Alarobia III Paka
- Asa 8,1-8/
- Salamo 65/
- Md Joany 6,35-40
Tsy nampitony fa nampitombo ny haromotan’ny mpanenjika ny fahafatesan’i Etiena, ka ny androtry ny namonoana azy ihany dia fanenjehana mafy no nataon’izy ireo tao Jerosalema. Hain’Andriamanitra anefa ny nampiasa izany mba hanaparitahana ny Tsimoky ny Fanjakany ivelan’i Jerosalema, araka ny hafatr’i Jesoa rahateo hoe: raha enjehina ianareo dia mandosira amin’ny tanàna hafa (Mt 10,23). I Saoly (שָׁאוּל – Shāoul) kosa, nisambotra sy nanao an-tranomaizina ny mpino na lahy na vavy. Ny zotom-pony hiaro izay noheveriny ho marina araka ny lalàna no nanaovany izany, na tsy mifanaraka amin’ny zavatra nampianarin’i Gamaliely aza, raha jerena izay nambaran’ity nolazainy ho mpampianatra azy (Asa 5,38; 22,3).
Ny Tenin’Andriamanitra kosa niitatra, hatrany Samaria ary ambaran’i Lioka mazava ny herin’ny Teny, hazavana izay mandroaka ny haizina sy ny fanahy maloto, manitsy ny fiainana mba hizotra mankany amin’ny fahasambarana. Ny fitantaran’i Lioka moa dia mifanaraka amin’ny filazan’i Jesoa fa ho vavolombelony eo amin’i Jodea manontolo sy i Samaria ary hatrany am-paravazan-tany ny Apôstôly (Asa 1,8).
Lazain’i Bède le Vénérable anefa fa tsy ny finoana an’i Kristy daholo akory no antony nahatonga ny Samaritana hatao batemy. Misy ireo nino hoy izy, fa nisy kosa ireo nanaiky hatao batemy mba hahafahany mijery ny fomba hianarana ny fahagagana nataon’i Filipo. Tsy sanatria ho fitadiavana tombontsoa na fikatsahana fahaizana entina hamalifaliana ny fitia te hahalala zavatra, fa tsy fikatsahana ny fahamarinana hanitsiana ny fiainana ho amin’ny fahasambarana no manentana antsika hihaino sy hamaky ny Tenin’Andriamanitra.
Mampalahelo ny maheno fa ny sasany, toroan’ny ratsy fanahy hevitra, hanokatra ny Baiboly tsy hamaky ny Teny, tsy hitady ao ny Tenin’ny fiainana izay tokony halalinina sy hiainana, fa hitady volo hono, satria izany no fanafody mahasitrana. Izay mino, dia tsy hohadalain’i Satàna, ka sanatria hanimbazimba ny Baiboliny ho tonga sampy. Hamakiana sy hanovozana ny Teny hoenti-miaina sy hanatsarana ny fomba fiainana mba hifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny Baiboly, fa tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa.
I Jesoa no ilay Teny nahariana izao rehetra izao, tonga mofon’ny fiainana, atonintsika mba hahazoana izany fiainana araka an’Andriamanitra izany. Hoy Izy: ἐγώ εἰμι (egô eimi), izay midika ara-bakiteny hoe “Izaho no” fa adikantsika hoe “izaho no Ilay misy “ na “Izaho no izy” (Jo 6,35). Io no ”Anarana” nisehoan’i YHWH tamin’i Môizy (Eks 3,14). Misy mahita Azy nefa tsy hino ny maha Andriamanitra Azy. Tsy afaka ny hino Azy izay tsy miditra ao amin’ny “Eokaristia”, amin’ny fiekena fa fanomezan’ny Ray avokoa ny zavatra rehetra, ary na ny fiekena ny marina mba hahafahana manatona ka mino an’i Kristy aza dia mila angatahina satria fanomezana. Asan’ny Ray no manolotra antsika amin’ny Zanaka mba hotahiriziny. Tsy afaka ny hino an’Andriamanitra araka izany izay mihevitra ny tenany ho “andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra” (Jo 5,44), ka aleony ny haizina toy izay ny hazavana. Izy kosa, amin’ny andro farany, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy (Jo 12,32). Izy nanolotra ny tenany teo ambony hazofijaliana no nanomezany antsika ny Fanahy (Jo 19,30).
Ny fiombonantsika amin’ny Zanaka mba hananana ny aina sy hahatongavana ho mpandova no sitrapon’ny Ray. Ny fiombonana amin’ny Zanaka no hahafahantsika mitia ka miditra ao amin’ny fiainana izay tsy ho levona mandrakizay. Ny fahitantsika ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny Zanaka no finoana Azy, ka hahafahantsika miara-maty Aminy ny amin’ny fahotana ary hiara-mitsangana amin’i Kristy nitsangan-ko velona ho amin’ny fiainam-baovao.
Izay mahita (mahatsapa tena) fa eo amin’i Kristy maty nahafoy ny ainy mba hilazana fa ny fitiavana fa tsy ny herisetra no lalana mitondra amin’ny fiadanana, ary manaiky fa ny fikatsahana izany fiadanana sy fandriam-pahalemana izany no hasambaran’ny Zanak’Andriamanitra, dia mampisokatra ny masony hahita fa i Jesoa tokoa no tena Zanak’Andriamanitra. Fa ny finoana Azy, izany hoe ny fampanarahana ny fiainana amin’ny Evanjely notoriany kosa no hidirantsika amin’ny fiainana, tsy aorian’ny fahafatesana fa amin’izay fotoana handraisantsika ny Teny ka hanomezantsika alalana azy mba hanova ny fiainana.