Alarobia manaraka ny Epifania
- 1 Joany 4,11-18
- Salamo 71
- Marka 6,45-52
Tsy mbola lavorary ny fitiavan’izay matahotra, ary tsy matahotra izay miaina manahaka an’Andriamanitra amin’ity fiainana ity. Milaza sazy ny tahotra, hoy i Md Joany, ka izay mivavaka satria matahotra ny afobe, manao soa sao very ny fanahiny, mipetraka tsara sao very tombontsoa, dia tsy hiadana mandrakizay, tsy hahazo ny tsiron’ny hafaliana vokatry ny fahatsapana fa fanahafana ny fitiavan’Andriamanitra no mahasambatra amin’ny fiainana. Izany no fisantarana sahady dieny ety an-tany ny hasambaran’ny lanitra, fiainana araka ny maha-antsika antsika, ary izay no fahamarinana lavorary maha-olona afaka (Jo 8,32).
Rahefa avy “nampitombo” ny mofo i Jesoa, hoy ny fampidirana noforonin’izay nandamina ny vakiteny, kanefa tsy milaza fampitomboana mofo ny lahatsoratra raka vakìna tsara: fitsofan-drano sy fizarana no voalaza ao amin’ny Evanjely (tsara homarihina fa fahagagana ataon’Andriamanitra hatramin’ny mandrakizay ny fampitomboana ny mofo amin’ny fahavokaran’ny voa afafy. Ny fahaizana mizara izany no andrasana amintsika. Ao amin’ny fitantaran’i Md Joany (6,15) dia hoe saika haka Azy hatao mpanjaka ny vahoaka, ary izay no nampisintaka an’i Jesoa ho any an-tendrombohitra mba hivavaka. Taorian’ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia tokoa manko, dia nanontanian’i Pilaty Izy raha mpanjaka na tsia. Mpanjaka Izy fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakany. Hany ka ny fahafatesana no lalana tsy maintsy nombàny, hanekeny fa aleo maty toy izay hamaly ratsy ny ratsy. Tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny fiainana no nilazany amintsika fa ny lalana mankamin’ny fahasambarana dia ny mijanona ho zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia, mijoro amin’ny maha-antsika antsika na hiafara amin’ny fijaliana sy ny fahafatesana aza izany.
Notereny hiondrana ao an-tsambokelin’ny Fiangonana ireo mpianatra mba ho any amin’ny tananan’ny fanjonoana (Betsaîda), ho tonga mpanarato olona, fa Izy kosa handrava ny vahoaka, hanao veloma ny olona, hivavaka ho antsika rehetra, satria nasandratra ho Tompo sy Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ary maty teo dia nalevina, ka ny fahafatesany no lalana nizorany niakatra any amin’ny voninahitry ny lanitra, ny fahafatesana no niakarany eo an-kavanan’ny Ray, ho mpanalalana ho antsika, hivavaka ho antsika.
Hariva ny andro, ny ranomasina manonja, ilay ranomasina izay tsy hisy intsony rehefa tonga ny tany vaovao sy ny lanitra vaovao, hoy i Md Joany (Ap 21,1), ary i Jesoa irery no nanitsaka io tanety vaovao io, satria efa tafatsangan-ko velona, efa nandresy ny tahotra, nandavorary ny fitiavana tamin’ny nanolorany ny ainy ho fanehoana ny fara-fitiavany antsika olombelona. Mahita antsika mivoy mafy, manoha-drivotra Izy, ka mampiseho ny voninahiny: mandeha ambonin’ny rano, izany hoe mandresy ny herin’ny maizina sy ny fahafatesana, ary mampatahotra ihany izany satria mistery lehibe loatra.
“Aza matahotra, Izaho ihany”. Matokia. Izay no ambaran’i Jesoa amintsika: “fiadanana anie ho anareo, ny fiadanako ho anareo”, hoy Izy. Hitondra fiadanana ho antsika Izy, ary raha te handray izany fiadanany izany isika dia tsy maintsy mandray azy ao an-tsambokely mba hiara-dia amintsika.
Sao sanatria Izy Jesoa indray no adinontsika amin’ny fiainantsika ny maha-kristianina. Sanatria anie izany. Tsy mandeha ho azy ny firosoana amin’ny fiainam-panahy. Manoloana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famirapiratan’ny voninahiny dia mety ho donto fo tahaka ireto mpianatra ireto koa isika. Angatahontsika Izy mba hanokatra ny fontsika, ary hampahiratra ny masontsika ka hahazoantsika ny fiadanany.