny olombelona rehetra.
Satria ny fanokafana fasana tsy nahazoana alalana ho an’ny Romana dia heloka bevava ary nosetraina amin’ny famonoana ho faty aza tamin’ny andron’ny Amperora Claude. Amafisin’i Matio fa ny vola dia mety hahatsentsina ny lainga sy ny fitaka miely fa ny mpianatra no nangalatra ny faty. Firifiry moa ny olona no mino lainga tsara lahatra, ka hanao laza masaka ny fahamarinan’ny zavatra iray izay mety tsy hananana porofo akory.
Izay manompo ny vola mba hanakonana ny marina, ka nahita ny fitsanganan-ko velona aza dia aleo mangina, dia manohitra an’Andriamanitra, hoy Papa François, ary dinihontsika hoe firifiry ny kristianina tsy miaina araka ny angatahin’i Kristy amin’ny maha-kristianina azy, noho ny tombontsoa sy ny harena mandalo (Audience 31 mars 2021).
Izay te hanaporofo fa nitsangana i Kristy dia tsy manana lalana hafa azony izorana afa-tsy ny hafaliany nanandrana niaina araka ny Evanjeliny.
Ho vavolombelon’izany hafaliana izany anie ny Kristianina.