Alarobia voalohany mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 2,14-18 / Salamo 104,1-2.3-4.6-7.8-9
- Ankasa: 1Samoela 3,1-10.19-21/Salamo 39/
- Md Marka 1,29-39
Toerana natao hiombonana sy hiderana an’Andriamanitra ny Sinagôga, ny Fiangonana. Indraindray anefa na ny Tenin’Andriamanitra aza, tsy manan-kery intsony hitondra fahafahana sy fiainam-baovao ho an’izay mihaino azy. Tsy hoe lefy ny heriny, fa ny fahavononana handray azy sy hanaiky hovàny no mahatonga izany. Rehefa avy nandroaka ny demony tao an-tempoly i Jesoa, nanafaka antsika amin’izay mety ho fanompoan-tsampy dia nandroso “niaraka tamin’izay” ho ao an-tranon’i Md Piera. Ho an’ny rafozam-bavin’i Piera dia fahasahiranana mihoa-pampana izany: tsy i Piera sy i Andrea ihany no hotompoina manomboka eto fa i Joany sy i Jakôba ary ny mpanara-dia an’ilay “Mpampianatra” rehetra koa: voan’ny tazo izy ka nilamaka am-pandriana ka nolazain’ireo mpianatra an’i Jesoa io olana io.
Ambaran’i Marka mazava amin’izany ny fomba tokony hiatrehana ny olana raha mpianatra isika: mila resahina amin’i Jesoa ary avy eo miaraka Aminy no hitadiavana ny vahaolana. Indraindray manko tsy araka ny fijerin’Andriamanitra loatra fa fijerin’olombelona fotsiny ihany no hitadiavantsika ny fomba ho entina mamaha olana. Ho hitantsika aoriana kely ny vokatr’izay.
I Jesoa kosa, nandray ny tanan’ny rafozam-bavin’i Piera ka nanarina azy. Egeirô (ἐγείρω) no matoanteny nampiasain’i Marka, izay ilazana ihany koa ny fitsanganan-ko velona. Narenin’i Jesoa ho amin’ny fiainam-baovao ilay Ramatoa dia nitsangana hanompo. Izay nandray ny fahasoavana marina dia tsy afaka ny tsy hanompo. Raha toa ka mbola marisarisa ny fahazotoan-kanompo dia mbola tsy lavorary izay ny fahasitranana, mila mangataka amin’ilay Mpampianatra mba handray ny tanantsika.
Arakaraky ny iombonantsika aina Aminy no itomboan’ny hafaliana tovozintsika avy amin’ny asa fanompoana.
Rehefa hariva ny andro (im-pito moa io no averin’i Marka Mk 4, 35; 6,47; 11,11; 11,19; 14,17; 15,42 ka amin’ity farany dia ny harivan’ny fahafatesana hidirany any amin’ny fianana no lazainy) dia nentin’ny olona teo amin’i Jesoa avokoa ny marary rehetra mba hositraniny, hokarakarainy (θεραπεύω– therapeuô). Ny Jody manko tsy afaka mandeha lavitra na mitondra zavatra ary tsy afaka mikarakara ny marariny aza rehefa Sabata. Ny hariva kosa, rehefa manomboka ny andro voalohany dia mirohotra izy ireo mba hitady fahasitranana, satria nalaza fa tao an-tranon’i Piera dia misy Mpampianatra manana hery miafina hanasitrana ny rofy sy ny aretina rehetra. Ny atoandro Izy nanasitrana iray monja, ny alina nanasitrana ny marary rehetra.
Tsy mba afaka ny hirohotra ho any anefa ny karazan’olona sasany voailikiliky ny fiaraha-monina, anisan’izany ilay boka (Mk 1,40snm) sy ilay nitsi-dra (Mk 5,25) sy ilay jentily avy amin’ny firenena sirofenisa (Mk 7,25) sy ilay jamba (10,49). Entin’i Marka ilazana amintsika izany fa tsy afaka ny ho any amin’i Jesoa ireo raha tsy misy ny fanampian’ny hafa, na ny hafa no mitondra an’i Jesoa eo aminy, tahaka ny rafozam-bavin’i Piera.
Ambaran’i Marka eto fa tsy mampilamina ny feon’ny fieritreretana ny famonjena lamesa. Tsy afaka ny tsy hanompo sy hanamaivana ny fahorian’ny mpiara-monina izay tena nihaona tamin’Andriamanitra velona tamin’ny fiaraha-mivavaka. Tsy afaka ny tsy hanasitrana sy handroaka demony. Ny hoe manasitrana moa amin’ny teny grika dia θεραπεύω (therapeuô) dia mitovy fototeny amin’ny hoe θεράπων (therapôn), entina hilazana ny fanompoana an’Andriamanitra. Io kolontsaina io dia tsy mifanalavitra amin’ny toe-tsain’ny razantsika milaza hoe: izay marary Andriana. Amin’ny fandroahana demony indray eto dia mbola miverina ny hoe “tsy navelany niteny”, tany amin’ny sinagôga hoe mangìna. Ankoatra ny “secret messianique” lazain’ny mpandalina, dia azo heverina fa lalana tokana hahafahana miady ka mandroaka ny demony ny tsy be resaka aminy, ny mampangìna azy.
Tsy mahasolo ny fanompoana ny vavaka ary tsy mahasolo ny vavaka ny fanompoana.
Vao mangiran-dratsy ny andro dia lasa nivavaka kosa i Jesoa. Ankoatra ny fiantsoana ny vao marainakoan’ny Paka (Mk 16,2) dia misy antony roa lehibe tokony hotsarovana: 1- tsy misy afaka hilaza hoe “efa nanompo hatramin’ny hariva be omaly”: nivavaka maraina dia nitsabo marary ny hariva, ka noho izany mba matory maraina ny andro manaraka;2- Sanatria ny fiaraha-mivavaka sy ny fanompoana no haka ny toeran’ny vavaka samirery izay manome aina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Toko telo mahamasa-nahandro ireo: fiaraha-mivavaka, fanompoana ary vavaka samirery. Izay miaina izany ihany no afaka hanavaka ny “fanompoana ho fanitarana ny voninahitr’Andriamanitra” sy ny “fanompoana ateraky ny fitiavan-tenan’ny olona”, ny vavaka ateraky ny fitiavan-tena dia hitady an’Andriamanitra mba hanao fahagagana, hamaha ny olany tsy hoe mba hahafahana hanompoana ny namana fa hireharehana fotsiny ihany.
Tadiavin’ny olona rehetra ianao, hoy ny mpianatra. Izany no fijerin’ny olombelona. Saingy, araka ny nolazaintsika teny ambony, ny fijerin’ny Mpampianatra kosa, rehefa avy novolavolain’ny vavaka, dia niantso ny mpianatra mba handeha ho any an-toeran-kafa mba hitoriana any koa.
Raha tsy izay sitrana rehetra sy nahazo fahasoavana manko no “mitsangana hanompo”, dia tsy hiitatra na oviana na oviana ny fanjakan’Andriamanitra fa ho zary fitadiavana tombontsoa fotsiny ihany, hiandrasana fahagagana, ka mety hahatonga hihevitra aza fa miangatra Andriamanitra raha sanatria tsy hahazo izay azon’ny hafa.
Angatahontsika àry ny fahasoavana raha sanatria mbola marisarisa isika ny amin’ny fanompoana sy ny fanaovan-tsoa.
Raisintsika ho baiko ny hafatr’i Md Paoly: aza mba mitaredretra raha ny amin’ny fahazotoan-kanompo (Rm 12,11)