Alarobia V Karemy
- Vakiteny I : Daniely 3,14-20.91-92.95,
- Tononkira : Daniely 3,52.53.54.55.56,
- Evanjely : Md Joany 8,31-42.
Ny tantaran’ireo telolahy ao amin’ny Bokin’i Daniely (דָּנִיֵּאל Daniye’l, Andriamanitra no mpitsara) dia manambara ny fanirian’ny olombelona mba havotan’Andriamanitra manoloana ny fitsarana tsy marina, satria Izy no hany Mpitsara (dan). Ny anaran’ireo telo lahy Anania (חֲנַנְיָה Hananyah, Andriamanitra mpamindra fo), Misaely (מִישָׁאֵל Miysha’el, Iza no toa an’Andriamanitra?) ary Azaria (עֲזַרְיָה `Azaryah, Andriamanitra no namonjy) dia manamafy ny endrik’izany Andriamanitra manafaka mandrakariva ny mpanompony amin’ny fijaliana izany.
Manoloana ny fahaviniran’ny mpanjaka Nabokodonozora (נְבוּכַדְרֶאצַּר Nebokadnehtsar, harovan’i Nebo -andriamanitry ny Babilona- anie ny satroboninahiny), ireo naman’i Daniely izay nomena anarana hifanaraka amin’ny andriamanitra “Nebo” (בֵּלְטְשַׁאְצַּר Beltesha’tsar, Baltasara: Andriamanitra hiaro ny ainy), i Sidràka (le grand scribe), Misàka (invité du Roi) sy Abed-Nego (serviteur de Nego-Nebo) dia nandà an-kitsirano ny hanompo ny andriamanitra Nebo na ny hiondrika eo anatrehan’ny Mpanjaka. “Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitray dia hovonjeny anatin’ny memy mirehitra izahay”.
I Daniely novonjena tamin’ny vavan’ny liona, ireto zatovo ireto kosa voavonjy tamin’ny afo. Saingy eo amin’ny fiainana an-davanandro dia toa tsy izany no zava-misy. Toa zary anganon’ny Ntaolo ihany ny fitantaran’i Daniely. Maro kokoa manko ny olo-marina vonoina ary an-kavitsiana no hahenoana ireo izay anehoan’ny Tompo ny Voninahiny amin’ny fahagagagana tahaka izany, nan ny Zanany lahitokana aza tavela maty teo ambony hazo.
Io Kristy maty teo ambonin’ny hazofijaliana io no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fijalian’ny mpanompony sy ny zanany rehetra. Andriamanitra no manafaka antsika amin’ny memy mirehitra, manafaka antsika amin’izay mety ho fanompoan-tsampy ka hahatonga antsika tsy ho olona afaka. Ambaran’i Jesoa mazava amin’ny Evanjely anio fa “ny marina no maha-olona afaka”. Tsy sanatria isika hanao tahaka ny Farisiana, ka hihevitra ny tsy nandevozina mihitsy (saingy ny Soratra Masina anefa milaza fa tsy sasatry ny miharina izy ireo: Ejipta, Babilonina, ary eo ambany fifehezan’ny Romana amin’ny fotoana hiresahany amin’i Jesoa).
Izay manota dia andevon’ny ota. Ny fihainoana ny Teniny am-pinoana no manafaka antsika. Mazava ny tenin’i Jesoa fa ny fanahafantsika ny Ray no manaporofo ny Finoana marina. Tsy afaka ny hirehareha ho zanak’i Abrahama (vita Batemy, manao komonio, vita mariazy…) isika raha sanatria tsy fizorana mankamin’ny fanahafana ny Ray izany. I Kristy no ohatra ho antsika raha te ho tonga zanak’Andriamanitra marina isika. Ny fandraisana ny Teniny ho tonga fiainana ho antsika no manafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana. “Ny teny voalazan’ny Evanjely anie hanafaka ny fahotantsika”.
Ny Jody niaro tena satria “tsy teraka tamin’ny fijangajangana” no sady tsy “samaritana” tahaka an’i Jesoa. I Jesoa kosa milaza tamin’izy ireo fa ny demony no ray niaviany (and. 44). Izay mety ho fijerin’ny olona dia fijery ivelany ihany. Filazana ny naha-bevohoka an’i Masina Maria mialoha ny hiraisan-trano ve izany? sa araka izay nolazain’i Osea Mpaminany (Os 2, 4)? Fa na izany na tsy izany, mazava ny valin-tenin’i Jesoa: Izay zanak’i Abrahama dia manao ny asan’i Abrahama. Izay zanak’Andriamanitra dia manao ny asan’Andriamanitra. Mila manontany tena ary isika amin’izay “asa” himatimatesantsika.
Ny asan’Andriamanitra dia ny tsy hampisy ho very ny olombelona rehetra. Angatahontsika ary ny fahasoavana hitokisantsika aminy tanteraka, ka hahatonga antsika ho mpamelona sy ho mpikolokolo ny aina fa tsy ho sanatria ho mpamono sy mpandringana.
Tsy ny fisondrotan’ny fari-piainana na izay mety ho voninahitra eo amin’ny fiaraha-monina no fahafahana omen’i Kristy antsika fa ny fanafahana ny fontsika amin’ny gejan’ny fahotana sy izay mety ho fitiavan-tena hanidy azy tsy hisokatra amin’ny marina maha-olon’afaka, ka mety hamita-tena toy ireo nitady hamono an’i Jesoa.