Alarobia VII Paka
- Asa 20,28-38/
- Salamo 67/
- Md Joany 17,11-19
Nankany Masedônia i Paoly dia avy eo tany Gresy, kanefa nikendry azy ny Jody ka niverina nankany Azia izy saingy tsy nandalo tany Efezy intsony rehefa avy ao Troasy fa nivantana tany Mileto, ary avy any izy no niantso ny Pretran’ny Fiangonana tao Efezy. Ny votoatin’ny lahateny nataon’i Paoly tamin’izy ireo ho fanaovam-beloma, dia mikasika ny traikefam-piainany, amin’ny tsy nikelezany aina tamin’ny fitoriana ny Evanjely (vakiteny omaly), avy eo manafatra azy ireo mba hitandrina tsara, hazoto hivavaka sy hifankatia (vakiteny anio).
Ampahatsiahivin’i Paoly fa izay tia ka miasa araka ny Evanjely dia tsy misorona amin’ny fitenenana mba hanitsy ny fiainan’ireo izay nankinina aminy. Loza ho an’ny Fiangonana ny olona mampianatra hevi-diso mba hitiavan’ny olona azy fotsiny. Tsy noho ny fahendren’ny Apôstôly anefa no hampahavokatra ny Teny. Izany no hanankinan’i Paoly ireo pretran’ny Fiangonana amin’Andriamanitra sy amin’ny Tenim-pahasoavana, dia ilay afa-manorina sy mandavorary ary manome antsika ny lova.
Ny fiezahana hamokatra amin’ny asan’ny tena ho hahafahana manampy ny sahirana sy ireo mbola marefo ara-pinoana. Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray, hoy i Paoly, mampahatsiaro ny fampianarana atoron’ny Evanjely. Ka ny fanokanan-tena hiasa dia manampy be dia be hijoroana ho vavolombelon’ny finoana. Ny fampianarana sy ny fananarana kosa, raha tsy tohizana amin’ny fiaraha-mandohalika, izany hoe fiarahana mikatsaka ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fiaraha-mivavaka, fiarahana mikatsaka ny fomba tsara indrindra mifanaraka amin’izay sitrapon’Andriamanitra dia tsy hisy vokany akory. Tsy ezak’olombelona manko izany fa fahasoavana. Izany no mahatonga an’i Paoly hirehareha fa mahefa ny zavatra rehetra satria miaraka amin’ilay mpankahery azy (Fil 4,13).
Ny fanamasinan-tena ataon’ny kristianina, tahaka ny nataon’i Jesoa, henontsika amin’ny Evanjely, no hahafahan’izy ireo manamasina ny olona hitoriany ny Evanjely. Mivavaka ho an’ireo mino Azy i Jesoa mba hananan’izy ireo ny faharetana manoloana ny fankahalana tsy maintsy hosedrainy eo amin’ny tontolo anirahana azy ireo. Izay mandray ny Teny ka mitandrina Azy dia halan’izao tontolo izao. Ny Teny no manadio sy mandrantsana mba hamokatra (Jo 15,3); io no marina izay maha olon’afaka (Jo 8,32), io no fahazavana manilo mba hivoahana amin’ny haizim-piton’ity fiainana ity, satria “Fanahy sy Fiainana” (Jo 6,63). Ny Teny no nahariana ny tontolo ary mahatonga antsika koa handova ny fahariana vaovao amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika.
Ray “Masina” no anandratan’i Jesoa ny vavaka ataony: Masina satria voatokana, tsy mifangaro amin’ny hafa, manana fihevitra tsy mitovy amin’ny fihevitr’olombelona. Voaantso hiombona amin’izany fahamasinany izany izay mino Azy (Lev 11,44). Ray koa anefa Izy ka tsy afa-misaraka amin’ny zanany. Ao amin’ny Anarany, izany hoe eo anatrehany, ao Aminy, miombon’aina Aminy, amin’ny vavaka (resaka) atao Aminy no hitahirizan’i Jesoa ny Mpianatra sy iriany hitehirizan’ny Ray azy ireo koa ao amin’ny fahamasinana. Ray no anarany ka amin’ny fiantsoantsika Azy ho Ray no hiezahantsika koa hiaina ho zanany marina tokoa, hiezaka hitahiry ny toetra maha zanaka. Tsy ezaka avy amin’ny olombelona anefa ny fiombonana aina amin’Andriamanitra ka hiombonan’ny Mpianatra koa ao amin’i Kristy fa fanomezana vokatry ny vavaka ataon’i Kristy Mpisorombe.
Tahaka izany koa ny Mpianatra: tsy afa-miala eo amin’izao tontolo izao satria voairaka hanohy ny asam-pamonjena izao tontolo izao, saingy tsy olon’izao tontolo izao izy ireo. Hohamasinina amin’ny fahamarinana ireo mpianatra mba hahafahany manantanteraka izay iraka izany. Ny hoe ankamasinina moa (ἁγιάζω – hagiazô) dia azo adika hoe atokana tsy hifangaro amin’izao tontolo izao mba ho an’Andriamanitra irery ihany, hiombon’aina Aminy (qadash, tahaka ny Levita: jereo Fan 3,13); mety ho fanokanana amin’ny alalan’ny “rites” sy ny fombafomba; fa azo andikana ny fanolorana ny tena ho sorona ihany koa. Ny fahamasinan’Andriamanitra voalaza teo aloha (Lev 11,44; Mt 5,48) halaintsika tahaka dia lazain’i Md Lioka hoe ny famindram-pony (Lk 6,36) izay hanehoany ny heriny hany azo ianteherana (Prefasy vavaka fampihavanana I). Tsy fisehosehoana ho tsara noho ny hafa araka izany ny fahamasinan’ireo mpianatra fa fahamasinana hanahafana ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy maniry afa-tsy ny hahavonjy ny olombelona rehetra. Izay tsy miaina araka ny fitiavana, tsy maniry ny hahavonjy ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza, araka izany, dia mbola lavitra ny fahamasinan’Andriamanitra.
Mazava amin’izany ny antony anirahana ny mpianatra, mba hanohy ny asam-pamonjena nanirahan’ny Ray an’i Jesoa: hampahafantatra an’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra ary hanome azy ireo ny fiainana (amin’ny fanolorany ny ainy) ho famonjena azy rehetra. Izany no nanamasinan’i Jesoa ny tenany, ary ho an’izay te hanara-dia azy dia io no lalana tokana hanamasinany tenany.
Hampiombona antsika ao amin’ny fahamarinany sy ny fahamasinan’Andriamanitra anie ny Fanahy Masina.