Alatsinain’ny Pantekoty: Fahatsiarovana an’i Masina Maria Renin’ny Eglizy
- Jenezy 3, 9-15.20
- na Asa 1, 12-14
- Salamo 86
- Md Joany 19, 25-34
Tsy mivadika amin’ny fikasany nahary ny olona mitovy endrika aminy Andriamanitra na eoa z any fahalemena sy ny safidintsika mazàna tsy manaja izany fikasàny izany amin’ny fizorana amin’ny lalana manalavitra ny fahasambarana iantsoany antsika. Ny Boky Jenezy sy ny filazan’i Lioka an’ilay Renin’ny aina miara-mivavaka amintsika sy amin’ny Eglizy manontolo no ankalazaina anio.
Tamin’ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny fisehoana tany Lourdes (11 febroary 2018) ary dia sitraky ny Eglizy ny mandraikitra ny Alatsinainy manaraka ny Pantekoty, araka ny fanirian’ny Papa François, ho fahatsiarovana an’i Masina Maria Renin’ny Eglizy.
Ampahatsiahivin’ny Kardinaly Robert Sarah tamin’izany fanambarana izany ny anjara toeran’ity Vehivavy niteraka ny Zanak’Andriamanitra ity (Ga 4,4) eo anivon’ny Eglizy. Tsy afaka sarahina amin’i Kristy Filohany manko ny Eglizy vatany sy ratsam-batany izay naterany teo ambonin’ny Hazofijaliana tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy. Ilay Reny teo ampototry ny Hazofijaliana (Jo 19, 25) no mandray ny olombelona rehetra mandray ny fampianaran’i Kristy ho zanany ka tonga Renin’ny Eglizy, Reny malala sy lalaina.
Efa nitarika ny Eglizy miomana amin’ny fahaterahany ny fiarahany mivavaka amin’ny mpianatra tao amin’ny Senakla (Asa 1, 14). Ry Md Ambroise, ilay fanomezam-pahasoavana nampibebaka an’i Md Augustin dia efa niantso an’i Masina Maria hoe Mater Ecclesiae, Renin’ny Eglizy, ary rariny ny nanambaran’i Md Paoly VI azy tamin’ny famaranana ny Session fahatelo tamin’ny Konsily Vatikana II (21 novembre 1964) ho “Renin’ny Eglizy, izany hoe Renin’ny vahoaka kristianina, na ny mpino na ny Mpitondra, izay miantso an’i Maria ho malalany”.
Teo am-pototry ny hazofijaliana no nijoro ny “renin’i Jesoa” sy ny “Mpianany malalany”. Raha raisina ara-bakiteny izany ka hilazana fa teo i Maria sy Joany, araka ny henontsika sy hitantsika amin’ny “film”, kanefa mety hanakana antsika tsy hahazo ny hevitra tian’i Joany ampitaina amin’izay mamaky ny Evanjeliny izany fanatsotsorana izany.
Tsara ho fantatra aloha fa ny Evanjely hafa dia milaza fa tery lavidavitra tery no nanara-maso ny fianakavian’i Jesoa sy ny vehivavy masina (Lk 23, 49/Mk 15, 40) satria tsara heverina koa fa tsy afaka nanatona ny hazofijaliana izy ireo araka ny Lalàna Romana, sady atao ahoana koa moa no hitondra an’i Maria hanatrika ny famonoana an-janany! Ambaran’ny mpandalina Baiboly fa tahaka an’ilay “ravehivavy” voalaza tany Kanà ihany, dia ilay “Zanaka vavin’i Siona” ahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra no tian’i Joany ambara. Tsy mahagaga araka izany raha noraisin’ilay mpianatra Malala (izay mino an’i Jesoa dia malalany avokoa fa tsy misy tombo sy hala) ho “fananany sarobidy”, ho fananana manokana (εἰς τὰ ἴδια, eis ta idia) ny “renin’i Jesoa”, ny “Testamenta Taloha”, lovam-panahy mirakitra ny Tantaran’ilay Zanaka vavin’i Siona, tonga “Vadin’ilay Zanak’Ondry” (Apok 21, 9), Reny miteraka ny zanak’Andriamanitra rehetra. Tsy ny Evanjely ihany no harena ho antsika fa ny Testamenta Taloha manontolo.
Ampahatsiahivin’ny Evanjely ihany koa fa “nijoro” (ἵστημι, histemi) teo am-pototry ny Hazofijaliana ny Reniny sy ny Mpianatra malala. Izany fijoroana izany dia maneho ny finoana tonga lafatra, tsy miozongozona satria mafy orina, maneho ny fanekena hijoro hatramin’ny farany, tao anatin’ny fahoriana niaretana, tahaka ny nataon’ny Zanaka (Vakiteny I) ka izay manaiky hiara-mijaly aminy, izay manaiky hijoro fa tsy hitanondrika, tsy hilavo lefona manoloana ny hazofijaliana izay tsy maintsy hozakaina no afaka hohenoim-bavaka ka hovonjena amin’ny fahafatesana. Mampianatra antsika ihany koa izany handini-tena na mampijoro antsika ho Mpianatra na tsia ny fibanjinana ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa banjinintsika ao amin’ireo endrika isehoany (Mt 25). Reniny sy Mpianany, miombom-piainana Aminy isika raha tonga alahelontsika ny alahelon’ireo zanak’Andriamanitra rehetra mbola mijaly eo amin’ny hazofijalian’izao tontolo izao.
Tsy azo adinoina ihany koa ny antony lehibe nahatonga an’i Joany nilaza izany. Manoloana ny disadisa nisy teo amin’ny kristianina sy ny Jody, voaendrikendrika ho mpamono ny Mpampianatra, dia ambaran’i Joany mazava fa tonga hampiavana i Jesoa. Io no farateniny, ny sakramentany. Amin’ny fibanjinana ny Lakroà Masina araka izany dia mila mandini-tena mandrakariva isika. Firifiry ny tsy fitovian-kevitra misy eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Antsoin’i Jesoa isika handray hatramin’izay mety tsy hitovy hevitra amintsika. Ny raiamandreny sadaikatra amin’ny fomba fihevitry ny zanany, ny zanaka tsy mahazo ny hevitra sy ny torolalan’ny raimanandreny, dia samy antsoina hanaiky fa lalana tokana no mitondra amin’ny fahasambarana: ny Lakroà fampihavanana ny lanitra sy ny tany ary fampihavanana ny olombelona natsangan’Andriamanitra ho zanany ao amin’i Kristy.
Ny antony nametrahana ity fety ity, hoy ny kardinaly Sarah dia mba hampahatsiaro ny Kristianina fa tsy afaka mitombo ny fiainana maha-kristianiana raha tsy mifaka ao amin’ny misterin’ny Hazofijaliana izay manambara ny fanoloran-tenan’i Kristy ao amin’ny Sorona Masin’ny Eokaristia, ka nandraisan’ilay Reniny anjara amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana hatramin’ny farany, ka maha-mendrika azy antsoina ho Renin’ny Mpanavotra ny voaavotra rehetra.
Hanampy antsika hiatrika izay mety ho fitsapana eo amin’ny fiainana anie ny fety anio, ka hahafahantsika mijoro ho tena mpianatr’i Kristy tokoa, matoky fa hain’Andriamanitra ny mitondra antsika amin’ny hafenoan’ny hasambarana iantsoany ny zanany rehetra, ary Reny mahatoky ho antsika zanany malalany rehetra i Masina Maria nomen’i Jesoa ho Renintsika maniry ny hanara-dia Azy amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Evanjely.